Mbola mitohy ny fanakanan'ny Vondrona Eoropeana ny famoahana visa ho an'i Kosovo

 

Newborn monument in Prishtina, capital of Kosovo.

Tsangambato Newborn ao Prishtina. Sary avy amin'i John Worth, CC BY 2.0, hita ao amin'ny Wikimedia Commons ihany koa.

Ny Faktoje.al, fikambanana iray mpanamarim-baovao ao Albania, no namoaka voalohany ity lahatsoratra ity, ho anatin'ny hetsika isam-paritra Western Balkans Anti-Disinformation Hub. Navoakan'ny Global Voices indray ny lahatsoratra nasiam-panitsiana, rehefa nahazo alalana avy amin'izy ireo.

Nihaona tamin'ny 23 jona lasa teo ny mpitondra ny firenena Balkana Andrefana sy ny Vondrona Eoropeana niresaka momba ny fizotry ny fanitarana ny Vondrona Eoropeana (UE). Taorian'ny fivoriana anefa dia tsy nisy ny fanapahan-kevitra hanomezana visa Schengen maimaimpoana ho an'ny olom-pirenen'i Kosovo.

Misitraka visa maimaimpoana any amin’ny faritra Schengen nandritra ny taona maro ny olom-pirenen'i Albania, Serbia, Montenegro, Makedonia Avaratra ary Bosnia sy Herzegovina any Balkana Andrefana. Na dia Okraina, Moldavia ary Georgia aza dia tsy mila visa ireo olom-pireneny rehefa handeha.

Nanomboka tamin'ny 19 Febroary 2012 ny dingana famoahana visa ho an'i Kosovo. Naharitra enin-taona izany, saingy, tamin'ny taona 2018, nanaiky ny Vaomiera Eoropeana sy ny Parlemanta Eoropeana fa nahafeno ireo fepetra roa farany amin’ny famoahana visa i Kosovo. Tao anatin'ny efa-taona taorian'izay, tsy nankatoavin'ny Filankevitra Eoropeana ny fahazoandàlana hahazo visa. Ny fanoheran’i Frantsa sy Holandy hatrany no sakana lehibe, ankoatra ny hafa, satria matahotra ny governemantan'ny firenena roa tonta fa mety hirongatra ny mpifindra monina avy any Kosovo raha vao misy ny famoahana visa.

Nanambara ny Vaomiera Eoropeana misahana ny Fanitarana Oliver Varhelyi tamin'ny 27 Jona, taorian'ny vovonana Vondrona Eoropeana-Balkana Andrefana, fa ilaina ny tondrozotra vaovao amin'ny famoahan visa ho an’i Kosovo:

We are ready to help Kosovo, together with the member states, establish a roadmap for addressing specific concerns. The authorities of the member countries, law and order agencies, police forces need to engage in the field to help Kosovo. From our side, we are ready to give Kosovo all the financial, technical and political assistance for this process.”

Vonona izahay hanampy an'i Kosovo, miaraka amin'ireo firenena mpikambana, hametraka tondrozotra hamahana ireo olana manokana. Mila mirotsaka an-tsehatra hanampiana an'i Kosovo ny manampahefana ao amin'ny firenena mpikambana, ny sampan-draharahan’ny lalàna sy ny filaminana, ny mpitandro ny filaminana. Avy aty aminay, vonona izahay hanome an'i Kosovo ny fanampiana ara-bola, ara-teknika ary ara-politika rehetra ho amin'ity dingana ity.”

Saingy naneho hevitra haingana tamin'ny alalan'ny mpitondra teniny, Ana Pisonero, ny Vaomiera Eoropeana tamin'ny fanomezan-toky fa tsy misy toromarika vaovao ary nahafeno ny fepetra momba ny famoahana visa i Kosovo:

“The Commission continues to stand behind the assessment from July 2018, that Kosovo has fulfilled all the criteria from the visa liberalization roadmap of 2012… The decision to lift visas for citizens of Kosovo is a long overdue decision, which is pending in the Council.”

“Manohana hatrany ny fanombanana nanomboka tamin'ny volana Jolay 2018 ny Vaomiera, fa nahafeno ny fepetra rehetra amin'ny tondrozotra famoahana visa tamin’ny taona 2012 i Kosovo… Fanapahan-kevitra efa ela ny fampiatoana ny fahazoana visa ho an'ny olom-pirenena ao Kosovo izay mbola miantona ao amin'ny Filankevitra.”

