Norahonan'ny nosy Solomon tsy hiditra ny firenena ireo mpanao gazety vahiny ”tsy manaja”

 

Pacific Games stadium

Ny kianjan'ny lalao Pasifika, iray amin'ireo tetikasa natsangan'i Shina tao amin'ny Nosy Solomon. Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny Four Corners, ABC

Nampitandrina ny governemantan'ny Nosy Salomon fa tsy mahazo miditra ao amin'ny firenena ireo mpanao gazety “tsy mahay manaja”.

Ny 24 aogositra, nanakiana ny fandaharan’ny Four Corners an'ny Australian Broadcasting Corporation (ABC) ny biraon'ny praiminisitra Manasseh Sogavare noho ny andiana lahatsary mitondra ny lohateny hoe “Pacific Capture: How Chinese money is buying the Solomons” (Ahoana no fomba ividianan’ny vola Shinoa ny nosy Solomons) izay miresaka momba ny fitomboan'ny herim-pitaoman’ny governemantan'i Beijing ao amin'ny Nosy Solomon.

…title suggests to the unsuspecting mind that Solomon Islands is for sale. ABC with its vast viewership in the region had chosen to parade its anti-China attitude using Solomon Islands as its springboard to cause geopolitical fear and uncertainty in the region.

…milaza amin'ny saina tsy miahiahy ny lohateny fa amidy ny Nosy Solomon. Nosafidian'ny ABC amin'ireo mpijery maro ao amin'ny faritra ny haneho ny fihetsika anti-Shina amin'ny fampiasana ny Nosy Solomon ho toy ny toeram-piaingana hamoronana tahotra sy fanjavozavoana zeopolitika ao amin'ny faritra.

Nanao izay hifandraisana akaiky kokoa tamin'i Shina ny governemanta Sogavare taorian'ny nitsaharan'ny fifandraisana ara-diplomatika tamin'i Taiwan tamin'ny taona 2019. Nankasitraka sy nampiroborobo ny fanitarana ny fanampiana sy ny fampiasam-bola Shinoa tao anatin'ny telo taona farany izy. Tamin'ny volana martsa, niteraka adihevitra be tany amin’ny faritra ny fiporitsahan’ ny fifanaraham-piarovana teo amin'ny firenena roa tonta ary nahazoana fanehoan-kevitra betsaka avy amin'ireo firenena matanjaka hafa ao amin'ny Pasifika toa an'i Aostralia sy i Etazonia. Nolavin'i Sogavare hatrany ny fametrahana toby miaramila Shinoa any amin'ny Nosy Salomon.

Niampanga an'i ABC ho manaparitaka vaovao diso ny fanambaran’ny praiminisitra:

We will not allow bad press to grow seeds of disharmony in a country that is going through its nation building process.

Media freedom must not be used to undermine a state’s stability based on misinformation and biased reporting.

Tsy ho avelanay hamboly savorovoro ao amin'ny firenena izay ao anatin’ny dingana fananganana firenena ny gazety ratsy loha.
Tsy tokony hampiasaina ny fahalalahan'ny fampitam-baovao hanimbana ny fitonian'ny fanjakana anaovana vaovao diso sy ny tatitra mitanila .

Nampiany ihany koa fa mamofona fanavakavaham-bolon-koditra ny tatitra ataon’ny ABC. Azo ampiasaina ho antony hanakanana ny mpanao gazety ABC sy ireo mpanao gazety vahiny hafa izay manao fihetsika mitovy amin'izany tsy hiditra ao amin'ny firenena ireo fiampangana ireo.

ABC is trying to tell the Solomon Islands people that because the Government of Solomon Islands is opening up to partners who are not, in the opinion of ABC, white and does not operate a democratic system it is wrong, unfit and corrupt. This is racial profiling and at best promotes racism and racial stereotyping.

When you chose to come to our Pacific Islands, be respectful, be courteous and accord the appropriate protocols.

Such organizations or journalist who possess such qualities will not be allowed to enter Solomon Islands and other Pacific Islands nations.

Miezaka milaza amin'ny vahoakan'ny Nosy Salomon ny ABC fa ratsy ny Governemanta ao amin'ny Nosy Salomon, tsy mendrika ary manao kolikoly noho ny fisokafany miara-miasa amin’izay tsy fotsy hoditra ary tsy mampiasa ny rafitra demokratika, araka ny hevitry ny ABC. Famaritana ny fanavakavaham-bolon-koditra izany ary tena mampiroborobo ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fijery an-tendrony ara-bolonkoditra.
Manajà, mahalalà fomba ary araho ny fenitra mifanaraka amin'izany rehefa nisafidy ny ho tonga eto amin'ny Nosy Pasifika ianareo.
Tsy avela hiditra ny Nosy Solomon sy ireo firenena hafa ao amin'ny Nosy Pasifika ireo fikambanana na mpanao gazety manana toetra toy izany.

