- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fikambanan'ny mpanao gazety ao Makedoniana Avaratra, manameloka ny rahom-bava natao tamin'ny vehivavy iray mpanao gazety

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vonjy Voina, GV Mpisolovava
[1]

Iray tamin'ireo sary nopihan'ny mpanao gazety, Ilinka Iljoska, fotoana kely talohan'ny naharaisany fandrahonana tamin'ny 15 Aogositra. Sary an'ny Meta.mk, nampiasaina nahazoana alalàna.

Ny Meta.mk. no namoaka voalohany [2] ity lahatsoratra ity. Ampahany iray nokiraina no naverina navoaka eto noho ny fifanarahana fifampizaràna votoatiny eo amin'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation.

Nomelohin'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Makedonia (AJM) ny fandrahonana sy ny fanalam-baraka izay nataon'ny mpiasan'ny orinasam-panjakana iray Komunalna higiena – Skopje (KHS), nivazavaza tao amin'i Ilinka Iljoska, mpanao gazetin'ny masoivohom-baovao Ilinka Iljoska Meta tao Skopje, renivohitr'i Makedonia Avaratra. Ny Alatsinainy 15 Aogositra 2022 no nitrangan'izany.

[3]

Sarin'ny fako miparitaka, nalain'i Ilinka Iljoska tamin'ny 15 Aogositra tao skopje. Sary an'ny Meta.mk, nampiasaina nahazoana alalana.

Notaterin'i Iljoska fa tamin'ny Alatsinainy, rehefa nandeha niasa izy dia naka sary ireo fako niparitaka tao amin'ny zaridaina manoloana ny tranobe misy azy sy ireo kifafa tao anaty fanariam-pako monisipalin'i Skopje ao Kisela Voda. Teo indrindra no nahatonga ireo mpiasan'ny KHS, izay teo an-jaridaina tsy lavitra teo, no nahatsikaritra azy naka sary ary nanantona azy.

“Vao tonga teo amin'ny fiantsonan'ny fiara fitaterana aho, dia lehilahy iray manao akanjo sivily sy mpamafa lalana iray no niampita ny arabe ary nanatona ahy. Nilaza ilay lehilahy miankanjo sivily fa izy no tomponandraikitra, nilaza ny mombamomba ahy koa aho taorian'io, ny anarako sy ny fanampiny, ary nilaza taminy fa miara-miasa amin'ny masoivohon'ny asa fanaovan-gazety Meta ary niteny taminy hoe :”Inona no azoko hanampiana anareo?”, hoy ny fanazavan'i Iljoska.

[4]

Sarin'ny fako miparitaka, nalain'i Ilinka Iljoska tamin'ny 15 Aogositra tao skopje. Sary an'ny Meta.mk, nampiasaina nahazoana alalana.

Noteren'ilay lehilahy nitonona ho mpiasan'ny KHS ilay mpanao gazety hamafa ireo sary sady nifamaly mafy taminy, niteny taminy fa tsy tokony maka sary intsony izy. Namaly i Iljoska fa toeram-bahoaka no nalainy sary ary tsy nisy filazàna fa voarara ny fakàna sary. Avy eo fandrahonana mivantana no azony :

„Ми кажа дека знае која сум и дека и од друга екипа, од службата што е задолжена преку општината за косење на зелените површини знаат за мене и ме фотографираат кога се жалам дека не си ја вршат работата. Ми рекоа дека ќе видам што ќе ми се случи следниот пат кога ќе го шетам кучето. Се расправаа со мене сè додека не дојде автобусот за да ме испратат со зборовите: Ај влези си во автобус и друг пат да не правиш така.“

.”Nolazainy fa fantany hoe iza aho, ary nisy ekipa iray hafa izay natolotry ny governemanta monisipaly hanapaka bozaka no mahafantatra ahy koa ary ary alain-dry zareo sary aho isaky ny mitaraina hoe tsy manao ny asany izy ireo. Nilaza tamiko izy ireo fa ho hitako tsara izay hitranga amin'ny manaraka rehefa mitondra ny alikako mandehandeha aho. Nifamaly tamiko izy ireo mandra-pahatongan'ny fiara fitateram-bahoaka ary tamin'ny farany niteny tamiko izy ireo hoe :  miakara amin'izay ao anaty fiara fitateram-bahoka ary aza manao tahaka izao intsony.”

