- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fandosirana goavana avy any Rosia: Mivantana tao amin'ny Twitter rosiàna

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Kazakhstan, Mongolia, Okraina, Rosia, Zeorzia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Vaovao Mafana, Vonjy Voina, Akon'ny RuNet, Russia invades Ukraine

Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube an'ny The Insider [1]mampiseho ny toerana fisavàna ao Verkhny Lars eo amin'ny sisintany iraisan'i Zeorzia sy Rosia.

Ny tena hafatra goavana mibahan-toerana ao amin'ny ampahany rosiàna amin'ny Twitter tato anatin'ny andro vitsivitsy dia azo fintinina amina teny tokana hoe — “Mandosira!” — betsaka ireo lehilahy no mandositra ny fireneny hisorohana ny mety ho fandraofana azy ireo ho ao amin'ny tafika.

Ny 21 Septambra, nambaran'ny filoha rosiàna Vladimir Poutine  ny hisian'ny fandraisana amin'ny “ampahany” ho ao amin'ny tafika. [2]Fomba filaza somary nampisaritaka ihany ilay izy satria tsy hita ao anatin'ny lalàna rosiàna [3] ny momba izany. Kanefa tsy vaovao amin'ny resaka lalaon-teny sy famaritana araka ny lalàna raha i Maosko, indrindra fa hatramin'ny nanombohany ny fananiham-bohitra ataony ao Okraina [4]: hatramin'ny anio, eny anaty habaka natao ho an'ny daholobe dia tsy azo faritana amin'ny teny hafa ankoatra ny hoe ‘hetsika manokana ara-tafika’ ilay ady, izay mitatra hatrany amin'ny media sôsialy, ary izay mibolisatra amin'io fomba filaza io dia mety ho tonga any amin'ny famaizana. [5]

Hatramin'ilay fanambaràn'i Poutine, vinavinaina ho 260.000 [6] any ho any ireo Rosiàna lehilahy nandositra an'i Rosia, ny ankamaroany dia nandeha an-tanety nankany amin'ireo firenena mpiray sisintany amin'i Rosia (Kazakhstan, Zeorzia, Finlandy, Môngôlia), na, tamin'ny sanda ambony ihany, nandeha fiaramanidina. Ny korontana ambony ambany naterak'io toedraharaha io dia noresahana be tao amin'ny rantsana Rosiàna ao amin'ny Twitter, satria ao no mizara ny fomba fijeriny sy ny torohevitra avy aminy ireo mpampiasa.

Lohahevitra iray mateti-pitranga ny tsy fisian'ny tany tàn-dalàna ao Rosia sy ny tsy fisian'ny fanajàny ny zo iraisampirenena, araka izay voasoratr'ity mpampiasa iray ity, mpampiasa malaza ny Tiwitter, hoe:

“Fampahatsiahivana am-pirahalahiana: Tsy manana zo ianao raha ao Rosia. “Tsy afaka manetsika ahy ry zareo satria…” – Ho hetsehan-dry zareo ianao satria tsy manana zo. “Tsy afaka handefa ahy ho any an-tanin'ady tahaka izao fotsiny ry zareo” – ho alefan-dry zareo ianao, satria ianao tsy manana zo. “Tsy afaka izy ireo …” – afaka izy ireo. Ary ho ataony. Vantany vao omenao azy ny fahafahana hanao izany.”

Iliya Krasilshick, olona fantatry ny maro tsara no sady toniandahatsoratra fahiny tao amin'ilay media an-tambajotra Meduza, [8] mampiasa teny ratsy ho entiny manazava ny filàna mandositra faran'izay haingana:

Mahatezitra ahy ireo olona miezaka mandalina ny toedraharaha sy manontany tena raha tena ilaina na tsia ny mandositra [an'ilay fandraofana ho ao amin'ny tafika]. Tsy misy zavatra tokony hosainina tay izany mihitsy. Afaka manantena izay tsara rehetra eritreretinareo ianareo, saingy miomàna hidona amin'ny rindrina.

Mpampiasa iray hafa no manampy hoe:

Voalohany indrindra, nomen-dry zareo 8 taona ianareo hifindràna monina, avy eo 7 volana handehanana, ankehitriny tsy misy afa-tsy 6 andro handosirana.”

Io dia manao sarinteny amin'ireo daty nakàna an'i Krimea tamin'ny 2014, 24 Febroary nanombohan'ny fananiham-bohitra nataon'i Maosko tao Okraina ary ny fanambaràn'i Poutine tamin'ny 21 Septambra.

Izany mihitsy, an'aliny maro ireo olona nandray ireny torohevitra ireny tamin'ny fomba matotra. Isan'ireo bitsika sangany tamin'ny fironana tao amin'ny Twitter tato ho ato ny tenifototra Verkhny Lars [11], anaran'ilay toerana fiampitàna ao an-tsisintany eo anelanelan'i Rosia sy Zeorzia.

