
Voabahana: Nolavin'ny manampahefana Filipina ny fahazoa-miditra amin'ny tahalan'ny tranonkalam-pampitam-baovao mahaleotena Bulatlat.com nanomboka 17 jona ka hatramin'ny 26 aogositra 2022.
Efa azo idirana amin'ny aterineto filipina indray ankehitriny ny vohikala sasany, anisan'izany ny sampam-pampahalalam-baovao tsy miankina Bulatlat, izay nosakanana noho ny famporisihan'ny governemanta Filipiana herinandro maromaro lasa izay noho ny voalaza fa manam-pifandraisana amin'ny “Vondrona Komonista-Mpampihorohoro”.
Namoaka didim-pitsarana mampiato ny fanakanana ireo tranonkala voakasika ny mpitsara iray taorian'ny hetsi-panoherana niraisan'ny mpanao gazety sy mpiaro ny zon'ny mpanao gazety manohitra ity famoretana farany ny gazety tsy miankina sy ny mpanohitra ao Filipina ity.
Ny fihetsiky ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifandraisandavitra (NTC) hanakana ny fidiran’ireo mpikirakira aterineto Filipiana amin'ny tranonkala maherin'ny roapolo natao tany am-boalohany dia noho ny baikon'ny Mpanolotsainan'ny Vaomieran'ny Filaminam-Pirenena (NSC), ny Jeneraly Hermogenes Esperon. Taorian'ny “fangatahan'i Esperon”, ny NTC, dia namoaka ny fomba fijeriny manoloana ny raharaha ny NTC tamin'ny 8 jona 2022, miantso ireo mpanome tolotra aterineto mba hanakana avy hatrany “ireo tranonkala voalaza fa misy ifandraisany sy manohana ireo mpampihorohoro sy fikambanana mpampihorohoro.”
Lisitry ny sakanana
Raha ny marina, amin'ireo tranonkala 27 voatanisa ao amin'ny NTC, fito ihany no tena mifandray amin'ny Antoko Komonista ao Filipina (CPP), ny elany mitam-piadiana, ny Tafi-Bahoaka Vaovao (NPA), ary ny fiaraha-mientana ambanin'ny tany Mandatehezam-Pirenena Demaokratikan'i Filipina (NDFP), izay manana ny ady mitam-piadiana ambanivohitra fikomiana komonista naharitra ela indrindra eran-tany.
Ny ambiny amin'ny lisitra kosa ahitana tranokalam-baovao tsy miankina toa ny Bulatlat sy Pinoy Weekly; tranokalan'ny fikambanana mijoro ara-dalàna toy ny Unyon ng mga Manggagawa sa Agrikultura (Sendikan'ny Mpiasan'ny Fambolena), Federasiona Nasionalin'ny Vehivavy Tantsaha Amihan, Tambajotra Save Our Schools [Vonjeo ny Sekolintsika], Bayan, ary Pamalakaya; eny fa na dia ny gazety akademika radikaly miorina any New York ny Monthly Review aza.
Tsy sampan'ny CPP ireo tranonkala ireo. Saingy ananan'i Filipina ny tantara lava be amin'ny fanamarihana ho mena na fametahana olona sy fikambanana ho komonistika na mirona ho amin'ny fampihorohoroana mba hahatonga azy ireo ho lohalaharana iharan'ny famoretana.
The NTC cites a June 6, 2022 letter from the National Security Council listing websites “found to be affiliated to and are supporting terrorists and terrorist organizations.” pic.twitter.com/EI87BhWvBA
— Bulatlat (@bulatlat) June 21, 2022
Tononin'ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifandraisandavitra ny taratasy tamin'ny 6 Jona 2022 avy amin'ny Vaomieran'ny Filaminam-Pirenena manome ny lisitr'ireo tranonkala “hita fa mifandray sy manohana ireo mpampihorohoro sy fikambanana mpampihorohoro.”
Na ny Bulatlat na ny Pinoy Weekly dia samy lasibatry ny fanafihana anjotra DDos (Fanafihana fandavana tolotra) hatramin'ny taona 2018, izay nahavoarohirohy ireo mpijirika ho manesika tafahoatra ny lohamilina mba handravana tranonkala. Notsongoin‘ny vondrona mpanadihady lalina ankihy soedoà Qurium Media Foundation dia ny adiresy IP-n'ireo mpijirika ka tany amin'ny Tafika Filipina niaraka tamin'ny tolo-tanan'ny ara-fotodrafitrasa ankihin'ny Departemantan'ny Siansa sy ny Teknolojia no niafara. Bulatlat no famoahana anjotra ela niainana indrindra ao Filipina, nanomboka niasa tamin'ny taona 2001.
