Feo avy amin'ireo Nosy: Notendrena ho Lehiben'ny Firenena Mikambana misahana ny Fiovan'ny Toetrandro ny minisitry ny tontolo iainana ao Grenada

Pikantsary avy amin'ny fanambarana an-dahatsary nataon'ny minisitry ny tontolo iainana ao Grenada, Simon Stiell, ho fankasitrahana ny Andro Iraisampirenena Momba ny Tontolo Iainana 2020, nalaina tao amin'ny lahatsary YouTube nataon'ny Fikambanamben'ny Fanjakana Karaiba Atsinanana (OECS).

Tamin'ny 15 aogositra no nambaran'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana momba ny fikorontanan'ny toetrandro (UNFCCC) ny fanendrena an'i Simon Stiell, minisitry ny fahazakana toetrandro sady Loholon'ny tontolo iainana ao Grenada, ho sekretera mpanatanteraky ny fikorontanan'ny toetr'andro ao amin'ny Firenena Mikambana :

📢 Vaovao #ClimateChange!
Notendren'ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana António Guterres i @simonstiell ho sekretera mpanatanteraka vaovao momba ny fikorontanan'ny toetr'andro ao amin'ny Firenena Mikambana.

Taratra ho fanekena ny faharefoan'ireo firenena nosy kely amin'ny tolona iadiana amin'ny fikorontanan'ny toetr'andro ny fanendren'ny Sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana António Guterres. Steill no nisolo toerana an'Ibrahim Thiaw, izay efa niasa teo amin'ny toerana nandritra ny efatra herinandro.

Nanamarika ny manam-pahaizana momba ny toetrandro iray fa na dia notononina ho sahaza ny asa aza ny vehivavy, dia tsy olana goavana ny fisasahan'ny isan'ny lahy sy ny vavy amin'ny andraikitra ambony, satria nanaraka ny dian'ny vehivavy roa i Stiell, izay, samy avy any amin'ny faritr'i Amerika toa an'i Stiell : Patricia Espinosa avy any Meksika sy Christiana Figueres avy any Costa Rica:

ka dia tsy iray amin'ireo vehivavy afrikana sy aziatika maro no nomen'ny loharanom-baovaonay ho amin'ilay asa 🤷‍♀️ no izy fa hey, @joeloyo no nahazo ny scoop (vaovao voalohany) momba ny lehiben'ny toetrandro manaraka ao amin'ny Firenena Mikambana.

Espinosa tenany mihitsy no nisioka ny fiarahabana ny mpandimby azy:

Arahabaina ry namako @simonstiell noho ny fanendrena anao ho lehiben'ny UNFCCC. Ho hitanao izany ekipa mahafinaritra hotarihinao izany!! Manana ny fanohanako feno amin'ny asa ho avy ianao.

Efa hatramin’ny fiandohan’ny volana aogositra no nandrenesana siosio ny fanendrena.

Nisioka ny fiarahabana azy i Al Gore, mpitolona menavazana momba ny fikorontanan'ny toetrandro:

Miarahaba an'i @simonstiell amin'ny andraikitra vaovao amin'ny maha Sekretera Mpanatanteraka azy ao @UNFCCC. Amin'ny fihafaingan'ny hetsika momba ny toetrandro eto Etazonia, tsy maintsy mivondrona ary mihetsika amim-pahasahiana amin'ny #COP27 ny vondrom-piarahamonina maneran-tany. Miandrandra indrindra ny fitarihany tena ilaina!

Naneho fifaliana lehibe tamin'ny fanendrena ny Firaisankinan'ny Nosy-Fanjakana Madinika (AOSIS), izay tarihin'i Antigua sy Barbuda amin'izao fotoana izao, sy ireo tompon-daka manan-danjan'ny nosy kely amin'ny Fihaonamben'ny Firenena Mikambana momba ny toetrandro :

Arahabaina ny iray amin'ireo tompondaka momba ny toetrandro any Karaiba @simonstiell tamin'ity fanendrena mendrika ity 👏🏽👏🏽

Tena tsara ny fanehoan-kevitra avy any Karaiba. Anisan'ny voalohany niarahaba i Matthew Samuda, mitovy asa aminy any Karaiba, ny minisitra tsy manana andraikitra manokana ao Jamaika miandraikitra ny fikorontanan'ny toetr'andro sady senateran'ny tontolo iainana . Notsongain'ny UK Guardian izy:

“He’s an excellent choice, very qualified, and very committed to the climate change agenda. Most importantly, he understands the challenges of developing nations. Jamaica and no doubt the entire Caribbean looks forward to working with him.”

