Ny fomba nanomezan'ny mozika highlife Igbo fanantenana ho an'i Nizeria taorian'ny ady an-trano iray nandravarava

Tovolahy Igbo iray milalao Abia (amponga). Sary avy amin'i Ou Travel and Tour, nampiasaina nahazoana alalana

Vakio eto ny ampahany voalohany amin'ity andiany ity mikasika ireo mpisava lalana amin'ny mozika highlife Igbo.

Taorian'ny ady an-trano nandravarava izay nifarana tamin'ny taona 1970, nitondra fampiononana sy fanantenana ho an'ireo Igbos, foko iray tena mameno ny ao Nizeria Atsimo-Atsinanana, ny Igbo highlife . Nanoloana io fangirifirina io, tamin'ny alalan'ny famintinana ireo sedra tamin'ny androny narahan'ny antso hanao fandeha manasatra, dia nitondra fampiononana ireo mpahay mozika highlife na eo aza ny fahasahiranana manjaka. Nandritra ny taona 80 sy 90, ny Igbo highlife dia nitohy nanome hafaliana nampiavaka ilay vanimpotoana.

Nipoaka ny ady an-trano Nizeriana taorian'ny fanonganam-panjakana tsy tanteraka tamin'ny taona 1966 izay nikasàna hanonganana ny filoham-pirenena iray avy tany avaratra, notarihin'ireo manamboninahitra Igbo. Nandrehitra famonoana an'ireo Igbos sy ireo Tatsimo hafa nonina tao avaratr'i Nizeria ny valifaty tamin'ilay fanonganam-panjakana. Niafara tamin'ny “fahafatesana olona hatramin'ny 30 000″ ny herisetra nipoaka avy hatrany taorian'izay, ka nanery ireo Igbos “maherin'ny iray tapitrisa” handositra mankany amin'ny “faritra Atsinanana”, araka ny fanadihadiana nataon'i Helen chapin Metz, mpikaroka ao amin'ny Tranomboky amerikana ao amin'ny Kaongresy. Nisaraka tamin'i Nizeria ireo Igbos ka namorona ny Repoblikan'i Biafra. Niafara tamin'ny ady an-trano Nizeria/Biafra izany tamin'ny taona 1967-1970 izay nitarika ny fahafatesana “foko Igbos sy Tatsinanana hafa maherin'ny iray tapitrisa”, hoy ny fanamafisan'i Chima J. Korieh, mpampianatra ny tantara afrikana ao amin'ny anjerimanontolo Marquette ao Etazonia.

Ny mozika highlife Igbo taorian'ny ady an-trano

Ilay ady an-trano dia nandefa Igbos maherin'ny iray tapitrisa, niparika manerana an'i Nizeria, hiverina tao amin'ny faritra atsinanana. Nanorim-paka ny highlife tao atsinanana io, hoy ny fanamafisan'i  Oghenemudiakevwe Igbi, Nizeriana iray manampahaizana. Nahatonga ny karazana highlife ho “vokatra iray manova ny kolontsain'ny mozika folk”  tamin'ny  kolontsaina Igbo ny fanovàna ny teny miafin'ireo tononkira Igbo ho amin'ny teny anglisy, izay nivelarany, hoy ny fanamafisan'i Ikenna Onwuegbunna, manam-pahaizana iray amin'ny mozika Nizeriana.

Taorian'ny ady an-trano Nizeriana teo anelanelan'ny taona 1967 sy 1970 dia rotika tanteraka ry zareo Igbo, namoy ny ainy sy very fananana. Ny teny filamatra ofisialy  “tsy misy mpandresy, tsy misy resy” taorian'ny ady an-trano, dia naneho taratra ny fanolorantenan'ny governemanta hamerina indray ireo Biafrana ho ao amin'ny Fanjakana Nizeriana. Na izany aza anefa, ny zava-misy henjana dia ny faneren'ity governemanta Nizeriana ity ihany “handoavana 20£ ho an'ireo tompona kaonty any amin'y banky ao Biafra, na hoatrinona na hoatrinona vola tao amin'ny kaontiny talohan'ny” ady. Nahavaky fo ireo sisa velona tamin”ilay ady nahakivy izany, angamba koa mihoatra lavitra noho ilay ady mihitsy aza.

Ny mozika highlife Igbo, araka ny nanehoan'ny Oriental Brothers International Band azy, dia nanome tara-pahazavana tao anatin'io zava-misy nampahonena io.

Ny Tarika Oriental Brothers International

Vinyl Nizeriana tany am-boalohany (Afrodesia label) an'ny Oriental Brothers International (1976).

