- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mipongatra ao Serbia ny kabarim-pankahalàna mialoha ny EuroPride 2022 ao Belgrady

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Serbia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona
[1]

Fitohizan'ny hetsika tamin'ny 2018 natao tao Stockholm ny EuroPride 2022 ao Belgrad.  Sary [2] an'i Simon Legner tao amin'ny Wikipedia Commons.

Fandrakofam-baovao orizinaly [3] nataon'i Meta.mk no fototra niaingan'ity tantara ity, ampahany amin'ny hetsika santatra ao amin'ny faritra, nomena anarana hoe Western Balkans Anti-Disinformation Hub (sampanan-dàlana ao balkàna andrefna ho fanakanana ny fandisoana vaovao). Dika iray nasiam-panovàna no averina avoaka etoana, tafiditra ao anatin'ny fifanarahana mifampizara votoaty ifanaovan'ny Global Voices sy ny Orina Metamorphosis. 

Ao Serbia, somary nitombo ny fandisoana vaovao [4] sy ny kabarim-pankahalana [5] atao amin'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ sy ireo mpanohana ny zon'olombelona, raha eo am-piomanana handray ny EuroPride 2022 i Belgrady, renivohitra, mandritra ny herinandron'ny 12 septambra.

Ny EuroPride [6] dia hetsika iray iraisan'ireo LGBTQ+ manerana an'i Eorôpa ary iraisampirenena, ampiantranoin'ireo tanàna eorôpeàna isankarazany isantaona. Ny 2022 dia ao Belgrady, 12 hatramin'ny 18 Sept, ary hahitàna andiana hetsika maro misy fetiben'ny sarimihetsika, veladresaka, ary Diaben'ny Rehareha.

Ireo antoko pôlitika avy amin'ny elatra farany havanana ao Serbia sy ny fiangonana ortôdôksa serbiàna dia samy nanameloka ilay hetsika [7], nangataka ny handraràna azy, ary nanao hetsipanoherana izay nahitàna fiderana ny filoha Rosiàna Vladimir Putin [3] ho toy ny môdely iray “mpiaro ny soatoavina nentindrazana.”

Ny governemanta serbiàna dia nanambara [8] tamin'ny fomba ôfisialy ny “fanafoanana” ilay hetsika, raha ireo mpikarakara ny EuroPride kosa namoaka fitsipahana [9], tamin'ny filazana ilay izy ho tsy maintsy hisy amin'ny 12 Septambra.

Niharam-panararaotana ireo olona nanohana ilay hetsika ary naharay fandrahonana tany anaty tambajotra sôsialy. Marko Mihajlović, mpikatroka, iray amin'ireo mpikarakara EuroPride 2022 ao an-toerana, nizara ny fomba fijeriny tao amin'ny Twitter, namintina ireo zavatra niainan'ilay vondrom-piarahamonina midadasika.

Efa hatramin'ny fahatanorako, tsy mbola niaina zava-tsarotra tahaka izao amin'ny maha-pelaka ahy. Hatry ny ela no tsy mba tafiditra tanaty kabary imasom-bahoaka izany ny fankahalana tafahoatra, fandrahonana ary fanilihana ny zoko hiaina ny fiainako amim-pahamendrehana sy ny fitovian-jo. Tsy mahamenatra ahy ny maha-izaho ahy, saingy 15 taona taty aoriana, manahy ny amin'ny aiko aho eto amin'ity firenena ity.

Nomen'i [11] Mihajlović ihany koa ny drafitra voasoritra tsara momba ireo fitantaràna izay niaty fampielezankevitra fankahalàna pelaka nameno ny tambajotra sôsialy.

“Ny maro tamin'ireo fanehoankevitra miiba dia saika momba ny :
1. fandàvana hoe tsy manana olana mihitsy ireo LGBTI+ [ao Serbia].
2. fangatahana anay hiafina any ambadiky ny rindrina efatra sy hanakombonanay ny vavanay.
3. fandranitana ny fampiasàna ny zo maha-olona anay iantohan'ny Lalam-panorenana.
4. Momba ny Rehareha, handeha eny miboridana izahay ary hanao firaisana ara-nofo eny an'arabe.
5. fiantsoana herisetra.”

Ohatra iray amin'ny fandisoana vaovao sy vaovao diso izay nisy fiantraikany be teny anaty tambajotra sôsialy ny lahatsary iray niely be [12] momba ny lazaina fa renim-pianakaviana serbiàna iray nilaza fa niverina an-tanindrazany avy any Alemaina rehefa avy  nampandoavin'ireo manampahefana alemàna lamandy noho ny tsy nanekeny hanafy ny zanany lahy tamina akanjon-jazavavy. Niaty teny fankahalàna ihany koa ny teny famaritana ilay lahatsary.

Fijoroana vavolombelona nataon'ny rahavavintsika Milka izay mipetraka ao Alemaina. Te-hiverina hahita Serbia lafatra izy, ary izany no antony nanehoany tamintsika ny fanohanany, raha isika kosa teo am-panangonana sonia handraràna (sento) ny dihin'ireo “pédé”. Tsy hisy aty Serbia mihitsy ny fanerena nanjo azy. Ny lahy hijanona ho lahy, ary ny vavy – vavy.

Mpikatroka pôlitika iray avy amin'ny elatra farany havanana no namokatra sy nanaparitaka ilay lahatsary, mpikambana ao amin'ny rantsana mpanao an-tendro izay miezaka ny hisolo ny antoko nasiônalista serba liam-pivoarana (SNS) eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana, sy haka ny fahefana. Ho setriny, mpikambana ambony iray avy amin'ny SNS no niezaka ny hanondro azy ireo toy ny olon'ny Rosiàna manely fisainana vahiny mitondra hevi-dratsy.

