- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trinite & Tobago: renim-pianakaviana iray niaiky fa namono ny zanany, niteraka adihevitra ny momba ny herisetra, ny fahaketrahana, ary ny fahantrana sy ny aretin-tsaina

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fahasalamàna, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 24 / 08 / 2022)

[1]

Tatitry ny polisy momba nyt fanararaotana atao amin'ny ankizy. Saripika [1] an'ny tetikasa The Focal tao amin'ny Flickr, CC BY-NC 2.0 [2].

Ny tolakandron'ny 9 Aogositra, nisy reny tanora iray niaraka tamin'ny lehilahy iray sakaizany nandao ny tranony tany ambanivohitra atsimon'i Trinite, saingy rehefa nangatahany ralehilahy hitondra azy hihaona amin'ny Imam ao amin'ny maoske iray ao Trinite afovoany, nivadika zavatra hafa tanteraka mihitsy ny dia. Nolazain’ [3]ilay reny 25 taona tamin'ilay mpitarika finoana silamo fa nokendainy ny zanany vavy, fito taona, McKenzie Hope Rechia.

Rehefa nentin [4]‘ilay imam niverina tany an-tokantranony ilay ramatoa ny maraimben'ny 20 Aogositra, efa maty ilay zaza. Ilay reny, izay efa ny amin'ny fonjakelin'ny pôlisy ankehitriny, dia niaiky [5] tamin'ireo manamboninahitry ny pôlisy ao Trinite sy Tobago (TTPS) fa nanakenda ny zanany vavy rehefa avy nikapoka azy.

Nalahelo noho ny fahantrana niainan'ilay vehivavy sy ny zanany vavy ny mpampiasa Facebook, Sandra Pope, ka nanontany hoe [6]:

Ny fiainana anaty fahantrana feno, fitokana-monina, miaraka amina olana ara-tsaina dia zavadoza miandry fipoahana fotsiny, nahoana no tsy nisy niditra an-tsehatra sy nitondra fanampiana (famonjena), na dia ho an'ilay zaza fotsiny aza 😭

Hita taratra amin'ny fanehoankeviny ireo karazana tantara izay manomboka mipoitra  : niala an-daharana tany an-tsekoly ilay reny – voalaza fa ianjadia [7]n'ny aretin-tsaina ratsy –  niteraka ny zanany vavy fony izy 17 taona, ary tao anaty trano bongo tsy nisy jiro sy rano no nipetraka [7] izy mivady. Polisy zokiolona mpanao fanadihadiana iray no nilaza [5] tao anatin'ny Trinidad and Tobago Express fa taloha dia efa notsaboina noho ny aretina schizophrénie ilay vehivavy taorian'ny nahafatesan'ny zanany kely, izay maty tamin'ny taona 2016 noho ny aretin-tratra nahazo azy raha mbola vao roa volana monja.

Fanampin'izay, mpifanolo-bodirindrina aminy, Michelle Alexander, no nilaza fa telo herinandro talohan'ilay famonoana, niresaka ilay renim-pianakaviana fa ho vonoiny ny tenany sy ny zanany vavy., Velon'ahiahy, milaza [8] i Alexander fa nanao tatitra tany amin'ny polisy izy mikasika ny toe-draharaha, tanjona ny mba hahazoan'ilay fianakaviana fanampiana. Amin'izao fotoana izao,  miezaka ny TTPS hamantatra [9] raha toa ka tena natao tokoa ilay tatitra, ary raha eny, tamin'ny sampana taiza :

Karohan'ny polisy raha toa ka nisy ny fandefasana antso fangatahana firotsahana an-tsehatra, araka izay nambaran'ilay mpifanolo-bodirindrina tamin'ilay vehivavy izay nikapoka sy nanakenda ny zanany vavy 7 taona, McKenzie Hope Rechia, tamin'ny faran'ny herinandro.
Tsiahy nataon'i McDonald, mpisolo toerana ny kaomiseran'ny pôlisy izany

