Eo an-tampon'ny famirapiratana manerantany ny Baskety lehilahy ao Sodàna Atsimo

Afaka hametraka ny tantaran'ny basikety tsy ho ela ny firenena zandriny indrindra eto Afrika, ny Repoblikan'i Sodàna Atsimo. Mifaninana amin'ny fifanintsanana amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany FIBA ​​hatao amin'ny volana Aogositra ka hatramin'ny volana Septambra 2023 any amin'ireo firenena telo Aziatika, Indonezia, Japana ary Filipina, lalao iray sisa no manasaraka ny ‘Bright Stars’ amin'ireo solontena Afrikana efatra hafa amin'ny fifaninanana.

Basikety Sodaney Atsimo

Teo ambany fitarihan'ilay kintan'ny NBA teo aloha, Luol Deng, nihaika ireo misalasala ny Bright Stars'i Sodàna Atsimo tamin'ny alalan'ny fandreseny hatrany afa-tsy ny iray tamin'ireo lalao sivy nifanintsanana mahatafiditra dingana famaranana FIBA ​​Basketball eto Afrika.

Fantatra amin'ny fananana ireo olona lava indrindra eto Afrika, manankaren-tantara lalao baskety i Sodàna Atsimo. Nanam-piaviana tao i Manute Bol mpilalao teratany Afrikana lava indrindra faharoa tao amin'ny ligy NBA, novolavolaina tamin'ny taona 1985. Nahatonga ireo tanora Sodaney maro ho liana tamin'ny baskety ny zava-bitany tamin'ny tapaky ny taompolo 1980 sy ny fiandohan'ny taompolo 1990. Rehefa nisotro ronono izy dia niverina nody ary nandray anjara mavitrika tamin'ny ady fanafahana an'i Sodàna Atsimo teo am-pelatanan'i Sodana. Nanokatra ny lalana ho an'ireo mpilalao Sodaney fiaviana maro hafa izy, anisan'izany ny filohan'ny Federasion'ny Basikety Sodàna Atsimo ankehitriny, Luol Deng.

Ho fankasitrahana ny ezaka vitany, nomena ny mari-pankasitrahana Order of the British Empire i Dengo tamin'ny volana Jolay noho ny fandraisany anjara sy ny ezaka nataony tamin'ny lalao baskety — mizaka zom-pirenena roa, Anglisy sy Sodaney Atsimo izy. Manamafy ny ezaka ataony amin'ny fananganana ny lalao ivelan'ny filalaovany amin'ny klioba sy ny ekipam-pirenena izany.

Nanangana ny Federasiona Basketin'i Sodàna Atsimo ireo Sodaney mpilalao basikety taloha tamin'ny taona 2011 ary lasa anisan'ny FIBA ​​tamin'ny volana Desambra 2013. Noho ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa tao Juba sy ny tanàna hafa, voatery nihary ivelan'ny fireneny ny ankamaroan'ny mpilalao. Niasa tamin'ny famolavolana ligy mahafaninana ho an'ny mpilalao lahy sy vavy ny federasiona.

Lalana mankany amin'ny Mondialy

Tiofanan'ny baskety Sodaney Atsimo

Tamin'ny volana Janoary 2020, resy manoloana an'i Kenya ny Bright Stars tamin'ny fifanintsanana FIBA ​​Afrobasket, saingy niezaka mafy haingana izy ireo ka lasa lohalaharana tamin'ny fiadiana ho tafiditra amin'ny Mondialy. Talohan’io faharesena, dia efa in'efatra nandresy ny ekipa tamin’ireo lalao teo aloha. Tamin'ny Novambra 2020, nisy ny lavaka nahafahana hiditra amin'ny fifaninanana Afrobasket taorian'ny nialàn'i Alzeria noho ny tahotra COVID-19. Nahitana an'i Cape Verde, Tchad ary Sodàna Atsimo, izay nandresy ho amin'ny fifanintsanana Afrobasket tamin'ny taona 2021 ny Fanasana Baskety Afrikana.