Notononin‘i Esperon ny fanapahan-kevitra avy amin'ny Filankevitry ny governemanta miady amin'ny fampihorohoroana manondro ny CPP-NPA-NDFP ho “fikambanana mpampihorohoro” hanamarinana ny fanakanana ireo tranonkala ireo ho “sampan'ny mpampihorohoro.” Na izany aza, tsy milaza na dia iray amin'ireo tranonkala tafiditra ao anatin'ny lisitry ny fandraràna aza ireo fanapahan-kevitra ireo. Tsy manome fahefana ny Vaomieram-pirenena momba ny Fifandraisandavitra hanivana tranonkala koa ny Lalàna miady amin'ny fampihorohoroana.
Tsy nampahafantarina ihany koa ny didy hanakanana ny tranokalany ireo vondrona fampitam-baovao anaty lisitra, ka voahitsakitsaka ny zon'izy ireo araka ny paikan-dalàna. Tamin'ny 17 Jona 2022 no hitan'i Bulatlat fa tsy azo nidirana ny tranokalany, rehefa niverimberina ny fanontanian'ireo mpamaky azy. Tamin'ny 21 jona 2022 vao nahazoan'ny sampan'ny haino-vaky-jery ny dika mitovy amin'ilay didy fanakanana.
Ady eny amin'ny fitsarana
Nametraka fitoriana ady madio ny Bulatlat tamin'ny 8 Jolay 2022, nanery ny fitsarana hamoaka didy fameperana vonjimaika (TRO) ary hanafoana ny fanakanan'ny NTC (Vaomieram-pirenena momba ny Fifandraisandavitra) ireo tranonkala. Saingy nolavin'i Dolly Jose Bolante-Prado, Mpitsara Ara-Paritry ny Tanànan'i Quezon, ny fangatahan'i Bulatlat amin'ny TRO tamin'ny 13 Jolay 2022, izay nilaza fa mbola azon'ny Fitsarana nidirana ny tranonkala, ka manaporofo fa tsy misy fandikana ny lalàna.
Izany no nanosika an'i Bulatlat hanao fitoriana hanaovana indray ny fandinihana tamin'ny 22 Jolay 2022, nitanisa fa tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ny fanasazian'ny NTC ka mahatonga ny isan'ny mpamaky azy hihena hatramin'ny 43 isanjato.
LOOK. Website visitors of https://t.co/7x4JmI369c dramatically decreased since June 8, 2022, the day the National Telecommunications Commission ordered the blocking of Bulatlat, @pinoyweekly and 26 other websites.
Help us amplify the call to #UnblockBulatlat and other websites. pic.twitter.com/q927Ud997v— Bulatlat (@bulatlat) July 14, 2022
JEREO. Nihena be ny mpitsidika ny tranonkala nanomboka tamin'ny 8 jona 2022, andro nandidian'ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifandraisandavitra hanakana ny Bulatlat, @pinoyweekly ary tranonkala 26 hafa.
Ampio izahay hanamafy ny antso amin'ny [hamahana ny fanakanana ny Bulatlat] #UnblockBulatlat sy ny tranonkala hafa.
Niteraka fanoherana avy amin'ireo mpanao gazety, akademisiana, ary ireo mpandala ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny zon'olombelona ny fanakanana miharihary ireo tranonkala, ka nanameloka ny fanafihana miharihary ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety noho ny fiarovana ny “filaminam-bahoaka”. Tamin'io volana io ihany, nanatevin-daharana ny fampahalalam-baovao sy ny firaisamonim-pirenena ireo mpanao lalàna mpikatroka ao amin'ny Kongresy Filipina miara-mientana amin'ny Makabayan (Mpomba ny Vahoaka) amin'ny fanerena ireo manampahefana hameno ny fanapahan-kevitry ny kongresy hanadihady ireo sampan-draharaham-panjakana ao ambadiky ny fanakanana ireo tranonkala.
