Tonga amin'ny “fara-tampony” ny hantsana eo amin'ny resaka harena any Hong Kong noho ny fisian'ny COVID, miakatra ny tahan'ny tsy fananana asa eny anivon'ny mahantra

Sary: Lea Mok avy amin'ny HKFP. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Lahatsoratra nosoratan'i Lea Mok ity ary navoakan'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 6 Oktobra 2022. Dika nasiam-panovana no averin'ny Global Voices avoaka eto ambany, ao anatin'ny fifanarahana mifampizara votoaty.

Nanaratsy ny hantsana amin'ny resaka harena ao Hong Kong ny fisian'ny valanaretina, im-pitoambiefapolo miiba amin'ny raisin'ireo mponina mpanankarena ao aminy no raisin'ny mahantra, hoy ny Oxfam Hong Kong. Nandritra ny vanim-potoana talohan'ny COVID-19, nandray avo 34,3 heny ireo nandray ny karama ambony indrindra.

“Tonga amin'ny fara-tampony ny hantsana amin'ny resaka harena ao Hong Kong,”  hoy Rtoa Kalina Tsang, tale jeneralin'ny Oxfam, ny 6 Oktobra 2022. Nampiany fa mety tsy hisy fiantraikany miabo amin'ny ara-bola ho an'ireo izay mbola mandray vola kely raha izay fanalefahana ireo teritery ho an'ny fivezivezena sy ireo fepetran'ny elanelana.

Ny tatitra farany indrindra navoakan'ny Oxfam momba ny fahantrana sy ny fananana asa nandritra ny valanaretina dia nifototra tamin'ireo fandalinana ny antontanisa avy amin'ny Departemantan'ny Fanisàm-bahoaka sy ny Antontanisa, nanomboka ny 2019 hatramin'ny telo volana voalohany ho an'ny taona 2022. Terry Leung, tomponandraikitra lefitra misahana ny fikarohana no sady mpanao adisisika avy amin'ny Oxfam, no nanipika ireo famintinana nataon'ny fikambanana:

Tsindrian'ny governemanta mandrakariva ny hoe nidina ny tahan'ny tsy fananana asa. Kanefa, izahay nahita fa niakatra avo valo heny amin'ny an'ireo olona any ambonin'ny fetran'ny fahantrana ny tahan'ny tsy fananana asa eny anivon'ireo olona miaina fahantrana.

Nambaran'ny Departemantan'ny Fanisam-bahoaka sy ny Antontanisa fa nidina ny tahan'ny tsy fananana asa, avy amin'ny 4,3 isanjato tamin'ny May hatramin'ny Jona , lasa 4,1 ho an'ny Jolay hatramin'ny Aogositra, nihena nanodidina ny 6.300 ny isan'ireo teratany ao Hong Kong tsy manana asa.

Na izany aza, nilaza i Leung fa ny tahan'ny tsy fananana asa sy ny zara fa fananana asa ho an'ireo olona miaina fahantrana dia avo valo heny, ary avo efatra heny noho ny vola miditra any amin'ny sokajy hafa, ka ireo efa zokiolona sy ny vehivavy no tena sahirana amin'ny fitadiavana asa.

Tsy fahampian'ny toerana fandraisana be antitra

Anatin'ireo tsy manana asa ary feno 65 taona raha kely indrindra — taona fandehanana misotro ronono ao Hong Kong — dia olona iray amin'ny roa no miaina ambanin'ny fetran'ny fahantrana, araka ny tarehimarika avy amin'ny Oxfam.

Zokiolona ihany koa ireo mpikarakara be antitra any amin'ireo trano miisa 70.000 eo ho eo, izay, araka ny voalazan'i Leung, vokatry ny fotoam-piandrasana ela loatra — 42 volana eo ho eo — ho an'ireo toeram-pikarakaràna.

Nambarany ihany koa fa ny fipongaran'ny COVID dia niteraka fampitsaharana fampianarana tany amin'ireo sekoly sy ireo garabola, nampanano-sarotra ny fiverenana ho isan'ireo mpiasa mavitrika ho an'ireo vehivavy, izay mazàna tena niantoka ny fikarakaràna ireo ankizy. Tsy ampy ihany koa ireo toerana fikarakarkana zazakely tany amin'ny faritra, hoy i Leung.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.