Asehon'ireo sary nalefan'ny Deutsche Welle [12] avy ao Alemaina tamin'ny 26 Septambra ireo filaharana miandry hiampita ao Verkhny Lars, toerana fisavana eny an-tsisintany iraisana amin'i Zeorzia, filaharana efa maherin'ny 20 km ny halavany ary mety haharitra andro marobe ny fiampitàna:

Mitohy ny fandosiran'ireo Rosiana tsy te-handray anjara amin'ilay fandraofana ho ao amin'ny tafika. Mitandahatra efa ho 20km ireo fiara milahatra miandry eo amin'ny sisintany manasaraka an'i Zeorzia sy Rosia ao Verkhny Lars. Eto, tsy maintsy miandry 40 hatramin'ny 50 ora ry zareo. Ary tsy mahazo alàlana hiampita ny sasany amin'ireo Rosiana noho ilay didim-panjakana manetsika ho miaramila— DW amin'ny fiteny rosiàna

Lazain'ireo olona miampita io sisintany io fa tsy misy na rano na sakafo, tsy misy solika ary tsy maintsy mandany ny alina mangatsiaka eny amin'ny tany, manodidina afo narehitra maimaika ry zareo. Araka ny nambaran'ny olona iray mpampiasa Twitter, izao no endriky ny faritra tsy an'ny atsy na ny aroa eo anelanelan'i Zeorzia sy Rosia ao  Verkhny Lars:

Verkhny Lars – Zeorzia – Tany tsy an'ny atsy na ny aroa. Tsipika 12 ora mankamin'ny fahalalahana.
Mariky ny fandraofana hiditra ho miaramila ao Rosia 2022 ireo bisikilety maro nilaozan'ny tompony eny amoron'ny arabe ao amin'ilay faritra tsy an'ny atsy na ny aroa.

“Ampahany iray amin'ny helo eto an-tany” ity, hoy ny iray mpampiasa Twitter, izay naharitra 30 ora ny fiampitàny. Ao anatin'ity fahana Twitter ity, faritana ny fomba namelàn'ny olona ny fiarany sy izay fanànany, ary nandehanan-dry zareo kilaometatra an-polony maro mba hiampita fotsiny ny sisintany.

Araka izany, ilay fahana momba an'i Verkhnii Lars! Ankehitriny dia tena hoe Ampahany iray amin'ny helo eto an-tany. Andro maro ny olona no mijoro milahatra… Tsaroako fa tena nikisaka ara-bakiteny aho, na dia nandaniako 22.000 aza ny fitambarany (tena azo lazaina ho mora izany) 

Ity sary ity, izay mampiseho andian'ololna maro, lehilahy ny ankamaroany, miezaka hiampita ny sisintany, dia tatitra avy amina mpilaza vaovao tsy mainkina rosiàna MediaZona. Lasa famantarana ireo olona mandositra an'i Rosian'i Poutine ilay izy, hiala amin'ny fanerena hamono olona na ho faty any an'ady.

Nomena alàlana hiampita an-tongotra ny sisintany iraisana amin'i Zeorzia ireo Rosiana, hoy Baza sy Tbilisi_life. Raha ny fanambaràna ôfisialy dia tsy natao ho amin'izany ny toerana fisavàna ao Verkhny Lars.

Mpitsoaponenana ve ireo Rosiàna?

Mbola loharanona adihevitra mafana ihany koa ny famaritana hoe mpitsoaponenana ve sa tsia ity andiana Rosiàna mitsoaka ny firenen-dry zareo ity, indrindra fa avy amin'ny fomba fijerin'ny Okrainiàna manokana, indrindra fa ny fananiham-bohitra nataon'i Rosia dia nitarika tamina onja nahitàna Okrainiàna mpitsoaponenana nihoatra ny 7 tapitrisa [21] ary olona 8 tapitrisa nafindra toerana tao anatin'i Okraina ihany.

Araka ny nanampian'ilay rosiana iray mpampiasa twitter, izay nahavita niampita tamim-pahombiazana ny sisintany zeorziàna-rosiàna:

Nandeha fiara aho avy any Zeoriza nankao Siberia mba hahazo zavatra vitsivitsy. Ankehitriny aho miezaka ny hiverina, efa ho enina andro izao. Ankehitriny, an-tapitrisa ireo Rosiàna mahafantatra ny dikan'ny hoe mpitsoa-ponenana.

Mandositra an'i Rosia ireo Rosiàna satria tsy misy te-handray anjara amin'ny ady izy ireo, raha 10.000 eo monja ireo nirotsaka an-tsitrapo [23], tao anatin'ireo 25 tapitrisa azo raisina ho ao amin'ny tafika.  Zoro samihafa no nipetrahan'ireo firenena isankarazany momba io resaka io: Alemaina [24], ary ankehitriny i Etazonia [25] no nanolotra fialofana ho an'ireo izay mandositra ilay fanetsehana ho ao amin'ny tafika. 

Kanefa, na ilay mety ho fandosirana mankany amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina, na ny hiantsoana ireo Rosiana ho “mpitsoa-ponenana, dia samy nahatezitra ireo Okrainiàna marobe mpampiasa Twitter.

“Tena tsy takatro mihitsy hoe ahoana no nahatonga izany? Rosia no nanani-bohitra tao Okraina, dia nefa mpitsoa-ponenana ve ireo mandositra an'i Rosia?”