Manandratra avo ny Teny Moore i Alhassan Alidu amin'ny alalan'ny fitondrana izany an-tserasera

Sary natolotr'i Alhassan Alidu ary nampiasaina nazahoana alalana.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ireo andiana antsafa  nifanaovana tamin'ireo vahiny mpampiantrano ny kaonty @DigiAfricanLang amin'ny fanentanana mihodina ao amin'ny Twitter-n'ny Rising Voices

Tena miasa marina tokoa mba hitondràna ny fiteny Moore ho anatin'ny tontolo nomerika i Alhassan Alidu. Iray amin'ireo fitenim-paritra ofisialy roa ao Burkina Faso ao Afrika ny fiteny Moore. Ireo Mossis toa an'i Alhassan no miteny azy io betsaka. Ny vahoaka Mossi no vondrona foko lehibe indrindra ao Burkina Faso, ahitana vahoaka Mossi manodidina ny 6 tapitrisa monina ao amin'ny firenena ankehitriny ary monina any ivelan'ny firenena toa an'i Ghana sy Côte d'Ivoire ireo hafa. Tamin'ny 1896, nozanahan'ny Frantsay i Burkina Faso ary nijanona ho voazanaka izy mandrapahazony fahaleovantena tamin'ny 1960. Noho io antony io dia ny frantsay no fiteny ara-teknika ofisialy ao amin'ilay firenena. Ny fiteny Moore no be mpampiasa kokoa, saingy araka izay marihan'i Alhassan, ireo lovan'ny fanjanahana dia miasa ho toy ny sakana ho an'ny fampiasana ara-nomerika ny fiteny Moore sy ireo fitenim-paritra hafa.

Amin'ny maha-tale mpantanteraka amin'ny Moore Wikimedia Community an'i Alhassan, dia omeny sehatra eo amin'ny habaka nomerika ny fiteny Moore, eo anatrehan'ny fanjazakazakan'ny haino aman-jery sy fiteny Tandrefana (ohatra ny fiteny frantsay sy anglisy), ary avelany hisy ny fiparitahana midadasika sy fahafahana miditra kokoa amin'ilay fiteny. Namorona pejy YouTube ihany koa izy misy an'ireo loharanon-kevitra ilaina manazava ny fomba fampiasana ny Wikimedia, ary koa ny kaonty Instagram manome toromarika momba ny fiteny sy manasongadina ny fandraisana anjara ataon'ireo mpikambana ao amin'ny Moore Wikimedia. Azonao arahana eo amin'ny Twitter @Hasslaebetch sy ny Moore Wikimedia Community @ @Moore_Wikimedia i Alhassan. Miaraka amin'ireo loharano ireo dia manantena hanolotra fisiana ara-nomerika foana ho an'ny fiteny Moore i Alhassan, izay ho azo ampiasain'ny vondrom-piarahamonina Moore manerana izao tontolo izao sy mandritra ny taona maro ho avy.

Rising Voices (RV): Azafady lazao anay ny momba anao sy ny asanao mifandraika amin'ny fiteny.

Alhassan Alidu (AA):  Izaho no Alhassan Alidu (AA), Hasslaebetch no fiantso ahy, ary @Hasslaebetch no kaonty Twitter-ko. Moore (Mossi) aho araka ny foko niaviana ary miteny Moore, Dagbani ary Anglisy. Burkina Faso no tanindrazan-dray aman-dreniko saingy nifindra tany Ghana ry zareo ka tany Ghana izany aho no teraka, noho izany teratany Ganeana aho. Manonta amin'ny fiteny Dagbani sy Moore aho. Na dia tsy nianatra ny fiteny Moore aza aho tamin'ny fianarako teny amin'ny Anjerimanontolo dia manampy ahy izy amin'ny fametrahana ny fiteniko ho hita anaty habaka nomerika. Miaraka miasa amin'ireo manampahaizana momba ny fiteny aho mba hananan'ny tenindreniko toerana iray, amin'ny fotoana mahamety azy, ao anaty tontolo nomerika. Manome zotom-po ho ahy hiroso hanatratra izay tanjona mety ho tratra miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Moore sy ny vahoaka Moore amin'ny ankapobeny ny traikefako tamin'ny fanontàna amin'ny fiteny Dagbani.

RV: Manao ahoana ny fiteninao amin'izao fotoana izao, anaty sy ivelan'ny tambajotra?

AA:  Marobe ny antony manakana ny fisian'ny fiteny Moore ao anatin'ny habaka nomerika. Eo amin'ny aterineto dia tsy fantatra ilay fiteny – noho ireo sakana frantsay sy anglisy. Ny fiteny Moore no tena iresahana betsaka ao Burkina Faso, saingy firenena miteny frantsay i Burkina Faso – ny fiteny frantsay no iresahana kokoa noho ny fiteny anglisy – ary vokatr'izay, very ho azy ao anatin'ny habaka nomerika anglisy ilay fiteny. Any amin'ireo firenena akaiky toa an'i Ghana mampiasa ny fiteny Moore, dia ampiasaina ny fiteny anglisy noho ny frantsay. Ivelan'ny aterineto, betsaka ny fandrosoana amin'ny fitahirizana ilay teny any anatin'ny boky sy gazetiboky. Marobe ny mpanoratra nipoitra, ary nahavita asa betsaka mikasika ilay fiteny ry zareo. Manantena isika fa handika an'io fiteny io ao anatin'ny habaka nomerika ireo mpanoratra ireo mba ho afaka hampiasa malalaka ilay fiteny ireo andian-taranaka ho avy.

