Lavitra ny akany, manirery: Kambodziàna mpianatra ao Thaïlandy, mizara ny niainan-dry zareo ny fihibohana vokatry ny valanaretina

Sary faharoa avy any ankavia : Sorabaventy iray mangataka amin'ireo Laosiana, Kambodziana ary ireo Birmàna hampiseho ny fahazoandàlana alohan'ny hidiriana ao amin'ny valan-javaboahary. Sary sy soratra an'ny Prachatai, nampiasaina nahazoana alalana.

Prachatai, tranokalam-baovao iray tsy miankina ao Tailandy, no namoaka voalohany ity lahatsoratr‘i Seoung Nimol ity, ary ampahany nasiam-panovàna no naverin'ny Global Voices navoaka araka ny fifanarahana fifampizàna votoaty.

Monina lavitra ny misy azy nandritra ny valanaretina COVID-19, nisedra olana nifamatotra tamin'ny fihibohana ireo Kambodziana mpianatra tonga tany Thailandy hanohy ny fianarany, nahatsapa ho nanirery sy nahatsiaro ho very.

Nipetraka tao amin'ny efitra fandrian'ny kilasimandry tsy misy mpiahy na fifandraisana ara-tsosialy, nahatsiaro ho natahotra izy ireo, nanirery sy sorena vokatr'ireo fameperana nankarary saina nandritra ny fihibohana. Nahatsapa ho niaina soritr'aretin-tsaina ny tsirairay.

Araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF tamin'ny taona 2020, zaza sy tanora 7 amin'ny 10 maneran-tany no voalaza fa nizaka vokadratsy tamin'ny fahasalamany ara-tsaina noho ny COVID-19. Nampiahiahy ny ankamaroan'izy ireo ny momba ny fidirambolan'ny fianakaviana, ny fianarany, ny fanabeazana azy ireo amin'ny hoavy ary ny mety hahazoany asa.

Nomena baiko hikatona ireo Anjerimanontolo tao Thailandy tamin'ny volana Martsa 2020 noho ny fiakaran'ny trangana COVID-19 ambony be. Ny taona 2022 vao afaka nanomboka namerina ny fampianarana ireo anjerimanontolo teo an-toerana

Pich Somaly, mpianatra iray amin'ny taona faha-efatra mikasika ny teknolojian'ny fambolena ao amin'ny Anjerimanontolon'i Burapha, no nilaza fa vao nambara ny fanakatonana dia rivo-piainana sina nampahatahotra no navelan'ireo Thailandey mpianatra lasa nody tany aminy. Tsy safidy ho azy sy ireo Kambodziana mpianatra efatra hafa izany satria nikatona ny sisintany.

Efa tafody tany aminy daholo ireo Thailandey mpianatra. Kambodziàna mpianatra vitsivitsy sisa no tavela, ary dia tena nangiana be ny trano fonenanay. Natahotra izahay ary nanahy sao ho tratr'io aretina io satria nandao lavitra ny akaninay izahay mba handranto fianarana. Nampieritreritra be loatra anay ireo fihetsehampo ireo ary niteraka adin-tsaina.

Niova tanteraka ny fiainana. Nohamafisiny fa tsy maintsy nieritreritra tsara izy mialoha ny hanaovana zavatra, saingy niaraka tamin'ny fahaketrahana ara-tsaina sy fanahiana izany. Sahiran-tsaina foana izy rehefa handeha hitady sakafo.

Tena fanamby goavana be ny fivianana sakafo tamin'izany. MArofe mora andairan'aretina aho raha toa mandeha eny an-tsena. Nihiboka tao an-trano aho nandritra ny 14 andro. Natahotra sao hidiran'ny aretina satria tsy vita vaksiny. Tohina be aho satria tsy ny akaninay io.

Mety ho teraka avy amin'ilay aretina ihany koa ny olana eo amin'ny fahasalaman'ny saina, sahala amin'ny alahelo noho ny fahafatesana.

