- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady mpikaroka ho an'ny tetikasa Global Voices Advox any amin'ny firenena samihafa

Sokajy: Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

 

[1]

Advox [2], hetsika zo nomerika ataon'ny Global Voices, dia mitady mpikaroka hitarika, hanolotra ary hampita fikarohana ho an'ny tetikasa [3] momba ny fiarahamonina an-tambajotra sy ny tsirefesimandidy any Kazakhstan, Kyrgyzstan ary Kenya.

Hamakafaka, handrakitra ary hitatitra momba ny fitomboan'ny tranga miseho amin'ny fampiasana ny teknolojian'ny fifandraisana nomerika mba hampiharana sy hampiroboroboana ny fitondrana tsirefesimandidy ny tetikasa. Hamorona rafitra ho an'ny famakafakana, hanangana fomba fiasa sy fomba fanaraha-maso, fandraketana, ary hanamafy ireo zava-niseho sy tranga ho an'ny mpamaky voakasika ity tetikasa ity, ary hamokatra tatitra amin’ny andiana tranga maromaro.

Tompon'andraikitra amin'ny fanatanterahana ny tanjon'ny fikarohana ataon’ny tetikasa eo amin'ny sehatra nasionaly ireo mpikaroka ao amin'ny firenena, miara-miasa amin'ireo mpikaroka any amin'ny firenena hafa momba ny fandinihana olana, ary mamokatra fanehoan-kevitra sy famakafakana ho an'ny Advox izay hanohana ny fanamafisana ny asa. Tompon'andraikitra amin'ny fiantohana ny mpikaroka ao amin'ny firenena fa tanterahina amin'ny fenitra fomba fiasa ambony indrindra ny fikarohana ary tohanan'ny fahalalahana ara-tantara. Hiara-hiasa amin'ny ekipan'ny Global Voices ihany koa ireo mpikaroka ao amin'ny firenena mba hanangona sy handika teny ny vaovao ho an'ny faritra hafa amin'ny tetikasa araka izay takiana.

The project researcher's duties will include:

Ireto avy ny andraikitry ny mpikaroka amin'ny tetikasa:

Ny kandidà voaray amin'ity toerana ity dia:

Tsy misy fepetra ara-jeografika amin'ity toerana ity. Mariho fa tsy manana birao na foibe ny Global Voices. Mila mahay tsara mandamina ny  fandaharam-potoanany manokana ny mpifaninana ary miasa amin'ny tontolo virtoaly manontolo ary vonona hanao dia iraisampirenena.

Raisinay an-tanandroa ireo kandidà avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ary mandrisika ireo mpandray anjara amin'ny tetikasa Global Voices izahay mba handray anjara.

Raha handray anjara:

Alefaso mailaka amin'ny jobs@globalvoices.org ny CV sy ny taratasy milaza ny anton'ny fahazotoana amin'ny teny anglisy izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony hahatonga anao ho kandidà mendrika indrindra ho an’ny Global Voices, ahitana izao andininy izao: Advox Project researcher: [ny anaranao]. Fe-potoana fandefasana farany: amin'ny 11:59 atoandro ora ET (GMT -5) amin'ny 30 septambra 2022.