Nampiana marika nomerika miafina ny sehatra media sosialy Shinoa hanaraha-maso fizarana pikantsary

 

Sary noforonina avy amin'ny pikantsarin'ny Douban.com

Farafahakeliny sehatra media sosialy Shinoa roa no nanampy script tamin'ny tranonkalany sy ny fampihatrany mba hamoronana marika nomerika miafina (盲水印) hanaraha-maso ny mpisera voalohany nizara pikantsary.

Ny marika nomerika dia mari-pamantarana nomerika nasiana kaody ary nampidirina tao anaty angona feo, horonantsary na sary. Matetika izy io no ampiasaina hamantarana ny zon'ny mpamorona. Na izany aza, toa namboarina hifanaraka amin'ny sivana ao Shina ny teknolojia.

Noho ny sivana tafahoatra ao amin'ny sehatra ho an'ny daholobe an-tserasera ao Shina, maro ireo mpisera no nifindra tany amin'ny sehatra media sosialy tsy dia natokana ho an’ny daholobe loatra mba hifanakalozana hevitra. Matetika ny mpisera rehefa mahita vaovao manan-danja na fifanakalozan-kevitra mahaliana no maka pikantsary ary mizara ireo sary amin'ny sehatra ho an'ny daholobe, anisan'izany ny Twitter. Manasarotra ho an’ny sivana hanarahan’ny manampahefana maso izay namoaka ny vaovao tany am-boalohany anefa ity fomba fanao ity.

Afaka mampiditra kaody miafina ao anaty pikantsary ilay sript ao amin'ny tranokala na fampiasa. Misy fampahalalana momba ny loharanon'ny sary, ny fanamarinan’ora ary ilay mpisera naka ny pikantsary ny kaody. Azo aseho amin'ny alàlan'ny fanitsiana ny lokon’ny sary ilay marika miafina.

Douban, sehatra an-tambajotra misy mpisera miisa 200 tapitrisa mizara votoaty mifandraika amin'ny sarimihetsika, boky, mozika ary vaovao, no sehatra media sosialy voalohany nampiditra ilay marika endri-tsoratra jamba. Maro no nampiasa ny sehatra hamoronana vondrona fandalinana. Tena mavitrika ao amin’ny Douban ny vondrona feminista sy LGBTQ+, ary toerana malaza ho an'ny fikatrohana sy ny sobakolontsaina, toy ny hetsika mandry mitsilany, ka mahatonga azy ho lasibatry ny famoretana.

Tamin'ny volana Desambra 2021, nanome baiko ny mpivarotra fampiasa mba hanala fampiasa maherin’ny 100 i Beijing, anisan'izany i Douban, noho ny olana  fitanan-tsiambaratelo sy ny fiarovana. Iray volana talohan'ny nitsidihan'ny antokon’olona manokana avy amin'ny Fitantanan-draharahan'ny habaka ao Shina ny biraon'ny Douban mba “hanitsy ny korontana lehibe an-tserasera” tamin'ny volana Martsa 2022, dia  nanampy ny endrika marika miafina tamin'ny fampiasa ho an’ny vondrona karajia an-tserasera ny sehatra.

Araka ny fanazavana ofisialy nataon'ny Douban, ahitana fampahalalana momba ny ID (karapanondro) an'ilay mpisera izay nanatontosa ilay pikantsary, ny ID an'ilay mpisera tompony na namoaka ny votoaty ary ny famantaran’oran'ny pikantsary ny marika mandehahoazy.

Ny fanadihadiana ara-teknika natao tany am-boalohany no nampiseho fa tsy voafafan'ny mpisera amin'ny alàlan'ny fanitsiana pikantsary  mahazatra toy ny fanodinana ny endriky ny sary, ny fanapahana sary, ny fanovana ny habeny, ny fanampiana pixel ary ny fanitsiana ny hazavana ny soritry ny mpisera tao amin'ny marika.

Tsy niteraka resabe loatra izany raha nanamarika ny sasany fa hanakana ny mpisera amin'ny media sosialy tsy hampifandray vaovao avy amin'ny sehatra iray mankany amin'ny iray hafa ny endrika marika, satria heverina ho voatokana ny vondrona karajia Douban.

Na izany aza, taitra ireo mpisera aterineto rehefa nanomboka nanandrana ny endrika marika jamba ny Zhihu, tranonkala momba ny fanontaniana sy valiny, tamin'ny fiandohan'ny volana septambra 2022. Namoaka ny kaody miafina tamin'ny alàlan'ny fanitsiana ny lokon'ny pikantsary ilay mpisera Twitter @inroading:

After Douban, Zhihu (website and mobile app) also added the blind watermark feature. Now screenshot sharing has become a risky endeavour. 

Taorian'ny Douban, nanampy  endrika marika jamba ihany koa ny Zhihu (tranonkala sady fampiasa finday). Lasa mety hampidi-doza ankehitriny ny fizarana pikantsary.

Toa nampiato ny script ny Zhihu rehefa nilaza ny ahiahiny ireo mpisera. Na izany aza, maro no manahy fa hampihatra ireo fomba fiasa ireo amin'ny sehatra media sosialy Shinoa no hiafaran’ny sivana Shinoa.

Mandritra izany fotoana izany, maro no mizara fomba hiodinana amin'ilay endrika marika. Ity misy soso-kevitra tsotra iray:

Mora ny manafina ny diany. Dingana 1: Makà pikantsary iray. Dingana 2: Sokafy ny pikantsary ao amin'ny rafitra rakitra, piho sary indray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.