- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanafihana farany nataon'i Tiorkia tamin'ny zavakanto : governoran'ny faritra iray nanafoana fetiben'ny mozika efa nandrasana hatry ny ela

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Mozika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2022)

Eskişehir Municipality [1]. Sary an'i Seyfi Şeren nampiasàna ny lisansa CC BY-SA 2.0 [2], avy amin'ny Wikimedia Commons

Telo andro monja mialoha ny Anadolu Fest, fetibe iray ho an'ny mozika izay tokony natao tao amin'ny faritanin'i Eskişehir ao Torkia, dia nanambara ny biraon'ny governora eo an-toerana fa ho foana ireo hetsika rehetra, tafiditra anatin'izany ireo fitorevahana, ny kaonseritra, ny fetibe ary ireo fihetsiketsehana, manomboka ny 10 ka hatramin'ny 25 may mba “hitandroana ny filaminambahoaka sy fiarovana ny daholobe, hisorohana ny helokabevava, hiarovana ny zo sy fahalalahan'ny hafa ary hisakanana ny fihanaky ny herisetra”. Na dia tsy nanondro mazava tsara ilay fetiben'ny mozika ho avy aza ny filazana, dia tafiditra anatin'ireo datin'andro voalaza ao anaty fanambarana ilay hetsika. Ho setrin'izay, nanambara ny mpikarakara ny fetiben'ny mozika, Serdar Can, fa hanao fampakarana any amin'ny fitsarana ara-panjakana izy mikasika ilay fanambaran'ny governora, ary nampiany fa tapakila manodidina ny 10 000 no efa lafon'ilay fetibe. Niteraka tabatabam-bahoaka tao anaty tambajotra ny fanapahan-kevitra tampoka noraisin'ny biraon'ny governora eo an-toerana, miaraka amin'ny #FestivalimeDokunma [Aza kitihina ny fetibeko] nalaza fotoana fohy [3] tao amin'ny Twitter.

Taorian'ny volana maro nanaovana drafitra, dia teo an-dalam-panombohana ny alakamisy ao Eskişehir, ny fetiben'ny mozika ahitana an'i Yeni Türkü, Deniz Tekin sy ireo hafa. Saingy ny fanapahan-kevitra tampoky ny governoram-paritra tao anatin'ny minitra farany dia nanakana ireo fihetsiketsehana rehetra, mba hikasana, raha ny fahitàna azy, hisakanana ity fetibe ity.

— Kenan Behzat Sharpe (@kenan_sharpe)

Ny Anadolu Fest no tokony ho famoriam-bahoaka lehibe indrindra tao amin'ny faritra hatramin'ny nisian'ny valanaretina COVID-19 tamin'ny 2020. Tokony hanomboka ny 12 May ilay hetsika maharitra andro efatra ary hanasongadina ireo mpihira malaza marobe ao Tiorkia. Tao anaty fanambarana mitokana navoakan'ny Anadolu Fest, nilaza ho tohina [7] noho ny fanapahankevitry ny governora ireo mpikarakara, indrindra taorian'ny nanaovan'ilay fetibe fangatahana sy nahazoany ireo fahazoandàlana ilaina :

Melohinay ity fihetsika tsy manara-dalàna ity izay manakana ny fitiavana ny kanto ao anatin'ireo tanora an'arivony maro. Nanomboka ireo dingana ara-pitsarana nataonay mikasika ilay fanapahankevitra ary hanohy hanome vaoavao anareo hatrany izahay, ianareo mpandray anjara sarobidy, mikasika ny dingana.

tamin'ireo nitsikera ilay fanapahankevitra ireo mpikambana avy amin'ny antoko mpanohitra ny fanjakana.

Fanelingelenana ny fomba fiaina ilay fanapahankevitra navoakan'ny governoran'i Eskisehier androany. Fanapahankevitra natao manokana izy io mba hanakanana ireo tanora tsy hiravoravo. Dona mafy iray hafa io ho an'ny orinasa mpanao mozika izay nitolona hatramin'ny niandohan'ny valanaretina.

Nanamafy ihany koa ireo mpahay mozika. Hoy ny bitsiky ny mpitendry piano malaza, Dengin Ceyhan, hoe :

Na dia efa fanamby sarotra aza vao afaka mandre ireo artista malalanay noho ny valanaretina sy ny krizy ara-toekarena, ny fanakanana fetibe iray voaomana dia maha-menatra ary tsy rariny atao amin'ireo artista, ireo tarika mpian-tsehatra sy ireo mpankafy mozika.

Nandritra ny valanaretina, anisany voadona mafy tamin'ny fihibohana ireo mpahay mozika [12]. Araka ny voalazan'ny antontanisa [13] avy amin'ny Union Musicians and Performers Union (Müzik-Sen) (sendikan'ireo mpahay mozika sy sendikan'ireo mpiaka-tsehatra) tamin'ny volana Septambra 2020, farafahakeliny mpahay mozika 100 no namono tena nandritra ny valanaretina. Ampahany betsaka tamin'ireo mpahay mozika iray tapitrisa voasoratra anarana [14] ao amin'ny firenena no tsy manana fiantohana ary tsy afaka ny hiandrandra fanampiana avy amin'ny fanjakana. Ary teo amin'ny fotoana nanalàna ny faneriterena indrindra, dia nampihena ho tsy nisy ny fanantenana rehetra hamerenana haingana ny indostrian'ny mozika Tiorka ireo faneriterena vaovao [15].

