Miteraka hatezerana eny anivon'ny fiarahamonina Kyrgyz ny fitomboan'ny herisetra atao amin'ireo vehivavy sy tovovavy

Sary an-drindrina maneho an'i Burulai, 20 taona, ilay mpianatra ho mpitsabo novonoin'ny mpaka an-keriny azy tao anatin'ny tobin'ny polisy. Sary an'i Mirbek Kadraliev / UN WOMEN tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, nalaza tao anatin'ireo media Kyrgyz ny fanararaotana natao tamin'ireo tovovavy sy vehivavy, nanomboka tamin'ny trangana “ala kachuu” (fakàna an-keriny an'ireo vehivavy sy tovovavy ho vadiana) ka hatramin'ny herisetra ara-nofo atao amin'ireo ankizivavy tsy ampy taona.

Tamin'ny 11 Jolay 2022, lehilahy telo teo anelanelan'ny 26 sy 27 taona no naka an-keriny tovovavy iray ho alaina ho vady tao amin'ny faritra iray tao Bishkek, renivohitr'i Kyrgyzstan. Namonjy polisy ilay niharam-boina ary nofonjaina nandritra ny 2 volana ireo voarohirohy ho mpaka an-keriny. Fotoana fohy taorian'izay ihany, tovovavy iray 17 taona no nisy an-keriny tao amin'ny faritr'i Staryi Tolchok, tsenan'ny fitaovana fanorenan-trano ao Bishkek. Teny an-dalana ho any amin'ny fivarotam-panafody izy no nahatsikaritra fiara iray nanaraka azy. Lehilahy roa no tao anatiny, ka ny iray naman'ilay olona monina teo akaikiny, izay niteny taminy fa hitondra azy. Rehefa nandà anefa izy dia notapenan'ilay lehilahy ny vavany ary notereny hiakatra ny fiara izy. Nentin'ireo lehilahy roa ireo tao an-tranon'ilay olona mipetraka eo akaikiny ilay zazavavikely, ka tao no nahafahany niantso polisy. Kanefa, narian'ireo ray amandreniny izy satria nolazain'izy ireo fa manala-baraka ny fianakaviana. Nitodika tany amin'ny “Otkrytaya Liniya” izy (Open Line) tahirim-bolam-panjakana, izay manampy ireo iharam-boina noho ny fakàna an-keriny olona hovadiana ao Kyrgyzstan.

Kyrgyzstan, firenena kely iray ao Azia Afovoany manamorona an'i Kazakhstan, Tajikistan sy Uzbekistan, no hita manana ny taha ambony indrindra mikasika ny fakàna an-keriny tovovavy ho vadiana. Araka ny voalazan'i Lesia Nedoluzhko sy Victor Agadjanian, mpikaroka momba ny isam-bahoaka sy ny fihetsehan'ny mponina, , fanambadiana iray amin'ireo telo ao amin'ny firenena no miantomboka amin'ny fakàna an-keriny, indrindra fa any amin'ireo faritany mitokana lavitra. Saika ho isan-kerinandro, re hatrany ny trangana ala kachuu, na eo efa hatramin'ny ela aza no nanamelohana ilay fandikàndalana .

Ny iray tamin'ireo ohatra tena naharikoriko indrindra izay niteraka fahatezerana teny anivoin'ny fiarahamonim-pirenena dia ny fakàna an-keriny an'i Burulai 19 taona, tamin'ny taona 2018, rehefa novonoin'ilay mpaka an-keriny azy tao amin'ny tobin'ny polisy, tao Bishkek izy. Tranga hafa iray nalaza sy nampalahelo ny an'i Aizada Kanatbekova. Tamin'ny volana Aprily 2021, tao Bishkek, andiana lehilahy dimy no naka an-keriny an'i Aizada, 26 taona. Roa andro taty aoriana, mpiandry ondry iray teo an-toerana no nahita ny fatin'ilay vehivavy nalaina an-keriny sy ny an'ny iray tamin'ireo mpaka an-keriny tao anaty fiara, teo anelanelan'ny vohitr'i Arashan sy Chokmorova ao amin'ny faritanin'i Chuy. Niteraka hetsi-panoherana feno hatezerana ireo tranga ireo, miaraka amin'ny antso fandroahana manampahefana sy hetsika ara-pitsaràna hafa, ary tsindry iray mba hanovàna ny fepetra apetraky ny lalàna mikasika ny fakana an-keriny ny vehivavy ho ampakarina. Amin'izao fotoana izao, fehezan-dalàna iray vaovao mikasika ny heloka bevava, nankatoavina tamin'ny volana Oktobra 2021 no mametraaka sazy famonjana mety ho tonga hatramin'ny fito taona noho ny fakana an-keriny.

