- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Aostraliana iray mpitsabo mpanampy miresaka mikasika ny iraka maha-olombelona notontosainy tany ambava-ady tao Okraina

Sokajy: Aostralia, Moldavia, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahasalamàna, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Politika, Vonjy Voina, Russia invades Ukraine
Helen Zahos visite des habitations civiles détruites en Ukraine

Mitsidika trano fonenan'olontsotra rava tao Okraina i Helen Zahos – Sary novokarina nahazoana alalana tam-pitiavana tamin'i Helen Zahos

Niverina nody tany aminy i Helen Zahos [1], ilay vehivavy Aostraliana mpitsabo mpanampy vonjimaika, rehefa avy niasa an-tsitrapo ho an'ny maha-olona tany ambava-ady tany Okraina.

Tsy vao voalohany ity farany ity no nanankina ny fitokisany tamin'ny Global Voices mikasika ny traikefany amin'ny maha-mpilatsaka an-tsitrapo azy, sahala amin'izay porofoin'ny lahatsoratra manaraka : Vehivavy Aostraliàna miresaka ny fanolorantenany ho an'ireo mpitsoa-ponenana any Gresy [2] sy Eo amin'ny laharana voalohany miatrika ny COVID-19: fijoroana vavolombelon’ ny vehivavy aostraliàna iray mpitsabo mpanampy sy miasa ho an'ny maha-olona [3].

Nekeny  tamim-pitiavana ny hizara taminay ny asany farany tao Okraina. Misy fizarana roa ity tafatafa ity. Azo tsirihana eto [4] ny fizarana faharoa.

Kevin Rennie (KR): Voalohany indrindra, naharitra hafiriana ny fitsidihana nataonao ? Inona no azonao ambara anay mikasika ireo toerana efa notsidihanao tao Okraina ?

Helen Zahos (HZ):  dimy herinandro no faharetan'ny fijanonako, ka ny efatra tamin'ireo tao Okraina ary ny iray tao Moldavia. Tsy azoko lazaina anareo ny toerana tena izy noho ny antony fiarovana. Fito kilometatra miala ny sisintany misy ny ady no nisy anay ary 20 na 30 km miala teo ny faritra nisy ny daroka baomba mahery vaika.

Renay ny zera baomba nandritra ny alina rehefa maharay fampitandremana ary tsapanay  toy ny hoe manakaiky oram-baratra mahery vaika izany no fahatsapanay azy. Taorian'ny daroka iray dia nahita rahona ngezabe izahay nipoitra avy amin'ny toerana nitontonan'ilay balafomanga. Indray alina, tobin-tsolika iray no lasibatra, nankarenin-tsofina ny feon'ilay fipoahana ary nahatsapa horohorontany malefaka izahay.

Tany Okraina aho niaraka tamin'ny mpitsabo iray sy mpandrindra ny fikambanana Adventist Help [5], mba hanao tombana ikendrena ny fametrahana sampana fandidiana teo akaikin'ny faritra misy ny ady. Tsy afaka nanolotra fanampiana ara-pitsaboana izahay, saingy nitsidika ireo hopitaly rehetra teo amin'ny faritra. Ny tena sarotra indrindra ny nijery azy dia ny hopitaly miaramila sy ny hopitaly ho an'ny ankizy.

Nihaona tamin'ny minisitry ny Fiarovana sy ny lefiny ary koa ny Ben'ny tanàna tao amin'ny faritra izahay. Tena karazana fanapariahana manokana izany ary heveriko fa izay no sambany mba nandraisana ny hevitro sy ny nihainoana ny torohevitro. Niresaka tamin'ireo mpitari-tafika aho ary nijery an'ireo trano fialofana amin'ny ady atômika. Nanao ny asa fanombanana an'ireo filàna izahay ary nivoaka tamin'izany fa ilaina ny nitondrana maika ny fitaovam-pitsaboana ho eny an-tanin'ady, tahaka ireo fitaovana fitarafana sy fitaovana fandidiana.

