- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Chef” tanora ao Baku mamadika ny efitranony ho trano fisakafoanana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Hevitra, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna

Sary nopihan'i Parvana Mustafayeva. Fampiasàna nahazoana alàlana manaraka ny fifanarahana mifampizara votoaty.

Tao amin'ny JAM News [1] ity lahatsoratra ity no nivoaka voalohany. Dika nokiraina no averina avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana mifampizara votoaty.

“Chef” tanora, 26 taona, avy ao Azerbaidjan i Yagub Zeynalzade. Tany Kroasia  sy Italia izy no nanaraka fiofanana momba ny fahaizana mahandro. Rehefa nandalo fotoana maro niasa tamina toeram-pisakafoanana italiàna iray, nody tao Azerbaidjan i Yagub, toerana namadihany ny efitrano fonenany ao afovoan'i Baku ho lasa toerana fisakafoanana. Mipetraka sy mandray ireo mpanjifany ao amina efitrano iray izay tsy misy afa-tsy efitra iray sy toerana fametrahana entana iray.

Haify nolovaina tamin'i renibe

Ny fahalinan'i Yagub amin'ny resaka nahandro dia azony avy amin'ny renibeny nitaiza azy. Nandany ny ankabeazan'ireo lohataonan'ny fahazazàny tao Dashkesan izy, toerana nonenan'ny renibeny. Tao anaty antsafa iray niarahany tamin'ny Jam News, dia hoy i Yagub, “Tsy ela loatra izao, tonga saina aho fa mifàka lalina ato anatiko ny resaka haify. Dindo tsy hay fafàna navelan'ny renibeko.”

Fa na teo aza ireo vatomamy tsy misy farany nokarakarain'ny renibeny, nanomboka nitambesatra taminy ny fiainana tao Dashkesan. Nanapaka hevitra izy ny handao io fiadanana kely io ka hiaina ny fiainany manokana, mba hahatakarana hoe inona no zavatra azony atao tsy ilàna fanampian'olona. Dia teo no nanomboka ny fiainan-tsamirerin'i Yagub tao Baku.

Tao ihany koa no naniriany handalovana fiovàna manokana. Vantany vao tonga tao Baku, nanofa efitrano iray izy, niaraka tamin'ny namany iray. Saingy nanakana azy tsy hanomboka fiainana vaovao ny fomba fijerin'i Yagub mitodika amin'ny fitahirizana ny nentindrazana. “Mpihiringirina aho ary tsy nety nifanojo tamin'ny ankamaroan'ny fijerin'ny olona, nitokantokana sy tsy nifandray taman'olona. Tena zara raha nanana namana aho.”

Nony farany dia niala tamin'ilay efitrano i Yagub ary nanohy ny fianarany tao amin'ny madrasah iray. “Nisy fiantraikany lalina tato amiko io fianarana io. Taorian'ny fianarana ny resaka finoana, dia toy ny nahafantatra ny marina ho ahy aho. Nahatonga ahy ho tony izany ary nanomboka nitrandraka sehatra hafa aho. Naniry ny hifanerasera taman'olona vaovao aho.”

Nisy fotoana, nanao asa fito i Yagub, niezaka ny nandoa ny trosany. “Taty aoriana, tonga saina aho fa te-hanorina ny orinasako manokana. Teo no nanomboka ny tetikasako nomena anarana hoe Project Flat.”

Project Flat na habaka malalaka

“Nandany volana roa aho nampirimana ny entako sy nifindrako tao amin'io efitrano kely io. Tsikelikely, nifantoka tamin'io toerana io aho. Tsy maintsy manomboka zavatra any ho any aho. Tsy nanana afa-tsy  40 manats [USD 25 teo ho eo] aho ary nanomboka ny Project Flat tamin'izay andro izay. Natokako ho ahy manokana ny antsasak'izay vola izay, nividianana vatomamy ny antsasany, nanaovana dite, ary nanasàna vahiny. Io no hetsika voalohany nataoko. Mozika, fialamboly. Hatramin'izao, tsy nisy mihitsy olana tamin'ny mpifanolo-bodirindrina,” hoy i Yagub.

Lazainy fa ny tanjon'ilay tetikasa dia ny hamorona tambajotra iray ahitàna  olona amin'ny alàlan'ireo hetsika.

“Nianatra ny nahafantatra azy ireo aho ary ry zareo koa nianatra ny nifankahalàla. Nanapaka hevitra aho ny hanasa olona izay mitovy tandin-dokanga. Sady orinasa ilay izy no tetikasa sôsialy ihany koa. Na dia tsy nampidi-bola be tahaka ny ahoana aza, nahazo olona aho. Ary izaho, izay tsy nahafantatra na iza na iza teto, nanomboka nahatsangana tsikelikely vondrompiarahamonina iray.”

Antson'i Yagub hoe “habaka malalaka” io toerana io, izay navadiny ho toerana fisakafoanana ihany koa – toerana ifamorian'ny tanora, ihinanana sakafo izay ry zareo ihany no mahandro azy, fitondrantena tsy misy teritery.

Tsiro tsy fantatra

Ambaran'i Yagub fa ny Project Flat dia tsy toerana fisakafoanana sy trano fotsiny, fa rehefa mandeha ny fotoana dia mety ho lasa rojon-trano fisakafoanana (chain restaurant).

