- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miantraika amin'ireo Azerbaijani mpiasa mpifindra monina ny ady any Okraina

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Azerbaijan, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Tanora

 

Sary avy amin'i Javier Vinals [1]. Nampiasana malalaka ny lisansa Unsplash [2].

Navoaka voalohany tao [3] amin'ny Chaikhana Media ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray ny lahatsoratra nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nianavaratra ireo taranaka mpiasa mpifindra monina [4] Azerbaijani hitady asa sy fahafahana hahazo vola misimisy kokoa ho an'ny fianakaviany.

Saingy amin'izao fotoana izao, Azerbaijani an-tapitrisany miasa ao Rosia sy Okraina no mahatsapa ho voatery hanapa-kevitra hisafidy na ny asany na ny fiarovana azy ireo satria mbola mitohy manakorontana ny toekarena eo amin'ny andaniny sy ny ankilany ny adin'i Rosia.

Nisafidy ny fiarovana i Elvin Magsudov, 33 taona, ary nifindra tany Moldova avy any Okraina taorian'ny fananiham-bohitra tsy ahoan-tsy ahoana nataon'i Rosia an'i Okraina. Saingy tsy tahaka ny fiainany tany Okraina, lafo fiainana any Moldavia ary kely ny karama. Hoy izy:

My working conditions and living expenses in Ukraine were very good compared to Moldova. The difference in salary I make in Moldova is significantly lower while the cost of living is twice what it was in Ukraine.

Tena tsara ny fepetra fiasana sy ny fivelomana tany Okraina raha oharina any Moldavia. Ambany kokoa ny elanelan’ny karama azoko any Moldavia raha toa ka avo roa heny noho ny tany Okraina ny vidim-piainana.

Tsy manana fikasana hiverina any Azerbaijan i Elvin na dia eo aza ny zava-tsarotra amin’ny fipetrahana any Moldavia, izay sarotra ihany koa ny mahita asa tsara karama. Tsy noho ny fianteheran’ny fianakaviany amin’ny vola alefany anefa.

Mihevitra ilay mpahay toekarena Natig Jafarli fa maro amin'ireo Azerbaijanis tombanana ho [5] roa tapitrisa niasa tany Rosia, ary antsasaky ny tapitrisa tany Okraina, talohan'ny ady, no mety hijanona any na dia eo aza ny zava-tsarotra sy ny loza vokatry ny ady. Indrindra fa efa mahatsapa ny fiantraikan'ny sazy mihatra amin'i Rosia sy ny fiantohana arak’asa ny fianakaviany.

“Nihena ny mpiasa, ny fahefa-mividy, ny fidiram-bola, ary misy ny sakana amin'ny fandefasana vola,” hoy i Jafarli tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny fampitam-baovao Chaikhana, ary nampiany fa tsy afaka mampiasa ny fandefasana vola iraisam-pirenena amin’ny banky handefasana vola any an-tanindrazany intsony ireo Azerbaijani ao Rosia, noho ny sazy.

Nilaza tamin'ny [5] Voice of America i Gubad Ibadoglu, mpahay toekarena, tamin'ny volana Aprily fa avy any Rosia ny 60 isanjaton'ny fandefasana vola mankany Azerbaijan tao anatin'ny sivy volana voalohany tamin'ny taona 2021, ary nampiany fa “hihena be amin'ity taona ity izany fandefasana vola izany.”

Efa mahatsapa ny fiantraikany ny any Bilajary, ambanivohitr'i Baku renivohitr'i Azerbaijan, Yegana Mamishova, 42 taona, sy ny zanany roa. Mpampianatra ao amin'ny akanin-jaza i Yegana saingy zara raha ampy hamelomana ny fianakaviana ny karamany, ka miankina amin'ny vola alefan'ny vadiny, Hafiz Mamishov, 48 taona, miaramila taloha avy any Rosia izy ireo. Nandao an'i Azerbaijan ho any Rosia i Hafiz satria tsy nahita asa tany an-tanindrazany izy taorian'ny nandaozany ny fanompoana miaramila.

My husband currently works in the construction industry in Russia. He has been working in Russia for the last 5 years and has been sending us money, but that is no longer possible.

