Natao diabe tao afovoan-tanàndehiben'i Bangkok ny sarin'ireo mpikatroka nanjavona

 

Activists Siam Square

Ireo mpandray anjara tamin'ny hetsika nitafy harona plastika sy sora-baventy misy sarin'ireo mpikatroka Thailandy nanjavona. Sary sy fanazavana avy amin'i Prachatai. Nampiasaina nahazoana alalana.

Ny Prachatai, tranonkalam-baovao mahaleo tena ao Thailandy, no namoaka ity lahatsoratra ity voalohany ary navoakan'ny Global Voices eto indray ny lahatsoratra nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Ho fanamarihana ny Andro Iraisampirenena ho an'ireo Nanjavona tamin'ny 30 Aogositra, olona am-polony mpikambana ao amin'ny vondrona mpianatra mpikatroka Mok Luang Rim Nam no nivory tao amin'ny fihaonan-dalana Ratchaprasong ao afovoan-tanànan'i Bangkok. Nisy ny parady kely nataon'ireo mpikatroka tao amin'ny Kianjan'i Siam mba hanairana ny saina momba ny fanjavonana an-keriny. Nitondra ny sarin'ireo mpikatroka nalaina an-keriny, izay hita faty ny sasany tamin'izy ireo taty aoriana, ny mpanao diabe.

Nolanjain’ny vondrona ny sarin'i Porlajee Rakchongcharoen, Surachai Danwattananusorn, Wanchalearm Satsaksit, ary Siam Theerawut — Thailandey niharan’ny fanjavonana an-terisetra. Nanantona ny sarin'ireo niharam-boina teo amin'ny tendany, nanarona ny lohany tamin'ny harona plastika ny sasany ho fakana tahaka ny teknika fampijaliana amin’ny fanemporana.

Mpikatroka mpiaro ny tontolo iainana Karen hita farany tamin'ny volana Aprily 2014 i Porlajee Rakchongcharoen raha mbola notanan’ny tompon'andraikitra tao amin'ny valan-javaboary Kaeng Krachan ao amin'ny faritanin'i Phetchaburi. Nanjavona tamin'ny volana Desambra 2018 tany amin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina i Surachai Danwattananusorn, mpikatroka menavazana nandositra ny firenena taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014, ary hita tany amin'ny sisintany Thai-Laos ny fatiny taty aoriana. Nandositra ihany koa i Siam Theerawut tamin'ny taona 2014 ary nosamborin'ny manampahefana Vietnamiana tamin'ny taona 2019 talohan'ny nandefasana azy tany Thailandy. Mbola tsy fantatra moa ny toerana misy azy.

Raha niresaka tamin'io fotoana io, nilaza ilay mpikatroka Tanruthai Thaenrut fa te hanaitra ny saina momba ny fanjavonana an-terisetra ny vondrona, mba hilazana amin'ny vahoaka fa tsy miraharaha ireo fanjavonana ireo ny governemanta ary mampangina ny vahoaka mba hahatonga ny fanjavonana ho toy ny mahazatra.

Nanombana ny tatitra nataon'ny Vondrona Miasa ao amin'ny Firenena Mikambana tamin’ny taona 2020 momba ny Fanjavonana An-terisetra na Tsy An-tsitrapo fa farafahakeliny miisa 75 ny olona niharan'ny fanjavonana an-keriny tao Thailandy. Tsy hita popoka ireo Thailandey mpialokaloka ara-politika miisa sivy monina any amin'ireo firenena manodidina hatramin'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tamin'ny 2014. Roa no hita faty taorian’izay. Tsy mbola nisy fivoarana ny fanadihadiana momba ireo fito hafa nanjavona.

Tazana niambina teo amin’ny foiben’ny polisim-pirenena ny polisy manao fanamiana fony teny an-dalana ho any amin’ny kianjan’i Siam. Voalaza fa naka sary ireo mpandray anjara ny polisy manao fanamiana sivily mialoha ny nanombohan’ny hetsika.

Rehefa tonga tany amin'ny toerana halehany izy ireo dia tonga niaraka tamin'ny polisy hafa ny tompon'andraikitra ao amin'ny tobin'ny polisy Pathumwan, mba hanara-maso mangina ny zava-misy.