Niteraka fiparitahan'ny siosion-dresaka maro ny fahatarana amin'ny famoahana visa, izay matetika mitovitovy amin'ny fadisoam-baovao, araka ny fanadihadiana. Mifanaraka amin'ny teorian’ny tsikombakomba efa nisy teo aloha ny sasany amin'ireo fanazavana tsy marim-pototra toy izany izay efa anisan’ny fomba fanao ara-politika any Balkana, ary manamafy ny fitantarana mampiseho ny Tandrefana ho tsy manam-pahatsorana sy manana tetikady ambadika.

Ankavia miankavanana: Filohan'ny Vaomiera Eoropeana Ursula Von der Leyen, filohan'i Kosovo Vjosa Osmani, filohan'ny Filankevitra Eoropeana Charles Michel ary filohan'i Frantsa Emmanuel Macron. Sary avy amin'ny European Union Newsroom, ho an'ny daholobe.

Resaka visa ihany ve?

Nanamafy indray ny Filankevitra Eoropeana raha ny marina fa tsy maintsy atao haingana ny fandrosoana azo tsapain-tanana mikasika ny olana tsy voavaha sy ny fifandirana isam-paritra, indrindra eo amin'i Belgrade sy Pristina, izay, azo tanterahina amin'ny alàlan'ny fifampiresahana ny famerenana amin’ny laoniny ny fifandraisana eo amin'i Serbia sy Kosovo .

Nanambara ny fahaleovantenany tamin'i Serbia i Kosovo tamin'ny 17 Febroary 2008. Tsy manaiky an'i Kosovo ho fanjakana mahaleo tena i Serbia ary manohy milaza azy ho Faritany mizaka tenan'i Kosovo sy Metohija. Tamin'ny voalohany, tsy nisy fifandraisana mihitsy teo amin'izy roa; Na izany aza, tao anatin'ny taona vitsivitsy, nitombo ny fifampiresahana sy fiaraha-miasa teo amin'ny roa tonta.

Nilaza tamin'i Faktoje i Gazmir Raci, mpandalina avy any Kosovo, fa efa nilaza ny Vondrona Eoropeana fa miankina amin'ny fifanakalozan-kevitra eo amin’i Kosovo sy Serbia ny fepetran'ny famoahana visa, satria ny fifanakalozan-kevitra sy ny maha zava-dehibe ny fandrosoana ihany no voalaza tao amin'ny fehin-kevitry ny vovonana.

“The only condition is dialogue, as the German chancellor Olaf Scholz said in Belgrade and Pristina that the EU will not accept states that have not known each other, or states with problems between them. We have to solve the problems between us, get the visa liberalization and then the candidate status. But this is not right, because we have never had dialogue as a condition for the visa liberalization.”

“Ny fifanakalozan-kevitra irery ihany no fepetra tokana, araka ny filazan’ny Sojabe Alemà Olaf Scholz tany Belgrade sy Pristina fa tsy hanaiky fanjakana tsy mifankahafantatra ny Vondrona Eoropeana, na firenena manana olana eo amin'izy ireo. Tsy maintsy mamaha ny olana misy eo aminay izahay, mahazo ny famoahana visa ary avy eo ny satan'ny kandidà. Saingy tsy marina izany, satria tsy mbola nisy resaka fifampiresahana mba ho fepetra hamoahana visa.”

Fanehoan-kevitra iray hafa navoakan'ireo mpaneho hevitra tao amin'ny media sosialy, saingy tsy avy amin'izy ireo irery ihany anefa, ny hoe tsy mahazo ny famoahana visa i Kosovo satria misy mponina Miozolomana maro an'isa ao aminy. Nolavin'i Raci io tsangan-kevitra io, izay nilaza hoe:

“Even though this has also been talked about, I do not believe in the thesis that visas are not liberalized for Kosovo because it is a country with a Muslim majority. It is an argument that does not hold, because Bosnia and Herzegovina also has a Muslim population, but it has benefited from visa liberalization.”

“Na dia efa noresahina ihany koa aza izany, dia tsy mino an'ilay tsoakevitra aho hoe tsy malalaka ny visa ho an'i Kosovo satria firenena manana Miozolomana maro an'isa izy. Tsy mitombina io fanoporofoan-kevitra io satria manana mponina Miozolomana ihany koa i Bosnia sy Herzegovina, saingy nahazo ny famoahana visa. “

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.