Nino ny ankamaroan'ireo mpianatra tao amin'ny taona voalohany fa hiaina tontolo vaovao amin'ny alalan'ny fahafantarana sy fifandraisana amin'ireo olona ao Thailandy.

Instead, they faced a bitter and challenging time adapting to the global crisis. Fa tsy maintsy niatrika fotoana mafaitra sy sarotra izy ireo mba hifanaraka amin'ny krizy eran-tany. Nanomboka ny fianarany tamim-panahiana izy ireo, tsy nisy ny fifandraisana ara-tsosialy ary tebiteby noho ny fiharatsian'ny toedraharahan'ny COVID-19, izay nisy vokany ratsy be teo amin'ny fahasalamana ara-tsain'izy ireo.

Seun Ung Mengchou, filoha amin'izao fotoana izao mitarika ny Fikambanan'ireo Mpianatra Khmer eny amin'ny Anjerimanontolo ao Thammasat, no nilaza fa mbola vao mpianatra amin'ny taona voalohany izy tamin'ny taona 2020 ary vao avy nahazo ny vatsimpianarana avy amin'ny Anjerimanontolony mba hianarana any Thailandy. Tamin'izany fotoana izany ratsy be ny fandehan'ny COVID-19 tao Thailandy.

Voakorontan'ilay valanaretina ny traikefany voalohany teo amin'ny fiainana tany ivelany ary tsapany ho tena sarotra izany ho an'i Mengchou. Nambarany fa na dia mitolona hijanona ao an'efitrano aza dia mahatsapa tahotra sy irery ireo Kambojiana mpianatra tsirairay, raha toa ireo Thailandey afaka nody tany amin'ny fianakaviany.

Tena voadona be tamin'ny krizin'ny COVID-19 ihany koa ny fahasalamana ara-tsainay. Tsy nanana havana teto izahay ary nanahy ny amin'izay tokony hatao raha sanatria tratry ny aretina. Lavitra ny akaninay izahay.

Voatery tsy maintsy nijanona tany ivelan'ny hopitaly ny ankamaroan'ireo marary noho ny zava-misy tamin'izany fotoana izany. Tena tsy hita ho visavisaina. Nahatsiaro ho nanirery izahay ; Nalahelo ny firenena izahay. Nanahirana anay ny fianaranay sy ny toedraharaha momba ny aretina.

Tsy maintsy nipetraka tao amin'ny efitranony sy nianatra tamin'ny alàlan'ny aterineto ny ankamaroan'ireo mpianatra, izay tontolo tsy dia tsara ho an'ny fianarana. Lasa nanjary niha-sahiran-tsaina ireo mpianatra, izay mety hampihena ny vokatra eo amin'ny asa sy hanaratsy ny fahombiazan'ny fianarana.

Fianarana an-tambajotra

Tsy maintsy nivadika tamin'ny fianarana anatin'ny aterineto avokoa ny mpianatra rehetra mba hiantohana ny fiarovana azy ireo. Nisy fiantraikany tamin'ny fianaran'izy ireo satria tsy afaka nifandrindra haingana tamin'ireo fiovàna tsy nampoiziny ry zareo.

Nilaza i Somaly fa resaka siansa ny fanarana ataony ary nihemotra avokoa ireo fandaharana rehetra tany amin'ny laboratoara teo an-toerana. Tena nahavalaka sy nahatrotraka azy ny nandany ora telo nianarana teo am-pototry ny solosaina.

Koa satria isika tsy afaka hifantoka afa-tsy amin'ny ampaham-potoana voalohany monja, sarotra narahana ny fampianarana anatin'ny aterineto. Hitanay ho mahasorena ny efitrano fianarana virtoaly. Ny 30 ka hatramin'ny 40% amin'izay nianarako tamin'ny aterineto ihany no tena nahomby, araka ny hevitro. Lesona tsy misy fandalinana tanaty laboratoara fotsiny no azoko, izay tsy tena mazava amiko tsara.