Nandritra ny fivoriana, nanao fampisehoana maneho ohatra ny fakàna an-keriny ireo mpikatroka. Nametraka harona mainty teo ambonin'ny lohan'i Tanruthai ny iray tamin'ireo mpandray anjara nandritra ny nandraisany fitenenana. Roa hafa avy eo no nitondra azy niala teo raha nikiakiaka ireo mpikatroka hafa nanao hoe: “Avotsory ny namanay.”

Photo of Wanchalearm Satsaksit

Sarin'i Wanchalearm Satsaksit, iray amin'ireo mpikatroka nanjavona tany an-tsesitany. Sary: Prachatai.

Nilaza i Mint, mpandihy nentim-paharazana Thailandey lasa mpikatroka izay nandray anjara tamin'ny diabe, fa midika ny fampisehoana fa mety iharan'ny fanjavonana an-keriny ny olona rehetra. Nomarihiny fa  nalaina keriny teo afovoan'i Bangkok i Somchai Neelapaijit, mpisolovavan’ny zon'olombelona, ary nampiany fa mbola tsy fantatra ny niafaran'ny ankamaroan'ny olona nanjavona.

“Mety ho ianao ny olona manaraka. Mety ho izay rehetra, izay rehetra te hiresaka momba ny olana, izay rehetra maniry ny tena demokrasia, izay rehetra te haneho ny heviny,” hoy i Mint.

Nanamarika i Mint fa nisy polisy vehivavy naparitaka teny an-toerana teo am-panatanterahan'izy ireo ny diabe, inoana fa mba hanala azy ireo tsy ho eo amin'ny toerana nanaovana ny fihetsiketsehana.

I don't know how remembering people who disappeared is a threat to national security. Do you think we pose a threat to national security? Does anyone here have an army? Do I have a gun? No. Do I have soldiers? No. I only have you journalists, myself, and a bag. I don’t have bodyguards. I could disappear at any time.

So, we have organised this event to look back at the twisted things that have happened in this country. They call it democracy but you can be abducted or killed for just expressing your opinion.

Tsy haiko hoe maninona no atao hoe mandrahona ny filaminam-pirenena ny fahatsiarovana ireo olona nanjavona. Heverinareo ve fa manohintohina ny fiarovam-pirenena izahay? Misy manana fitaovam-piadiana ve eto? Manana basy ve aho? Tsia. Manana miaramila ve aho? Tsia. ianareo mpanao gazety, ny tenako, ary ny harona ihany no ananako. Tsy manana mpiambina aho. Mety hanjavona aho amin’ny fotoana rehetra.

Noho izany, nikarakara ity hetsika ity izahay mba hanaovana jery todika ny zava-dratsy teto amin’ny firenena. Demaokrasia no iantsoan'izy ireo an'izany saingy mety alaina an-keriny na vonoina ianao noho ny fanehoan-kevitra nataonao fotsiny.

Nilaza i Chan (solon'anarana), 18 taona, mpandray anjara iray hafa izay tao amin'ny lisitry ny arahan'ny manampahefana maso, fa maniry izy mba hanana fo mangoraka amin'ireo niharam-boina ireo manampahefana.

… think of the hearts of family members who have been forced to live with loss. One day it could be someone close to you. Don’t use the excuse that ‘superiors ordered it’ – in the future, in your children or grandchildren’s time, it could be your children or grandchildren who get it.

Nobody should be disappeared because they think differently.

… eritrereto ny fon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay voatery niaina tamin’ny famoizana. Indray andro, mety ho olona akaiky anao izany. Aza mampiasa ny fialan-tsiny hoe ‘nanome baiko ny lehibe’ – amin'ny hoavy, amin'ny andron'ny zanakao na ny zafikelinao, mety ho ny zanakao na ny zafikelinao no sendra izany.
Tsy misy olona tokony hanjavona noho ny fananana hevitra hafa.

Talohan'ny fiafaran'ny fihetsiketsehana, nanao fampisehoana maneho ohatra ny fakàna an-keriny ireo mpikatroka. Nametraka harona mainty teo ambonin'ny lohan'i Tanruthai ny iray tamin'ireo mpandray anjara nandritra ny nandraisany fitenenana. Nisy roa hafa nitondra azy avy eo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.