Tanàna atao fahirano: Ahoana ny fomba fanampenam-bava ny gazety any Zimbaboe

Sary an'i Ameya Nagarajan

Ahariharin’ny fikarohan'ny Global Voices Advox ny fihenjanana mitombo eo amin'ny fitantaran'ny governemanta mikasika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fanakatonana ny habaka ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Zimbaboe. Tsy azo ihodivirana, miha-betsaka ireo mpanao gazety tsy miankina tafiditra anatin'ny tolona ho amin'ny fanjakazakana amin'ny resaka nasionaly. Ao anatin'ny filaharana mikasika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eran-tany, nidina isa 7 ho any amin'ny faha-137 ny toerana misy an'i Zimbaboe tamin'ny taona 2022 raha oharina amin'ny taona 2021.

Na manaraka ny tsipika, na mandao ny sambo

Asongadin'ny lalàm-panorenana ao Zimbaboe eo amin'ny andalana faha-61 ny mikasika ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny haino aman-jery, raha toa kosa ny andalana faha- 44 mametraka adidy amin'ny Fanjakana sy isaky ny sampan-draharaha rehetra ao amin'ny governemanta mba hanaja, hiaro, hampiroborobo ary hanatanteraka an'ireo zo sy fahalalahana voalaza ao anatin'ilay sata. Na izany aza, ny vaovao vao haingana, indrindra ny mikasika ny fomba itondràna ny gazety sy ireo feo hafa dia mampiseho fa marefo ny fankatoavana ny lalàm-panorenana. Lasa miha-poizina hatrany hatrany ho an'ireo mpanao gazety ny tontolo politika ao amin'ilay firenena satria samy niasa ho mpanimba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny Fanjakana sy ny antoko mpanohitra. Ho famokarana fitantarana eken'ny Fanjakana na ny antoko mpanohitra, voafandrika ao anaty ady stratejika ireo mpanao gazety. Ny fisian'ny tontolon'ny haino aman-jery sosialy mavitrika dia tsy manamora ny toe-draharaha, ary mamela ny asa fanaovan-gazety ho anaty toerana mampidi-doza.

Taorian'ny nahalany azy tamin'ny taona 2018, nampanantena ny Filoha Emmerson Mnangagwa fa hiala amin'ny politika tsy refesi-mandidy nataon'itpkl Robert Mugabe, anisan'izany ny fanavaozana midadasika ireo andrim-panjakana sy ny haino aman-jery. Noheverina ho hita tao anatin'ity dingana ity ny fanajàna hentitra ny lalàm-panorenana, ary koa ireo fanovàna ny rafi-panjakana sy ny mpanao lalàna ho ampahany amin'ilay mantra vaovao hoe “Misokatra ho an'ny fandraharahana i Zimbaboe”. Na izany aza, norahonana ireo mpanao gazety avy amin'ny haino aman-jerim-panjakana taorian'ny nanatrehany famoriam-bahoaka nokarakarain'ny antoko mpanohitra, ary tamin'io fotoana io ihany, nisy trangan-javatra vitsivitsy voatatitra, izay nandritra izany, ny Mpitarika ny fiarahamientan'ny olom-pirenena ho an'ny fanovàna avy amin'ny antoko mpanohitra no nikasi-tànana mpanao gazety nandritra ny sasany tamin'ireny famoriam-bahoaka ireny.

Tao anaty tafatafa tamin'ny imailaka niaraka tamin'ny Global Voices, notsipihan'ny Profesora Stephan Chan, mpampianatra pôlitika iraisampirenena ao amin'ny sekoly ambony fianarana momba ny faritra atsinanana sy Afrika, fa misy disadisa goavana mialoha ny fifidianana amin'ny 2023 ary fantatry ny governemanta fa tsy mandeha ny politikany ara-toekarena. “Tena mailo ny mpanohitra amin'ny hevitra filalaovana mialoha loatra ny lalaony ary samy miahiahy ny roa tonta, indrindra fa ny asa fanaovan-gazety fanadihadiana,” hoy ny nambarany. Miaraka amin'ny taha fidirana amin'ny aterineto somary ambony, izay ny 30,6% amin'ny mponina no nanana fidirana tamin'ny aterineto tamin'ny Janoary 2022, dia mailo hatrany ny governemanta amin'ny zava-misy hoe maro kokoa ireo olona afaka mahazo vaovao sy torohay avy amin'ny vovonana nomerika. Nohamafisin'i Chan fa fantatry ny governemanta fa tsy afaka mampihena io fidirana io amin'ny fotoana rehetra izy, izay no antony hihazakazahany amin'ny fanarahamaso ireo mpanao gazety. “Koa, mifantoka betsaka amin'ireo mpanao gazety mahasarika olona ny fanarahamaso ataony”. Amin'io lafiny io, na dia misy aza ny fanarahamaso ankapobeny, tena voafaritra manokana ny ho kendrena”, hoy izy.

Fanoritana fironana manjavozavo : Ny Civic Media Observatory

Fomba fikarohana amin'ny fanadihadiana ny Civic Media Observatory (CMO) ampiasaina hamantarana sy hanaraha-maso ireo zoro sy lohahevitra fitantarana manan-danja izay mivoatra arakaraky ny tranga sy ny fironana, amin'ny fiheverana ny zavatra manodidina ny tranga sy ny foto-dresaky ny media. Ireo porofo voaangona ao amin'ny angondrakitry ny CMO Zimbaboe dia milaza fa ireo mpisehatra mifandray amin'ny Fanjakana no tena tompon'antoka voalohany amin'ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, manomboka amin'ny fisamborana tsy ara-drariny, ny famonjana noho ny fiampangana tsy misy dikany, indraindray, herisetra ara-batana.