Haingana be dia tototry ny adihevitra [7] ny media sosialy. Raha toa ny sasany nahatsapa [12] fangorahana, betsaka kosa ireo niezaka nitondra fanazavana momba ilay loza mampalahelo, tamin'ny fanomezana tsiny [13] ireo havany, eny fa hatramin'ireo sampan-draharaham-panjakana izay tokony ho afaka nanampy aza. Ann McCarthy, anefa, nanisy teboka iray manan-danja [14] tao anaty fahana Newsauce ao amin'ny Facebook hoe :

Betsaka ny tombatombana mikasika ity raharaha ity ka hanomezana tsiny ny sampan-draharaham-panjakana sy ny governemanta, saingy tsy misy afaka hilaza fa reny tsy mahalala akory izay tokony alehany io mba hangataka fanampiana amin'ny endriny rehetra. […] Tsy misy na iza na iza, raha tsy mahalala ny zava-nitranga, tokony hitsara […] aza adino ho an'ny betsaka fa misy ny fanilikihana mifandraika amin'ny olan'ny fahasalamana ara-tsaina […]

Tamin'ny fanamarihana hoe “Tsy fantatray ny antsipirihany,” nanampy [15] ny Newsauce hoe:

Ny tantara, koa satria vaovao izy io, dia manify loharanom-baovao avy amin'ny rantsam-panjakana. Noho izany, tsy fantantsika raha nahazo fanampiana avy amin'ny Fanjakana izy, na tsia. Raha toa ka anisany tany anatin'ireny fitsaboana ara-tsaina ireny izy. Andraikitra inona, rehefa tsy nisy izany, no anjara toeran'ilay Imam sy ny renibeny teo amin'ny fiainan'ilay vehivavy. Mandrapaha-hitako ny porofo amin'ny tatitry ny polisy dia tsy mino an'iza an'iza aho milaza fa nankany amin'ny polisy izy noho io raharaha io, satria taloha, afaka mandiso ny filazàna tatitra mahakasika raharaha herisetra an-tokantrano ny polisy.

Kanefa, farafahakeliny mpampiasa Twitter iray no tsy resy lahatra  [16]fa hoe mangaraharaha amin'ny fanadihadiana ataony ny TTPS mba hahalalana raha toa ka nisy tatitra fampitandremana napetraka. Tamin'ny 23 Aogositra, nanambara [17] ny TTPS fa tsy nisy mihitsy tatitra, na iray aza, mikasika ny fiahiana an'i Rechia sy ny reniny natao tao amin'ny sampana fiarovana ny zaza (CPU).

Nandritra izany fotoana izany, nanome hevitra [18] ny mpampiasa Facebook Äsa-Mari Zephirin hoe :

Tsy manampy mihitsy ny [f]anosehana ho eny alohan'ny sehatra ny fitantarana aretina ara-tsaina alohan'ny hijerena ireo porofo sy ny fanombanana araka ny tokony ho izy ilay voarohirohy. Saika midika foana izany fa tsy hisy rariny ho azo eo, mametraka ohatra tena ratsy ary voatapo-drano ireo adihevitra ilaina momba ny firotsahana an-tsehatra ara-pahasalamana ara-tsaina.
Maniry mafy aho mba ho tompon'andraikitra sy tsy mitanila ireo tatitra momba ity raharaha ity.

Lehilahy vitsivitsy ihany ko no nandinika [18] momba ity olana ity, ary nilaza fa misy fanavakavahana mifototra amin'ny maha-lahy sy vavy ny heloka bevava tahaka izao. Tamim-panesoana no nanehoan [19]‘i Daniel Junior Sawic George hevitra manao hoe :

Manantena aho fa hisy fiambenana mafy manerana ny firenena, satria raha lehilahy no ahiahiana ho namono io zaza tsara tarehy sarobidy io, dia ho nisavoritaka ny olom-pirenena nividy labozia amin'izao fotoana izao sy mandritra ny herinandro ho avy.