Ny volana Jona 2021, ny Filoha sady filohan'ny Antoko Rariny sy Fandrosoana (AKP) Recep Tayyip Erdoğan dia niteny [15] fa nesorin'i Tiorkia ireo faneriterena ambiny napetraka nandritra ny valanaretina manomboka ny 1 Jolay 2021. Na izany aza anefa, manomboka amin'io daty io, tsy maintsy ajanona alohan'ny misasakalina ny hetsika ara-mozika rehetra. “Miala tsiny fa tsy misy na iza na iza manan-jo hanelingelina ny hafa amin'ny alina”, hoy ny nambaran'i Erdoğan. Ny tenifototra #Kusurabakiyoruz (tsy hanala tsiny anao izahay) dia nanomboka nalaza avy hatrany tao anaty Twitter tiorka, niaraka tamin'ireo olom-pirenena sy mpahay mozika marobe naneho ny hatezerany manoloana ilay fandraràna vaovao.

Tamin'ny volana Martsa 2022, na dia nesorina avokoa aza ny ankamaroan'ireo faneriterena ambiny, tahaka ny fitondrana aro-vava-orona teny ivelany sy ny fampiasana ilay fampiharana fanarahamaso ny fifandraisana rehefa miditra amin'ireo toerana ho an'ny daholobe, mbola nijanona [16] kosa ny fandraràna ny mozika. Tamin'izany fotoana izany, nameno an'ireo media sosialy ireo mpahay mozika, niaraka tamin'ny tenifototra iray hafa malaza  #MüzikYasağıKalksın [17] [Esory ny fandraràna mozika]. Nizara ny ahiahiny avokoa ireo mpahay mozika sy artista malaza, ary nanamafy fa “ideolojika” tanteraka ilay fandraràna fa tsy mifandraika amin'ny fahasalamam-bahoaka. Tao anaty bitsika iray,  nibitsika [18] ilay mpahay mozika Gaye Su Akyol hoe : “Koa satria tsy misy fanazavana azo raisina [amin'ny fitazonana ny fandraràna ny mozika], dia lazaintsika fa : ny fandraràna ny mozika dia fomba fanao ideôlôjika tanteraka sy fiarovantena tanteraka ka tsy maintsy esorina haingana miaraka amin'ny vava.” Ireo hafa, toy ny mpahay mozika Edis, dia namaritra ireo fepetra ho “fanavakavahana”. “Raha toa ny toekarena tena ratsy toerana tahaka izao, dia tsy azoko mihitsy ity fanavakavahana anoherana ny indostrian'ny mozika sy fialamboly ity, hoy ny bitsik'ila [19]y mpihira.”

Tamin'ny fanehoankevitra momba ilay fandraràna ny fetibe, nanontany tena ila mpilalao sarimihetsika Orhan Aydin hoe nahoana no sakanan'ny governemanta ny zavatra izay mety hampitony ny fihenjanana ao amin'ny firenena :

Inona no fiheveran'ny governora ny atao hoe zavakanto sy kolontsaina ? Rehefa mafanafana ny firenena, nahoana no sakanany ny fetibe izay miezaka ny hanalefaka ny rivo-piainana, handoko azy amina hira sy tononkalo ? Tsy maintsy mampiaka-peo ireo mponina ao Eskisehir, an'iza ny firenena ?

Ora vitsivitsy miala an'i Istanbul sy Ankara, Eskisehir [adika amin'ny hoe tanàna ntaolo] dia iray amin'ireo fiantsonana tena malaza indrindra ho an’‘ireo mpianatra amin'ny anjerimanontolo [22].  Ilay tanàna dia nasongadina [23] tao anatin'ny torolalana LonelyPlanet 2019 izay ahitan'ireo mpitsidika “ny toerana maitso natokana ho an'ireo mpandeha an-tongotra, distrika manan-tantara maroloko sy tambajotra-na lakandrano tsara hakàna sary”.

Kely ny vintana mety hiverenan'ny fetibe, na dia tsy noho ny tsy fahampian'ny ezaka avy amin'ireo mpankafy mozika aza. Raha toa ireo mpikarakara ny fetibe nivoady ny hanohitra ilay fisakanana eny anatrehan'ny tribonaly, nampanantena ihany koa ireo artista fa hanampy. Tiorka iray pihira rock malaza, Haluk Levent, no nilaza fa hifampiraharaha manokana amin'ireo tomponandraikitra ao an-toerana :

Izaho koa tokony hanao fampisehoana amin'ilay fetibe amin'ny Alakamisy. Vao izao no reko fa tsy nahazo alalana ny fetibe. Handeha hiresaka amin'ireo tomponandraikitra eto an-toerana aho izao dia izao. Faniriako ny hoa tsy nilaintsika akory ny resaka amin'ireo tomponandraikitra mikasika ity toe-javatra ity.