- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka hatezeran'ny vahoaka Gambiana ny fahafatesan'ireo ankizy miisa 69 vokatr'ilay odi-kohaka vita avy tao India.

Sokajy: Afrika Mainty, Gambia, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka

Tsenan'i Tanji, manamorona ny ranomasimbe Atlantika ao Gambie. Sary an'i  Rafael Vila [1] , 18 Oktôbra 2015 ( CC BY-NC-ND 2.0 [2] )

Nivoaka voalohany tao anatin'ny The Alkamba Times [3] ity lahatsoratra ity tamin'ny 9 Oktobra 2022. Ity ampahany nasiam-panitsiana ity dia naverina navoaka indray eto  amin'ny Global Voices araka ny fifanarahana fiarahamiasa hifanome votoaty.

Tafiditra tao anatin'ireo lohatenim-baovao nalaza be erantany i Gambia taorian'ny fanairana ara-pahasalamana eran-tany navoakan'ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS) tamin'ny 5 Oktobra lasa teo. Nilaza ny OMS fa efatra ireo odi-kohaka sy sery no nisy ifandraisany [4] tamin'ilay fahafatesana [5] zaza miisa 66 tao amin'ilay firenena kely iray tao Afrika Andrefana.

Tamin'ny 8 Oktobra, nandritra ny vela-dresaka ho an'ny mpanao gazety tao Banjul, renivohitr'i Gambia, nilaza [6] ny minisitry ny Fahasalamana, fa zaza telo hafa koa no maty, nameno ny isan'ny maty ho 69.

Ny Promethazine Oral Solution, Kofexmalin Baby Cough Syrup, Makoff Baby Cough Syrup, sy ny Magrip N Cold Syrup izay samy nisy nifandraisany tamin'ireo fahafatesana dia novokarin'ny mpanao fanafody indiana Maiden Pharmaceuticals Ltd., ao New Delhi daholo. Azo saintsainina [7]ho mifandray amin'ny aretina henjana mpahazo ny voa (IRA) mahazo ny ankizy ao Gambia ireo odi-kohaka ireo. Fihenana tampoka amin'ny fiasan'ny voa ny IRA izay manampy trotraka ny tsy fahampian'ny asany izay mivoatra ao anatin'ny fito andro monja.

Mihetsika ireo Gambiana manohitra ilay odi-kohaka nahafaty

Mba hamaritana ny fihetsiky ny vahoaka manoloana ity fivoarana ity, nitafatafa tamin'ireo olona marobe ny The Alkamba Times, media mpiara-miasa amin'ny Global Voices, izay nahitana mpisehatra amin'ny fahasalamam-bahoaka sy ireo mpikatroka miaro ny zon'olombelona, izay maro tamin'izy ireo no nanameloka ny tomponandraikitra Gambiana noho ny tsy fitandremana ary niantso ny fandraisana andraikitra sy ny rariny ho an'ireo tra-doza.

“Ny famoizana zaza manodidina ny 70 taorian'ny aretina henjana mpahazo ny voa (IRA) voakatr'ireo odi-kohaka tsy madio tsara dia tsy hoe mampalahelo fotsiny, fa maneho mazava ny tsy fahaiza-manao sy ny fanaovana tsinontsinona avy amin'ireo tomponandraikitra mahefa”, hoy ny nambaran’ i Dawda Nenegalleh Jallow, mpisehatra amin'ny fahasalamam-bahoaka . “Amin'ny fo tsy miangatra, dia tokony ho nomen'ny minisitry ny Fahasalamana sy ny tale mpanatanteraky ny Masoivoho Fanaraha-maso ny Fanafody (MCA) mba ho an'ireo olona mahavita azy ny toeran'izy ireo mba hitantanany an'io andraikiny io,” hoy izy nanampy. Ny MCA no tomponandraikitra amin'ny fandrindrana ny kalitao, ny fiarovana, ny fanafarana, ny fanamboarana ary ny fitsinjaràna  fanafody ao Gambia.

Nambaran'i Alhagie Sillah, mpitsabo mpanampy iray, voakatry ny fanaovana tsinontsinona lehibe ireny fahafatesana ireny. “Alaivo sary an-tsaina hoe orinasa iray voalaza ho mpamokatra fanafody tsy nahazo alalana hivarotra ny vokany akory raha tsy tao Gambia irery, fa tsy tsy India namokarany azy akory aza. Mampalahelo izany !”Hoy ny fitarainan'i Sillah feno hatezerana.

Gambiàna iray, mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, Madi Jobarteh, no nitaky fanadihadiana sy fandraisana andraikitra. Nilaza i Jobarteh fa “tsy tokony ho faty noho ny tsy fahadisoany ireo zaza tsy manan-tsiny. Manan-jo ho velona sy hahazo fikarakaràna ara-pahasalamana tsara izy ireny, saingy voahitsakitsaka ireo zo ireo. Nividy ireny fanafody ireny ny ray aman-dreniny noho ny finoany mafy fa azo antoka ny fanafody ao amin'ity firenena ity. Saingy, namitaka azy ireo ny rafitra.”

Mariama Jallow, renim-pianakaviana iray, no nilaza fa ny tahotra hampiasa odi-kohaka manokana no nanery an'ireo olona hanome fanafody nentim-paharazana ho an'ny zanak'izy ireo, izay heverin-dry zareo fa mety ho azo antoka kokoa noho ireo fanafody mahazatra.

Ahmad Tijan Bah, mpianatra iray amin'ny anjerimanontolo ao Gambia, no nilaza fa “tokony tazonina ho tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo zaza ny Masoivoho Mpanara-maso ny Fanafody satria tsy nanao ny asany hisorohana ilay zava-nitranga.”

