- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahoana no nanaovan'ny governemanta ao Sodàna ho ara-dalàna ny fanasokajiana sy ny fanivanana votoaty amin'ny aterineto?

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary avy amin'i Ameya Nagarajan

Imbetsaka nakatona ny aterineto tao Sodana nanomboka tamin'ny taona 2018 [1]taorian'ny revolisiona [2]. Nanjary mahazatra ihany koa ny fanakatonana ny media sosialy hatramin'ny nanakanan'ny governemanta ny YouTube nandritra ny fifidianana tamin'ny taona 2010 [3]taorian'ny fandefasana lahatsary iray mampiseho hoso-pifidianana tao amin'ny media sosialy. Nosakanan'ny manampahefana Sodaney ny fidirana amin'ny sehatra media sosialy maro [1] toy ny Facebook, Twitter, WhatsApp, ary Instagram mba hanakanana ny olona hizara vaovao momba ny hetsi-panoherana izay niafara tamin'ny fanonganana ny filoha teo aloha, Omer Al Bashir tamin'ny taona 2019. Tsy nilaza ny antony nahatonga ity fanakatonana ny media sosialy ity ny manampahefana.

Ahitana fanakatonana fidirana aterineto am-pinday [4] matetika ny ankamaroan'ny fanakatonana ny aterineto ao Sodàna. Afaka miditra amin'ny aterineto amin'ny alàlan'ny fifandraisana aterineto an-tariby ny olona mandritra ny fanakatonana, ​​​​izay ankavitsiana izany ankoatra ny any amin'ny orinasa ‘vaventy). Na dia efa naverina tamin'ny laoniny aza ny aterineto tamin'ny volana Jolay [5]sy Novambra 2021 [6], dia mbola tsy azo nidirana ireo sehatra media sosialy [7] ka voatery nampiasa VPN ny olona mba hidirana amin'izy ireo.

Matetika tsy mahazo fampitandremana momba ny fanakatonana ho avy ny olom-pirenena. Mandeha ny data findain'izy ireo iray minitra, ary maty indray iray minitra manaraka. Indroa [8] ihany ny governemanta no nanambara ny fikasany hanakatona ny aterineto [9] tao anatin'ny roa taona nisehoan ‘izany, ireo fotoana indroa ireo dia nandritra ny fanadinan'ny sekoly ambaratonga faharoa. Nandefa SMS [9]tamin'ny mpanjifa ny mpanome tolotra fifandraisandavitra, nilaza hoe:

“Under the direction of the judicial authorities, the internet will be cut daily during the Sudanese certificate exam sessions from 8 am until the end of the session at 11 am.”

“Eo ambany fitarihan'ny manampahefana ara-pitsarana, ho tapaka isan'andro ny aterineto mandritra ny fotoam-panadinana sodaney manomboka amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny fiafaran'ny fanadinana amin'ny 11 ora.”

Tsy namaritra ny lalàna izay nandraisan'ny manampahefana io fanapahan-kevitra io ny hafatra.

Efa mahazatra ny fanakatonana sy ny fikorontanan'ny aterineto ao Sodana. Nakaton'ny governemanta imbetsaka ny aterineto finday tamin'ny taona 2020 sy 2021 nandritra ny adim-poko [10], ny fanadinana ambaratonga ambony [11], ary ny fanonganam-panjakana [4] tamin'ny 25 Oktobra 2021 notarihan'ny Komandin'ny Tafika Lt. Jeneraly Burhan. Fitaovana lehibe ahafahana mamela ireo fanakatonana ireo ny lalàna satria miankina amin'ny Lalàna mifehy ny Tafika [12], ny lalàna momba ny Fiarovam-bahoaka [13], ary ny lalàna mifehy ny Fahefana mandrindra ny Fifandraisan-davitra sy ny Paositra [14] (TPRA) [14]ny governemanta mba hanomezana azy ireo izany fahefana izany.

Na izany aza, manana fitsipika hiarovana ny fahazoana votoaty amin'ny tranonkala [15] i Sodàna [15]. Namoaka fitsipika iray ny TPRA tamin'ny taona 2020 [15]ary nankatoavin'ny Mpikambana ao amin'ny Filankevitra Manampiandrianana Jeneraly Ibrahim Jaber satria teo ambany fiahian'ny miaramila ny sehatry ny fifandraisandavitra tamin'izany fotoana izany. I Jaber ihany koa no filohan'ny filankevi-pitantanan'ny vondrona Sudatel [16], mpandraharahan'ny fifandraisandavitra nasionaly izay miasa any amin'ny firenen-kafa ankoatra an'i Soudan, toa an'i Maoritania sy Sénégal.

Antsoina hoe “Ny fitsipika 2020 momba ny fanivanana votoaty sy ny fanakatonana ny tranonkala amin'ny aterineto” ilay fitsipika. Navoaka izany araka ny andininy faha-88 (1) amin’ny lalàna TPRA 2018 izay ahafahan’ny filankevitry ny TPRA mamorona fitsipika hampiharana ny lalàna. Nanery ny TPRA mba hanome amin'ny orinasam-pifandraisandavitra ny lisitry ny rohy URL hosakanana sy hosivanina ilay fitsipika, ary “manaramaso isan'andro” ny fitaovana fanivanana mba hanamarina fa misy fanavaozana izany.

