Tatitra Unfreedom Monitor: Egypta

Sary natolotr'i Ameya Nagarajan

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i Egypta amin'ny aterineto ity. Vakio ato ny tatitra feno.

Tamin'ny taona 2021, nametraka an'i Egypta ho iray amin'ireo mpampiditra am-ponja mpanao gazety henjana indrindra eran-tany ny Reporters Sans Frontières (RSF). Amin'ireo firenena miisa 180 tamin'ny taona 2021, laharana faha-166 i Ejipta, taorian’i Libya sy Ginea Ekoatorialy. Araka ny voalazan'ny RSF, an'ny governemanta na mifandray amin'ny sampam-pitsikilovana ny antsasaky ny fampitam-baovao ao amin'ny firenena. An'ny mpandraharaha mpomba ny fitondrana ny ambiny. Voasakana ireo tranonkalam-baovao tsy miankina vitsivitsy mbola misokatra. Nosamborina ny tompony sy ny tonian-dahatsoratra ary navotsotra taoriana kelin’izay, toy ny nitranga tamin’ny Mada Masr sy Al-Manassa. Tranonkala maherin'ny 500 no voasakana tao Ejipta, ary mpanao gazety maherin'ny 100 no nosamborina nanomboka tamin'ny taona 2014. Nanafoana ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao ny fampiharana ny fitsipika vaovao toy ny lalàna miady amin'ny fampihorohoroana sy ny heloka bevava an'aterineto ary ny fananganana ny Filankevitra Ambony misahana ny Fandrindrana ny Fampitam-baovao ary nanakatona ny lalana mankany amin'ny asa fanaovan-gazety malalaka. Nisy fiantraikany tamin'ny asan'ny mpanao gazety izay tandindonin-doza ho voampanga ireo lalàna sy fitsipika vaovao ireo toy ny hoe anisan'ny vondrona mpampihorohoro na nanaparitaka vaovao tsy marina. Ho an'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena, tsipahin'i Egypta ny fanagadrana mpanao gazety amin'ny asany, izay marina ampahany satria fiampangana azy toy ny mpikambana vondrona mpampihorohoro no anagadran'ny mpitandro ny filaminana Egiptiana azy ireny, fa tsy mampifandray izany mivantana amin'ny asa fanaovan-gazety ataon'izy ireo.

Natao hanehoana ny zava-misy manodidina ny teknolojia fanaraha-maso amin'ny alàlan'ny votoaty an-tserasera nandritra ny taona vitsy lasa ny famakafakana Airtable natao tamin'ity tetikasa ity. Hitantsika ny tanjona miverimberina amin'ny famerana ny fahalalahan'ny habaka an-tserasera sy ny fandrarana izay fitantarana mifanandrify amin'ilay ofisialy. Hita izany tamin’ny baiko nomen’ny Lehiben’ny Fampanoavana hanangana vondrona hanara-maso sy hijery akaiky ireo sehatra sy hetsika amin’ny tambajotra sosialy, izay mifanohitra amin’ireo andininy ao amin’ny lalàmpanorenana miaro ny fitanan-tsiambaratelon’ny olona sy ny zo amin’ny fahalalahana maneho hevitra.

Amin'ny alàlan'ny fanaraha-maso ny media sosialy, mikendry mpikatroka na mpanohitra sy ireo hetsika mety hisarihana ny sain'ny besinimaro na heverina ho mivaona amin’ny rafitra nentim-paharazana ao Ejipta ny manampahefana, toy ny zava-nitranga tamin'ireo mpanentana TikTok. Saika ny zava-drehetra dia azo atao mifandraika  amin'ny “fiarovam-pirenena” sy ny “soatoavin'ny fianakaviana”, manomboka amin'ny fanenjehana olona niharan'ny herisetra ara-nofo izay nampiasa ny media sosialy ho fomba iray hitantarana ny tantarany fa tsy niaro azy no natao, hatramin'ny fanakanana ny tranokala Shiita, ary ny fiantsoana ireo YouTubers izay miresaka momba ny Bitcoin ao amin'ny fantson’izy ireo.

Sarotra ny manombatombana ny fandaniam-bolan'ny governemanta Egyptiana amin'ny fanafarana sy ny fampiasana ny teknolojia fanaraha-maso. Na dia nanambara ny fametrahana fakantsary CCTV sy ny teknolojia famantarana endrika aza ny governemanta, ity fanambarana sy vaovao ity dia tonga tsy nisy fanazavana momba ny fepetra mikasika ny fitanan-tsiambaratelo na ny fitsipika momba ny fampiasana azy ireo. Nilaza ny iray amin'ireo tatitra tamin'ny famakafakana fa nihemotra izy ireo ary tsy nety naneho hevitra, taorian'ny nanambaran'ny loharanom-baovao ofisialy ny fampiasana fakantsary famantarana endrika eny an-dalambe sy eny amin’ny toby fiantsonan'ny metro. Misongadina ity fepetra ity tao anatin’ny ahiahy fa mety hanaitra ny vondrom-piarahamonina mpiaro ny zon'olombelona maneran-tany momba ny fampiasan'ny Ejiptiana an'ity teknolojia ity io fanambarana io.

Tsy ilaina ny fanakianan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fitantanan-draharaha Egyptiana noho ny fanitsakitsahana ny zon'ny olona nefa tsy nandray fepetra hentitra mba hampitsaharana ireo fomba fanao ireo. Imbetsaka ireo firenena toa an'i Alemaina sy Etazonia no nanameloka ny firaketana momba ny zon'olombelona ao Egypta. Na izany aza, etsy ankilany, nanohy ny rafitra mitovy amin'ny teknolojia fanaraha-maso avo lenta izy ireo ao anatin’ny sokajy “fiarovana ny sisintany”. Manana fifamatorana matanjaka amin'ny sampan-draharaham-piarovana i Frantsa ary manome azy ireo ny teknolojia mahiratra ampiasaina hanaraha-maso ireo mpanohitra, hitsikilovana sy hisamborana ny olona LGBTQ+. Tsy nanaisotra ny fifanarahana fitaovam-piadiana tamin'i Egypta i Italia na dia nahafaty ny iray tamin'ireo olom-pireneny tany Egypta aza ny mpitandro ny filaminana raha tsy taorian'ny fanerena avy amin'ny vondrom-piarahamonina nasionaly sy iraisampirenena. Tsy misy ny fanomezan-tsiny ho an’ny firenena toa an'i Shina, Rosia, na Israely amin'ny fanondranana ity teknolojia ity any Egypta. Ireo fanjakana izay mampiroborobo ny tenany ho mpisava lalana amin’ny fahalalahana sy mpiaro ny zon'olombelona no tokony tena omena tsiny. Mandritra izany fotoana izany, tsy mijanona amin'ny fanondranana ny fampiasana miara-droa ny teknolojia fanaraha-maso amin'ny fanjakana tsirefesimandidy izy ireo ho tombontsoany ara-toekarena.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).     Vakio ato ny tatitra feno.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.