“Safidy tena tsara izy, tena mahafeno fepetra ary tena manolo-tena amin'ny tetipanorona (iadiana amin'ny) fikorontanan'ny toetr'andro. Zava-dehibe ambonin'izany, hainy ny fanamby atrehan'ny firenena an-dalam-pandrosoana. Tsy isalasalana fa manantena ny hiara-hiasa aminy i Jamaika sy Karaiba manontolo.”

Nisioka i Samuda talohan'izay hoe:

Mendrika tokoa! Ny valisoa ho an'ny asa tsara dia asa bebe kokoa. Miarahaba ry namako @simonstiell

Voatendry ho lehiben'ny toetrandro ao amin'ny Firenena Mikambana i Simon Stiell ao Grenada

Nisioka fiarahabana avy any Guadeloupe Yamide Dagnet, Talen'ny Toetrandro ao amin'ny Open Society Foundations ary voatsonga tao amin'ny lahatsoratra iray avy amin'ny UK Guardian:

“It’s incredible to see proven island leadership take the helm at UNFCCC. My hope is that this will bring renewed impetus for just transitions towards vibrant, more resilient low-carbon economies and societies.”

“Tena tsy mampino ny mahita ny tsy zoviana amin'ny fitarihana ny nosy handray ny sangany ao amin'ny UNFCCC. Ny fanantenako dia hitondra fanavaozana amin'ny fifindrana ara-drariny mankany amin'ny toekarena sy fiarahamonina ambany karbônina ho velombelona sy maozatra kokoa anie izao. ”

Baroness Patricia Scotland, sekretera jeneralin'ny Commonwealth vao voafidy, teraka tany Dominica, nisioka hoe:

Miarahaba an'i @simonstiell, Minisitry ny Tontolo Iainana ao #Grenada, tamin'ny fanendrena azy ho Sekretera Mpanatanteraka ao @UNFCCC.⁰⁰Manantena ny hiara-hiasa aminao aho ary hanambatra hery amin'ny feo mahery #Caribbean sy #Commonwealth ho an'ny fanjakana madinika⁰⁰#CommonwealthForClimate

Tamin'ny lahatsary taona 2019 tao amin'ny Facebook i Stiell niresaka momba ny fahamaozatra amin'ny toetr'andro, niresaka ny fomba ahafahan'ireo nosy kely ho “mailaka” sy mandroso amin'ny fampifanarahana amin'ny fiovan'ny toetr'andro:

Explaining why Grenada was the first country in the region to establish a Ministry of Climate Resilience…..#ClimateResilience

Manazava ny antony nahatonga an'i Grenada ho firenena voalohany tao amin'ny faritra nanangana Minisiteran'ny Fahazakana ny Toetr'andro….

Nohazavain'ny mpaneho hevitra fa hanana asa be dia be i Stiell eo ambony loviany, milaza fa ilaina hodinihana ny olana manokana, mampatahotra ary sarotra.

Niofana ho injeniera sy manana traikefa amin'ny fitantanana eo amin'ny sehatry ny teknolojia, ny asan'i Stiell voalohany dia ny hitarika ny fifampiraharahana amin'ny Kaoferansa COP27 momba ny fikorontanan'ny toetrandro any Egypta, izay tonga amin'ny fotoan-tsarotra taorian'ny taona tena sarotra sy ny COP26 (Conference momba ny fiovan'ny toetrandro) tany Glasgow, izay mbola ikarohan'ireo firenena ao Karaiba vahaolana.

Nanao lisitra ny laharam-pahamehana ho an'i Stiell ny Climate Action Network International:

.@CANIntl dia miarahaba & mampandroso an'i @simonstiell amin'ity andraikitra lehibe ity.
Mino izahay fa afaka manamarika vanim-potoana vaovao ny fitarihany amin'ny fiantohana fa eo anoloana & afovoan'ny hetsika momba ny toetrandro ny rariny ara-toetrandro sady ifantohana amin'izany ny fitantanam-bola, ny fampifanarahana, ny VerysyTombony & tsy ialan'ny maso ny #1o5. #ParisAgreement

Nosoritan‘ny tranonkalam-pihariana maitso ny sasany amin'ireo asa mahamenamaso ho avy:

Stiell will now face the challenging task of steering negotiations at the upcoming COP27 Climate Summit in Egypt this November, where ramping up flows of climate finance from richer nations to nations more vulnerable to climate impacts is set to be a major bone of contention once again.

