Taratasim-baovao RV: Ampio ireo te-hampifandray manampahaizana teknolojia sivika sy ny fampitam-baovao mahazatra

Sarin'i Mohamed Hassan tao amin'ny PxHere. Nampiasana lisansa Creative Commons Zero (CC0).
Naotin'ny Rising Voices: Ny taratasim-baovao mivoaka isam-bolana dia manome ny fehin'ireo ranty blaogy navoakanay vao haingana momba ireo endrika rehetra amin'ny fampiatiana ankihy ka ao anatin'izany ny fidirana sy ny fandraisana ireo fitaovana ankihy, sy ireo karazana fomba sy hirika ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mandray anjara feno an-jotra. Vakio ato ireo famoahana efa nivoaka amin'ity taratasim-baovao ity.
Tonga eto amin'ny volana septambra indray àry isika. Antenaina fa mbola manaraka hatrany ianareo ry mpamaky hajaina.
Anombohana ity laharana ity, tianay ny hizara ny antso hanaovana tolo-kevitra nataon'ny mySociety, amin'ny alàlan'ny TICTeC Action Lab #4, anisan'ny fandaharan’asa TICTeC Labs. Raha mahaliana anareo ny teknolojian’olom-pirenena ary havanana amin’ny fitantarana ianareo, dia heverinay fa fotoana izao ho anareo mba hamirapiratana, sady hanampiana amin'ny fampandrosoana tanjona ihany!
Fara-fandraisana anjara: 14 septambra 2022
BEBE KOKOA MOMBA NY BILAOGY RISING VOICES
Miaraka dialavitra IDIL2022–2032 amin'ireo mpikatroky ny fiteny manerana izao tontolo izao, ny Rising Voices sy ny mpiara-miasa dia manolotra anao fifandimbiasam-panentanana Twitter iray hafa. Te hahafantatra momba ny fiteny indizeny, vitsy an'isa, tandindonin-doza, na tsy ahitana fitaovana firy, miampy ny anjara asan'ny aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana sy famelomana aina azy ireny ve ianareo? Andao ary hiaraka aminay ary henoy izay hozarain'ireo vahininay mpampiantrano!
@ActLenguas (Amerika Latina)
- Hilaria Cruz [es] amin'ny teny Chatino, ampiasaina any Oaxaca, Meksika
- Rodrigo Petatillo [es] amin'ny teny Yucatec Maya, fitenin-drazana any Meksika sy Belize
- Radaí David Pérez Oleta [es] amin'ny teny Tseltal (fiteny Mayan), ampiasaina any Chiapas, Meksika
- Gladys Camacho Rios [es] amin'ny teny Quechua, ampiasaina any Bolivia atsimo
@DigiAfricanLang (Afrika)
- Wali Tshibola Ntumba on Tshilubà, native to Democratic Republic of the Congo
- Surajo Teete amin'ny fampidirana ny fiteny Fulfulde, fitenin-drazana any Afrika Andrefana, ho ao amin'ny tontolo nomerika
- Doaa avy amin'ny Nubian Voices amin'ny hetsika sy ezaka ataon'izy ireo amin'ny fihazonana ny teny, ampiasaina any Ejipta
- Alhassan Alidu amin'ny fihazonana ny teny Moore, fitenin-drazna any Burkina Faso sy ireo firenena manodidina, miaraka amin'ny fitaovana nomerika
Miaraka amin’ity gazety ity, ary amin'ny fankalazana ny Andron'ny Indizeny (9 aogositra) , tianay ny hizara aminareo hira miisa dimy, avy amin'ireo mpitendry mozika indizeny miisa dimy avy any Amerika, momba ny fiizian’izy ireo. → “Hira dimy hankalazana ny Andron'ny Indizeny”
FAMATSIAM-BOLA
Amin'ny maha mpisera aterineto mampifandray antsika rehetra, efa nahatsapa ho tsy manan-kery ve ianareo, miasa andro aman’alina amin'ny zava-misy tsy miova ao aminy? Ankehitriny, manasa anareo ny NLnet hiaraka amin'ireo mpisera namana amin'ny famerenan-kery amin'ny alàlan’ny fihazonana ny aterineto ho azo itokisana, azo ianteherana ary misokatra ho an'ny rehetra. Efa mandray ny fangatahana izahay izao raha manana hevitra tetikasa ianareo. Azo jerena eto ny antsipiriany fanampiny. Fandraisana farany: 1 Oktobra 2022 amin'ny mitataovovonana (CET)
HARARAOTRA | VATSIM-PIANARANA NOHO NY FAHAMENDREHANA & FAHASAHIRANANA
Nanambara ny fandaharan'asa fanomezana vatsim-pianarana PhD 2023 ny Meta Research, izay natao hanohanana ireo mpianatra manomana doctorat manao fikarohana vaovao (eo amin'ny sehatry ny siansa sy injeniera informatika ) amin'ny alàlan'ny fiofanany sy ny zavatra hafa (andinindininy eto). Farany fisoratana anarana: 20 Septambra, 2022 Fanamarihana: Fandaharan’asa eran-tany ity ary raisina an-tanan-droa ireo mpianatra avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao
HETSIKA HOAVY SY FIHAONAMBE
Miasa amin'ny tetikasan'ny tambajotram-piarahamoninareo manokana ve ianareo? Te-hahafantatra ny fomba fanaovana izany any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao sy izay zarain'ireo mpisehatra amin’ny tambajotram-piarahamonina hafa? Manasa anareo àry hifanakalo hevitra aminay ao amin'ny Community Network Xchange (CNX) 2022 faha-6 ho an'ny fitantarana mivantana momba ny fahombiazana sy ny fanamby avy amin'ny mpanangana tambajotra. Fivoriana sisa: 29 septambra / 29 oktobra
Etsy andanin’izany, antomotra Indigenous Connectivity Summit 2022 tarihin’ny vondrom-piarahamonina. Raha te hanatevin-daharana ireo mpitarika ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpandray anjara ianareo amin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fidirana amin'ny aterineto mora sy maharitra ho an'ny vondrom-piarahamonina indizeny manerana an'i Amerika Avaratra, dia manoro hevitra anareo izahay mba hisoratra anarana mialoha mba hahazoana fanazavana. Daty: 24–28 Oktobra 2022 / Toerana: Winnipeg, Manitoba, Canada
HAMAKY, HIJERY SY HIHAINO, BEBE KOKOA
- Strategy on running Wikimedia communities of Taiwanese Indigenous atolotry ny Wikimedia Foundation ao amin'ny YouTube
- Website accessibility and inclusive design (Hi Res version) atolotry ny American Psychological Association ao amin'ny YouTube
Mamandriha taratasim-baovao Rising Voices
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra