- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toetoetry ny Global Voices 2022

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Filankevitra-gv

Eo anelanelan'ny 19 sy 22 Oktôbra no atao ny Filankevitry ny Vondrompiarahamonina- [1]Global Voices 2022. Ny lohahevitra amin'ity taona ity dia ny Famaritana ny tetikaditsika: vondrompiarahamonina iray atokana ho amin'ny fahatakarana iraisampirenena. [2] Mihoatra ny 170 [3] amintsika no nihaona nandinika ny paikady manaraka ho an'ny Global Voices, ary hamaritra amin'ny fomba marina ny tiantsika hambara amin'ilay lazaintsika hoe manorina fahatakarana manerana ireo vondrompiarahamonina, firenena ary fiteny maro.

Amin'ny maha-ao anatin'ny Filankevitra, manomana famelabelarana izahay momba ny toetoetry ny Global Voices. Ity antontan-kevitra ity dia maharakotra ny fahombiazantsika sy ireo fanamby ,mifamatotra amin'ny hetsika ataontsika, sy ny resa-bola sy ny fahasalaman'ny fikambanantsika. Hita ao anatiny ireo torohay momba ny enimbolana voalohany ho an'ny 2022.

Taona iray matanjaka ny 2022 ho an'ny Global Voices, na izany ho an'ireo tarika mpamoaka lahatsoratra na n y fivezivezen'ny vaovao, fa koa ho an'ny fanapariahana ireo tetikasa vaovao, indrindra fa ho an'ny Rising Voices [4] sy Advox. [5] Ny fikarohantsika “Civic Media Observatory [6]” ihany koa dia mitohy miaraka amin'ireo tetikasa vaovao sy ny tarika misy ireo mpikaroka tsy mitsaha-miitatra.

Asainay mba hanjohy ny Filankevitra ireo rehetra mpikambana anatin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices, izay nahafeno ny ùmason-tsivana handraisana anjara [1], ary andrandrainay ny hahazo ny hevitra sy ny eritreritrareo!