- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toy ny làlana fianarana ho an'i Sri Lanka no fahitàny ireo fihetsiketsehana tao GotaGoGama

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge, Sri Lanka in crisis
Image taken at the GotaGoGama Library - via Pranith Wirasinha/Groundviews. Used with permission. [1]

Sary nopihana tao amin'ny toerana famakiamboky tao GotaGoGama, avy amin'ny Pranith Wirasinha/Groundviews, fampiasàna nahazoana alàlana.

Ity lahatsoratr'i [1] Pranith Wirasinha dia nivoaka voalohany tao amin'ny Groundviews, tranonkalam-baovaon'olontsotra iray nahazo loka. Dika nokiraina no avoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty nifanaovana tamin'ny Global Voices.

Nandravona i [2] GotaGoGama. Niverina indray i [3] Gota.

Tanatin'ny volana dimy teo ho eo, nihemotra ny zava-drehetra. Nitsahatra tsy nisy intsony ny fon'ireo hetsipanoherana nalaza tao Sri Lanka. Alok'ireo izay nahalalàna azy tany aloha tany sisa ireo andro farany nisiany. Mbola natanjaka [4] ny andiany farany tamin'ireo mpanao hetsipanoherana nibodo ireo fototrafitrasa nihanjahanja nandrafitra izay sisa tavela tamin'ny GotaGoGama [5]. Nisy iray tamin'ny mpanao hetsipanoherana nifikitra mafy tamin'ny finoana fa raha ireo vahoaka tamin'ny 9 Jolay no tonga nifamory [6] tamin'ny fiandohan'ny volana Aogositra mba hanohana ny GotaGoGama, dia mety nahomby izy ary nanohy ny tolony. Indrisy, tena nanakoako ny fahanginan'ny vahoaka. Nandiso fanantenana ny fiheverana hoe ireo “mpirenireny tsy manana hialofana” no mba azo nanoloana ilay toerana fiantsonana feno teo amin'ny hôtely Kingsbury.

Vakio ny fandrakofanay manokana: Sri Lanka mandalo krizy [7]

Ny Andro Erantany ho an'ny Fampianarana Mamaky Teny sy Manoratra [8] dia andro iray izay mahazatra ankalazaina ao Sri Lanka. Io dia firenena iray afaka mirehaka amin'ny fanànany ny taha faran'izay ambony indrindra amin'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra. Saingy inona moa no tena mba azon'ny fahaizana mamaky teny sy manoratra aseho ao anatina firenena iray miaina olana ara-toekarena [9], izay fantatsika tsara ny habeny amin'izao fotoana izao?  Inona no afaka mihambo amina fahantrana ara-politika faratampony izay ny betsaka amin'ny vahoaka ao aminy no mifidy ireo izay tsy nahavita akory hatramin'ny farany ny fianarany ambaratonga faharoa? Na ny tsy fahavitàn'ireo olomboafidy manitsy na miaiky ireo taona maro nisiana olana ara-drafitra sy ara-pitantanana, izay sady naha-baky rompitra io firenena io ara-toetsaina sy ara-toekarena ihany koa? Ny farafahakeliny amin'ny famaritana ny fahaizana mamaky teny sy manoratra dia ny fahafahana mamaky sy manoratra, saingy inona no ilàna azy raha toa ka izay vakiana sy soratana tsy ampiasaina ho entina manatsara na manabe? Inona no ilàna azy raha toa tsy entina mianatra, mampita hafatra ary mandroso ao anatin'ny fikarohana ny fivoarana fototra maha-olona?

Io hevitra io tsy hoe mianatra fotsiny, fa ny fianarana araham-pirobohana no iray tamin'ireo ivon'ny hetsipanoherana Aragalaya [10]. Ny GotaGoGama tsy nitondra fotsiny fanoitra hanilihana ny filoha iray mifikitra eo amin'ny fahefana tsy refesi-mandidy, fa nanefy sy nandrisika ny olona izay nanolo-tena ho amin'izany, na nitsidika fotsiny an'i GotaGoGama fotsiny koa aza, mba hahatakatra sy hametraka anatin'ny vanimpotoana ny toedraharaha manahirana nisy ilay firenena, sy, raha ny marina, hatramin'ny fahaleovantena, manodidina ny fenitra sy ny tanjon'ilay toerana nanaovana hetsika fanoherana.

Ny adihevitra sy ny fifanakalozan-dresaka no fenitra, tsy misy hafa amin'ny fomba fiteny artistika. Matetika no heverina ho toy ny zavatra lany andro ny famakiana boky, fahazarana iray izay marobe amin'ny taranaka ankehitriny no tsy manana faharetana hiditra aminy, saingy ny trano famakiamboky ao GotaGoGama no tena fon'ilay vohitra kely tamin'izany — napetraka nandritra ireo andro voalohany nisian'ny hetsika #OccupyGalleFace [11] sy nitatra hatramin'ireo andro farany tamin'ny tolona tao Galle Face. Ezaka niarahan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo mpanao hetsipanoherana no nahaterahan'ilay toerana famakiamboky. Rehefa voabodon'ireo mpanao hetsipanoherana ny sekretarian'ny fiadidiana ny lapam-panjakana, ny efitrano malalaka tao aminy no nipetrahan'ireo boky marobe, izay ara-bakiteny no namindràna azy tamin'ny alàlan'ny rojon'olombelona avy ao amin'ny toerana famakiamboky GotaGoGama [12]. Vanimpotoana iray nanamarika tao anatin'ny toedraharaha nisy an'i Aragalaya, fotoana iray nanantitrantitra sy nametraka ny fianarana sy ny fahalalàna ho eo afovoan'ny tolom-bahoaka. Nifaoka karazaka fifohazana ara-pôlitika teny anivon'ireo SriLankey izy io, tsy amin'ny maha-vahoaka anaty firenena iray azy fotsiny, fa amin'ny maha-olompirenena koa. Tsy voafetra fotsiny ho mandritra ny androm-pifidianana ny andraikitr'izy ireo, fa amin'ny maha-mpiara-miombona antoka azy ao anaty fifanarahana pôlitika iray [13].

