Fanafoanana ny fanjanahana angondrakitra mba hiadiana amin'ny didiko fe-lehibe nomerika

Sary an'i Parker Coffman teo amin'ny Unsplash. Maimaimpoana rehefa mampiasa ny lisansa Unsplash.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, marobe no voasoratra mikasika ny fitomboan'ny fandrahonana nataon'ny governemanta, izay tsy mitsahatra ny  manangona, mametra sy manodinkodina hatrany hatrany ireo angondrakitra ho amin'ny tanjona tsy refesi-mandidy. Raha toa tena ilaina ireo “angondrakitra” mba hahatakarana ny fiovan'ny endriky ny famoretana ataon'ny fanjakana, dia misy manana anjara asa roa izy ao anatin'ny didiko fe-lehibe nomerika : fitaovana iray fanaovana famoretana sy midika ho fanjahantany ary fandevonana ihany koa.

Tamin'ny taona 2016, tao anatin'ny fikarohana nataony dia nampiasa ilay fanoharana iray :”fanjanahana angondrakitra” i Thatcher, O’Sullivan, ary Mahmoudi mba hamaritana ny fomba mahatonga ny fanarahamaso sy ny fakàn'ireo governemanta angondrakitra hiteraka tsy fitovian-kery eo amin'izy ireo sy ny olom-pireneny. Araka ny voalazan'ny Escalante et al., ny fanjanahana angondrakitra dia manondro “ny fahatotoran'izao tontolo izao amin'ny fitosahan'ny angondrakitra, fa ihany koa amin'ireo vondrom-piarahamonina sy habaka eto amin'ny planeta izay namafa ny fahafahana miteny hoe tsia”. Na eo aza ny famokarana angon-drakitra betsaka dia zara raha manan-jo kely hitompo izay angon-drakitra izay ireo mpampiasa ‘smartphone’, solosaina sy ireo teknolojia isan-karazany. Kanefa dia mbola tohizan'ireo fanjakana hatrany, ho an'ny tombontsoan'izy ireo ara-politika, ny manjanaka ireo angondrakitra voaangona izay saika maneho ny karazam-piainan'ireo olom-pireneny – toy ny foko misy azy, ny heviny ara-politika, ny fanaony ara-pivavahana sy ara-panahiny, ny fahasalamany ary ny fironany ara-pananahana. Ho an'ny Fanjakana sy ireo orinasa lehibe ara-teknolojia dia midika paikady vaovao ihany koa ny fanjanahana ny angondrakitra mba hampiasa ny teknolojia ho amin'ny famoretana.

Fanoharana iray vao haingana momba ny maha-loza mitatao ny fomba ataon'ny Fanjakana amin'ny fanjanahana angondrakitra tantanany ho an'ny olontsotra, indrindra fa ireo mpikambana avy amin'ireo vondrona vitsy an'isa ara-poko, ara-pinoana, dia ny fanangonana sy fidiran'ny governemanta Shinoa ao anatin'ny “biodata” (angondrakitra biôlôjika) any Xinjiang Uyghur Autonomous Region (XUAR) – Faritra Uyghur mizaka tena. Mitantana tetikasa fitrohana iray midadasika ao anatin'ny XUAR ny governemanta, izay eken'ny rehetra ho toy ny fandripahana ara-kolontsaina an'ireo Uyghurs vitsy an'isa ataon'ireo firenena fito, anisan'izany i Etazonia. Ny poritsaka akaiky indrindra tamin'ireo tahirin'ny governemanta Shinoa tao amin'ireo biraon'ny fiarovam-bahoaka tany XUAR dia mbola nampiseho indray ny endrika ara-tafika sy tsy manaja ny maha-olombelona any amin'ireo toby fitazonana, izay Uyghurs manodidina ny iray tapitrisa no nofonjaina tsy an-drariny. Ny fanjanahan'ny governemanta ny “biodata” no lafy manandanja indrindra  amin'ilay tetikasany fitrohana.

Tamin'ny taona 2016, nanangana fandaharan'asa “Physicals for All” ny governemanta Shinoa izay manery ny fanangonana ireo angondrakitra biolojika an'ny Uyghurs, mody nolazaina fa ho amin'ny fikarakarana fitsaboana maimaimpoana. Mampiseho ny mombamomba azy ara-biolojikan'ireo Uyghurs amin'ny antsipirihany ny angondrakitra voaangona. Asehon'ireo angon-drakitra voaangona ny maha izy azy ara-biolojika tena amin'ny antsipirihany an'ireo Uyghurs, manomboka amin'ny lsitry ny anakandriamaso ka hatramin'ireo santionana ADN. Amin'ny fanaovana izany, ny Physicals for All dia manamora amin'ny fomba roa ny fanitarana ny didiko fe-lehibe nomerika mitombo ataon'ny governemanta. Voalohany indrindra, manome fahafahana vaovao mikasika ny fanarahamaso ao amin'ny XUAR izy. Amin'ny alalan'ny fiarahamiasa miaraka amin'ireo orinasa eo an-toerana manana teknolojia avo lenta, manangana tambajotra fanarahamaso mifampidimpiditra ny governemanta Shinoa amin'ny fampiasana ny angondrakitra biolojikan'ireo Uyghurs. Ny famantarana amin'ny alàlan'ny anakandriamaso, ny modelina feo sy ny porofo hafa rehetra ara-biolojika mikasika ny Uyghurs dia ampiasaina mba hampivoarana ireo teknolojia vaovao fanarahamaso mba hanavahana, hanasokajiana ary hametrahana marika mora foana amin'ireo vitsy an'isa. Vokatr'izay, mampiasa dika midadasika kokoa amin'ilay didiko fe-lehibe nomerika ny governemanta mba hamoretana ireo vitsy an'isa ao amin'ny faritra. Faharoa manaraka izay, ny ampihimamban'ny governemanta amin'ireo angondrakitra biôlôjika dia ahafahany mandevona ireo Uyghurs satria voatilian'ireo manampahefana izay vehivavy bevohoka na “mila” ampiasana fanalàn-jaza an-tery sy hampiasa fanalana zaza tsy an-tsitrapo. Vokany, ny fanjanahana angon-drakitra ataon'ny Fanjakana dia manokatra lalana ho an'ny famoretana, amin'ny fandevonana sy amin'ny habibiana efa misy ao anatin'ny XUAR.

