- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifidianana ao Angôlà: mandresy ny MPLA izay efa teo, saingy toherin'ny mpanohitra ny vokatra

Sokajy: Afrika Mainty, Angola, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

João Lourenço, Filohabn'i Angôlà | Wikimedia Commons [1] CC BY-SA 2.0

Ny 24 Aogositra, nanao [2] fifidianana solombavambahoaka i Angôlà, izay hamaritra ihany koa ny ho filoha vaovaon'ny repoblika. Raha samy nandray anjar [3]a daholo ireo antoko pôlitika hafa, antoko roa no tena nibahan-toerana nandritra ny fifidianana: ny MPLA, antoko eo amin'ny fitondrana (Mouvement populaire pour la libération de l'Angola), sy ny UNITA (Union nationale pour l'indépendance totale de l'Angola), antoko mpanohitra goavana indrindra.

Tao anatin'ireo hetsipanoherana sy ireo fiampangàna [4] ny tsy fisiana fahatokisana, nambara ho mpandresy ny antoko MPLA eo amin'ny fitondrana. Nilaza [5] ny Kaomisiôna Nasiônaly misahana ny Fifidianana fa nandresy tamin'ny 51.17 isanjaton'ny vato ny MPLA, raha 43,95 isanjato ny an'ny UNITA.

Andro maromaro taty aoriana, nanitrikitrika [6] ny filoha mpitarika ny UNITA, Adalberto Costa Júnior, fa tsy nandresy tamin'ny fifidianana ny MPLA, ary nolazainy fa tsy maneho ny tena zavanisy tamin'ny latsabato ireo vokatra. Nilaza ihany koa i Júnior fa hanao izay rehetra tratry ny heriny izy hiantohana ny fanisàna manontolo ny vatom-pifidianana rehetra.

Nanoso-kevitra [7] i Adalberto Costa Junior mba hananganana iraka iraisampirenena hanao fampitahàna ireo firaketana ny fifidianana solombavambahoaka, tamin'ny filazana fa manana vaovao izy momba ireo tsy fitoviana marobe tamin'ny voka-pifidianana vonjimaika natolotry ny Kaomisiôna Nasiônaly misahana ny Fifidianana (CNE):

A direcção nacional da UNITA desafia a CNE a, em nome da verdade, aceitar a estruturação de uma comissão com participação internacional para ser feita a comparação das atas síntese em posse da CNE com as atas síntese em posse dos partidos políticos.

Manao fanamby amin'ny CNE ny mpitarika foiben'ny UNITA, amin'ny anaran'ny fahamarinana, mba hanekeny ny fananganana kaomisiôna iray misy ny fandraisana anjaran'ny iraisampirenena mba hampitaha ireo tatitra misy ny antontanisa eo an-tànan'ny CNE amin'ireo tatitra misy ny antontanisa eny an-tanan'ireo antoko pôlitika.

Ho valin'ny fitarainan'ny UNITA, nisy didy iray— navoakan'ny [8]Fitsaràna Araka ny Lalam-panorenana, tamin'ny 5 Septambra ary nosoniavin'ny [8] sivy tamin'ireo mpitsara niisa folo nivory nandritra ny fotoam-pivoriana maharitra, nandàvana [8] ny fampakarana nataon'ny UNITA. Araka ny nambaran'ny fitsaràna dia tsy feno ireo fepetra notakiana, araka ny andininy faha-399 sy ny Fehezandalàna [9] momba ny Lamina Sivily.

Amin'ny ankapobeny, raha nankalaza ilay fandresena ny MPLA sy João Lourenço, mpitarika azy, marobe ireo Angoley niady hevitra momba ireo voka-pifidianana, tao amin'ny media sôsialy sy teny an'arabe. Araka ny tatitry ny DW, tamin'ny andro farany nanambaràna ny vokatra farany, feno pôlisy nirongo fiadiana tany amin'ny tanàna maro nanodidina an'i Luanda. Nisy ihany koa ireo tatitra nilaza fisamborana nanerana ny firenena sy, araka ny angondrakitra avy amin'ny hetsika sivika Mudei, nitànana mpikatroka manodidiny 20 eo ho eo.

Fifidianana tao Angôlà

Misy mpifidy manodidina ny 14 tapitrisa eo ho eo ao Angôlà. Maharitra dimy taona ny fe-potoam-piasana ho an'ny filoha sy ireo solombavambahoaka, ary ny filoha iray dia afaka mamita fe-potoam-piasàna in-droa. Miaraka amin'ny fiovàna ao anatin'ny lalàna, natao tamin'ny 2020, ho an'ny solombavambahoaka sy ny filoha dia mifidy antoko tokana ny vahoaka, ary ny mpitarika izay antoko nahazo vato be indrindra no lasa filoha.

Governora notendren'ny filoham-pirenena no mitantana ireo faritany miisa 18 ao amin'ny firenena. Amin'ireo seza miisa 220 ao amin'ny antenimiera, ny MPLA no manana ny maro an'isa, seza 150 amin'izao fotoana izao, saingy ny mpifaninana avy amin'ny afovoany-havanana, Adalberto Costa Júnior, no heverina hampitsimbadika ny kajy ao amin'ny antenimiera amin'ireo fifidianana ireo.

Sambany no nisy fifidianana natao tao amin'ny firenena hatramin'ny 1992, izay nitondràn'ny MPLA hatramin'ny 1975 nahazoan'i Angôlà ny fahaleovantena. João Manuel Gonçalves Lourenço, 68 taona, no filoha hatramin'ny 2017, ary efa Minisitry ny Fiarovana teo anelanelan'ny 2014 sy 2017.