Ny Opara Brothers, Godwin Kabaka Opara, Ferdinand (Dan-Satch) Emeka Opara, Christogonous Ezebuiro “Warrior” Obinna, sy Kabaka Opara, ary koa Nathaniel “Mangala” Ejiogu, Hybrilious Dkwilla’ Alaraibe, sy Prince Ichita, no namorona ny Oriental Brothers tamin'ny taona 1972. Tamin'ny faramparan'ilay taompolo, 20 no isan'ny rakikira navoakan‘ilay tarika.

Iray amin'ireo tarika tena nahomby indrindra tao Nizeria ny Oriental Brothers, nitana ny “toerana ara-panahy” lehibe indrindra tamin'ny fitazonana ny Igbos ho “salama”, taorian'ny ratram-po navelan'ny ady mahery vaika”, hoy ny All Music, angondrakitry ny mozika maneran-tany.

Indrisy anefa, nisaraka tamin'ny Kabaka ny tarika tamin'ny taona 1977 mba ho lasa Kabaka International Guitar Band, tohin'ny disadisa-na leadership (fitarihana) tamin'i Dan-Satch. Telo taona taty aoriana, nandeha nitokana ihany koa i Warrior, namorona ny Dr. Sir Warrior sy ny The Original Oriental Brothers. Taona maro taty aoriana, nitambatra indray ny tarika mba handrakitra rakikira roa, dia ny :““Anyi Abiala Ozo” (1987) sy ny “Oriental Ge Ebi” (1996).

Avy ankavia miankavanana : Dan-Satch sy Warrior, fonon'ny rakikiran'ny Oriental Brothers

Tamin'ny Martsa 2015, nanome topimaso momba ny aingam-panahy tao ambadikiny sasany tamin'ireo hiran'ny Oriental Band Brothers i Dan-Satch Opara, nandritra ny tafatafa niarahana tamin'ny Nitch, gazety Nizeriana iray anaty tambajotra miresaka ny fialamboly. Ohatra, ny ‘Ihe chi nyere m, onye a nana m’ dia fandikana ara-bakiteny ny hainteny filozofika Igbo, “tsy misy olona afaka hanala izay nomen'Andriamanitra ahy (na nomeny ho an'olon-kafa)”. Ny ‘Ebele onye uwa’, manohy i Dan-Satch, dia “fambara momba ny fivakisan'ny Oriental Brothers.”

Hira iray hafa, ‘Iheoma’, niresaka ny valisoa Udoji tamin'ny 1975. Tamin'ny 1972, ny filoha Jerome Udoji no nitarika ny kaomisiona notendren'ny governemanta hanavao ny asam-panjakana taorian'ny fanjanahantany sy taorian'ny ady an-trano tao Nizeria. Avy eo dia fantatra tamin'ny anarana hoe “Valisoa Udoji” ny rafitry ny karama nohatsaraina natolotry ny kaomisiona ho an'ireo mpiasam-panjakana. Vokatr'izay, noesoin'ny “Uheoma” ireo mpitendry mozika tsy tafiditra tao anatin'ilay fonosana karama nohitarina. Manazava i Dan-Scotch hoe “nahazo vola betsaka ireo olona sasany ka nividy kodiarandroa na fiarakodia”. Tsy nisy noho izany ny nomena anay, izahay mpitendry mozika […] na teo aza ny fandraisanay anjara tamin'ny hasambaran'ny vahoaka.

Nampiavaka manokana ilay tarika ny fampifangaroana tsy manampaharoa ny kojakojan-java-maneno gitara Kongoley tamin'ireo gadona Igbo nentim-paharazana. Nanjaka teny amin'ireo onjampeo hatrany amin'ny taona 80 ny fiangaliana hira ara-panahy soul sy manasitrana nataon'izy ireo. Nomarihin'ny Oriental Brothers ny filàna fiainana milamina sy mirindra. Ny ankamaroan'ny “lohahevitry ny hiran'izy ireo dia nalaina avy tamin'ny traikefan'ny ady notampohina ohabolana Igbo manankarena”, hoy Amaka Obioji, mpanao gazety ao amin'ny Legit, tranonkalam-baovao an-tserasera Nizeriana.

Ny “egwu ekpili” an'i Ozoemena Nsugbe

Ireo zavamaneno egwu ekpili nentim-paharazana Igbo. Avy any ankavia miankavanana : Ichaka, ubọ aka, Ichaka sy ọkpọkọrọ (antsoina ihany koa hoe ekwe nta na ekwe aka). Sary an'i Giovana Fleck/Global Voices.

