- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miafara amin'ny fanakatonana ny tanàna manontolo ny traikefan'i Shanghaï mikasika ny modely tetezamita fanarahamaso ny COVID-19

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Tsy misy mpandeha ireo lalambe mogodàna ao Shanghai noho ny  fanakatonana mandeha in-droa miantaona manerana ny tanàna. Pikantsary avy ao amin'ny lahatsarin'ny kaonty Weibo an'ny People's Daily [1].

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 29 / 03 / 22)

Taorian'ny tapa-bolana nanakatonana tsimoramora tao anatin'ilay paikady fanarahamaso ny valanaretina “Fisorohana sy Fanarahamaso Hentitra”, dia niroso [2] tamin'ny dingana fampijanonana in-droa miantoana i Shanghaï izay ahitana mponina miisa 25 tapitrisa raha toa ny rafitra ara-pahasalamam-bahoaka efa manomboka miharodana ary tsy mitsahatra mitombo ny isan'ny voatily tratry ny tranga Omicron.

Maro no mino fa ny fanapahankevitra fanakatonana goavana dia midika ho tsy fahombiazan'ny modelin'i Shanghaï, antsasa-dalana eo anelanelan'ny zero-COVID-19 sy ny tetikady fiainana miaraka amin'ny COVID-19.

Amin'ny maha-ivontoerana ara-bola azy ao Shina, nialàn'i Shanghaï ny fanibohana tanteraka ny tanàna na teo aza ny fipoiran'ny Omicron. Fa kosa, nandray tetikady iray Fisorohana sy Fanarahamaso Hentitra [3] ny tanàna izay ahitana fitiliana sy fanakatonana faobe eny  anivon'ny distrika. Ny antom-pisian'izay dia ny mba hifehezana ny halehiben'ny fihanaky ny valanaretina sy mba hanakanana ny faharavan'ny rafi-pahasalamam-bahoaka.

Na izany aza, ny 27 Martsa, nanambara ireo tomponandraikitra tao Shanghaï fa nozarainy ho distrika roa lehibe ny tanàna, ka samy hikatona mandritra ny 5 andro avokoa izy roa tonta. Mandritra ny vanim-potoanan'ny fanakatonana, hiato avokoa ireo fitanterambahoaka ary tsy maintsy hiatrika andiana fitiliana ireo mponina.

Niteraka fividianana anaty tahotra ilay filazàna tampoka. Mampiseho an'ireo olona miady sakafo any anatin'ireo trano fivarotana lehibe ny lahatsary ao amin'ireo sehatra media sosialy isankarazany. Ity ny iray navoakan'i @shaunrein teo amin'ny Twitter :

Miharatsy ny toe-draharaha ao Shanghaï satria mitranga ny fividianana anaty tahotra any amin'ireo trano fivarotana fa nahiboka i Pudong

Marobe ny sakafo saingy tsy ampy ireo rahalahy mpanatitra

Hatramin'ny teo aloha kely teo, nanao asa A+ ireo tomponandraikitra tao Shanghai. Mbola eo foana izy ireo saingy misy fomba fanatsarana ihany mba hampitoniana  ny vahoaka. pic.twitter.com/l7vySGJuK3 [4]

Ny ampitso maraina, nilaza ny tomponandraikitry ny tanàna fa tamin'ny 27 Martsa dia tafakatra [6] 3500 ny isan'ireo tranga voamarina, isa avo indrindra.

Niely nandritra ny andro vitsivitsy ny tsaho mikasika ny fanibohana ny tanàna manontolo, saingy nolavin [7]‘ny tomponandraikitra izany ary olona roa no nosamborin'izy ireo.

Andalam-pirodanana ny rafi-pitsaboana ao an-tanàna satria nisy fiantraikany tamin'ny fitsaboana an'ireo marary tsy voan'ny COVID-19 ny valanaretina. Nirongatra ny hatezerana tao amin'ny media sosialy taorian'ny nahafatesan'ilay mpitsabo mpanampy iray matin'ny aretina sohika [8] taorian'ny nandroahana azy tsy hankao amin'ny sampandraharaha vonjitaitra tao amin'ny hopitaliny ihany.

Mizarazara ny hevitra mikasika ny fanakatonana an'i Shanghaï. Ny sasany mihevitra fa ny fomba ara-stratejika zero-COVID-19 ihany no hany fomba tokana hivoahana ny loza, tamin'ny fanipihana ny fahombiazan'ny fanakatonana ny tanànan'i Shenzhen raha oharina amin'ny fomba Fisorohana sy Fanarahamaso Matotra an'i Shanghaï. Nizara tarehimarika mampitaha ny isan'ny tranga voamarina teo anelanelan'ny 12 Martsa sy 25 Martsa ny mpampiasa Twitter @limingchu998. Taorian'ny fanibohana ny tanàna manontolo, nihena ho tarehimarika tokana ny isan'ny tranga voamarina tao Shenzhen :

Miharihary ny vokatry ny fanakatonana ny tanàna manontolo. Samy mandroso tsara  ary manana ny fahaizana ambony hitantanana tanàna ireo tanàna roa ireo. Tahaka ny fitaratra ilay valanaretina, hitarafana ny zavabitan'ireo tanàna. Fanampin'ny fitantanana, ny haavon'ny fankatoavana ihany koa no resaka eto. Tsy nahafehy intsony ilay atao hoe Fisorohana sy Fanarahamaso voalaza fa hentitra.