Diabe firaisankina iray ataon'ireo vehivavy, Bishkek, Kyrgyzstan. Sary an'i Meriza Emilbekova / UN Women Kyrgyzstan tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Tamin'ireo herinandro lasa, ny fanararaotana ara-nofo atao amin'ireo ankizivavy tsy ampy taona ihany koa no nameno ny vaovao. Tao anatin'ny tranga tsy azo afenina vao haingana, lehilahy marobe, anisan'izany ireo polisy, no nanao fanararaotana ara-nofo tamin'ny ankizivavy kely vao 13 taona nandritra dimy volana teo ho eo. Tamin'ny volana Aogositra 2021, tao an-tsenan'i Dordoi tao Bishkek, noendrikendrehan'ny mpivarotra iray ho nangalatra fitaovana fihainoana amin'ny sofina “écouteurs” ilay ankizivavy kely 13 taona ary nentiny tany amin'ny polisy, izay ity farany no nanolana azy rehefa avy nandrahona azy higadra 10 taona sy handoa onitra goavana. Araka ny voalazan'ny rain'ilay niharam-boina, polisy roalahy sy lehilahy iray hafa no nifanena tamin'ny zanany vavy, nandrahona azy sy nanolana azy tamin'ny volana Aogositra 2021 ka hatramin'ny volana Febroary 2022. Teo anelanelan'izany fotoana izany, tao Sokuluk, tanàna iray ao amin'ny faritanin'i Chuy, voaheloka saingy navotsotra ny mpanolana zazalahy iray hafa 13 taona, manan-kilema, satria tapitra ny fe-potoana feran'y lalàna hitorohana ny heloka bevava. Naharitra sivy taona mahery ny fampakarana natao vao mba ho raisin'ny tribonaly an-tanana, fe-potoana voafetran'ny lalàna hitorohana, satria mbola tsy ampy taona ireo voampanga tamin'ny fotoana nanaovan'izy ireo ilay heloka.

Tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, ny fikambanam-behivavy ao amin'ny fiarahamonina sivily sy ireo vehivavy mpikatroka dia niantso ny governemanta mba handray fepetra hiadiana amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy tovovavy, izay mitombo isan'andro isan'andro, manohintohina ny fiainan'ireo vehivavy sy ireo tovovavy ao Kyrgyzstan.

Famoriam-bahoaka hanoherana ireo herisetra atao amin'ireo ankizy tao Bishkek

Ny ohatra tahaka izany dia mampiseho hoe hatraiza ny fitomboan'ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ny polisy ao Kyrgyzstan, satria raha tokony ho mpiahy dia lasa tompon'antoka amin'ny heloka bevava sy mampidi-doza ny vehivavy mitady fanampiana ireo mpiasan'ny hery fiarovana. Noho ny tsy fandraisana andraikitra ataon'ny polisy sy ny lesoka amin'ny rafi-pitsaràna, mety hitondra any amin'ny fitsarambahoaka na hetsi-bahoaka ny tranga fanararaotana herisetra ara-nofo sasany. Araka izany, tamin'ny faran'ny 2021, taorian'ny fanolanana zazavavy 16 taona, nanapa-kevitra ny handroaka ny fianakavian'ilay voarohirohy ho nanolana tao an-tanàna ny tribonaly atao hoe fitsaràna “aksakals” (tribonalin'ny loholona).

Na naneho ny ahiahiny mikasika ny firongatrin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy tovovavy aza ireo tomponandraikitra sasany ao amin'ny governemanta, ary koa nampiseho fahavononana hanavao ny rafitra fampiharana ny lalàna, dia matetika mitondra hevitra manjavozavo ireo tomponandrakitra hafa sy ireo olona mifandray amin'ny Fanjakana. Noho izany, ohatra, ny Praiminisitra Akylbek Zhaparov dia nisafidy ny hamoaka alahelo nilaza fa ny karazana “vaovao ratsy” tahaka izany any anaty media dia manimba ny fizahantany ao Kyrgyzstan:

Если посмотрим на изнасилование маленькой девочки, об этом все написали, теперь [туристы] говорят, что не будут приезжать с детьми. Помните в прошлом году [была новость], которая висела на всех сайтах три недели, об изнасиловании 72-летней бабушки. Нажимают на любой русскоязычный сайт, казахи и русские, которые хотят приехать, читают новости и выбирают другие страны.

