- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Peroviana mpikatroka malaza niova fananahana sady mpianatra nahazo diplaoma tao Harvard no maty raha mbola notanana tany amin'ny tobin'ny polisy Indoneziana

Sokajy: Etazonia, Indonezia, Però, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

 

Maty i Rodrigo Ventocilla Ventosilla, raha mbola notanan'ny polisy tany Bali. Sary avy amin'ny Diversidades Trans Masculinas [1]. Nahazoana alalana.

Mpikatroka Peroviana malaza iray no maty tany amin'ny hopitaly tao Denpasar, renivohitry ny faritanin'i Bali, raha mbola notanana tany amin’ny tobin’ny polisy Indoneziana. Nambaran'ny Crimson [2], gazetin’ny oniversiten’i Harvard, ny fahafatesan'i Rodrigo Ventosilla izay nisoratany anarana ho mpianatra nahazo diplaoma tao amin'ny Fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny Fampandrosoana Iraisampirenena tao amin'ny Harvard Kennedy School.

Rodrigo Ventocilla Ventosilla, 32 taona, no nanangana ny Diversidades Trans Masculinas [1], vondron’olona Peroviana niova fananahana. Nosamborina tany Bali raha nandeha nanao volan-tantely i Ventosilla noho ny fanondranana rongony tamin'ny 8 aogositra. Tratran’ny tompon’andraikitra teny an-toerana niaraka tamin’ny fitotoana ravinkazo sy nitondra ny entana nisy rongony (marijuana) sy pilina izy.

Tamin'ny taona 2020, nanaisotra tamin'ny fomba ofisialy ny cannabis hiala ao anaty sokajy “rongony mahery” ny Vaomieran'ny Firenena Mikambana misahana ny zava-mahadomelina (CND) ary nanomboka nahafantatra ny mety ho fanasitranana sy fitsaboana omeny. Na izany aza, firenena maro no hentitra amin'ny politikany hiadiana amin'ny zava-mahadomelina. Iray amin'ireo firenena vitsy izay ahitana ny fihazonana sy fanondranana rongony mety hitarika ny fanamelohana ho faty [3] i Indonezia.

Nitatitra [4] ny masoivohom-baovaom-panjakana fa nentina haingana tany amin'ny Hopitaly Bhayangkara izy taorian'ny andro nitazonana azy, tobim-pitsaboana tantanin'ny Polisim-pirenena, noho ny aretim-bavony sy nandoa rehefa avy nihinana fanafody manokana. Nafindra tao amin’ny Hopitaly Be Sanglah izy avy eo raha tsy nisy fihatsarana ny toe-pahasalamany izay nametrahana azy tao amin’ny sampana fitsaboana ireo marary mafy ary nambara fa maty.

Nampita ny fanambaran'ny fianakavian'i Ventocilla ny gazety Crimson nilaza fa mety nitarika ny fahafatesany ny fihetsika ratsy sy ny herisetran'ny polisy. Hentitra ny polisy Bali nandà [5] izany fiampangana izany.

Tamin'ny alalan'ny fanambarana ofisialy azon'ny mpanao gazety, nilaza ny Talen'ny Serasera ao amin'ny Polisim-pirenena ao amin’ny distrikan’i Denpasar, Stefanus Satake Bayu Setianto fa maty ilay niharam-boina rehefa voan'ny aretin'aty sy voa ary nandà ny fiampangana fa nampijaliana izy raha mbola tany am-ponja ary tsy nomena mpanolotsaina momba ny lalàna. Ankoatra izay, nilaza ny polisy fa nanaraka ny fomba fiasa izy ireo saingy nandà ny hanaovana autopsie [6] ny fianakavian'i Ventosilla.

Nangataka fanadihadiana mahaleotena [7] momba ny fahafatesan'ilay mpizahatany ny governemanta Peroviana tamin'ny voalohany, saingy niaro ny tenany tamin'ny fiampangan'ny fianakaviana ihany koa fa nanakana ny fiezahan'ny fianakaviana hahazo valiny ny Masoivoho Peroviana ao Bali [8]. Namoaka fanambarana [9] ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Peroviana ny Alarobia 24 Aogositra, nanamafy fa “niasa araka ny tokony ho izy” ireo manampahefana tao aminy, ary nampiany hoe:

The Consular Section of the Peruvian Embassy in Indonesia has been providing consular assistance and following up on the case, within the framework of its competencies and with respect for local laws, while maintaining uninterrupted communication with their families.

Nanome fanampiana sy fanaraha-maso ny raharaha ny mpiasan’ny masoivoho ao amin'ny Masoivoho Peroviana ao Indonezia, ao anatin'ny rafitry ny fahaiza-manaony sy amin'ny fanajana ny lalàna eo an-toerana, sady nifandray tsy tapaka tamin'ny fianakaviany.

Ho setrin'izany, nilaza ny fianakavian'i Ventocilla, Luzmo Henríquez, fa “mitongilana, tsy ampy ary tsy mahay miombom-pihetseham-po” ny fanambaran'ny ministera, hoy ny Harvard Crimson.

Tao amin'ny Twitter, nanasongadina ny fanararaotana nahazo an'i Ventocilla ilay Australiana pelaka mpikatroka sady mpiara-manorina ny Queer Indonesia Archive [10], Beau Newham [11].

