- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fitsarana misahana Fifidianana ao Brezila, ampifanakaikeziny kokoa ireo vovonana mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena, saingy mbola fanontaniana mipetraka ny momba ny fanolorantenan'ireo orinasa

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, gazety, Indostria, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Solovava, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary natolotry  Giovana Fleck

Efa hatramin'ny 2017, ny fitsarana misahana ny fifidianana ao Brezila (TSE, no ahafantarana azy ao Brezila) no manaraka akaiky ireo fandisoana vaovao momba ny fifidianana, rehefa nanomboka nahazo vahana ny hoe “fakom-baovao” nandritra ireo fifidianana natao tao Etazonia. Kanefa, tsy nisy ny fijerena mialoha izay mety ho afaka nanomanana ilay fitsarana mba hitàna ny anjara toerana niseharan'ireo media sôsialy nandritra ireo fifidianana natao tamin'ny 2018, izay niafara tamin'ny fametrahana ilay kandidà avy amin'ny farany havanana, Jair Bolsonaro, ho filohampirenena.

Nahataitra ireo manampahefana ny firongatr'ireo fandisoana vaovao tao amin'ny WhatsApp, hita any amin'ireo 99 isanjaton'ny findan'ny Breziliàna [1], ary hatramin'ny Facebook. Teo ihany koa ny nampiasàn'ny fampielezankevitr'i Bolsonaro ireo fitaovana fandefasana hafatra ho an'ny daholobe tao amin'ny WhatsApp [2], nanelezana vaovao diso namelezany ny mpifanandrina taminy, ilay avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa, Fernando Haddad. Ankehitriny, ny Fitsarana misahana ny Fifidianana dia nambara fa tsy ara-dalàna [3] ilay fomba fanao.

Ankehitriny, rehefa nahazo lesona tamin'ny zavatra niainana tamin'ny 2018 sy ny niainan'ireo firenena hafa, mba hiadiana amin'ny fandisoana vaovao momba ny fifidianana sy hamaliana bontana ireo famelezana ny andrimpanjakana demaokratika, nampifanantonin'ny Fitsarana Avo misahana ny Fifidianana mba hifanakaiky kokoa ireo vovonana, ezaka iray hamerana ny anjara toerana hotànan'ny media sôsialy ao anatin'ny fifidianana solombavam-bahoaka 2022.

Na eo aza ny hafanampo, tsy misy faneriterena no sady somary manjavozavo [4] ireo fifanarahana nametrahana ny fiarahamiasan'ny TSE sy ireo vovonana, mahatonga ny mbola fisian'ireo fanontaniana misokatra momba izay hetsika ho ataon'ireo vovonana mba hiantohana tontolo misy vaovao azo antoka, herinandro vitsy mialoha ny fihodinana voalohany amin'ireo fifidianana.

Ireo mpikaroka ao amin'ny Ivontoerana Nasiônaly momba ny Siansa sy ny Teknôlôjian'ny Demaokrasia Nomerika (INCT.DD), miaraka miasa amin'ny Anjerimanontolo Federaly ao Bahia (UFBA), izay manara-maso hoe voahaja sa tsia ny fanolorantenan'ireo vovonana, dia nahita tsy fetezana marobe [5], indrindra fa ny mifandray amin'ny fanamarinana ireo votoaty, ny hafainganan'ny fomba fikirakiràna ireo filazana, na ny fangaraharana amin'ny ady atao amin'ny fandisoana vaovao.

Ireo fifanarahana

Tamin'ny 2019, teo ambany fitondran'ilay lehiben'ny fitsaràna, Rosa Weber, nanomboka fandaharanasa iray ny Fitsaràna Avo misahana ny Fifidianana “Fandaharanasa hiadiana amin'ny Fandisoana Vaovao”, andrana faharahamaso natodika nankany amin'ireo fifidianana ben'ny tanàna, tamin'ny 2020. Tamin'ny Aogositra 2021, lasa fandaharanasa maharitra teo ambany fitondran'ny mpitsara Luís Roberto Barroso, filoha tamin'izany fotoana izany ny TSE.

Ny telo tamin'ireo mpitsara tao amin'ny TSE dia sady mpitsara ihany koa tao amin'ny Fitsarana Avo, isan'ireny ny filoha amin'izao fotoana izao, ny mpitsara  Alexandre de Moraes. Ireo andrimpanjakana roa ireo dia samy niharan'ny fanafihan'ireo [6] mpomba an'i Bolsonaro sy ireo vondrona mpankahala ny demaokrasia, izay mino fahatany fa ny fitsaràna dia miditra amin'ny fanaovana ady masina amin'i Bolsonaro. Mihoatra lavitra noho ny hafa, ny mpitsara  Moraes no tena nokendren'ireo fanafihana, satria izy no mpampiakateny tamin'ireo raharaham-pitsarana maro nahavoarohirohy an'i Bolsonaro na ireo mpiaradia akaiky azy.

Ny Febroary 2022, valo ireo vovonana niaraka nanao sonia ireo fifanarahana tamin'ny TSE, nanolo-tena hiady amin'ny fandisoana vaovao mandritra ny dingam-pifidianana: Twitter, TikTok, Facebook, WhatsApp, Google, Instagram, YouTube, ary ny Kwai. Nanomboka teo, nisy orinasa hafa, toy ny LinkedIn sy  Spotify, niditra tamin'ilay fifanarahana, isan'ireny ilay iray tsy mahazatra:  Telegram.

