- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mijoro ho firaisankina amin'ny vehivavy ao Iran ny vehivavy ao Torkia

Sokajy: Mediam-bahoaka

Pikantsary avy amin'ny tatitra video nataon'ny Medyascope TV [1] avy amin'ny fivoriana iray notontosaina teo ivelan'ny Kaonsilàn'Iran ao Istanbul tamin'ny 21 Septambra 2022.

Nanomboka tamin'ny fanentanana an-dahatsary nivezivezy tao amin'ny media sosialy [2] ka hatramin'ny fihetsiketsehana an-dalambe [3], mankany amin'ny mpihira nanapaka ny volony teny an-tsehatra [4] — naneho firaisankina tamin'ny hetsi-panoherana mbola mitohy hatramin'izao [5] ao Iran ireo vehivavy avy amin'ny sarangam-piainana rehetra ao Tiorkia. Ao amin'ny firenena iray izay miharatsy hatrany [6] ny zon'ny vehivavy, akaiky ny tranony ny famonoana an'i Mahsa Amini.

Tamin'ny 21 Septambra [7], nitangorona teo ivelan'ny Kaonsilàn'Iran tao Istanbul ny vahoaka, nitazona [8] ny sarin'i Mahsa Amini miaraka amin'ny sora-baventy. Nosakanan'ny polisy tao an-toerana ny fihetsiketsehana mitovy amin'izany tao amin'ny Kianjan'i Taksim malaza ao Istanbul tamin'ny 20 Septambra, araka [9] ny tatitra avy any an-toerana.

Nanatevin-daharana ny hetsi-panoherana ireo vehivavy avy amin'ny tanàna manerana an'i Torkia ho firaisankina tao anatin'ny andro vitsivitsy taorian'ny vaovao nahafatesan'i Mahsa Amini teo am-pelatanan'ny polisy momba ny fitondran-tena ao Iran.

Bodrum ho an'ny vahoakan'i Iran

Nanao hetsika tao amin'ny Kianjan'i İzmir Cumhuriyet ho an'i Mahsa Amini, izay novonoin'ny polisin'ny fitondran-tena tao Iran ny fikambanam-behivavy Iraniana sy ireo fikambanam-behivavy hafa ho firaisankina.

Nilaza tamin'ny fanambaràna an-gazety [7] ny Antoko Demaokratikan'ny Vahoaka Tiorka (HDP) mpomba ny Kiorda fa nanameloka ny famonoan'ny polisy misahana ny fitondran-tena an'i Mahsa Amini:

“Tohananay ny fikomian'ny vehivavy ary itenenanay amin-dry zareo hoe: ‘Tolonay koa ny tolonareo.’ Tolona iaraha-manana izy ity hisiam-pahafahana satria fantatsika rehetra tsara izany toe-tsaina feno fankahalana vehivavy izany. Manohitra ny rafitra anjakazakan-dehilahy izay miezaka mijoro amin'ny fakàna an-keriny ny zon'ny vehivavy sy ny ainy izahay. Hotohizanay ny antso (amin'ny manam-pahefana) hanamarina ny fisian'izay rehetra famonoana vehivavy. Ary averinay indray, avy eto, avy amin'ny toerana rehetra itolomanay, dia miarahaba ny fihetsiketsehana eny amin'ny araben'i Iran izahay, ny teny faneva hoe ‘Jin, Jiyan, Azadi’ amin'ny fanononana ny teny faneva hoe ‘Jin, Jiyan, Azadi.’”

Midika hoe “Vehivavy, fiainana, fahafahana” ny “Jin, Jiyan, Azadi” amin'ny teny Kiorda.

Nanatevin-daharana [19] ny hetsi-panoherana avy ao amin'ny fonja itanana azy koa i Selahattin Demirtas, mpitarika HDP nogadraina, ho firaisankina, tamin'ny nanaratany ny volony.

Nandritra ny fampisehoana nataony tamin'ny 26 Septambra, nanapaka ny volony [4] ilay mpihira Tiorka Melek Mosso talohan'ny nilazany hoe: “Hihira ny hirako ho an'ny vehivavy rehetra aho anio alina, tsy misy afaka manaisotra ny fahafahantsika amintsika.”

Melek Mosso, Tiorka mpitendry mozika efa lasibatry ny governemanta Tiorka teo aloha ary norarana imbetsaka ny fampisehoana nataony, nanapaka ny volony teny an-tsehatra ho firaisankina amin'ny [HetsikaIran] ho an'i [Mahsa Amini].

Ny mpanorina, tale ara-javakanto, ary mpitarika ny Amboaram-peo Jazz Bogazici fanta-daza, nisioka hoe “Ampy izay!” mizara clip-n'ny amboarampeo nihanaka haingana.

Nandritra ny firesahany tamin'ny mpanao gazety tao Ankara tamin'ny 29 Septambra, nilaza [25] toa izao i Kemal Kılıçdaroğlu, mpitarika ny Antokon'ny Vahoaka Repoblikana (CH) avy amin'ny mpanohitra, hoe: “Tsy tokony ho ny vehivavy no miantoka aina na aiza na aiza eo amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Ny tokony hataontsika dia ny manaja ny vehivavy.”

Tao amin'ny randrana Twitter [26], nilaza ilay vehivavy mpitarika ny Antoko Iyi (tsara) elatra havanana hoe,

It is the most basic and sacred right of women to lead a happy and peaceful life, to be free in their choices and to live without being pushed around.

We can never accept the contrary.

On this occasion, I wholeheartedly greet the women who took to the streets for their freedom and rebelled against oppression in Iran;

I call on the Iranian administration to listen to the right voice raised by women for a dignified life and to make urgent reforms that befit human dignity.

Zo fototra sy masina indrindra ho an'ny vehivavy ny hanana fiainana sambatra sy milamina, malalaka amin'ny safidiny ary miaina tsy misy teritery.

Tsy azonay ekena mihitsy ny mifanohitra amin’izany.

Amin'ity fotoana ity, miarahaba feno ao am-poko ireo vehivavy nidina an-dalambe hitaky ny fahafahany sy nikomy tamin'ny famoretana ao Iran aho;

Miantso ny fitantanan-draharaha Iraniana aho mba hihaino ny feo marina asandratry ny vehivavy ho amin'ny fiainana mendrika sy hanao fanavaozana maika izay mifanaraka amin'ny fahamendrehan'olombelona.

Tsy nahenoam-peo fanohanana ny fihetsiketsehana ao Iran ny eo anivon'ireo mpikambana ao amin'ny Antoko Rariny sy Fampandrosoana (AK) eo amin'ny fitondrana. Raha niresaka [27] tamin'i Al-Monitor i Isin Elicin, mpanatontosa ny “FemFikir” [FemIdea], fandaharana iray nampiantranoin'ny fampahalalam-baovao tsy miankina Medyascope dia nilaza fa tsy mahagaga mihitsy ny fahanginana raha jerena ny zavatra niainan'ny antokon'ny fitondrana nandritra ny hetsi-panoherana Gezi [27] nanerana ny firenena sy ireo famoriam-bahoaka [6] mbola mitohy nokarakarain'ny vehivavy nanohitra ny fialan'ny firenena tamin'ny Dinan'Istanbul.