Nanapa-kevitra ihany ny fitsarana hamaly ny fangatahan'i Bulatlat hisian'ny didy savalalana hamaha ny fanakanana tranonkala tamin'ny 11 Aogositra 2022. Saingy ny tsy fandraisana andraikitry ny NTC no nitarika ireo tranokalam-baovao voasakana hametraka fanangonan-tsonia [fitoriana] iray hafa noho ny faniratsirana ankolaka ataon'ilay sampandraharaha amin'ny fitsarana tamin'ny 25 aogositra 2022. Izany no nahatonga ilay sampandraharaha hamerina an'i Bulatlat ho hita anjotra tamin'ny 26 Aogositra 2022.
Na izany aza, hatramin'ny nanoratana ity lahatsoratra ity, mbola tsy azo idirana ny tranokalan'ny CPP sy ireo fikambanana mpikomy mpiara-dia aminy amin'ny fampiasana ireo mpanome tolotra aterineto Filipiana.
Mitohy ny tolona
Nampitandrina ireo mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety fa ny firongatry ny fanafihana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety teo ambany fitarhinan'ny filoha vaovao Ferdinand “Bongbong” Jr. dia manambara ny fitohizan'ny fijoroana mankahala ireo fampitam-baovao mpitsikera sy mpanohitra nataon'i Rodrigo Duterte teo alohany.
Tsiahivina fa niaiky ny filoha teo aloha fa nitarika ny fanakatonana ny ABS-CBN, mpampita vaovao lehibe indrindra ao amin'ny firenena, noho ny tatitra tsy manasohaso ny fitondrany. Nizaka raharaham-pitsarana maro ihany koa ny tranokalam-baovao Rappler, anisan'izany ny mpanorina azy, Maria Ressa, izay nahazo ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana noho ny tatitra feno fanakianana nataony. Nodidian'ny manampahefana hakatona ihany koa izy io tamin'ny volana jona 2022 lasa teo.
PERSONAL ADVISORY: If you're having trouble accessing Bulatlat, Pinoy Weekly and other websites the NTC ordered telcos to block, you can use VPN. There are other ways to work around this blocking like changing DNS settings. If the Burmese can fight Internet censorship, so can we.
— Danilo Arao (@dannyarao) June 22, 2022
TOROHEVITRA MANOKANA: Raha manana olana amin'ny fidirana amin'ny Bulatlat, Pinoy Weekly ary tranonkala hafa nodidian'ny NTC hosakanan'ny fifandraisandavitra ianao dia afaka mampiasa VPN. Misy fomba hafa hamahana an'io fanakanana io toy ny fanovana ny DNS. Raha afaka miady amin'ny sivana amin'ny Aterineto ny Birmana, dia vitantsika koa izany.
First, they blocked the websites of Bulatlat and Pinoy Weekly, and now they want to shut down Rappler.
Only tyrants fear a free and critical press. https://t.co/0QbpObiytj
— Jezreel Ines (@jezreelines_) June 29, 2022
Voalohany, nosakanan'izy ireo ny tranokalan'ny Bulatlat sy Pinoy Weekly, ary ankehitriny te-hanakatona ny Rappler izy ireo.
Ny mpanao didijadona ihany no matahotra ny asa fanaovan-gazety malalaka sy mitsikera.
An attack on one is an attack on all. Authoritarian regimes will do anything to stifle critical press. Resist. #JournalismIsNotTerrorism #UnblockTheTruth #LetThePeopleKnow #DefendPressFreedom pic.twitter.com/xEVhoyjMRl
— Mara Cepeda (@maracepeda) July 8, 2022
Ny fanafihana amin'iray dia fanafihana amin'ny rehetra. Hanao izay fomba rehetra hanakanana ny asa fanaovan-gazety ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Mifahara. Tsy fampihorohoroana ny asa fanaovan-gazety
#UnblockTheTruth #LetThePeopleKnow#UnblockBulatlat #UnblockPinoyWeekly pic.twitter.com/A03bJYmUjC
— Martin's Purrspective (@bulatlatcat) July 9, 2022
Vahao ny Fahamarinana, Avelao ho fantatry ny vahoaka, vahao Bulatlat, vahao Pinoy Weekly
Manoloana ny fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, nivoady ny mpanao gazety sy ny Filipiana mpikatroka fa tsy hitsoaka an-daharana hanoherana ny sivana anjotra, ny famoretana ny fampitam-baovao, ary ny fihemorana ara-demaokratika eo ambanin'ny zanaky ny mpanao didy jadona farany.