Nanery ireo mpamatsy tolotra aterineto sy ireo mpandraharaha mba hanome “valiny avy hatrany” amin'ny fangatahana fanakanana avy amin'ny TPRA sy tsy hiraharaha izay fangatahana avy amin'ny orinasa hafa tsy misy didim-pitsarana ihany koa ilay fitsipika. Vokatr'izany, nanome zo ny tenany hanakana tranonkala tsy misy didim-pitsarana ny manampahefana no sady mitaky ny handehanan'ny hafa eny amin'ny fitsarana. Nanery ireo mpamatsy tolotra aterineto sy ny orinasam-pifandraisandavitra ihany koa ny fitsipika mba hanome azy ny fidirana amin'ny Graphical User Interface (GUI) amin'ny rafitra sivana, ka manome antontanisa sy tatitra tsindraindray momba ireo tranonkala sy pejy voasivana.

Nampiasaina hanamarinana ity fanakanana ity ireo teny manjavozavo toy ny “finoana”. Ny andininy faha-14 ao amin'ny lalàna mifehy ny fanivanana sy ny fanakanana votoaty amin'ny aterineto dia nilaza hoe: “Tsy maintsy manome ny rafitra ara-teknika ilaina ireo orinasan'ny fifandraisandavitra mba hiarovana ny tambajotran'izy ireo sy ny serivisy omen'izy ireo manoloana ny fampiasana mifanohitra amin'ny finoana sy ny fitondran-tenam-bahoaka. Raha manaraka ny fanaraha-maso, ny fomba fiasa ary ny fepetra takiana amin'ny fanivanana sy fanakanana nofaritan'ny manampahefana. ” Tsy namaritra ny atao hoe “finoana” ilay fitsipika: finoana silamo ve sa misy ifandraisany amin'ny fivavahana na firehan-kevitra hafa?

Nosokajian'ny lalàna ho ao anaty karazany roa ny lisitry ny fanakanana sy fanivanana: eo an-toerana sy ara-barotra. Namaritra ny lisitra ara-barotra ho: “Lisitry ny fanasokajiana izay ao anatin'ny rafitra sivana sy fanakanana avy amin'ny mpamatsy rafitra, izay misy ny fanasokajiana iraisam-pirenena ny lisitry ny sivana” izany, raha namaritra ny lisitra eo an-toerana ho: “Lisitra anatiny nomanin'ny manampahefana amin'ny alalan'ny fampidirana ireo tranonkala nosokajian'ny manampahefana na voarain'ny mpiserasera taorian'ny fandinihana azy ireo sy manome antoka fa ahitana fitaovana voaràra izy ireo.”

Ahitana sokajy 13 izay “voafidy hosakanana” ny lisitra ara-barotra. Ireo sokajy ireo dia ahitana ireo tranonkala momba ny zava-mahadomelina, ny toaka, ireo tranonkala momba ny paraky, ny sary vetaveta misy ankizy, ny fanaovana fitaovam-piadiana, ny rindrambaiko mpisompatra, ary ny spam. Ahitana sokajy manjavozavo ihany koa ny lisitra toy ny “tranonkala manafintohina ny fivavahana sy miantso ny tsy finoana an'Andriamanitra”, fandavana ny fanajana ny fahalalahana amin'ny finoana amin'ny fanasokajiana ny tsy finoana an'Andriamanitra ho hetsika tsy azo kitihana.

Mahagaga fa manasokajy ireo tranonkala VPN ho tsy mahazo alalana ny lisitra. Manakana ny tranonkala Peer-to-Peer toy ny BitTorrent ihany koa izy. Azo.

Nanome zo ireo manampahefana ny fitsipika mba hampiditra an-kalalahana sokajy vaovao, amin'ny fanomezana anarana ny sokajy farany ao amin'ny lisitra ara-barotra ho toy “ny fanasokajiana hafa rehetra izay sokajian'ny manampahefana”, manokatra sehatra midadasika hanakanana amin'ny fomba ara-dalàna ny fidirana amin'ny votoaty amin'ny tranonkala.

Nanao sonia sy nankatòa ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zon'ny Sivily sy Politika (ICCPR) [17], sy ny Fifanekena Iraisam-pirenena momba ny Zo Ara-toekarena, Sosialy ary Kolontsaina [18] (ICESCR) i Sodàna. Mpanao sonia ny Sata Afrikana momba ny Zon'olombelona sy ny Vahoaka (ACHPR)  [19] ihany koa Sodàna ary nankatòa ny lalàna, izay miantoka ny zo amin'ny fahalalahana mivory, ny fahalalahana maneho hevitra, ary ny zo hahazo vaovao.

Na eo aza izany fankatoavana izany, tsy mifanaraka amin'ny fenitra iraisampirenena ny lalàna anatiny Sodaney ary tsy miantoka ny zo nomerika ho an'ny olom-pireneny.


Tsidiho azafady ny pejin'ny tetikasa raha hijery lahatsoratra maro kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor [20].