Tao anatin'ny volana vitsy monja, niala ny toerana naha-fahavalon'ny Fitsarana Avo azy ny Telegram ka lasa mpifanome tànana. Ny Janoary, nolazain'ny mpitsara Barroso, filohan'ny TSE, fa tsy niaraka niasa tamin'ny fitsaràna ny Telegram mba hanendry solontena iray araka ny lalàna ao amin'ny firenena, ankoatra ireo fitakiana hafa, noraràn'ny Kaongresy ny hiasàny teo amin'ny firenena. Tamin'ny Martsa, namoaka didy ilay mpitsara ao amin'ny Fitsarana Avo, Alexandre de Moraes, handràra ny asan'ny Telegram [7] ao Brezila raha toa ilay orinasa tsy mbola manaraka io fanapahankevitra farany io sy ireo didy hafa navoakan'ny fitsaràna. Fanapahankevitra noraisina ao anatin'ny raharaha manodidina ny tranga Allan dos Santos [8], blaogera iray mpomba an'i Bolsonaro voarohirohy tamin'ireo hetsika manohitra ny demaokrasia. Ny fanapahankevitr'i Moraes no hetsika farany nisehoan'ny tsy fahafaliana iray izay nihotrika nandritra ny volana maro. Na izany aza, tsy nihatra ilay fanakànana satria nanao hetsika ihany ny Telegram nony farany.

Mifototra amin'ny fifanekem-piarahamiasa ny fifanarahana nifanaovan'ireo orinasa media sôsialy sy ny TSE, izay mitanisa ireo hetsika sy fepetra tokony iarahan'ny fitsaràna sy ireo orinasa tsirairay ny fanoavana azy. Ho an'ny Telegram, [9] ohatra, takian'ilay fifanarahana ny: fanomezana ho an'ny fantsona TSE ao amin'ilay vovonana ny fitiliana voamarina, ny fahafahana miditra amin'ny API ao amin'ny Telegram, ny famoronana fantsona manokana ho an'ny TSE handefasana tatitra momba ireo votoaty tsy manaraka fepetra, ny fametahana marika amin'ireo fandisoana vaovao, ary fandraisana anjara amin'ireo fivoriana mahazatra iarahana amin'ny TSE.

Amin'ny ankapobeny, ireo fifanarahana dia manery ireo vovonana – na inona na inona endriny sy fotodrafitrasa iasan'izy ireny – hirotsaka amin'ny fanaovana ho laharam-pahamehana ireo vaovao ôfisialy ho toy ny fitaovana iray hanalefahana ny fiantraika ratsin'ireo vaovao diso momba ny dingam-pifidianana breziliàna.

WhatsApp, mbola itodihan'ny mason'ny rehetra hatrany noho ny anjara toerany nandritra ireo fifidianana tamin'ny 2018, dia nanolo-tena hametraka na hanampy amin'ny fametrahana andiana fepetra ho fanapariahana “vaovao azo itokiana sy tsara kalitao momba ny dingam-pifidianana, toy ny fahafahana miditra amin'ny API sy ny fanamboarana sary fametaka (sticker) momba ny fifidianana ho ampiasaina ao anatin'ilay fampiharana,” hoy ny fanamarihana iray nalefan’ [10]ny TSE.

Na dia efa izany aza, niteraka korontana ihany ny WhatsApp noho ny fanapahankeviny hampiato ny fandefasana ireo bokotra Vondrom-piarahamonina, izay mamela vondrona maromaro kokoa sy fandefasana hafatra maromaro kokoa, hatrany aorian'ny fifidianana. Nahatezitra an'i Bolsonaro ilay fanapahankevitra, izay nihevitra fa nanaraka ny baikon'ny TSE ny WhatsApp — nefa tsy izay no zavamisy. Saingy, ankoatra ireo tombontsoa manokan'i Bolsonaro, ny toerana noraisin'ny WhatsApp dia niteraka ahiahy ihany koa teny anivon'ireo manampahefana izay mahatsapa fa tsara kokoa raha tsy apetaka ilay bokotra raha tsy amin'ny 2023, noho ny fahatahorana korontana eo anelanelan'ny fihodinana faharoa sy ny fotoana fanokanana. Ankoatra izay, heverin'ny ao amin'ny fampanoavana ao Brezila ho toy ny fikororosian'ireo ezaky ny orinasa hiadiana amin'ny fandisoana vaovao [11] ny fandefasana vondrona midadasika kokoa.

Tsy misy fanerena anefa ireo fifanarahana rehetra, midika izany fa tsy hisy ny fampiharana raha toa misy vovonana tsy manaja ireo asa voatanisa ao anatin'ilay fifanekem-piarahamiasa. Ambonin'izany, tsy ampy mangarahara ny fivoarana tsy mitsahatr'ireo fifanarahana nifanaovan'ny fitsaràna sy ireo vovonana, midika fa ny fiarahamonina, amin'ny ankapobeny, dia zara raha mahazo vaovao momba ny fomba fizotran'ilay fiarahana miasa.


Azafady, tsidiho ny pejin'ny tetikasa  mba hahazoanao misimisy kokoa ireo tantara avy amin'ny Unfreedom Monitor [12].