Musa Touray, olom-pirenena iray hafa sahiran-tsaina,  no nilaza fa azo nosorohana ny loza na nahena raha toa ny governemanta nampiditra ireo fanafody mahazatra. Ny fahafatesan'ireo zaza dia nofaritany ho mitovy amin'ny famoizana olona iray izay tokony ho lasa ministra amin'ny ho avy na filoha na mpisolovava, “vokatry ny kinanga tanteraka izany rehetra izany”. Nanoro hevitra i Touray ny mba hametrahana fepetra fanarahamaso ny kalitao eny amin'ireo sisintany an-tanety, an'habakabaka ary an-dranomasina mba hitiliana izay rehetra fanafody tsy manara-penitra miditra ao amin'ny firenena.

Miditra an-tsehatra ny governemanta

Nandritra izany fotoana izany, ny filoham-pirenen'i Gambia, Adama Barrow, tao anaty lahateniny ho an'ny firenena [8] tamin'ny 8 Oktobra, dia nanome alalana ny Masoivoho Mpanara-maso ny Fanafody, amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamana, mba hampiato ny fahazoandalana ho an'izay mpivarotra fanafody sy ny mpanafatra ahiahiana. Nanome baiko ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ihany koa ny filoham-pirenena mba hampahafantatra ny tena mamapiasa laoaha fatratra ny firenena mikasika ity olana ity amin'ny Masoivohon'i India ao Gambia.

Ho toy ny antony hafa amin'ilay hetsika, dia nampanantsoin'ny polisy Gambiana mba hanaovana fanadihadiana ilay voarohirohy ho tompon'ny fivarotam-panafody sy mpanafatra odi-kohaka, ary koa ireo tomponandraikitra ambony amin'ny Masoivoho Mpanara-maso ny Fanafody mba hanotrona azy ireo amin'ny fanadihadiana ataony. Miverina mandinika ireo ambangovangon'ny fankatoavana fahazoandàlana momba ny fanafody sy ny fitsaboana ihany koa ny governemanta mba hamaritana izay fepetra hafa tokony ho raisina.

Mandritra izany, nandefa delegasiona mahery vaika ny Filoha Barrow mba hihaona amin'ny fianakavian'ireo mana-manjo vokatry ny trangam-pahafatesana nateraky ny IRA, mba haneho ny fiarahamiory avy amin'ny governemantany sy hizara ny alahelony amin'izao fotoan-tsarotra izao. Nanome toky ny fianakaviana sy ny vahoaka ihany koa izy ny amin'ny fanolorantenan'ny governemantany mba hanazava mikasika ireo fahafatesana nateraky ny IRA sy ny mety ho azo atao mba hisorohana ny fiverenan'izany.

Lavin'ny Ministry ny Fahasalamana ny fangatahana azy hametraka fialàna.

Ao anatin'ny hatezeram-bahoaka noho ireo fahafatesana, nolavin'i Dr.Amadou Samateh, minisitry ny Fahasalamana ao amin'ny firenena, ny fangatahana azy hametraka fialàna.

Tao anatin'ny resaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 8 Oktobra, niaiky i Samateh fa vokatry ny “antandrevaka” nataon'ny ministerany no nitarika ny fahafatesan'ireo ankizy. Na izany aza anefa, nandà ny fitakiana ny  fametrahany fialàna izy.

“Fa ahoana aho no tadiavinareo hametra-pialana ? Mitondra inona ny fametrahako fialàna ?”, hoy ny fanontanian'ilay minisitra nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety. “Naharay antso maro aho androany, satria ireo olona sasany aza dia nieritreritra mihitsy fa nametra-pialàna aho. Raha mametra-pialàna aho dia mpandidy mahay ary be atao. Noho izany dia tsy reska momba ny tenako manokana izany, vahaolana tsotra loatra handosirana ny fametraham-pialàna”, hoy i Samateh.

Nilaza i Dr.Samateh fa ny tabataba rehetra manodidina ny asany dia satria izy nanidy ny varavarany tsy ho amin'ny fanaovana kolikoly eo amin'ny sehatry ny fahasalamana, nanamafisany fa “niova ny toetsain'ny minisitera eo amin'ny lafiny fandraisana andraikitra”. Nanome toky ireo Gambiàna ny Ministeran'ny Fahasalamana fa tsy hiverina intsony ao amin'ny firenena ilay loza mahatsiravna nateraky ny IRA.

Nandritra izany fotoana izany, nanambara fanokafana fanadihadiana mikasika ny fahafatesan'ireo zaza ny polisy Gambiana ary nivoady fa hitazona izay olona rehetra afaka  hampamoahana.

“Nametraka kaomisiona fanadihadiana iray ny polisy Gambiana mba hanao fanadihadiana avy hatrany mikasika ilay raharaha mba hamantarana ireo tomponandraikitra tamin'ny famoizana tsy azo arenina tahaka izany sy hitazona azy ho tomponandraikitra araka ny tokony ho izy”, hoy ny nambaran'ny polisy tao anatin'ny filazàna iray navoaka tamin'ny Sabotsy.

“Amin'ny maha-andrimpanjakana tomponandraikitra amin'ny fiarovana anatiny sy ny fiarovana ny aina sy ny fananana, manana adidy izahay hiatrika ireo olana miezinezina tahaka izany ka mety hanohintohina ny fandriampahalemana sy ny filaminan'ity firenena ity.”

Nanampy ihany koa ny polisy fa : “Ao anatin'ny ezakay hiatrika  haingana an'ity olan'ny filaminam-pirenena ity, ny biraon'ny inspektera jeneralin'ny polisy dia nanangana komity iray  mpanadihady ahitana ireo polisy manamboninahitra ambony manana ny fahalalana sy fahaizamanao ilaina mifandraika amin'ity olana lehibe ity.”