- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-baovao RV: Hikatona tsy ho ela ny fisoratana amin'ny NDN Changemaker Fellowship

Sokajy: Mediam-bahoaka, Taratasim-baovao, Rising Voices

Image [1] avy amin'i Gerd Altmann tao amin'ny Pixabay. Nampiasaina araka ny Pixabay License [2].

Fanamarihan'ny Rising Voices: Atolotry ny taratasim-baovaonay mivoaka isam-bolana ny famintinana ireo ranty am-bilaogy miresaka ireo endrika fampiatiana ankihy rehetra ka ao anatin'izany ny fidirana sy ny fandraisana ireo fitaovana ankihy, sy ireo karazana fomba sy hirika ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mandray anjara feno an-jotra. Vakio ato [3] ireo famoahana efa nivoaka amin'ity taratasim-baovao ity.

Ry mpamaky malala,

Manao ahoana ianareo amin'izao fidirana vanim-potoana farany amin'ny taona izao?

Tianay ny manokatra ity raharaha ity isika amin'ny fanasongadinana ity hirika mampientanentana avy amin'ny NDN Collective ity ho an'ny mpamaky avy amin'ny fototra indizeny miorina ao Amerika Avaratra [4]. Raha mihoatra ny 18 taona ianao ary manoka-tena amin'ny asa fiarovana, fampivoarana ny vondrom-piarahamoninao, na fanesorana ireo tarazo manimba navelan'ny fanjanahantany ao amin'ny vondrom-piarahamoninao hirosoana amin'ny “vahaolana lovainjafy amin'ny voambolana indizeny” saingy mila fitoniana ara-bola ahafahanao manatontosa ny vinanao, dia tokony hojerenao mihitsy ny ao amin'ny NDN Changemaker Fellowship [5].

Fara-fisoratana: 21 Oktobra 2022 amin'ny 5 ora folakandro (Central Time)

BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BLAOGY RISING VOICES

Miantsambo amin'ny dia IDIL2022–2032 [6] ahitana ireo mpikatroka ara-piteny manerana izao tontolo izao, mitondra ity andiam-pifandimbiasam-panentanana amin'ny Twitter hafa ity indray ny Rising Voices sy ny mpiara-miombon'antoka aminy. Te-hiherika kely any amin'ireo fitenin'ny indizeny, vitsy an'isa, tandindonim-paharinganana na tsy ampy votoaty-fitaovana sy ny anjara toeran'ny aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana ireny sy ny fameloma-maso azy ireny indray? Andao zohio izahay ary henoy izay zavatra tian'ny vahininay hozaraina amintsika!

 

@ActLenguas [7] (Amerika Latina)

@AsiaLangsOnline [12] (Azia)

@DigiAfricanLang [14] (Afrika)

@EuroDigitalLang [17] (Eoropa)

Famoahana iray fotoana vitsivitsy lasa izay no nizaranay tantara roa momba ny fiantraikan'ny fikorontanan'ny toetrandro ao amin'ny faritra Gran Chaco ao Bolivia, sy tsy fisian'ny vina ao an-toerana [21], ary ny tolo-tanana azon'ny fidirana ankihy (nomerika-dizitaly) atao hampihenana ny hantsana [22] [mg]. Amin'ity famoahana ity indray no tianay ny hizara tantara iray hafa amin'ny fomba iasan'ny tanora indizeny mpanoratra an-gazety miaraka hanorenana fitantarana vaovao, miainga ao an-toerana hikaroham-bahaolana. → “Creating new, local narratives on climate change in the Bolivian Chaco [23]”[manorina fitantarana vaovao eo an-toerana momba ny fikorontanan'ny toetr'andro ao Chaco Boliviana]

HIRIKA | KANDRA

Liana amin'ny fiasana miaraka amin'ireo mpikatroky ny fiteny manerantany? Mitady mpiasa iray araka ny fifanarahana Wikimedian-in-Residence (Wikimediana ao amin'ny fonenana) ny Wikitongues hizaka ireo andiany hoavy mandray anjara amin'ny programa Revitalization Accelerator (fanafainganana fameloma-maso, ato [24] ny antsipirihany). Fara-famenoana famaliana tolotr'asa: 1 Novambra 2022

HIRIKA | VATSIMPIANARANA & FANOHANANA ARA-BOLA

Mitady fangatahana fanohanana ara-bola avy amin'ny mpamokatra sarimihetsika monina any Etiopia, Tanzania ary Oganda ifanarahana mandritra ny herintaona ankehitriny nyDW Akademie Film Development Fund. Mila fanohanana mandritra ny famokarana azy ny tantara iray tena nisy mila tantaraina? Mety ho fanararaotra ho anao izao hisavasavan-dalana (ato [25] ny antsipiriany). Fara-fisoratana: 26 Oktobra 2022

Manana hevitra tsara amin'ny hoavin'ny asa fanoratan-gazety ve ianao? Manasa anao ny Nieman Visiting Fellowships amin'ny hanararaotra tolo-pikarohana ao Harvard sy hampisy fiantraikany amin'ny fampivelarana ny asa fanoratan-gazety araka ny izy. Tsy misy fetra-taona na (mari-pahaizana) akademika ary tsy voatery ho mpanora-gazety matihanina ianao vao hisoratra anarana. Azo jerena ato [26] sy ato [27] ny antsipiriany fanampiny.

HETSIKA & KAOFERANSA HOAVY

Efa mananontanona ny Trust Conference! Hohatevenin'ny mpandresin'ny taona 2022 tamin'ny Loka Kurt Schork [28] amin'ity taona ity ny lanonana eo ambany fanevan'ny Orina Mpanasoa Thomson Reuters, ary miaraka amin'ireo manampahaizana manokana hafa ao amin'ny sehatra, ary ny andro fanokafana dia atokana ho amin'ny fahalalahan'ny fampitam-baovao sy ny zo ankihy. Azo jerena ato [29] ny torohay fanampiny momba ny lanonana. Daty: 26–27 Oktobra 2022 / Toerana: Londres, UK

BEBE KOKOA HOVAKIANA, HOJERENA ary HOHENOINA

 

Mamandriha Taratasim-baovao Rising Voices [32]

 

 

Ankasitrahana i Eddie Avila sy i Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisany anjara tamin'ity taratasimbaovao ity.