RV: Inona avy no antony mandrisika anao hanao izay hahitàna ny fiteninao aty anatin'ny habaka nomerika ?

AA: Ny fahazotoako mametraka am-boninahitra ilay fiteny ho lohalaharana no antony manosika ahy mba hahazoan'ireo any lavitra ny mpiteny vazimba teratany sy izay mbola maniry hianatra na hanohy hifandray amin'ny tenindreniny. Tsy tokony ho arian'ireo taranaka ho avy ny kalitaon'ilay fiteny noho ny fanaovantsika tsinontsinona ny fitehirizana araka ny tokony ho izy ilay fiteny. Ny habaka nomerika dia manome tontolo iray tena tsara ho an'ny olona iray afaka mitahiry ny fiteniny, ny kolontsainy sy ny maripanondroana ny fireneny. Manamaivana sy mampazoto ahy ireo singa ireo mba hahitàna ny teniko aty anatin'ny habaka nomerika. Fa ankoatra izay, azo antoka fa hiasa tsy hitsahatra ireo taranaka ho avy mba hanatsara ny votoatiny avoaka eo amin'ny Wikipédia sy ireo tetikasa rahavavy rehetra.

RV: Farito ny sasantsasany amin'ireo fanamby izay manakana ny fiteninao tsy ho azo ampiasaina feno an-tserasera.

AA:   Ny tsy fisiana fahatakarana ny fitenin'ny olona iray dia mety hahakivy azy hanandrana hampiasa ilay fiteny. Ny ankamaroan'ny olona dia tsy mahita izay antony tokony hianarany ny fiteniny satria tsy ampiasaina any anaty fifandraisana ofisialy amin'ireo sampan-draharaham-panjakana ilay fiteny. Fanampin'izay, somary sarotra ny fifangaroana frantsay/anglisy. Miteny anglisy na frantsay ihany koa ireo mpiteny sasantsasany ny fiteny Moore. Koa satria fiteny iraisam-pirenena ireo fiteny ireo, dia omena laharam-pahamehana kokoa izy ireo noho ny fiteny Moore. Ireo firenena afrikàna voazanaky ny tontolo tandrefana dia nandray ireo fiteny vahiny ho fitaovam-pifandraisana ofisialy amin'ny governemanta sy ireo andrim-panjakana rehetra. Tsy mampiasa fiteny eo an-toerana ireo media sy orinasa tsy miankina. Mitarika fihenana amin'ny fahalianan'ny ray amandreny hampiasa ilay fiteny eo an-toerana miaraka amin'ireo zanany izany ary, vokatr'izay, miha-manary tsikelikely ny fiteniny ireo taranaka ho avy.

RV: Araka ny hevitrao, inona avy ireo dingana azo tsapain-tanana mety ho azo raisina hanentanana ireo tanora hanomboka hianatra ny fiteniny na hanohy hampiasa ny fiteniny ?

AA:  Ao anatin'ity tontolo misy fanatontoloana ity, ny fahafahana miresaka amin'ny fitenin-drazanao dia zavatra iray tokony omentsika lanjany. Ny firesahana matetika amin'ilay fiteny sy ny fianarana ny fiteny dia mety hahatonga ny olona iray hahafehy ilay fiteny sy hananana fahazotoana hampiasa azy. Tsy mamparisika ny mpiteny hiresaka mihitsy ny tsy fahaizana miteny tsara. Mazàna dia miresaka foana amin'izay fiteny hainy tsy miambakavaka ny olona, fa tsy izay mety ho sarotra tenenina. Tokony hahita fialamboly ao anatin'ny fiteny izay ampiasainy ny olona. Ireo trano filazambaovao, toy ny fahitalavitra, ny onjampeo dia tokony hanana fandaharam-potoana izay hampiala voly ny olona amin'ny fiteniny. Ny sarimihetsika, ny mozika, ny tononkalo ary ny vaovao dia afaka asiana ampahany amin'ny fiteny eo an-toerana dia hazoto hianatra ilay fiteny ny olona. Azo atao ihany koa ny mikarakara fampianarana fiteny ho an'ireo olona liana amin'izany, na azo ampidirina any anatin'ny fandaharam-pianarana izany mba hanamorana ny fianarana ilay teny. Ambonin'izany, mety ho azo atao ny mamolavola fitaovana an-tserasera mba hanampiana ny olona hampiasa fehezanteny fohy, hianatra voambolana vaovao, eny fa na dia hanandrana ny fanononana sy fitenenana mifandraika amin'izany aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.