Na izany aza, niverina indray ny fandalinana anaty laboratoara rehefa niverina nisokatra ny anjerimanontolo tamin'ny faran'ny taona 2021, ka tsy olana goavana ho an'ny fianarany izany, hoy ny nambarany.

Araka ny lazain'i Meng Chou, ny fandraisana anjara mavitrika sy ny fifantohana mafy no zavatra roa tena ilaina mba tena hampahomby tokoa ny fianarana anatin'ny aterineto. Na izany aza, tsy afaka mifantoka ireo mpianatra satria nanohy nianatra tao anaty tontolo tsy nampahazo aina.

Phara Pich Pisey, mpianatra iray amin'ny Fakiolten'ny Arsitektora ao amin'ny anjerimanontolo Thammasat, dia nanomboka ny taona voalohany tamin'ny fianarana anatin'ny aterineto. Nitranga ireo fahasahiranana satria ny fianarany dia nitaky tamin'ireo mpianatra mba hifanolme tànana anatina tetikasa iraisana nandritra ny taona iray manontolo. Saika sarotra ny adihevitra satria tsy afaka mivory mifanatrika ry zareo.

Notohizany tamin'ny filazana fa tsy nahomby loatra ny fiarahana miasa anaty tarika sy ny fianarana anatin'ny aterineto, nandreraka ary niantraika be tamin'ny fahombiazana akademika.

Nanana tetikasa maro natao hiasanay izahay, ary tsy nisy ny fanadinana. Tsy nahazo vokatra tsara ny tetikasam-pianaranay tamin'ny taona voalohany noho ireo fifanakalozan-kevitry ny vondrona tanaty aterineto. Nisy tsy nanampy ireo mpikambana sasantsasany ary ratsy ny kalitaon'ny asa. Sarotra ny nianatra sy nifanakalo hevitra, raha ampitahaina amin'ireo kilasy ifanatrehana.

Fanamorana ny vaksiny COVID-19

Amin'ny lafitsarany, tahaka ireo mpianatra Thailandey, nanampy ireo Kambodziana mpianatra mba hahazo vakisiny COVID-19 ny anjerimanontolo nisy azy ireny, .

Nilaza i Somaly sy Mengchou tamin'ny taona 2021 fa nahazo fiahiana avy amin'ny anjerimanontolo izy ireo sy ireo Kambojiana namany nianatra tany Thailandy.

Ny anjerimanontolo nisy an'i Somaly ihany koa dia nasiana sampandraharaha misahana fitsaboana sy fakan-kevitra momba ny fahasalamana ara-tsaina ho an'ny mpianatra taorian'ny nahitàna olana ara-pahasalaman'ny saina teo amin'ireo mpianatra nandritra ny valanaretina. Taorian'ny fihatsaran'ny toedraharaha COVID-19 tao Thailandy sy ny fiafaràn'ireo fepetra fihibohana dia nihatsara ny fiainan'izy ireo. Afaka nivoaka sy nifanerasera tamin'ny fiarahamonina izy ireo.

Vokatry ny zavatra niainan'izy ireo dia nangataka tamin'ny Anjerimanontolo ireo Kambodziana mpianatra mba hametrahan'ny anjerimanontolo ekipan'ny fahasalamana ara-tsaina, ekipa mpanohana ireo mpianatra iraisam-pirenena mba hifandray sy hanohana ary hanoro azy ireo amin'izay toe-javatra maika rehetra mety hitranga amin'ny hoavy.

Tovovavy kambodziana iray mpianatra, mamerin-desona mandritra ny ora malalaka, tao amin'ny anjerimanontolon'i Thammasat, 9 Septambra 2022. Sary sy maribolana avy amin'ny Prachatai, fampiasàna nahazoana alàlana.

Mikatona ny famoahana hevitra