- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitra Unfreedom Monitor: Zimbaboe

Sokajy: Afrika Mainty, Zimbaboe, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sarin'i Ameya Nagarajan

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor [1] dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i  Zimbaboe amin'ny aterineto ity. Vakio ato [2] ny tatitra feno.

Niainga tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany ny tsirefesimandidy nomerika ao Zimbaboe rehefa nampihatra ny politikam-pitantanana ny serasera sy ny fampitam-baovao ny fitondrana Rhodesiana izay natsangana hanohanana ny governemanta tamin'izany fotoana. Notarihin’ Itompokolahy Robert Mugabe, nandrisika ny tontolon'ny fampitam-baovao arahina famerana ihany koa ny governemanta mahaleo tena tamin'ny lalàna mikasa ny hifehy sy hanenjika ireo feon'ny mpanohitra. Tamin’ny fotoana vao nanombohan’ny aterineto tao amin'ny firenena teo an-tenantenan’ny taona 90, tsy hita ho tena loza mitatao ny habaka satria mbola maro ny olom-pirenena tsy nampiasa ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao sy ny serasera. Taorian'ny nahatonga ny Facebook ho malaza tamin’ny loharanom-baovao tamin'ny taona 2010, tao anatin'ny tontolon'ny fampitam-baovao nifanenjana, no vao nitombo ny fahalianan'ny fanjakana tamin'ny fampitam-baovao ampiasain'ny mponina.

Avy amin'ny faniriana mihoa-pampana hitazonana ny zava-misy tsy miova sy ny fanjakazakana no antony fototra isian'ny famoretana nomerika hita tamin'ny fikarohana, izay vitsy amin'ireo sangany eo amin'ny fitondrana no mahatsapa ho manan-jo ho tompon'ny firenena. Ohatra, tsy maintsy nesorina ny fandrahonan'ny fanovana revolisionera avy amin'ny fanetsehana ny media sosialy. Tsy nitondra fiovana ifotony ny fanonganam-panjakana miaramila tamin'ny volana Novambra 2017 izay nanongana an'i Mugabe mpitondra efa hatry ny ela fa kosa nanome tany lonaka ho an'ny fomba fiasa miaramila kokoa amin'ny fitantanana, tsy misy fiheverana loatra ny lalàmpanorenana. Manitsy hatrany ny lalàmpanorenana neken’ny firenena tamin’ny taona 2013 ny fitondrana ankehitriny, satria nikasa ny hanitatra ny fahefana mpanatanteraka eo amin’ny fitsarana sy ny mpanao lalàna ny filoha. Noho ny fahatsapany ny maha-zava-dehibe ara-stratejika na ny fampitam-baovao na ny tontolo nomerika anjotra, mahita ireo habaka roa ireo tsy ho fitaovana hanomezana hery ny olom-pirenena handray anjara amin'ny dingana demokratika fotsiny ny fitondrana miaramila, fa ho fitaovana amin'ny fanamafisana ny fahefana politika kokoa. Miankina betsaka amin'ny toe-draharaham-pirenena ny fepetra politika sy ara-pitsarana izay tsy maintsy ho ampiasain’ny fanjakana Zimbaboeana ny teknolojia mba hanamafisana ny toe-java-misy, ary miankina amin'ny toe-draharaha politika sy ny firenena ny fahombiazan’ny fitondran’ny zo nomerika.

Ampahany lehibe amin'ity dingana ity ny lalàna. Navoaka ny lalàna manome fahefana manokana mba hanaratsiana ny fanoherana ara-drariny amin'ny politika tsy tiam-bahoaka sy ny fomba fitarihana ara-politika. Misy fiantraikany amin'ny zo nomerika ity lalàna vaovao ity satria mampivohitra famoretana. Olana maika ihany koa ny fitaoman’ny governemanta sy ny orinasa vahiny amin'ny famolavolana ny tontolo nomerika ao Zimbaboe. Araka ny hasehon'ny fanadihadiana, mikatsaka amin’ny fomba mahery setra ny ho tafavoaka velona amin'ny tontolo ara-politika sy ara-toekarena tsy mitsaha-miova vokatry ny fanatontoloana ny fitondrana tsirefesimandidy, amin'ny alalan'ny fampiasana fomba toy ny fampiasana ny teknolojian'ny fanaraha-maso, ny fanangonana tsy misy fanaraha-maso ny angondrakitra biometrikan'ny olom-pirenena, ary ny famoahana ny lalàna henjana. Mpiray tsikombakomba amin'ny fanitsakitsahana ny zo nomerika sy ny fanakatonana ny habaka sivily na amin'ny sehatra an-tserasera sy ivelan'ny aterineto fotsiny ihany ireo mpisehatra manan-danja fantatra fa mamatsy ny governemanta amin’ny teknolojian'ny famoretana nomerika.

Vakio ato [2] ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox [3] Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).

Vakio ato [4] ny tatitra feno.