Afaka nankany Kiev aho saingy nihitsoka tao an-tanàna noho ireo daroka baomba niverimberina. Tafavoaka ihany aho andro maromaro taorian'izay noho ny fanampian'ny mpanondrana an-tsokosoko iray. Tsy dia voaaro tsara aho tany ivelany, saingy nahafahako nahita an'i Irpin sy Bucha izany, izay tena voatafika tamin'ny herisetra nandritra ny fiandohan'ny ady, indrindra fa noho ny nataon'ireo miaramila rosiana izay niditra tao an-tranon'ireo olon-tsotra sady nandrava izany. Nampangorintsina ahy ny mahita ny endrik'ireo tranobe, tena mampihorin-koditra ary te-hitomany aho satria azo sary an-tsaina fotsiny ireo olona mandositra mba hanavotra ny ainy, eo am-pahafantarana fa tsy manan-tsiny amin'izao rehetra izao ry zareo. Hitako ny tranon'ny mpamily ahy sy ny rahalahiny norobaina ary koa ny ampahana horontsary avy amin'ny fakantsary fiarovana ahitàna izay tena nitranga nandritra iny alina iny. Fanimbàna niniana natao tamin'ireo fiangonana sy trano fonenana no tsikaritra ary tena hita mazava tsara fa tsy nisy zava-masina tamin'ireo miaramila fa tena karazana ady hafa mihitsy io.

KR: Inona no tena sarotra indrindra taminao amin'ny maha-mpitsabo mpanampy anao miasa amin'ny tany miady ?

HZ:  Tamin'ny voalohany, tena nandratra fo ny zavatra rehetra. Heveriko fa taorian'ny fahitako ireo hopitaly sy olona maratra marobe noho ny daroka baomba sy ny tifitra, dia sarotra ho ahy ny tsy hanome fitsaboana, te-hikarakara sy hankahery ireny olona ireny aho. Ny tahotra ny haha-lasibatra an'ireo vahiny sy ny sakana ara-pitenenana no nanosika ireo manampahefana hanakana anay tsy hanome famonjena eny akaikin'ny tanin'ady. Nilaza ny lehiben'ny tafika fa tena hanelingelina sy hampidi-doza sy tsy ilaina ny fisianay any.

KR: Eo amin'ny inona no maha-samihafa ity iraka an-tany miady ity amin'ireo teo aloha, tahaka izay efa nataonao tany Iraka ?

HZ: Ady tena hafa tanteraka ity ary ny goavana indrindra tamin'ny sehatry ny ady tao Eoropa hatramin'ny Ady Lehibe Faharoa. Tao Iraka, nipetraka tamina faritra ivelan'i Mosul aho ary nohodidin'ireo miaramila amerikana sy aostraliana. Natahotra kokoa aho tany Okraina. Vokatry ny endrika tsy ampoizina amin'ity ady ity dia mailo faratompony sy sahobakaka ambody riana izahay.

Tany Iraka, izaho irery no nandray fiarakaretsaka manomboka eo amin'ny seranam-piaramanidina hatrany amin'ny toby. Tao Okraina kosa, niandry ilay mpitsabo sy mpandrindra tao Moldavia aho mba hiray fiara hatreny amin'ny sisintany sy hihaona amin'ireo solontenan'ny Governemanta Okraniana. Tao amin'ireo firenena roa ireo, niezaka ny hiaina ny fiainany araka izay tokony ho izy ny olona, saingy ao Okraina kosa dia foana avokoa ireo talantalana any amin'ny toeram-pivarotana ary matetika maneno ny kiririoka fanairana rehefa hisy fanafihana an'habakabaka. Tsy niainako ny toy izany tany Iraka.

KR: Inona no fihaonana na iraka miafina tena nanamarika anao indrindra ?