Tamin'ny 17 Aogositra 2021, Elizabeth Mashiri, mpanao gazety monina ao Gweru no nahita raharaha tamin'ny polisy taorian'ny nakàny sary ny fifandonana nisy teo amin'ny mpivarotra amoron-dalana sy ny mpampihatra lalàna tao an-tanànan'i Midlands. Mitovy tamin'izay koa, tamin'ny 7 jolay 2022, nodarohan'ny polisy noho ny fakàny sary ireo fifandonana nisy teo amin'ny polisy sy ireo mpivarotra teny an-dalamben'i Harare ilay mpanao gazety Anyway Yotamu, nosamborina ary nogadraina. Farany, tamin'ny 4 jona 2022, mpanao gazety tsy miankina, Simbarashe Sithole, no narahonan‘ny mpikatroka ara-politika iray hodarohana taorian'ny namoahany lahatsoratra roa mikasika ny fisiana kolikoly ao amin'ny fari-piadidian'ny Minisitry ny Atitany, Kazembe Kazembe. Ny 24 Jona 2020, mpanao gazety roa, Leopold Munhende sy Munashe Chokodza, no nosakanana sy nampiharan'ireo miaramila enindahy herisetra feno habibiana noho ny filazàna azy ireo ho nandika  ny lalàna mifehy ny fivezivezena mandritra ny COVID-19.

Ireny fanafihana ireny, anisan'ireo andiana trangan-javatra hafa, dia mampiseho fa tsipika iray mampidi-doza no izoran'ny gazety eo anelanelan'ny fiarovam-pirenena sy ny adidy maha-matihanina hanaovana tatitra marina mikasika ireo olana mitranga ao Zimbaboe. Io dia ampilaharina amin'ny fitantarana ny fandriampahalemana sy ny firoboroboana izay tian'ny governemanta haparitak'ireo mpanao gazety miasa ao amin'ny firenena, tahaka ny antso teo aloha nataon-dRamatoa Monica Mutsvangwa, Minisitry ny Serasera, tamin'ireo mpanao gazety mba hampiroborobo ny endriky ny firenena.

Veloma farany ho an'ny haino aman-jery ?

Tao anaty tafatafa iray, nilaza tamin'ny Global Voices ny Vivid Gwede fa manondro fironana ankapobeny amin'ny fanakatonana ny habaka demokratika ny firongatry ny fanafihana gazety nanomboka tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2018.

“Nisy ny fanafihana ny fahalalahana miteny sy fivoriana, hita tamin'izany ny fandraràna fihetsiketsehana mba hampanginana ireo feo manohitra, indrindra fa ireo fanamby ara-toekarena, sahala amin'ny fidangan'ny vidim-piainana tafahoatra, rehefa antomotra ny fifidianana 2023. Lasibatra izy satria ny asa fanaovan-gazety no fanalahidin'ny fitazonana ny governemanta ho tompon'andraikitra,” hoy izy.

Marihan'i Gwede fa hatramin'ny nankatoavana amin'ny ankapobeny ny habaka an-tserasera ho manana ny fahafahana manohintohina ny fitoniana sy ny filaminana manerana izao tontolo izao, dia nampiasain'i Zimbaboe ny fitantarana mikasika ny filaminana sy fitoniana mba hamerana ny zo omen'ny lalàmpanorenana, toy ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan'ny haino aman-jery. Nolazainy fa hisy fiantraikany amin'ny kalitaon'ny fifidianana ao amin'ny firenena ny famerana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ary misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fitantanana tsara ny filaharana ambany misy ny fahalalahan'ny haino aman-jery.

“Ny antony dia satria ny gazety tokony ho afaka manao tatitra malalaka sy mampahafantatra ny fiarahamonina mikasika ireo olana fototra tahaka ny zon'olombelona sy ny kolikoly izay misy fifandraisany amin'ny fitantanana tsara, ny fandraisana andraikitra ary ny demokrasia,” hoy i Gwede nanamafy.

Fanontaniana fototra iray amin'ny fikarohana ny hoe fampiasana sehatra nomerika amin'ny fampitàna faobe ny vaovao sy fifandraisana ho an'ny daholobe fotsiny ve no miteraka loza mitatao ho an'ny fisian'ny fitantarana nentim-paharazana fanaon'ny fanjakana, sa misy antony hafa tokony hosaintsainin'ireo mpikaroka.

Manamafy i Gwede fa voahelingelin'ny teknolojia nomerika ny ampihimamba nentim-paharazana ataon'ny fanjakana amin'ny vaovao, ary midika koa izany fa lasa miha-toherina sy iadiana hevitra be ireo fitantaran'ny fanjakana ny fiarahamonina eny amin'ny habaka nomerika.

“Raha ny marina, manana traikefa kokoa ankehitriny ny olom-pirenena sy ny haino aman-jery amin'ny famolavolana fitantarana vaovao sy fanoherana ny fitantarana mikasika ny fiarahamonina, na mijery indray ireo fomba fijery voahilikilika anatin'ny fifaninanana miaraka amin'ny fitaovam-panjakana na ivelan'ny fitaovam-panjakana,” hoy izy.

Amin'izao fotoana izao, tsy maintsy miaritra toerana sarotra sy mampidi-doza ireo mpanao gazety amin'ny fampahalalana ny vaovao ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.