Na izany aza, nanamarika ireo sasany fa ny sandan'ny fanakatonana ny tanàna manontolo any anatin'ireo tanàndehibe laharana voalohany dia goavana sy tsy zaka. Nibitsika teo amin'ny @rongjian1957 ilay Shinoa mpanao gazety zokiolona iray hoe :

Nanambara ireo tomponandraikitra ambony fa i Shina dia tsy maintsy miady amin'ny fiparitahan'ilay valanaretina amina sandany ambany indrindra. Ny sanda ara-toekarena amin'ny fanibohana mandritra ny 3 andro ao Shenzhen dia manodidina ny RMB 60 million [manodidina ny 95 tapitrisa dolara]. Nandritra ny 3 andro, tranga miisa 643 no voamarina, ny 21 isan-jaton'ireo tsy misy soritr'aretina, ny 72 isan-jaton'ireo tranga marefo, ny 7 isan-jato mila fitsaboana akaiky. Tsy nisy ny tranga nisy fahasarotana na ny namoizana aina. Raha ny salanisa, teo amin'ny 60 tapitrsa RMB teo no lanin'ny tanàna nitiliana tranga iray voamarina. Io no sanda ambany indrindra.

Goavana ihany koa ny sanda ara-tsosialin'ny fanakatonana manontolo ny tanàna. Raha toa ny ankabeazan'ireo distrika ao Shenzhen ka efa niverina nisokatra, ireo sasany izay tsy nahatratra ny tanjon'ny tranga zero kosa dia nahiboka hatramin'ny tapa-bolana ka very fanantenana ireo mponina. Lahatsary iray navoakan'ny @kamogawaryouma no nampiseho ireo mponina tezitra miampanga ny tarika mpampihatra fihibohana ary tsy nanaraka intsony ny fihibohana tao amin'ny iray tamin'ireo distrika:

Hatramin'ny nahitan'i Omicron ny làlana nankany Shina, manampahaizana ara-pahasalamana maromaro no naneho hevitra fa mila mikaroka làlana afovoany [15] i Shina amin'ny ady atao amin'ny fihanaky ny valanaretina COVID-19 noho ny fidangan'ny sanda ara-toekarena sy ara-tsosialin'ilay modely fanarahamaso misy amin'izao fotoana izao.

Heverina ho toy ny fanandramana iray mikasika ny karazana tolokevitra marimaritra ilay modely Fisorohana sy Fanarahamaso Hentitra an'i Shanghaï.

Na izany aza, niatrika tsindry ara-politika marobe ilay traikefan'i Shanghaï satria ny tsy fahombiazany nanafoana sy nifehy ilay valan'aretina dia niantraika [16] tamin'ireo tanàna sy ireo faritany manodidina. Fanampin'izay, nanamarika ny sasany fa tsy afaka hampiharina amin'ireo faritany hafa izay tsy dia mandroso loatra manana rafitra fitantanana tanàna sy rafitra fanohanana vahoaka tsy dia mivoatra, ny modelin'i Shanghaï.

Vokatr'izay, nadikan'ireo sasany ilay fanapahankevitra fanakatonana in-droa miantoana ho sahala amin'ny fanondroana ny tsy fahombiazan'ilay andrana tao Shanghaï. Nampangain'ny maromaro tamin'izy ireo ny fisian'ny tetikady marimaritra iray hiadiana amin'ny valan'aretina. Ohatra amin'izany ny fanehoankevitra iray tao amin'ny Weibo izay mitsikera ireo modely fanarahamaso ny COVID-19 an'i Hong Kong sy Shanghaï, manao hoe [17]:

​​所谓的中国采取与病毒共存,大家就可以开开心心照常生活只存在于某些人的想象,激增的病例和死亡人数很快就会冲击中国社会的方方面面,美国付出了100万人的代价,中国准备付出多少代价?而且这是一条无法回头的路,一旦放开就不可能再清零!

Hevi-diso fotsiny ilay hevitra hoe i Shina dia afaka hiverina ny fiainany andavanandro sy hampiaina an-kafaliana ny olona vantany vao manaraka ny stratejia fiainana miaraka amin'ny COVID-19 izy. Tsy hanao afatsy hitarika andiana tranga voamarina sy fahafatesana izay hikapoka mafy ny fiaraha-monina izany. Aina iray tapitrisa no nafoin'i Etazonia, aina firy no homanin'i Shina hosandaina? Làlana tsy azo hiverenana io, raha vao novahantsika ny fanarahamaso dia tsy ho afaka hiverina zero intsony isika.

Ankehitriny raha miverina amin'ny modely zero COVID-19 miaraka amin'ny fanakatonana indroa miantoana ny tanàna manontolo i Shanghaï, azo heverina fa hanohy hametraka ireo fepetra henjana ho fanarahamaso ny valanaretina manerana ny firenena i Shina ato anatin'ny ho avy azo vinaniana.