- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nipoaka ny fihetsiketsehana tao Iran noho ny fahafatesan'i Mahsa Amini

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona

Mpianatra ao amin'ny oniversite Amir Kabir manao fihetsiketsehana manohitra ny hijab sy ny Repoblika Islamika. Septambra 2022 2022. Sary [1] avy amin'iDarafsh – Own work, CC BY-SA 4.0 [2].

Nipoaka [3] nanerana an’ Iran ny hetsipanoheran noho ny fahafatesan'i Mahsa (Zhina) Amini, taorian'ny nitazonana azy tao amin'ny polisy  ara-môraly [4] tao amin’ny firenena noho ny filazana fa nandika ny fitsipika mifehy ny hijab andro zoma. 22 taona i Mahsa.

Nanomboka nanala ny saron-dohany ny vehivavy Iraniana ho fanehoana ny tsy fankatoavan'ny sivily ho setrin'ny fahafatesan'i Amini; ny sasany nandoro izany teny an-kalamanjana; ny sasany nanaratra ny lohany na nanapaka ny volony ho fohy ary nandefa selfie tao amin'ny media sosialy.

Rehefa miara-mizaka ny halozàna sy samy miady hisian'ny fahalalahana sy ny rariny dia nanatri-maso ny zavatra izay mbola tsy fahitany hatrizay ny Iraniana, nihoarana ny tsipika manasaraka ny lahy sy ny vavy mbamin'ny fiaviana ara-poko.

Ireto no sasany tamin'ireo fotoana mahafinaritra indrindra hitako teo amin'ny fiainako amin'ny maha Iraniana ahy. Herimpo tsy mampino.

Ao Iran afaka, hatsangana ny tsangambato sy sarivongana ho an'ireo liona masiaka ireo ✌🏻💙❤️

Hatramin'ny nandraisan'ny Islamista ny governemanta Iraniana tamin'ny taona 1979, niely kokoa tao Iran ny lalàna fanavakavahana atao amin'ny vehivavy [10]. Niantraika tamin’ny fiainan'izy ireo tamin'ny fomba maro izany, manomboka amin'ny tsenan'ny asa ka hatramin'ny fomba fitafin'izy ireo. Ohatra, voatery manao saron-doha amin'ny fotoana rehetra ny vehivavy Iraniana [11]. Ary vehivavy Iraniana maro no nahavita nandà sy tsy nankatoa ny Repoblika Islamika na dia teo aza ny sazy ofisialy ho an'izay rehetra manao izany.

Nodimandry ny [12] zoma teo tao amin'ny hopitalin’i Tehran taorian'ny tsy fahatsiarovan-tena nandritra ny telo andro i Mahsa Amini, teratany Kiorda avy any Saqqez ao amin'ny faritanin'i Kurdistan. Voalaza fa niharan’ny herisetra tao anatin’ny fiaran’ny polisy nitondra azy tany amin’ny fonja izy, araka ny fijoroana vavolombelona. [13]

Nolavin’ny polisy ny fiampangana [14] ary nilaza izy ireo fa tratran'ny “aretim-po tampoka” izy raha nandà izany filazana izany [15] ny fianakaviany. Nitaky fanadihadiana momba ny fahafatesan'i Mahsa Amini ny ONU [16].

Nipoaka nanerana ny firenena ny fihetsiketsehana ny asabotsy teo. Nanomboka tany amin'ny tanàndehibe misy ny faritanin'i Kurdistan ary niely tany Tehran, Shiraz, ary Isfahan ary koa ireo tanàndehibe avaratra toa an'i Rasht sy Sari, Mashad ary Bandar Abbas.

“Matesa ny mpanao didijadona,” “Vehivavy, aina, ary fahafahana,” sy ny hoe “Fahafatesana ho an'i Khamenei” no isan'ireo teny filamatra nokiahiahan'ireo Iraniana mpanao fihetsiketsehana

Milaza ny rakitsary miparitaka tamin'ny media sosialy fa nisy fihetsiketsehana taorian'ny fahafatesan'i #Mahsah_Amini tany amin'ny faritany miisa 19 amin'ireo 31 ao #Iran tao anatin'ny telo andro farany.

Namono olona miisa 9 farafahakeliny ny mpitandro ny filaminana tao amin'ny faritanin'i Kurdistan ary nandratra olona an-jatony hafa, araka ny voalazan'ny tatitra avy amin'ny fanambarana nataon’ny fanjakan’ Iran [20]. Na izany aza, milaza ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona fa ambony lavitra ny isa.

Mpiaro ny Zon'Olombelona Iran @IHRights [21]: Namono olona miisa 31 farafahakeliny ny mpitandro ny filaminan’ny Repoblika Islamika ao #Iran [6] nandritra ny  #fihetsiketsehana tao Iran [22]. An-jatony no naratra/nosamborina.