Rehefa jerentsika ny fanolanana zazavavy iray, dia manoratra momba izany avokoa ny rehetra, ankehitriny [ireo mpizahatany] milaza fa tsy ho avy miaraka amin'ireo zanany izy ireo. Tadidionareo fa ny tamin'ny taon-dasa [nisy ireo vaovao], izay nihantona nandritra ny telo herinandro tany anatin'ireo tranonkala rehetra, mikasika ny fanolanana renibe iray 72 taona. Na iza na iza mikitika tranonkala amin'ny fiteny Rosiana, ireo Kazakhs sy Rosiana maniry ny ho avy dia mamaky ireny vaovao ireny avokoa ary misafidy firenena hafa.

Lasa fenitra eto Kyrgyzstan  ny fanaovana herisetra ara-nofo – araka ny voalazan'ireo tondro omen'ny Songadina 2021/2022 momba ny Vehivavy, Fandriampahalemana ary ny Fitoniana, ilay firenena no tsy azo antoka indrindra ho an'ireo vehivavy ao amin'ny faritra Azia Afovoany. Tamin'ny 2021, niisa 10.151 ireo trangana herisetra an-tokantrano hitan’ny minisitry ny atitany, isa avo indrindra miohatra amin'ny taona lasa. Tamin'ity taona ity, avo roa heny ny herisetra atao amin'ireo ankizy, anisan'izany ny ankizivavy. Tamin'ny 2021, 254 ny isan'ireo tranga fakàna an-keriny y hovadiana, saingy ny 84% amin'ireo no nolavina na natsahatra taty aoriana. Tsara marihana anefa fa tsy azo inoana hoe ity fitomboan'isa ity dia  vokatry ny fitomboana tranga haingana fotsiny ihany, satria ny tatitra sy ny fanoratana ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy mahavavy dia nitombo noho ny fiarahamonina  nanomboka sarotiny bebe kokoa amin'ny resaka mahavavy na mahalahy.

Fijery iray amin'ny tsenan'i Uzgen, faritanin'i Osh, Kyrgyzstan. Sary an'i Ninara tao amin'ny Flickr (CC BY 2.0).

Indrisy anefa, mbola patriarka ny fiarahamonina Kyrgyz sady neo-traditionalista amin'ny lafiny maro, mbola mametraka ireo vehivavy ho fanaka malemy ary tsy mamela azy ireo hifehy ny anjarany. Manandanja voalohany indrindra ity lafiny ity, misy fiantraikany amin'ny toetsaina ara-tsosialy, ny politikan'ny miralenta ary ny fifehezana ny herisetra ara-nofo atao noho y mahalahy na mahavavy ao Kyrgyzstan. Na teo aza ny fanomezan-toky ny firenena hizotra amin'ny lalan'ny demokrasia taorian'ny firodanan'ny Firaisana Sovietika, dia mbola ampiharina foana ao Kyrgyzstan ny herisetra ao an-tokantrano sy ny fanondranana vehivavy, ny fakàna an-keriny ny vehivavy hovadiana, ny fampanambadiana ankizikely sy ny kelinisma ( fampanekena an-tery atao amin'ireo vinantovavy vaovao manoloana ny rafozam-baviny sy ny havam-badiny), na dia efa helohin'ny lalàna aza.

Etsy ankilany, ny fifohazan'ny fihetseham-po islamika ihany koa dia nanampy trotraka an'io afo miredareda io, indraindray manimba ny toerana misy ny vehivavy, ary mazàna ireo manampahefana ara-pivavahana no miteny io olana mikasika ny lahy na vavy io miaraka amin'ny kabary feno fanavakavahana ny vehivavy. Noho izany, niteraka fahatezerana tao anaty media sosialy ny lahatsarina toriteny iray tamin'ny 6 Jolay 2022 nataon'i Sadybakas Doolov, ilay imam an'ny faritra iray tao Bishkek, satria nohamafisiny fa ny fiakaran'ny vidina hen'omby eny an-tsena dia vokatry ny fihenan-danjan'ny “henan'ny vehivavy”, tarafina avy avy amin'ny akanjony fohy. Fa ny tena mahagaga, ny Fitantanana ara-Panahin'ireo Miozolomana ao Kyrgyzstan dia tsy nahita soritra fanalam-baraka natao tamin'ny vondrona na olon-tsotra tao anatin'ilay lahatenin'ilay imam.

Santionany vitsy monja ihany ireo avy tamin'ireo fiainana an'arivony rava naseho masoandro noho ireo hetsipanoheran'ny fiarahamonim-pirenena Kyrgyz. Mandritra izany fotoana izany, ny fampiharana ilay lalàna vao nankatoavina mikasika ny herisetra ara-nofo, ny fakàna an-keriny ny hovadiana ary ny herisetra ao an-tokantrano dia toa tena tsy manjary mihitsy na lany andro, ary ny vahoaka lasa tsy manana fahatokiana intsony amin'ireo masoivoho mpampihatra lalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.