- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nidina indray ny tondro filaharan'ny fahalalahan'ny gazety any Hong Kong rehefa nanjavona ny media mpamoaka vaovao

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka

 

[1]

Pikantsary avy amin'ny tatitra lahatsarin’ny SCMF tao amin'ny YouTube ny 17 Janoary 2022: Nikarakara fihetsiketsehana ny Hong Kongers tany Angletera nitaky ny fahalalahan’ny gazety taorian'ny fanakatonana ny Stand News

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Hillary Leung ary navoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 23 septambra 2022 [2]. Navoaka eto amin'ny Global Voices ny lahatsoratra nasiam-panitsiana araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Mbola nihemotra fanintelony indray ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Hong Kong, sady manontany ireo mpanao gazety amin'ny fahombiazan'ny fampahalalam-baovao amin'ny maha-kiady azy ireo ao anatin'ny tontolo mihasarotra ho an'ilay sehatrasa.

Navoakan'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Hong Kong (HKJA) ny tondro tamin'ny 23 Septambra 2022. Ahitana tarehimarika roa ny tondro isan-taona araka ny fitsapan-kevitra roa –nomena ireo miasa amin'ny sehatry ny fampitam-baovao ny fanontaniana iray, ary ny iray nomena ny sarambabem-bahoaka.

26.2 tamin'ity taona ity ny naoty (lahara)n'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety araka ny fomba fijerin'ny mpiasan'ny fampitam-baovao, raha 32.1 tamin'ny herintaona. Io no fitotonganana betsaka indrindra hatramin'ny nanombohan'ny HKJA nanangona ny tondro tamin'ny taona 2013.

Maherin'ny antsasa-manilan'ireo namaly avy amin'ny vondron'olona no nilaza fa nihemotra ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety taorian'ny taona 2020.

Tamin'ny fanambaràna iray, nilaza ny HKJA fa heverin-dry zareo ho “niharatsy tanteraka ny tontolon'ny fitateram-baovao tao Hong Kong nandritra ny herintaona”. Notononin'ny vondron ny fanakatonana ny Apple Daily tamin'ny volana jona lasa teo ny vondrona, sy ny Stand News, izay nikatona tamin'ny volana Desambra lasa teo, ary ny Citizen News tamin'ny Janoary. Miatrika fanenjehana ara-pitsarana amin'izao fotoana izao ireo mpanatanteraka sy tonian-dahatsoratra ao amin'ny Apple Daily sy Stand News noho ny lalànan'ny filaminam-pirenena na ny lalànan'ny fikomiana tamin'ny andron'ny fanjanahantany taorian'ny fisavana ny efitrano famoaham-baovaon’izy ireo. Mivaky toy izao ilay fanambaràna:

As a direct consequence of a shrinking news industry, less information of public interest is now available, and those that remain accessible become more homogenous than diverse.

Vokatry ny fifintin'ny sehatrasa fampahalalam-baovao mivantana, mihavitsy kokoa ny fampahalalam-baovao ho amin'ny tombontsoan'ny besinimaro ankehitriny, ary lasa tokambolo kokoa fa tsy ny isankarazany ireo tavela ho azo idirana.

Nanadihady olona miisa 169 tao amin'ny indostrian'ny fampitam-baovao sy mpikambana miisa 1.016 avy amin’ny daholobe ny HKJA tamin'ny volana Mey. Nampian'ny vondrona hoe tsara ny manamarika fa fanontaniana miisa 737 no nalefa, ka 22,9 isanjato ny tahan'ny famaliana. Mifanohitra amin'izany, 82,8 isanjato ny tahan'ny famaliana tamin’ny herintaona. Nanazava ny vondrona:

Some journalists we approached for the survey said they fear the HKJA has come in the crosshairs of authorities and therefore they fear retribution for filling out a questionnaire conducted by the HKJA.

Nilaza ny mpanao gazety sasany nohatoninay tamin'ny fanadihadiana fa manahy izy ireo fa arahin’ny manampahefana maso ny HKJA ary noho izany, matahotra ny mety ho vokatry ny famenoana fanontaniana napetraky ny HKJA izy ireo.

Nanakiana ny HKJA ireo fampahalalam-baovao tohanan'ny fanjakana, niantso azy io [5] ho “sendika sandoka” izay “niteraka korontana tao Hong Kong”.

Hitan'ny fakan-kevitra ihany koa fa ny 97 isanjaton'ny mpiasan'ny fampitam-baovao no nino fa “niharatsy kokoa” ny tontolon'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tao anatin'ny herintaona, raha naneho hevitra mitovy amin’izany ny 53,5 isan-jato.

Nanampy ny HKJA fa “zava-dehibe” ny fahafahan’ny asa fanaovan-gazety miasa ao anatin'ny “tontolo malalaka sy azo antoka” mba hitazonana ny satan'i Hong Kong ho foibe ara-bola iraisampirenena.

Andro iray taorian'ny niresahan'ny Lehiben'ny mpanatanteraka John Lee tao amin'ny hetsika iray [6] ho an'ny mpiasan'ny fampitam-baovao nankalaza ny fetim-pirenena ho avy ao Shina no nivoaka ny tondro, izay nilazany tamin'ireo mpanao gazety voafantina mba hamoaka ny “hafatr’i Hong Kong marina” ho an'izao tontolo izao.

Nolavina ny fidiran’ny HKFP tamin'ny hetsika natokana ho an’izay nahazo fanasana ihany. Rehefa avy niresaka momba ny fitsipiky ny COVID-19 sy ny filazana diso fa natao ho an'ny fampitam-baovao Shinoa ihany ny hetsika, dia nilaza ny komity mpikarakara tamin'ny farany fa ny “fampahalalam-baovao mahazatra” ihany no nasaina, nefa tsy nisy ny fanazavana momba izany bebe kokoa. Nanatrika ny hetsika ireo fampitam-baovao tantanan’ny fanjakana sy ny SCMP.

Nandritra ny lahateniny, nampitandrina ireo mpanao gazety i Lee mba hanavaka ny tsara sy ny ratsy ary hanalavitra ny “fampahalalam-baovao sandoka” sy ny “singa ratsy” izay “manimba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.”

Nilaza ny manampahefana fa mikasa hamoaka lalàna mifehy ny “vaovao sandoka” izy ireo hiadiana amin’ny fandisoam-baovao. Milaza ny mpitsikera fa mety ho fitaovam-piadiana ampiasaina hamoretana ny fampahalalam-baovao ny lalàna toy izany ary hanakanana bebe kokoa ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.