Miasa amin'ny indostrian'ny fanorenana any Rosia ny vadiko. Efa 5 taona izy izay no niasa tany Rosia ary nandefa vola taminay, saingy tsy azo atao intsony izany ankehitriny.

Ankehitriny, mitsitsy tokoa izy ireo mba hivelomana amin'ny AZN 400 (235 USD) azon'i Yegana iray volana.

Araka ny Angon’ny Banky Iraisampirenena [6], 6,6 isanjato tamin'ny taona 2021 ny tsy fananana asa any Azerbaijan. Tamin'ity taona ity, raha [7] ny antontanisa sasany, latsaky ny 6 isanjato izany.

Saingy manamarika ny mpiasa mpifindra monina toa an'i Aliheydar Azimzade, 24 taona, fa sarotra ny mahita asa.

Taorian'ny nahazoany diplaoma tao amin'ny oniversite tany Okraina tamin'ny taona 2015, nijanona i Aliheydar, nividy trano ary nanokatra orinasa. Nandany herinandro taorian'ny fanafihana izy vao nanapa-kevitra ny hifindra tany Azerbaijan. Tsy mora anefa ny fiampitana. Hoy izy tamin'ny Chaikhana Media:

Although I am currently looking, I still cannot find a job. The biggest problem is unemployment. I plan to return to Ukraine if the war ends because my work and my house remain there.

Tsy mahita asa aho na dia mbola mitady aza aho amin'izao fotoana izao. Ny tsy fananana asa no olana lehibe indrindra. Mikasa ny hiverina any Okraina aho raha hifarana ny ady, satria any ny asako sy ny tranoko.

Sahirana ihany koa i Asaf Mishiyev, 29 taona, tamin'ny fanarenana ny fiainany tany Azerbaijan rehefa niverina avy tany Rosia dimy andro taorian'ny nanombohan'ny ady.

Miasa ho mpiangaly mozika, nandany ny ankamaroan'ny 11 taona farany nipetrahana sy niasana tao Moskoa i Asaf. Nanandrana nanorim-ponenana tany Baku izy indray mandeha saingy niverina tany Rosia tamin'ny farany noho ny karama tsara kokoa sy ny fahafahana bebe kokoa hanohizana ny asa mozikany.

There were more opportunities [in Russia], both in terms of income and music. I can give you a simple example that it is difficult to find musical instruments in Azerbaijan. Also, if Azerbaijan satisfied me, I would stay in my own country. In terms of work, this is a bit difficult.

Nisy fahafahana bebe kokoa [ao Rosia], na eo amin'ny vola miditra na ny mozika. Afaka manome ohatra tsotra ho anao aho fa sarotra ny mahita zavamaneno any Azerbaijan. Ary koa, raha nahafa-po ahy any Azerbaijan, dia hijanona ao amin'ny tanindrazako aho. Eo amin’ny lafiny asa, somary sarotra ihany izany.

Niverina tany Azerbaijan i Asaf tamin'ny taona 2017 ary nanokatra toeram-pisotroana kafe ho an'ny tanora ahafahan'izy ireo mihaino mozika mivantana sy mijery sarimihetsika. Naharitra roa taona monja anefa ilay orinasa. “Nohidiako ny toeram-pisotroana kafe ary niverina niasa tany Rosia aho. Tsy maintsy miasa ny tsirairay mba hivelomana, ​​​​izay no antony nisafidianako an'i Rosia,” hoy izy tamin'ny Chaikhana Media. Mampianatra momba ny feo sy ny gitara i Asaf amin’izao fotoana izao mba hivelomana.

 

Ho an'i Sevdiyar Hadiyev, 57 taona, tsotra ny safidy: rehefa tapitra ny ady, mikasa hiverina amin'ny fiainany tany Kharkov, Okraina izy, izay nipetrahany nandritra ny 30 taona.

Teratany avy amin'ny tanànakelin'i Lerik any Azerbaijani, tsy nahita asa tao an-tananany i Sevdiyar hatramin'ny niverenany nitsidika tamin'ny volana Septambra. Taorian'ny nonenany tany Okraina, nihitsoka tao amin'ny tanànakely niaviany izy taorian'ny ady.