Lahatsary maromaro no mampiseho fifandonana mahery vaika eo amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro ny filaminana. Tazana ao amin'ny lahatsary eto ambany ireo mpanao fihetsiketsehana manafika ireo mpitandro ny filaminana mandeha irery:

VAOVAO TSELATRA : Tafakatra 6 ny isan'ny maty

♦️Farafahakeliny mpanao fihetsiketsehana miisa 6 no maty taorian'ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny mpitandro ny filaminana Iraniana sy ny mpanao fihetsiketsehana

♦️Lahatsarin'ny mpanao fihetsiketsehana  #Iraniana [26] nanafika polisy.

Tamin'ny Alarobia, raha niditra ny andro fahefatra ny hetsipanoherana, nilaza ny vondrona mpijirika tsy mitonona anarana fa nanao fanafihana an-jotra ireo tranonkalan'ny governemanta Iraniana roa voalohany sy ireo tranonkalan’ny media maromaro koa, ho fanohanana ny fihetsiketsehana.

Nilaza ho ao ambadiky ny fanafihana tranonkala maromaro mifandray amin'ny governemanta Iraniana ireo mpijirika tsy mitonona anarana nandritra ny fihetsiketsehana taorian'ny fahafatesan'i Mahsa Amini, 22 taona.

Tsy miandry mpamonjy ny vehivavy Iraniana

Hoy i Azadeh Pourzand, mpikaroka momba ny zon'olombelona malaza sady talen'ny Orina Mpanasoa Siamak Pourzand [31] tamin'ny Global Voices:

Iranian women are not waiting for a savior and are bravely waging their own fights in light of what is happening in Afghanistan and other parts of the world.

It is time for the world to cease supporting governments like the Islamic Republic of Iran under the guise of promoting “moderate Islam” and by mistakenly interpreting the ideas of cultural relativism to Iran

It is impossible for any political or religious system to be stable or long-lasting. No oppressive regime can exist indefinitely because, in the end, the people's struggle for freedom will be revealed, and justice will triumph.

Tsy miandry mpamonjy ny vehivavy Iraniana ary sahy mitolona manokana manoloana ny zava-mitranga any Afghanistan sy any amin'ny faritra hafa manerana izao tontolo izao.

Fotoana izao hampitsaharan'izao tontolo izao ny fanohanana ny governemanta tahaka ny Repoblika Islamika ao Iran amin'ny endrika fampiroboroboana ny “Islamo tony fihetsika” ary amin'ny fandikana diso ny hevitra momba ny mety sy ny tsy mety ara-kolontsaina amin'i Iran

Sarotra ho an’ny rafitra ara-politika na ara-pivavahana ny ho marin-toerana na maharitra. Tsy misy fitondrana mpanao didy jadona afaka mijoro mandritra ny fotoana tsy voafetra satria hiharihary ny tolona ho fanafahana ataon’ny vahoaka amin’ny farany, ary handresy ny rariny.

Lahatsary maromaro no nampiseho vehivavy Iraniana nihantsy ny Fanjakana Iraniana tsy nisy tahotra. Vehivavy iray miady amin'ny mpitandro ny filaminana no aseho eto:

Tiako raha teo amin'ny toerany aho

Ny vehivavy ao amin'ny fireneko…🤛

Nilaza tamin’ny Global Voices ny Tale Mpanatanteraka sady mpiara-manorina ny Fikambanana Kurdistan mpiaro ny Zon'olombelona [36] (KMMK-G), Taimoor Aliassi hoe:

Women are subjected to severe repression throughout contemporary Iranian history.  Mahsa or Zhina represents the protestors’ slogan: “Woman, Life, Freedom.”

Mahsa represents the century-long fight for women's emancipation waged by Kurdish and Iranian women. Especially in the last 44 years.

It is also a representation of the fight against Islamic doctrine, which has its philosophical roots in the treatment of women.

Iharan'ny famoretana mafy ny vehivavy tamin’ny tantaran'i Iran amin’ny andro ankehitriny. Maneho ny teny filamatry ny mpanao fihetsiketsehana i Mahsa na Zhina: “Vehivavy, Aina, Fahalalahana”.

Maneho ny tolona an-jato taonany ho fanafahana ny vehivavy nataon'ny vehivavy Kiorda sy Iraniana i Mahsa. Indrindra fa tato anatin’ny 44 taona.

Fanehoana ny ady amin'ny foto-pampianarana Islamika koa izy io, izay manana ny fotony filozofika amin'ny fomba fitondrana ny vehivavy.

Zavakanto sy Hetsipanoherana

Mpanakanto maromaro no namorona sangan'asa hanehoany ny fanohanana ny vahoaka Iraniana.

Alireza Dervish [37], mpanentana sy mpanakanto monina any Alemaina. Nahazoana alalana.

Mpanao sariitatra Assad Binakhahi, [38] monina any Alemaina ihany koa. Nahazoana alalana.

Fandraisana anjaran'ilay mpandravaka an-tsary Shadi:

Mety ho izaho io, mety ho ianao, mety ho isika rehetra…