GotaGoGama tsy nanolotra fotsiny fanabeazana ara-pôlitika, ara-toekarena, momba ny zon'olombelona sy ny tantara, fa koa momba ireo fotokevitra toy ny fifandraisana ary ny fanekena, ireo rehetra ireo dia voamariky ny traikefa iray mampientana, zavatra iray tena ilaina amin'ny sehatra fanabeazana rehetra.

Satria ampahany manandanja amin'io ny fampianarana literatiora mandalo amin'ireo trano famakiamboky, nisy ihany koa fepetra maro noraisina mba hampidirana sy handrisihana ireo olompirenena hisaina amim-pandanjalanjàna sy hanolo-tena amin'ny alàlan'ny fanabeazana ampiasàna sarimihetsika. Ny sarimihesika TearGas [14] an'ny GotaGoGama dia tsy tapaka ny nanasongadina klasika tsy resin'ny vanimpotoana, sy sarimihetsika fohy ary fanadihadiana novokarina tao an-toerana. Ho an'ny maro, io no voalohany indrindra nijerena sarimihetsika teo amina fàfana goavambe, sambany nampiasàna ny sarimihetsika ho fanairana saina sy fanamby fa tsy resaka ara-barotra. Eny, na dia alina nanorana aza, tena nahavariana tokoa ny nahita ny fomba nahasarihan'ny sarimihetsika olona am-polony maro lasa nametra-panontaniana momba ny finoanoam-poana sy ny fahafahan'izy ireny manampina hatrany ny mason'ny vahoaka. Nayomi Apsara, mpamokatra sarimihetsika, tao anaty dinidinika iray niarahana tamin'ny Groundviews [15], dia nilaza ny fomba nataon'ny media nanomezana fomba vaovao hametraham-panontaniana momba ireo olana nandrotika ny fon'ny firenentsika ho an'ireo olona izay tsy mba nametraka mahitsy ireny fanontaniana ireny mihitsy hatrizay.

Na iray aza, tsy misy midika mihitsy amin'ireo fa tonga lafatra ny GotaGoGama ary tsy misy ireo fahabangany sy ny tsy fetezany ara-ideôlôjika. Avy amin'ny tsy fisian'ny mangaraharan'ny Aragalaya voarakitr'ilay lohahevitra adare aragalaya [16] (“ny tolon'ny fitiavana”), izay nampivoitra firaisankina niaraka tamin'ireo tafika mitam-piadiana [16], ka hatramin'ireo fomba fijery ny firaisankina [17] izay indraindray somary mamaivay loatra sy manamarika fotsiny ihany, tsy ampy maripanondroana ny maha-izy azy GotaGoGama, izay mety ho azo lazaina hoe namongotra ny ratsy izy no sady nitahiry ny tsara. Kanefa, izy nirotsaka, nandranitra, nampita ary nahafahan'ireny hevitra ireny nifangaro, niketrika niadana sy nibahana ny saina amam-panahin'ny vahoaka.  Manana fahazarana manadino [18] ry zareo SriLankey, araka izay nosoratana sy nolazaina. Lohahevitra ho ana fifanakalozan-dresaka iray io, izay nanaraka ny fiverenan'i Gotabaya Rajapaksa hody tao amin'ny firenena. Angamba manipika ihany koa ny tsy fahatomombonana ara-panabeazana izay nalentiky ny rafitra ananantsika, izay ny fanabeazana tao dia natao fotsiny ho fanaovana tsianjery tsara ireo izay efa noraketina ho mariky ny fianarana, mba hanadinoana avy eo ny fampiasàna azy ho toy ny fanadinana iray hitsapàna ny tanjon'io ampaham-pahalalàna io.

Misy mihitsy aza kalitaon-tononkalo ao anatin'ny fomba izay, talohan'ny niverenan'ilay filoha taloha voaongana, nanombohan'ny antoko srilankey Podujana Peramuna [19], teo ambany fiahian'ny endriny amin'ny hoavy, ny Akademian'ny Fahaiza-mitarika ara-Pôlitika [20] mba “hanomezana fahalalàna sy fahaizamanao tsaratsara kokoa ho an'ireo olompirenena tonga saina ara-pôlitika.”

Eo no mipetraka ilay fitsapàna ho an'i Sri Lanka amin'izao fotoana izao, volana iray taorian'ny nikatonan'ny GotaGoGama.  Io dia miteraka fanontaniana momba ny fomba nampiorim-paka ny heviny tao an-tsain'ireo olona an'aliny maro nanolo-tena ho ao anatin'io habaka fianarana io, sy toy ny ahoana ny haben'ny fisaintsainana natao momba io fianarana io. Fanontaniana manandanja tsy maintsy saintsainina io rehefa mankalaza tahana fahaizana mamaky teny sy manoratra isika hoe mihoatra ny 90%. Ahoana no fiantraikan'ny fahafahana mirotsaka an-tsehatra anaty fianarana (indrindra fa amin'ny alàlan'ny vakiteny sy soratra) tamin'ny fomba fijerintsika ny fanolorantena ho an'ny firenena izay tiantsika ho tafavoaka amin'ity tonelina ity?