Ny “fahamarinana sy fahamendrehana” no ijoroan’ny ABC amin'ny fandaharan’asany. Nampahatsiahiviny tamin'ny governemantan'ny Nosy Salomon ihany koa fa nisy manam-pahaizana tao an-toerana nohadihadiana tao amin'ilay horonantsary.

…we were determined to tell the story from the perspective of Solomon Islanders and the program reflected their concerns. Its main interviews were with two eminent Solomon Islanders, rather than relying on “foreign experts” as is often the case.

… tapa-kevitra izahay ny hilaza ny tantara amin'ny fomba fijerin'ny mponin'i Solomon ary naneho ny ahiahiny ilay fandaharana. Tamin'ireo olona monina ao amin’ny Nosy Solomon malaza roa no tena nanaovana ny fanadihadiana, fa tsy niantehitra tamin'ny “manam-pahaizana vahiny” toy ny mahazatra.

Nanazava ihany koa ny mpanao gazety ABC iray fa imbetsaka izy ireo no tonga tany amin’ny biraon’ny praiminisitra.

Tsy misy ifandraisany amin’ny “fitantarana manambany” sy izay rehetra ifandraisany amin’ny fitondram-panjakana any Honiara tsy mahazaka fanadihadiana izany. Nikasa hiantsafa tamin'ny PM Sogavare ny Four Corners 10 herinandro talohan'ny nandefasana ny fandaharana ary nanao fanaraha-maso in-enina farafahakeliny. https://t.co/Of5qIk3z13

Nisy mpanao gazety ABC iray hafa namoaka fanontaniana mikasika ny mety ho fiantraikan'ny fanambaran'ny praiminisitra amin'ny asan'ny mpanao gazety vahiny.

Betsaka ny mbola tsy mazava eto. Milaza tsotra izao ve ny biraon'i Sogavare fa hitaky visa vaovao ho an'ny mpanao gazety vahiny ny governemanta? Sa fanambarana fikasana tsy mazava fotsiny izany? Andalana tokana fotsiny amin'ny fanambarana an-gazety tena lava dia lava 2/

Nampanantsoin’ny Nosy Solomon ny tompon’andraikitra ambony any Aostralia momba ny fandaharan’asa ABC, saingy nanizingizina ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny fa “fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy mpifanolobodirindrina” fotsiny momba ireo olana nipoitra tao amin’ilay tatitra izany.

Nanoritsoritra an'i Sogavare ho “olona manana areti-tsaina tafahoatra” ny lehiben'ny mpanohitra Matthew Wale ary nampiany fa tokony hanameloka ny tenany ny praiminisitra noho ny fandavana hiatrika ny fampitam-baovao.

It is totally pointless to summon people when international media have travelled to your doorstep and requested interviews with you, but you declined. The best you could have done is face the media and tell your side of the story and not to cry over spilt milk. Why is the Prime Minister afraid to face the media?

Tena zava-poana mihitsy ny mampiantso olona rehefa tonga teo am-baravaranao ny fampitam-baovao iraisampirenena ary nangataka antsafa taminao, saingy nolavinao. Ny miatrika ny fampitam-baovao no tsara indrindra azonao atao ary milaza ny hevitrao momba ilay tantara fa tsy mimenomenona amin’ny zavatra efa vita. Nahoana no matahotra miatrika fampitam-baovao ny Praiminisitra?

Naneho ny ahiahiny ny federasiona iraisampirenen'ny mpanao gazety tamin’ny fanambaran'i Sogavare sy ny fiantraikany ratsy amin'ny fiarovana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Tsy vao sambany tamin'ity taona ity no nasongadin'ny fampahalalam-baovao ny fikasana hamerana ny vaovao. Tamin'ny volana lasa teo, nanome baiko ny fampielezam-peom-panjakana ny governemanta mba hanajanona ny fampiroboroboana ny “fisaraham-bazana”.  Nanao ankivy ny forum an-gazety tamin'ny volana Mey ihany koa ny mpanao gazety any an-toerana nandritra ny fitsidihan'ny minisitry ny raharaham-bahiny Shinoa taorian'ny nandrarana azy ireo tsy hametraka fanontaniana nandritra ny hetsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.