Ny fanjanahana angon-drakitra dia mitovy amin'ny fanjanahantany mahazatra rehefa ny fakàny fiainan'olombelona no resahana. Ampiasain'ny fanjakana araka izany ny fananany angon-drakitra mba hifehezana ny fitondrantena sy ny fomba amam-panao ara-kolontsaina ary ara-pivavahan'ireo vitsy an'isa. Ny tatitra vao haingana an'ny Citizen Lab mikasika ny famoretana nomerika iraisana firenena (transnational)  dia mampiseho fa araraotin’ny didiko fe-lehibe ireo angondrakitra nozanahany mba handrindrana ny fitondrantenan'ireo olom-pireneny sy hampahoriana azy ireny na dia any ivelany aza izy. Araka ny voalazan'ny tatitra, ireo firenena toa an'i Shina, Arabia Saodita, Siria ary Vietnam dia mampiasa teknolojia isan-karazany mba hampanginana sy hampitahorana ireo mpikatroka any ivelany manohitra ny governemanta. Manoloana ny famoretana ara-teknolojia, asongadin'ireo mpikatroka nanontaniana tao anatin'ny tatitra ny rarin-tsaina eo amin'ny fihetseham-po sy ny tsy fandriampahalemana iainan'izy ireo. Araka ny voalazan'ireo mpikatroka monina any ivelany, ny famoretana ataon'ny governemantan'izy ireo dia manosika azy ireo hanova amin'ny fomba maro ny fitondrantenany : sasantsasany amin'ireny ny hoe “mipirimpirina ety anaty aterineto, tsy mamoaka sarin'ireo toerana manokana raha tsy efa aorian'ny nandaozany azy ireny ary mangataka mba ho ivelan'ny tambajotra no hitahirizana ireo tantaram-piainana nandritra ny velakevitra (conference)”. Asongadin'izy ireo ihany koa ny fikendrena ara-nomerika ny fianakavian'izy ireo. Tao anaty tatitra, manambara ny Uyghur iray mpikatroka any ivelany fa teren'ny governemanta Shinoa ireo fianakaviany hiasa ho sahala amin'ny nomem-pahefana mba hanangonana ireo vaovao momba azy mandritra ny fifampiresahan-dry zareo eo amin'ny WeChat.

Raha jerena ireo ohatra ireo dia ilaina ny fanafoanana ny fanjanahana angondrakitra mba hiatrehana ny didiko fe-lehibe nomerika. Ahoana anefa? Ny paikady voalohany dia ny famporisihana ny olona mba ho mpamorona ny fitaovana  teknolojikany fa tsy ho mpanjifa tsotra fotsiny. Na dia marobe aza ireo olona manana traikefa teknika, mihoatra lavitra ny fanaovana kaody fototra, dia mbola miantehitra betsaka amin'ireo rindrambaiko sy ireo ‘algorithmes’ teknolojika efa voafaritra mialoha foana ny olona. Ireo mpampiasa teknolojia, indrindra amin'izany ireo avy amin'ny vondrona vitsy an'isa sy teratany, dia tokony ho afaka handray anjara mavitrika amin'ny dingana fandrafetana ny teknolojia. Tsy ho tratra io tanjona io raha tsy misy rafi-panabeazana iray nohavaozina indray sy mampiaty kokoa izay manome ireo fitaovana ilaina amin'ny fampandrosoana ara-teknika ny isam-batanolona.

Technology develops fast while creating tech policies and laws takes much longer. As a result, autocracies exploit the current gaps in the regulations. More responsive political and legal regulations can prevent the risk of future violations. In this way, even if not eliminated immediately, the degree of data colonialism can be lessened.   ………..Mety ho paikady iray hafa ny fitakiana tatitra  amin'ireo firenena mpanao didiko fe-lehibe raha toa izy ireo manjanaka ny angondrakitra mba ho fampiharana famoretana. Tokony hanao adisisika ny fiarahamonina iraisam-pirenena mba hisian'ny lalàna sy fepetra ara-teknolojika tsara kokoa ho ambany fanarahamason'ireo fisantaran'andraikitra politika sy sivily. Mivoatra haingana be ny teknolojia raha toa ka maka fotoana ela kokoa ny famoronana politika sy lalàna momba ny teknolojia. Vokatr'izay, trandrahan'ireo mpanao didiko fe-lehibe ireo lesoka ankehitriny amin'ireo fepetra. Mety hisorohana ny loza amin'ny fanitsakitsahana amin'ny ho avy ny fifehezana ara-politika sy araka ny lalàna kokoa. Amin'izany fomba izany, na tsy eo noho eo aza ny fanafoanana azy, mba mety hihena ny tahan'ny fanjanahana angondrakitra.

 


Azafady tsidiho ny pejin'ny tetikasa raha te-hahazo tantara misimisy kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.