Armenia sy Azerbaijàna, samy nanaiky ny sisintany maha-iray tsy mivaky ny taniny ny roa tonta

Sary: Fitantanan'ny filoha ao Azerbaijan. Nampiasàna lisansa CC-BY-4.0

Tanaty vikina iray manan-tantara, nandritra ny fihaonana an-tampon'ny Fiombonambe Pôlitika Eorôpeàna natao tao Prague tamin'ny 6 Oktôbra dia nanome toky ireo mpitarika avy ao Armenia sy Azerbaijàna fa samy hanaiky ny sisintany maha-iray tsy mivaky ny faritaniny sy ny fiandrianam-pirenen'ny andaniny sy ankilany. Voalaza fa naharitra ora maro ilay fihaonana ary noelanelanin'i Charles Michel, mpanolotsaina eorôpeàna, sy ny filoha frantsay, Emanuel Macron.

Izao alina izao, Armenia sy Azebaidjàna samy nanamafy ny fifikirany amin'ny Satan'ny Firenena Mikambana sy ny Fanambaràna tao Alma Ata tamin'ny 1991 izay milaza ny faneken'ny roa tonta ny sisintany maha-iray tsy mivaky ny faritanin'ny andaniny sy ny fiandrianampirenen'ny ankilany
— Emmanuel Macron (@EmmanuelMacron) 7 Oktôbra 2022

Herinandro vitsy monja taorian'ireo fifandonana an-tsisintany tena vao haingana kely nifanaovan'i Armenia sy Azerbaidjàna, nitondra nankamina ady tena nahafatesana olona maro hatramin'ilay ady faharoa tao Karabakh nifandonan'ny roa tonta tamin'ny 2020, no nisy ilay fihaonana. Araka ny fanambaràna nataon'ireo firenena roa, mihoatra ny 200 ireo miaramila maty nandritra ilay fifandonana farany. Ny 15 Septambra, nanasonia fampitsaharana poa-basy ny firenena roa tonta, teo ambany fiahian'i Rosia.

Herinandro taorian'izay, nifanakalo fifampiangàna vaovao indray ny roa tonta, narahana fanambaràna navoakan'ireo ministeran'ny fiarovana avy amin'ny firenena roa tonta, manondro ny ankilany ho tomponantoka tamin'ireo fifandonana vaovao nitranga ny 28 Septambra. Nolazain'i Armenia fa miaramilany telo no maty vokatr'izany. Ny minisitry ny fiarovana ao Azerbaijàna nilaza fa hadisoan'i Armenia no niteraka ilay disadisa.

Avy eo, ny 2 Oktôbra, nisy ampahana lahatsary niparitaka tao amin'ny tambajotra sôsialy, “toa mampiseho miaramila Azerbaijaney mamono Armeniàna gadra an'ady marobe amin'ny tifitra faran'izay akaiky,” hoy ny tatitry ny Radio Liberty. Kristine Grigoryan, mpiaro zon'olombelona ao Armenia, nilaza fa tamin'ny 13 Septambra ilay lahatsary no noraketina, nandritra ireo fiakaran'ny maripàna faramparany teo, araka ny tatitra anatiny sy ny tatitra nomen'ny OC Media. Nilaza ny minisitry ny fiarovana ao Azerbaijàna fa hampanao fanadihadiana ny biraon'ny fampanoavana ao amin'ny tafika, momba ireo sary, mifanaraka amin'ny fanambaràna iray navoakan'ny ministera. Tany aloha tany, nisy lahatsary iray hafa nivoaka, “toa mampiseho fandrasarasàna ataon'ireo andian-tafika Azerbaidjaney amina vehivavy miaramila armeniàna iray, nandritra ilay ady ihany.” Araka ny voalazan'ny tatitry ny Radio Liberty, nisy ireo lahatsary novokarina hanoherana izany izay toa mampiseho miaramila armeniàna manao tsinontsinona ny vatana mangatsiakan'ireo miaramila sy olontsotra Azerbaijaney. Ny solontena manokan'ny Fiombonambe Eorôpeàna miandraikitra ny any Kaokazy Atsimo sy ny krizy ao Zeorzia, Toivo Klaar, nitaky ny hisian'ny fanadihadiana momba ireny lahatsary ireny:

Androany aho naharay lahatsary marobe toa mampiseho heloka bevava an'ady natao tamin-dry zareo Azerbaidjaney. Tokony ho antony hanaovana fanadihadiana ihany koa ireny ary hamaritana raha tokony ho tànana ho tomponandraikitra tanteraka ireo tena nanatontosa izany. Namela ratra lalina ho an'ny andaniny sy ny ankilany ilay fifandonana ary mba hanasitranana izany dia ilaina ny fampizakàna andraikitra.