Ho an'ireo izay nampahatsiahy ahy fa tsy ara-dalàna ny zava-mahadomelina ao Indonezia, tiako ny mampahatsiahy anareo fa tsy midika ny fandikana ny lalàna fa mendrika ny ho faty an-tranomaizina io olona io: notakiana vola, natoka-monina tsy ahita ny havan-tiany, nampijaliana satria pelaka, ary norarana tsy hahazo fanampiana ara-pitsaboana. Tsy hoe izany akory no fenitra dia ekena.

Ho an'ireo izay milaza fa NY RONGONY FOTSINY NAHATONGA AN’IZANY – Eritrereto izay manjo an’ity olona niova fananahana ity rehefa voasambotra

Ahoana no nisavana azy niboridana ary iza no nanao izany?

Inona no fonja nametrahana azy, ho an’ny lahy sa vavy?

Mankahala pelaka ireo toerana ireo amin’ny ankapobeny – ary mahatonga anao ho tena lasibatra ny fisamborana

Ny lasitry ny fanarahan-dalàna ao Indonezia

Milaza ny Lalàmpanorenana Indoneziana Toko faha-28I momba ny zo sivily fa miantoka ny fahalalahana hiaina, tsy misy tahotra fanavakavahana ny governemanta, saingy tsy lavorary ny fampiharana an'io lalàna io. Matetika iharan'ny fitsarana an-tendrony sy ny fanavakavahana [14] ary ny fanenjehana mahery vaika ny [15] olona niova fananahana. Na dia eo aza ny zava-misy fa maro ireo vondrom-piarahamonina indizeny ao Indonezia no manaiky ny fahalalahan’ny safidy ara-pananahana, toy ny vahoaka Bugis [16], izay manaiky ny karazana lahy sy vavy dimy tsy manam-paharoa [17], dia tsy vonona ny hanaiky ny fahalalahan’ny safidy ara-pananahana mihoatra ny fananahana mahazatra ny manampahefana Indoneziana.

Nifandray tamin'i Andreas Harsono, Indoneziana mpiaro ny zon'olombelona miaraka amin'ny Human Rights Watch ny Global Voices, momba ny fampijaliana ny LGBTIQ ao amin'ny firenena.

In general, the LGBTIQ persons in Indonesia are frequently mistreated by law enforcers such as the municipal police (Satpol PP). The most common cases happened among trans individuals.

Amin'ny ankapobeny, ampijalian'ny mpitandro ny filaminana toy ny polisy monisipaly (Satpol PP) ny olona LGBTIQ ao Indonezia. Miseho amin'ny olona niova fananahana ny ankamaroan’ny tranga.

Nanonona ny zavatra hitan’ny Arus Pelangi [18], vondrona mpiaro ny zon'ny LGBTIQ Indoneziana, tamin’ny taona 2019 i Harsono izay mampiseho fa farafahakeliny miisa 45 ireo fitsipika isan-toerana na nasionaly manohitra ny LGBTQ ao Indonezia.

At the national level, these include the Anti-Pornography Act 2008 and the Marriage Act 1974. The Anti-Pornography Act declares same-sex relationships as deviant sexual activities. The Marriage Act only allows heterosexual marriage.

Eo amin'ny sehatra nasionaly, anisan'izany ny Lalàna miady amin'ny pôrnôgrafia 2008 sy ny Lalànan’ny fanambadiana 1974. Manambara ny Lalàna miady amin'ny pôrnôgrafia fa mivaona amin’ny firaisana ara-nofo ny firaisana ara-nofo ho an’ny olona mitovy fananahana. Ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy ihany no eken’ny Lalànan’ny Fanambadiana.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nisy ny firongatry ny famoretana sy ny fampijaliana ny vondrom-piarahamonina LGBTIQ ao Indonezia noho ny lazaina fa fitandroana ny filaminam-bahoaka, araka ny filazan'i Harsono.

In 2014, only Aceh, the only province that applied Sharia law, considers homosexuality a crime punishable by up to 200 public lashings, today, other provinces like West Sumatra, West Java and South Sulawesi are also criminalizing LGBTIQ community and individuals.

Tamin'ny taona 2014, Aceh irery ihany, hany faritany nampihatra ny lalàna Sharia, no mihevitra ny firaisan'ny samy lehilahy na samy vehivavy ho heloka bevava azo saziana hatramin'ny 200 kapoka ampahibemaso. Faritany hafa toa an'i Sumatra Andrefana, Java Andrefana ary Sulawesi Atsimo ihany koa ankehitriny no manameloka ny vondrom-piarahamonina LGBTIQ sy ny olon-tsotra LGBTIQ.

Amin'ny alàlan'ny pejy Facebook-ny, miantso hetsika an-tserasera [19] sy mivantana [20] any Lima hitakiana ny rariny ho an'i Ventocilla ny Diversidades Trans Masculinas [21].

Afisy mitaky ny hamerenana ny sisan'i Rodrigo Venticilla Ventisilla an-tanindrazana sy hanokafana fanadihadiana amin'ny nahafatesany. Nivoaka tao amin'ny pejy Facebook Diversidades Trans Masculinas [21] nahazoana alalana.