HZ:  Nisy fotoana naha-irery ahy teo an-toerana nandritra ny tapa-bolana. Nanolo-tena hiandry ny fahatongavan'ireo kaontenera aho ary voan'ny aretin-tratra tamin'izay. Nihaona tamin'ny mpitaritafika teny ambava-ady aho ka saika sahala amin'ny navoaka avy tany anaty sarimihetsika ny toedraharaha nisy. Nandray toromarika izaho sy ilay mpandika teny, tsy nitsahatra niova ny toerana fihaonana ary farany dia tamina toerana miafina no nivorianay izay nisy alika alemà goavana iray sy ny komandà ary ireo miaramila mitam-basy. Tadidiko aho nieritreritra fa manomboka eto dia mety hiseho daholo ny zava-drehetra ary tsy misy mahalala mihitsy izay misy anay. Nandramako ny nitahiry teo amin'ny Google Maps ny toerana misy anay ho alefako amin'ny mpisolovavako, izay tokony handefa olona hitady ahy raha toa ka tsy mifandray aminy aho ao anatin'ny 24 ora, mba farafaharatsiny fantany na dia kely aza hoe aiza ho aiza no misy ahy. Olona roa ambinifolo ao amin'ny vondrom-pirahamonina no voasoratra teo amin'ny lisitr'ireo olona tokony hifandraisana raha toa aho ka voasambotry ny mpikomy, natao takalon'aina, maty na maratra mafy. Ny endrika tsy azo vinaniana nananan'ilay  iraka dia nanjary nahatonga ny fomba fiasa ho tena hafa noho ny hafa, ambony be ny tandindon-doza ary nomanina tsara isaky ny dingana mba hisorohana ireo loza tsy misy dikany.

KR: Nisy ve toedraharaha nahakivy ? Efa natahotra ve ianao mikasika ny fiarovana anao manokana na ny an'ireo olona manodidina anao ?

HZ:   Eny, mifanindran-dàlana mandrakariva amin'ny asa fanampiana noho ny maha-olona ny hakiviana, indrindra ao anatin'ny tontolo manodidina tsy milamina na tsy ampoizina. Koa dia tsy maintsy mandeha amin'ny fanantenana kely na tsy misy mihitsy, manara-drenirano, ary miandry ny hoe, na inona na inona lamina voapetraka, miova matetika izy ireny, im-betsaka mihitsy aza indraindray ao anatin'ny iray andro. Kivy aho satria tsy haiko ilay teny ary mandany fotoana be rehefa mila mpandika teny. Indraindray, rehefa irery aho ka manandrana mandeha nividy entana dia nampiasa Google Translate, izay nandany fotoana, nefa nampihomehy anay ihany koa. Nahasorena ahy koa ny maha-vehivavy ahy tany anatin'ireo fivoriana sasany, rehefa tsy eo ny mpitsabo na ny mpandrindra ka niresaka tamin'ny lehilahy aho. Noho io dia nahatsiaro ho voailikilika aho indraindray, saingy tamin'ny farany dia tsy maintsy nihaino izay nolazaiko ihany izy ireo.

KR: Inona avy ireo fotoana tena nahafinaritra nandritra ny fijanonanao tany ?

HZ:  Afaka manaja ny fampanantenana sy manatanteraka ny zava-drehetra, mampita ny fahalalako amin'ireo mpitsabo any amin'ireo tanin'ady nangataka fanohanana sy torohevitra. Afaka nampionona olona izay vao avy nahafantatra fa nisy fianakaviana iray maty tany an-tanin'ady. Afaka mankahery vehivavy iray izay miady any am-bava-ady ny vadiny ary miomana handeha hiady ny zanany lahy vao feno 18 taona. Mahandro sakafo sy manasa ny fitafian'ireo mpitsoa-ponenana.

Farany, tena tsy voavidy vola ny fitafatafàna tamin'ny findaiko niarahana tamin'ireo mpanao gazetin'ny CNN,  BBC ary ireo mpanao gazety tsy miankina  amin'ny manampahaizana fakàn-kevitra ahy ho an'ny Dart Centre for Asia Pacific [6].