Ny Egwu ekpili dia karazana mozika nentim-paharazana Igbo manjaka ao amin'ireo Igbos avy amin'ny Ọnịcha, Nsugbe, Nteje, Aguleri, ao amin'ny Fanjakana Anambra, Atsimo-Atsinanan'i Nizeria, voafaritry ny tahirin'antso sy valiny. Ity mozika folklorika Igbo ity dia “mametraka fanoharana eken'ny rehetra sy ara-poto-kevitra mba hanononana ny maripamantarana sy ny foto-pisainana Igbo miezinezina”, hoy Ebuka Elias Igwebuike, Nizeriana manam-pahaizana amin'ny teny sy literatiora. Ny fitaovana ara-java-maneno ọkpọkọrọ (antsoina ihany koa hoe ekwe nta na ekwe aka), ịchaka sy ubọ akaegwu ekpili – dia nipoitra teo ho eo amin'ny 950 taorian'i JC tany anatin'ireo vondrom-piarahamonina Igbo nentim-paharazana.

Fonon'ny rakikira an'i Akunwata Ozoemena Nsugbe

Nampidirina tamin'ny mozika highlife Igbo ity karazana ity, miaraka amin'ny gitara elektrika sy ny piano tsara toerana, teo anilan'ny ekpili Igbo, fitaovan-java-maneno nentim-paharazana. Nanomboka nihira i Akunwata Ozoemena Nsugbe tamin'ny taona 1967, ary ny filoha Emeka Morocco Maduka, fanta-daza tamin'ny anarana hoe ‘Eze Egwu Ekpili,’ no anisany amin'ireo mpihira malaza egwu ekpili highlife. Filozofika sy môralista ny ankamaroan'ny lohahevitry ny hiran'izy ireo.

Ny feo Zigma, fanakambanana highlife sy ny hira folk ary ny antsa

Ny fonon'ny rakikira an'i Bright Chimezie

I Bright Chimezie dia nampiroborobo ny fifangaroan'ny mozika nentim-paharazana Igbo, ny highlife sy ny feo tamin'ny alàlan'ny Zigima Sound nataony,  izay nalaza nanomboka tamin'ny fiandohan'ny taona 80. Chimezie niaraka tamin'ireo nifiny nisaratsaraka, nantsoin'ireo mpankafy azy hoe Okoro Junior, dia nitàna fofonain'ireo mpankafy seho an-tsehatry ny mozika Nizeriana tamin'ny fampiasàny nahatalanjona ny tongony tao anatin'ireo fampisehoana nivantana maro.

Mpanao gazety Nizeriana, itompokolahy Amadi Obgonna, nanoratra momba an'i Chimezie :

Ny zava-bitany nahatalanjona teny an-tsehatra ihany koa dia nankafizin'ny vahoaka na taiza na taiza nanaovany fampisehoana. Mpahay mozika mahay mamorona, afaka mampiditra hatsikana ao anatin'ny hirany i Bright Chimezie. Hira tahaka ny hoe ‘Respect Africa,’ ‘Okro Soup’ sy ny ‘Oyibo Mentality’ no nahatonga azy halaza teo amin'ny firenena.

Chimezie, mpiandany mafana fo “amin'ny kanto sy ny nentim-paharazana afrikana”, manamafy tao anaty tafatafa tamin'ny taona 2010 fa nampiasainy ny mozika mba hitantarana ny tantara amin'ny fomba feno famoronana. “Ny hafatra ezahiko ampitaina amin'ny olona any dia ny hoe tokony hirehareha isika amin'izay niaviantsika. Ny karazan-tsakafo hohanintsika, ny karazana fitafiantsika”, hoy Chimezie.

Ireo mpitendry zavamaneno avo lenta misintona ny aingam-panahiny avy amin'ny maha-Igbo azy dia niditra lalina tamin'ny fanontaniana mikasika ny tena antom-pisiana no sady nanome fialamboly ho an'ireo mpankafy azy ireo. Tazonin‘i Chimezie fa nisy “filozofia” iray tao anatin'ny mozikan'izy ireo, miharihary ao anatin'ny “sahankevitry ny tononkira” izay niresaka ny tantaram-bahoaka. Ny fifangaroan'ny fitaovana ara-java-maneno tandrefana sy ny Igbo  dia nanome ihany koa ny naha-marimpototra ny lazany ho an'ny hiran'izy ireo izay mbola mamelombelona sy tsy manam-paharoa hatramin'izao.

Jereo eto ny lisitra Spotify-n'ny Global Voices manasongadina an'ireo sy ireo hira voarara hafa maneran-tany. Mba ho fanampim-baovao mismisy kokoa mikasika ireo mozika voarara, tsiriho ny fandrakofanay manokana, Striking the Wrong Notes. (Nahakitika naoty diso)

Ity ny lisitra filalao amin'ny mozika highlife Igbo tamin'ny taona 70 hatramin'ny 90 :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.