Manahy ny amin'ny  tenany manokana sy ny fianakaviany i Ilinka Iljoska ka nangataka ny fanampian'ny mpisolovava ao amin'ny AJM, ary niaraka tamin'ny fanampian'izy ireo, dia nametraka fitarainana tao amin'ny paositry ny polisy. Nohazavainy fa :

„Не само што јас лично не се чувствувам безбедно, туку заканата ја сфатив дека може да ми го отрујат или повредат миленикот. А стравувам дека и моите деца се во опасност затоа што и тие често го шетаат кучето. Ова не им се случува прв пат. И друг пат ми довикуваат и се жалат на нивните претпоставени кога фотографирам како не си ја вршат должноста. Но, ова денес беше прв пат да се осмелат да ми пристапат и грубо да бараат да бришам фотографии и да ми се закануваат дека нешто може да ми се случи ако продолжам да си ја вршам работата. Тие не само што знаат која сум, туку знаат и точно каде живеам.“

“Tsy hoe fotsiny mahatsiaro ho tsy mandry fahalemana aho, fa matahotra koa aho fa sao poizinin'izy ireo ny biby fiompiko. Matahotra aho sao ho tandindomin-doza koa ireo zanako, satria mitondra ny alikanay mandehandeha matetika ry zareo. Tsy vao voalohany ireo olona ireo no nanandrana nandrahona ahy. Talohan'izao, imbetsaka izy ireo no nivazavaza tamiko avy eny ambony [avy lavitra] ary nitaraina tamin'ireo lehibeny rehefa nalaiko sary miadana ]. Saingy ny zava-nitranga farany no fotoana voalohany nahasahian'ny olona iray nanantona ahy ary nitaky mafy [nifanatri-tava tamiko] ny hamafàna ireo sary nopihako, no sady nandrahona mivantana fa mety hisy zavatra hanjo ahy raha mbola manohy ny asako aho. Nampahafantariny ahy fa fantany tsara hoe iza aho ary fantany tsara koa hoe aiza aho no monina.”

Manentana ny Komunalna higiena ny “AJM – Skopje mba hanomboka famaizana araè-pitsipika ho an'ireo mpandika fitsipika nanao fandrahonana am-bava an'i Ilinka Iljoska mpanao gazety. Mamporisika ny orinasa ihany koa izahay hamokatra drafitr'asa ho fanabeazana ireo mpiasa mikasika ny tombontsoam-bahoaka sy ny fifandraisan'izy ireo amin'ny olom-pirenena, satria tsy vao voalohany ny Komunalna higiena – Skopje no naneho fihetsika toy io, na fomba mitovitovy amin'izany tamin'ny olom-pirenena”, hoy ny fivaky ny fanehoankevitry ny AJM [5].

Nomelohin'ny KHS ilay zava-nitranga, tamin'ny nanambaràny ny famaizana ireo nahavanona izany

Tamin'ny 18 Aogositra, namoaka filazana ampahibemaso [6] ny KHS, orinasan'ny kaominina, nanameloka ilay zava-nitranga :

[7]

Fako tsy voaangona tao Skopje. Sary an'i Ilinka Iljoska/Meta.mk, nampiasaina nahazoana alalana.

“Izahay dia tena manameloka mafy ny rahom-bava natao tamin'ilay mpanao gazetin'ny Meta.mk teo ampanatanterahana ny asany. Hiharan'ny fitsipi-pifehezana ireo mpiasan'ny Komunalna higiena – Skopje”, hoy ny valinteny voarain'ny Meta.mk avy amin'ity orinasam-bahoaka ity.

Nahitana filazana famporisihana ireo mpiasan'ny media rehetra sy ny vahoaka ihany koa tao anatin'ilay valin-kafatra, mba hanara-maso amim-pahamalinana ny asan'ny mpiasa ao aminy sy ny fiantsoana koa mba handefa mivantana ny olana rehetra any amin'ilay orinasam-bahoaka izay “misokatra sy mangarahara” hatrany.

Notaterina teny amin'ny polisy ilay rahom-bava ary ny Departemanta misahana ny Heloka bevava ao aminy no nandefa izany teny amin'ny biraon'ny Fampanoavana mahefa.

[8]

Pejy voalohany amin'ny Taratasim-pifandraisan'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety sy ireo Mpiasan'ny Media, laharana tamin'ny volana Aogositra 2022 [9].

Nandritra izany fotoana izany, ny laharana volana Aogositra tamin'ny taratasim-pifandraisana isam-bolana an'ny Sendikan'ny mpanao gazety tsy miankina sy ny mpiasan'ny haino aman-jery (SSNM) “Ny asa fanaovan-gazety amin'ny maha-Fananam-bahoaka azy” [9] dia nitantara ny zava-nitranga niaraka tamin'i Ilinka Iljoska ho ampahany amin'ny fandrakofana ny lohahevitr'izy ireo “Ny toeran'ny vehivavy ao anatin'ny haino aman-jery sy ny fanamby atrehany”.

Nitantara ny tontolon'ny vehivavy ao anatin'ny haino aman-jery ihany koa ilay taratasim-pifandraisana isam-bolana, anisan'izany ny lahatsoratra mikasika ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana mahakasika ireo vehivavy mpanao gazety sy ny fandraisany anjara eo amin'ny asa,  fikarohana iray nataon'ny Reuters Institute mikasika ny fitovian'ny lahy sy vavy eo amin'ny sehatry ny haino aman-jery [10], ny fitomboan'ny fanorisorenana atao amin'ny vehivavy mpanao gazety mpanao fanadihadiana, ary ny toeran'ireo tsindry atao amin'ny vehivavy any amin'ny haino aman-jery ao Monténégro.