The summit will also take place against a difficult backdrop of soaring global fossil fuel prices, rising food and living costs, global food shortages, economic headwinds and worsening geopolitical tensions between the West and Russia and China that is likely to further open up fissures and distractions during the crunch talks. And with just eight years to go countries have to meet their national 2030 climate goals in support of the Paris Agreement, the pressure is on to ensure all parties step up to the plate with more ambitious decarbonisation plans ahead of the summit.

Mbola hiatrika ny asa sarotra amin'ny fitantanana ny fifampiraharahana amin'ny fihaonambe COP27 ho avy any Ejipta i Stiell amin'ity volana novambra ity, izay mbola hametraka ny fampakarana ny famatsiam-bolan'ny toetr'andro avy amin'ny firenena manankarena mankany amin'ireo firenena marefo kokoa amin'ny fiantraikan'ny toetr'andro ho taolan'ny fifandirana indray.

Hotontosaina ihany koa ny vovonana manoloana ny fiakaran'ny vidin'ny solika eran-tany, ny fiakaran'ny vidin-tsakafo sy ny vidim-piainana, ny tsy fisian-tsakafo maneran-tany, ny korontana ara-toekarena ary ny fihenjanana ara-jeopolitika eo amin'ny Tandrefana sy i Rosia ary Shina izay mety hanokatra bebe kokoa amin'ny fikorontanana sy ny fanelingelenana mandritra ny fotoan-dresaka minitra vitsy farany. Sady valo taona sisa tsy maintsy anatraran'ny firenena maro ny tanjon'ny toetr'andro 2030 ho fanohanana ny Fifanarahan'i Paris, mihatra ny tsindry mba hahazoana antoka fa hiakatra amin'ny sehatra manana drafitra decarbonisation mialoha ny vovonana ny antoko rehetra.

Nizara ny heviny ny mpikambana iray ao amin'ny Antoko Maitso UK:

Vaovao tsara #COP27
Manana lanja ara-moraly manokana ireo firenena nosy kely marefo.
Asa goavana!

Nanamarika ny mpisolovava iray momba ny fandefasana entana maharitra:

Hahafantatra bebe kokoa noho ny daholobe ny Grenadiana @simonstiell amin'ny maha-zava-dehibe ny famahana ny olan'ny fiakaran'ny maripanan'ny tany mba hiarovana ireo vondrom-piarahamonina marefo toa ny mponin'ny nosy.

Saingy tsy ho tanteraka izany raha mbola avelan'ny firenena maro ho ivelan'ny tanjona ara-toetrandro ny fandefasana an-tsambo sy ny sidina

Toa fantatr'i Stiell tsara ireo fanamby, na izany ho an'ireo nosy kely na ho an'ny planeta manontolo. Tamin'ny Febroary tamin'ity taona ity, nisioka momba ny tatitra IPCC farany momba ny toetr'andro izy:

Mampihoronkoditra ity tatitra ity. Tsy misy fomba hafa hilazana izany. Tsikaritra fototra ho an'ireo nosy kely:
Efa mahatratra ny fetran'ny fampifanarahana amin'ny 1.1°C isika.
Efa miaina fahaverezana sy fahapotehana isika.
Tsy afaka mampifanaraka amin'ny tontolo iray isika mihoatra ny 105°C isika

Tsara toerana i Steill mba hitondra fiovana eo amin'ny sehatra iraisampirenena sy angamba, “manozongozona zavatra maro” amin'ny COP27 any Egypta. Tompondakan'ny foto-kevitra ny “One Point Five” (iray faingo dimy) – fanentanana iray natsangana tany Karaiba ary novolavolaina tamin'ny fihaonambe manan-tantara momba ny fiovan'ny toetr'andro tany Paris tamin'ny taona 2015 – sady feo hiarovana ireo nosy kely izay mitondra ny vesatry ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro. Saingy azo inoana fa hiatrika tolona mafy izy amin'ny fiezahana hanisaka ireo firenen-dehibe kokoa amin'ny fahafaham-pony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.