— Toivo Klaar (@ToivoKlaar) 2 Oktôbra 2022

Tao anaty lahatsoratra Facebook iray no naneho ny ahiahiny ny masoivoho britanika ao Azerbaijàna:

Ny mpitondratenin'ny departemana amerikàna, Ned Price, dia niantso ny hisian'ny fanadihadiana feno sy tsy mitanila momba ireny lahatsary ireny:

Tena nahatohina mafy an'i Etazonia ireo vaovao faramparany milaza fa namono Armeniàna gadra tsy nitàna fitaovampiadiana ireo miaramila Azerbaijaney. Mangataka izahay ny hisian'ny fanadihadiana feno sy tsy mitanila. Tokony hizàka ny andraikiny tamin'ireny habibiana ireny izay tomponadraikitra tamin'izany.

— Ned Price (@StateDeptSpox) October 3, 2022

Matroka saingy azo antenaina ny hisian'ny fandriampahalemana

Ny Aprily 2022, nilaza i Ilham Aliyev, filoha ao Azerbaijàna, fa tsy hankato ny “maha-iray tsy mivaky ny faritanin'i Armenia raha tsy soniavin'i Yerevan ny fifanarahana hisian'ny fandriampahalemana eo amin'ny roa tonta, mifanaraka amin'ireo tolokevitra nataon'i Bakou.” Ny tolokevitr'i Bakou dia mifototra amina drafitra iray misy teboka dimy izay ahitàna ny fanomezan-toky fa hanaiky ny sisintany maha-iray tsy mivaky ny faritany, fanamarihana ny sisintany, fifandraisana malalaka eo amin'ny fitaterana misy amin'ny tany roa tonta, ary fifanarahana iray hialàna amin'izay rehetra mety ho tandindon-doza (fandrahonana).

Ny 6 Oktôbra tao Prague, ny filoha Ilham Aliyev, tetsy ankilany, namerina ny maha-zavadehibe ireo fotokevitra,  tamin'ny alàlan'ny famaliana ireo fanontaniana avy amn'ireo mpanao gazety. “Androany, nandritra ny fihaonana tamin'ny filohan'i Frantsa, nahita aho fa nekena ireo teboka dimy ireo. Ireo dia fotokevitra mifototra amin'ny fifandraisana eo amin'ireo Fanjakana voakasika amin'ny fampanarahana fenitra ny fifandraisana eo amin'ny tsirairay,” hoy ny filoha Aliyev, nampiany hoe “tokony ho miainga avy amin'ireo fotokevitra ireo no anombohan'ny asa momba izay ho votoatin'ny fifanarahana fandriampahalemana.”

Ao Armenia, setriny mifamahofaho no azon'ilay drafitra misy teboka dimy. Raha azo lazaina ho nanaiky ilay drafitra ihany ny firenena, dia nanolotra ihany koa anefa izy teboka enina fanampiny avy aminy.

Nandritra izay fotoana izay, tao Prague, ilay fihaonana teo amin'ireo mpitarika an'i Armenia sy Azerbaijàna dia nitondra ihany koa nankany amina fifanarahana iray momba ny fametrahana “iraka sivily iray avy amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna (EU) ho eny akaikin'ny sisintany iraisan-dry zareo.” Araka ny fanambaràna iray navoakan'ny Filankevitr'i Eorôpa, neken'ny praiminisitra armeniàna ny “hanamora ny asan'ny iraka sivily iray avy amin'ny EU eny akaikin'ny sisintany iarahana amin'i Azerbaijàna,” raha i Azerbaijàna indray nilaza fa  “nekeny ny hiara-miasa amin'io iraka io raha ny momba an-dry zareo manokana.” Hanomboka ny volana Oktôbra ilay iraka ary haharitra  volana roa eo ho eo.

Ny 3 Oktôbra ihany koa, ireo minisitry ny raharaha ivelany ao Armenia sy Azerbaijàna dia nihaona tany Zeneva hanamarika ny fanombohan'ny asa mahakasika ilay fifanarahana ho avy momba ny fandriampahalemana. Ny ampitson'io, voalaza fa nampody gadra an'ady niisa 17 ho any Armenia i Azerbaijàna.

Ireo herinandro ho avy no hilaza hoe hatraiza ny fandavantenan'ny firenena roa tonta hanatratra fandriampahalemana, na mbola manelohelo aza ny tahotra hisian'ny ady hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.