“Misy otrikarena any amin'ny faritra sy vohitra any, ary ezahako ny hitady izany. Na miantso aho na manao fitsidihana mivantana. Ny sasany amin'ireo vokatra any, betsaka no tsy fantatra loatra eto. Vidiako izy ireny, dia mahandro sakafo avy amin'ireny aho, ary manandrana manolotra azy ireny ho an'ny olona. Rehefa niresaka tamin'ireo mponina eo an-toerana aho momba ny fizahantany mifamatotra amin'ny fambolena, ny maodely Soisa, sns…, dia toy ny anganongano izany ho an-dry zareo ireny. Tsy mahaliana an-dry zareo ireo vinavina tsy ho azony tratrarina, saingy manampy etsy sy eroa izy. Araka izany dia ny vokatr'izy ireo no novidiako.”

Tany am-boalohany dia noho ny tombontsoany manokana no nanaovan'i Yagub azy io. Rehefa nivezivezy nitety faritra izy noho ny resaka fandraharahàna, novidiany ireo vokatra nahaliana ary nentiny niaraka taminy nankany Baku. Nikarakara sakafo tsy nisy mpahay izy ary namandrika ireo namany izay, avy eo, hiresaka momba ny traikefan-dry zareo tamin'ireny sakafo vaovao ireny.

“Mazava ho azy fa tiako hivadika ho vola io dingana io. Mba hanohizana io asa io, izay ankafiziko, ary mba hahazoana tombony amin'io asa io. Araka izany dia novidiako ireny vokatra ireny, natsofoko ho ao anaty lisitry ny sakafo, ary namidiko. Amin'io fomba io, manampy ireo izay any ivelan'ny tanàna aho amin'ny fividianana ny vokatr'izy ireo, ary manome tsiro vaovao ho an'ny olona, ambarako an-dry zareo ny tantaran'ireny nahandro ireny.”

Sakafo nosafidian'ireo mpanjifa fa tsy ny “chef”

Amin'ny alàlan'ny pejiny Instagram [2] no tena isarihan'ny Project Flat, trano fisakafoanana an'i Yagub Zeynalzade, ireo mpanjifany.

“Manoratra ry zareo, liana. Sahirana ireo fandraharahàna madinika. Mbola eo am-pametrahana ny fototra izahay, tena mbola vaovao be, ary sarotra mandrakariva ny manatanteraka fotokevitra iray vaovao. Manahirana ihany koa noho ny tsy fisian'ny karama marin-toerana. Mitranga ny hoe misy olona foana isanandro mandritra ny herinandro manindritra, ary indraindray tsy misy tonga ry zareo efa ho folo andro.”

Ambaran'i Yagub fa amin'io fotokevitra io, tsy voaomana araka izay safidin'ireo mpanjifa ny sakafo. Mametraka fitokisana amin'ny “chef” anefa ireo mpanjifa, ny “chef” izay manana ny fikasana tsara rehetra hanomezana fahafahampo ho an'ireo manjifa.

Toerana kely, ny fampiasàna azy maro rantsana

Tsy voafetra fotsiny ho efitrano honenana sy trano fisakafoanana no asan'ilay trano fisakafoanana an'i Yagub Zeynalzade. Fa sady “studio” koa io. Efa nisy tao ny fanapihana sary sy lahatsary, ary nisy ny famoronana votoaty ho an'ireo sehatra isankarazany iresahana haify sy hainahandro.

“Nahasarika mpirotsaka an-tsitrapo izahay arakaraky ny nandehanan'ny fotoana. Mianatra mahandro eto ry zareo. Efa miasa miaraka aminay ny roa tamin'izy ireny. Fa toerana tsy mahazatra hiasàna ny eto. Ny tanjoko tamin'ny namoronana ity toerana ity dia ny hampita ny fahaizako nahandro ho any amin'ny hafa. Ankoatra ahy dia misy vehivavy efatra nahazo fianarana momba ny nahandro. Ny iray efa nahavita hatramin'ny farany ny fandaharam-pianarana, ary efa mampianatra ankizivavy telo hafa fanampiny izy izao.”

Ato amin'ity trano fisakafoanana ity, arantin'i Yagub ihany koa ireo vokatra nomanin'ireo tanora, mba ho fanohanana an-dry zareo. Eny anatin'ireo zoro samihafa ao amin'ilay efitrano, afaka mahita asatanana ianao, na vokatra novokarin'ny tao an-trano.

“Tato anatin'ny andro vitsivitsy, nisy zava-nahaliana nitranga. Nisy ireo namana nitondra voatabia, sakaibe, baranjely avy any amin'ny zaridaina kely fambolen-dry zareo, ny vahiny iray hafa nitondra voaloboka. Tena mahafinaritra ny hoe efa fantatra sahady ny aminay. Misy hatrany ireo vokatra vaovao avy notazana teto an-toerana. Indraindray misy olona mitondra sakafo nokarakarain-dry zareo, dia andramanay ilay izy, zarainay ny fomba fahitànay azy. Fotokevitra tokana amin'ny karazany io ary manantena zavatra betsaka tokoa aho. Inoako fa amin'ny hoavy dia mbola hahavokatra misimisy kokoa aho,” hoy i Yagub manamafy.