Dragan Šormaz, mpikambana iray avy amin'ny Komity Foiben'ny antoko SNS, no nampiasa ny Twitter mba hampitandremana [15] hoe fandisoana vaovao ilay lahatsary. Kanefa, nampitombo ny fifanjevoana ihany koa izy tamin'ny nanampiany filazàna iray tsy voafaritra milaza fa tsy Serba ilay vehivavy miteny, fa vehivavy rosiàna ary mpiasan'ny Foibe Rosiàna mpanao Asa Fanampiana noho ny Maha-olona [16] ao Niš any atsimon'ny firenena, sy hoe efa nandositra ny firenena ramatoa io.

Ity “renim-pianakaviana serbiàna” avy any Alemaina ity, raha ny marina, dia Rosiàna, ary miasa ao amin'ny foibe misahana asa fanampiana noho ny maha-olona ao Niš! Efa nandao an'i Serbia sahady izy, satria matahotra ny hosamborina noho ny fitakian'i Alemaina noho ireo lainga nataony tao anatin'ilay lahatsary izay niparitaka tao anatin'ny tambajotra sôsialy!

Ny fanadihadiana nataon'ny gazety mpiseho isanandro Danas [18]dia tsy afaka nanamarina ireny filazàna ireny, fa ny sampana mpanamarim-baovao Kroaty Faktograf kosa no nanatsinkafona [19] ireo filazàna avy amin'ilay lahatsary momba ireo lazaina fa fanerena ankizy ho lasa LGBTQ+ ao Alemaina, hoy toy ny “hadalàna, tsy mety ary hadisoana.”

Tao anatin'ny famoahany tamin'ny 1 Septambra, ny gazety miseho isankerinadro “Vreme” avy ao Belgrady dia namoaka ireo vokatry ny fanadihadiana mahakasika ireo fanambaràna toa mpomba sy mpankahala rosiàna mifandraika amin'ilay tranga. Nitafan-dry zareo ilay vehivavy [20], ary hatramin'ilay lehilahy namokatra ilay lahatsary, tamin'ny fanamafisana fa tena Serbiàna tokoa ilay ramatoa mipetraka any Alemaina, ary reny tsy manam-bady mitaiza zaza “autiste”. Ny “fandalinana nataon'ny mpitsabo eken'ny fanjakàna” nataon'ilay mpanoa gazety Nemanja Rujević dia namintina fa tsy mitombina ilay noheverina ho fanerena zaza ho lasa pelaka, ataon'ny “Tandrefana ratsy toetra”, nefa koa tsy olon'i Rosiàna ilay ramatoa ao anatin'ilay lahatsary.

Ilay ramatoa , notondroina fotsiny ho i Milka M., dia nanazava fa ilay fanambaràny anaty lahatsary, nataony nandritra ny fitsidihana iray tao Niš, dia nahodinkodin'ilay pôlitisiàna fatram-pandala ny nasiônalisma. Noheverina hiaro ny tsimbaratelo momba an-dramatoa io lehilahy io, saingy tsy nafeniny ny endriny. Araka ny fanazavàny, tsy nanery azy ireo hampitafy akanjo tsy sahaza ny zanany lahy ireo manampahefana alemàna, fa fotsiny nanasa ilay fianakaviana mba handray anjara tamina hetsika iray fampiroboroboan ny fandeferana, nantsoina hoe Role Swap na Andron'ny Zazavavy sy ny Zazalahy [21]. Nanazava ihany koa izy fa ny antony nahazoany lamandy dia noho ny tsy nanajàna fifanarahana iray voafaritra mazava tsara nifanaovany tamin'ny sekoly izay manome fikarakaraka manokana ho an'ny zanany.

Ivica Božić, ilay pôlitisiàna ao an-toerana nandrakitra sy nanaparitaka ilay lahatsary, dia efa voarohirohy tany aloha tany, tamin'ny fikarakaràna hetsipanoherana ny fanaovana vaksiny [22]. Tamin'ny 2021, ny gazety mpiseho isanandro Blic dia nitatitra [23] fa io milaza tena ho “mpiaro ny soatoavin'ny fianakaviana” io dia manana raharaha heloka bevava noho ny fanaovana herisetra an-tokantrano sy fivarotana zava-mahadomelina, izay nohamafisin'ny Vreme.

Tao anatin'ny fanambarana ho an'ny Vreme natolotra ho isan'ireo lahatsoratra fandalinana ilay tranga, nolavin'i Božić ireo fiampangàna avy amin'ireo mpampiasa tambajotra sôsialy milaza azy ho olon'i Kremlin, tamin'ny filazàna fa izy dia “mpandala ny nentindrazana ary mpankafy ny fivahinianana masina mankany Jerosalema”, sy ny hoe asa fivelomany ny manao hosodoko amin'ny trano, mpakasary amin'ny camera rehefa misy fampakarambady.

Na dia voasazy araka ny lalàna aza ny kabarim-pankahalana ao Serbia, zara raha mandray fepetra hamaizana ireo manao izany ny mpitandro filaminana sy ireo rantsam-pitsaràna. Kanefa, ireo tatitra avy amin'ireo andrimpanjakana ao an-toerana [24] sy ny iraisampirenena [25]manara-maso ny fizorana mankany amin'ny demaokrasia dia mamerimberina foana fa “mbola betsaka no ilaina ataon” ny fanjakana hiatrehana ny fampiasàna ny kabarim-pankahalana, mba hahatratrarnaa ireo mason-tsivana hidirana ho mpikambana ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna.

Hatreto, tsy misy mpilaza vaovao milaza fisiana fandraisana fepetra ara-panjakana natao ho an'ireo nanao ireny kabarim-pankahalana mifandraika amin'ny EuroPride 2022 ao Belgrady ireny.