KR: Nilaza tena ho mpitondrateny ianao. Feo Okraniana tahaka ny inona no ezahanao hamafisina ary inona no hafatr'izy ireo ?

HZ: Heveriko fa sarotra ny fisianao ao anatin'ny toedraharaha tahaka izany amin'ny maha-mpitsabo mpanampy ahy, toedraharaha izay tsy tiana ny ho voasariky ny politika, samy manana hadisoana ny andaniny sy ny ankilany, izay no atao hoe ady. Amin'ny maha-mpitsabo mpanampy ahy dia mijery ny olombelona eo anoloako aho, raha mila fanampiana izy ireo, manampy aho. Zava-dehibe, rehefa mandeha any amin'ireny faritra misy ny asa atao, ny mahafantatra kely ny tantaran'ilay faritra, ary amin'ity tranga ity dia efa naharitra valo taona izao io ady io.

Etsy ankilany, azoko lazaina anareo izay hitan'ny masoko, dia ireo heloka an'ady, ireo tranon'olon-tsotra sy fiangonana rava, tsy vokatry ny zera baomba fotsiny, fa noho ireo miaramila ihany koa izay nitifitifitra tsy misy dikany, izay nitondra maritoa ary namotika ireo trano sivily, asa ratsy izay tsy nolavin'i Rosia. Heveriko fa feon'ireo Okraniana rehetra izao, izay manambara fa tokony hatsahatra ny ady sy ny famonoana olona, fa mila ny fanohanan'izao tontolo izao i Okraina ary amin'ny farany, misy ireo olombelona tsy manan-tsiny avy amin'ny andaniny sy ankilany. Izay nitranga tao Okraina no hitanay maso, saingy tsy fantatray loatra izay lazaina avy amin'ny lafy Rosiana. “Na inona na inona ankolafy misy ny fianakavianao na ny namanao, misy ireo aina tsy manan-tsiny ampiasaina ho sahala amin'ny vatom-panorona anaty lalao tena ratsy.” Araka izay hitako, mahari-po ny vahoaka Okraniana, ambony hatrany ny toetsainy, manam-pinoana izy ary matanjaka. Ny hafatry ny vahoaka Okraniana dia hoe :”Handresy amin'ity ady ity izahay”.

KR: Inona no sasany tamin'ireo tantara nozarain'izy ireo taminao ?

HZ:  Naheno tantara be dia be aho, ny sasany mahakasika ireo olona ireo ihany, ny hafa mahakasika ny fianakaviany na ny manodidina azy. Tatitra isanandro toy ny hoe: “Voadaroka baomba halina ny tranon'ny mpifanolobodirindrina eo akaikin'ny misy ny reniko, salama tsara ny reniko, saingy ao anatin'ny fahatairana izy ireo.” “Maty tany an-tany fiadiana  ilay namako akaiky indrindra. Niara-nandeha nianatra izahay.” “Voaolana ireo ankizivavy sasany eto, saingy tsy resahanay izany satria tena mandratra fo ary miaro azy ireo izahay.” “Lasa ramatoa vadiko sy ny zanako. Amin'ny maha-lehilahy eto Okraina, tsy afamiala izahay, fa mivonona hiady.” “Matahotra be ny hijery avy eny ambaravarankely ireo ankizy. Mahery loatra ho azy ireo ny hazavana, efa zatra maizina izy ireo tany anaty fialofana hiarovana amin'ny ady atômika.” “Tsy manana vintana ho velona izy ireo satria ratsy loatra ireo ratra taorian'ny fipoahana.”

Helen Zahos visite une salle de réanimation en Ukraine

Helen Zahos mitsidika ny efitrano famohazana marary ao Okraina. Sary nomena am-pitiavana sy nahazoana alalana tamin'i Helen Zahos.