Raha nanondro [20] ny tranga iray vao haingana izay nahafatesana tovovavy 15 taona, taorian'ny filazana fa nianjera avy eny ambony tohatra nandritra ny daroka, dia naneho hevitra i Simmy de Trini, mpanao hatsikana, [21] fa mihoatra lavitra ny fahasalamana ara-tsaina [22] ilay olana :

Ny fitantarana “Nahazo lix (firitsoka) aho fony mbola zaza ary nitombo tsara ” dia mila fotopotorina bebe kokoa satria ny dikan'ny lix amin'ireo olona sasany dia miakatra hatrany amin'ny fanararaotana na mihoatra an'izany – fahafatesana. Midaroka an-katezerana ny zanany ireo ray amandreny sasany ary mihoatra lavitra amin'ny fampiasana ny tànany na karavasy na tahon-goavy. Midaroka amin'izay voarain'ny tànany izy ireo ary misy ireo ankizy tsy vonton'anatra – ratsy ny fitondrana azy ireo ary matetika maty  mandritra izany.

Misy banga be amin'ilay tantara ary heveriko fa miaraka amin'ny fotoana dia ho fenontsika ny banga. Mampalahelo fa namoy ny ainy tamin'io fomba io ny zaza iray.

Tao anaty lahatsoratra iray hafa, namporisika [23] ihany koa i Simmy mba hotazonina ho tena tomponandraikitra ireo raim-pianakaviana rehefa ny fitànana andraikitra amin'ny fiainan-janany no resahana :

Mila ahenantsika ny fandarohan'ny reny ary ametrahana fanontaniana bebe kokoa ny hoe ‘where de fadda?’

Satria raha vitanao, amin'ny maha-lehilahy anao, ny mamantatra fa nipetraka anaty trano bongo ny zanakao, nandry teo ambony kidoro voretra mifotetaka amin'ny tany ary tsy mba nanandrana akory nanatsara ny fiainan'io zaza io […]

Raha nandray anjara ianao, amin'ny maha-lehilahy anao, tamin'ny fiterahana zaza iray – ahoana no tsy hahafantaranao izay mitranga amin'ny renin-janakao sy raha tojo zava-tsarotra izy ? […]

Aiza ny rain'ireny zaza ireny ? Iza no lehilahy niray ara-nofo tamin'ny vehivavy sy tsy nanao jery todika amin'ny fikarakarana ny taranak'izy ireo ?
Aiza ao anatin'ireny tantara ireny ry zareo?

Amin'ny toe-javatra mitovy amin'izany, Adrian Ray Saunders, mpampiasa Facebook, no nitaraina [24] ny fahaverezan'ny vanim-potoana iray izay ny tanàna no nitaiza tamim-pahombiazana ny zaza:

Efa lasa ny andro taloha izay “nitaizàn'ny fiarahamonina ny zaza” amin'ny resaka mpifanila vodirindrina nifampitsinjo […]
Ity trangan-javatra ity no mety ho ny fara-tampony indrindra tamin'ny fanararaotana efa an-taonany maro…
Aiza ilay mpifanolo-bodirindrina tsara fanahy ? Ny polisy kaominaly ? Ny mpampianatra any an-tsekoly ? Ny mpitsidika ara-pahasalamana avy amin'ny distrika ? Fanarahamaso sy firotsahana an-tsehatra kely fotsiny […]

Details like these are still emerging, even as the public waits for the results of McKenzie Rechia's autopsy to be released.  ….Mbola misy mitobaka hatrany ny  pitsopitsony tahaka ireo, raha toa ny vahoaka miandry ny famoahana ny valin'ny fitiliana natao tamin'i McKenzie Rechia.

Fanavaozana, 27 Aogositra 2022: Ny 26 Aogositra 2022, voaheloka [25] noho ny famonoana azy ny i Deniel Rechier, 25 taona, renin'i McKenzie.