Nandray andraikitra tamin'ny fanangonana ireo tanora mpilalao i Deng mba hamolavola ekipa mifaninana, izay nilalao tany ivelany ny ankamaroan'izy ireo. Amin'ny alalan'ny fampiasana ny fitaovana FastScout Pro, nitombo hery ny ekipa, lasa mpifaninana lehibe hilalao amin'ny fiadiana ny Amboara Eran-tany. Ny fitaovana FastScout Pro dia sehatra novolavolaina hanaraha-maso ny zava-bitan'ny mpilalao mandritra ny lalaony, manome angon-drakitra ho an'ireo mpitantana sy ny  mpiasa ara-teknika mba ampiasaina amin'ny fanapahan-kevitra amin'ny lalao, sy ny fomba hiatrehana ireo lalao isankarazany.

Amin'ny fizorana amin'ny dingana fifanintsanana manaraka izay tokony hatao amin'ny volana novambra amin'ity taona ity, tafiditra laharana voalohany eto Afrika amin'ny Filaharan'ny FIBA Power ny ekipa Sodaney Tatsimo. Misy ihany koa ny mpilalao ao amin'ny ekipam-pirenena no milalao ao amin'ny ekipan'ny Ligy Baskety Sodaney Atsimo, Cobra Sport. Nandray anjara tamin'ny Ligy Baskety Afrika 2022 (Basketball Africa League) —  fiarahamiasa tamin'ny FIBA sy NBA ny ekipa mba hampiroborobo talenta nitombo ao amin'ny kaontinanta afrikanina ary hampiseho izany amin'izao tontolo izao. Ahitana ireo mpilalao manan-talenta ny ekipa, toa an'i Padiet Wang, izay milalao toy ny mpiambina, nivoaka ny biraony mba hampisy fiantraikany eny an-kianja, Deng Ring milalalao ao Newfound Rangers any Canada ary Nuni Omot  nilalao tany Porto Riko taorian'ny filalaovana fohy tao amin'ny Golden State Warriors sy ny Brooklyn Nets tao amin'ny Ligy Fahavaratra NBA.

Tongasoa ny maherifo

Tamin'ny fodiana taorian'ny diam-pifanintsanana faha-4 ho amin'ny Mondialy, noraisin'ny filohan'i Sodàna Atsimo, Salva Kiir, araka ny fandraisana maherifo ny ekipa. (Nahavita) Dingana fahefatra amin'ny fifanintsanana ireo ekipa(m-pirenena) eto Afrika tafita hanao Mondialy. Ny dingana farany no hahitana ireo 5 tafita amin'ny volana Novambra.

Misaotra anao ry filoha hajaina Salva Kiir Maysardit noho ny fanasanao sy ny teny fanohananao mahafinaritra! 🇸🇸🏀

Nanambara ny Bright Stars ho mijoro eo an-tampon'ny famirapiratana ny Federasiona Iraisampirenena amin'ny Baskety (FIBA) tao amin'ny fitantanany Twitter;

Miverina any Juba ✈️�� ny maherifon'i Sodàna Atsimo

Mbola tsy tafiditra hanao Mondialy amin'ny fomba ofisialy aloha, fa mijoro eo an-tampon'ny famirapiratana kosa ny Bright Stars! ��

Saika nihitsoka tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisampirenena Juba satria tonga ireo fianakaviana, namana, sy ireo mpankafy ny ekipa baskety malalany. Naka sary sy namoaka ny fankalazana lehibe tao amin'ny pejiny Instagram i Padiet Wang, mpilalao iray ao amin'ny ekipa.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Padiet Wang (@padiet_wang10)

Satria hotontosaina manomboka amin'ny 24 ka hatramin'ny 26 Febroary 2023 ny dingana 5 farany, hoketrehin'ny Bright Stars ny ho tafita hanao Mondialy voalohany amin'ny maha-Repoblika Demaokratika tanora indrindra azy manerantany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.