Tatitra Unfreedom Monitor: Fampahalalam-baovao

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i Torkia amin'ny aterineto ity. Vakio ato ny tatitra feno.

Tranga sy fanao mahazatra eo amin'ny tontolon'ny firenena nofantenana amin'ity tatitra ity ny fanodikodinam-baovao. Amin'ny ankapobeny, tohanan'ny fanjakana ny fampahalalana/fandisoana vaovao any amin'ireo firenena ireo ary ahazoan’ireo mpisehatra ara-politika matanjaka na mifaninana tombonyw(. Lasa fitaovana hiadiana fahefana ny fampahalalam-baovao diso eo amin’ny fiarahamonina misara-bazana vokatry ny hetsika ara-politika manahirana (ohatra ny fanonganam-panjakana, ny fifidianana, ny fanovana governemanta ary ny fanetsehana fihetsiketsehana). Amin'ny ankamaroan'ny tranga, mikendry ny hahasadaikatra ny mpanohitra ara-politika, hanasongadinana ny zava-bitan'ny fitondrana ara-politika na hanakanana ireo feo manivaka (manohitra) ny fandisoam-baovao. Ny fianahan'ny aterineto sy ny hafanam-pon'ny vahoaka amin'ny fampiasana ny tambajotra sosialy, izay miara-dalana amin'ny tsy fahalalahan'ny fampitam-baovao mahazatra, no singa maka anjara toerana lehibe amin'ireo fiarahamonina ireo. Na izany aza, lasa tsy fitaovana fotsiny amin'ny fampandehanana ny politika anatiny ny paikadin'ny fampahalalam-baovao diso fa fomba iray hametrahana fitaomana politika mihoatra sisintany ihany koa.

Na dia eo aza ny zava-misy fa tarihina sy avoakan’ny fitaovan’ny teknlolojia maoderina ny hevitra momba ny paikadin’ny tsirefesimandidy nomerika, amin'ny ankapobeny dia mitovy amin'ny teknikan’ny propagandy izy ireny. Mikendry ny hampanara-dalàna ny fitantarana sasany amin'ny alàlan'ny fampidirana azy ireo ao amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao ny paikady ary avy eo mamerina azy ireo mba ho lasa fahatakaran-javatra vaovao ho an'ny mponina. Nohamafisin'ny teknolojian'ny aterineto ny fomba fiasa toy izany, izay mamela ny famoronana rafi-tontolo iainam-pampitam-baovao azo itokisana, maka tahaka ny tena izy ary mameno azy ireo amin'ireo mpisera tsy izy manao fihetsika mitovy amin'ny fihetsiky ny olombelona an-jotra.

Mandritra izany fotoana izany, mametraka hirika hanaovana fanentanam-pitaomana mihoatra noho ny raharaha Cambridge Analytica ankehitriny ny dokan'ny media sosialy mikendry (ampahan'olona). Na izany aza, azo iadian-kevitra raha hahatratra ny fiovan'ny toe-tsaina na manorina fomba fihetsika iray ny fifandraisana misy fikendrena olona toa izany. Tsy maintsy miomana hanova fihetsika anefa ny mpamaky amin'ny vokatr'izay nosainin’i Jacques Ellul tamin'ny taompolo 1960 ho aloham-propagandy hoe: “fanomanana ny saina amin'ireo andian-torohay maro dia maro tsy mirafitra, efa navoaka hanatrarana tanjona any aoriana any ary napetraka ho ‘zava-misy’ sy ‘fanabeazana’.”

Manan-danja amin'ny paikadim-panodinkodinam-baovao amin'ny tontolo ankehitriny ity voambolana ity. Mihasarotra sy efa miely kokoa ny fandefasam-baovao nodisoina, araka ny asehon'ny famintinana ireo tranga sy fomba fanao amin'ny fampahalalam-baovao diso, izay ikendrena hanomanana ny mpamaky hanaiky fomba fijery iray. Araka ny nosoratan'i Ellul, ny aloham-propagandy “tsy ahitana famelezana mivantana na miharihary fa voafetra amin'ny famoronana zava-manjavozavo, ny fampihenana ny fitsarana an-tendrony ary ny fanaparitahana sary, izay toa tsy misy antony loatra.” Tahaka ny amin'ny fanaparitahana vaovao diso, ny fiantraikany voalohany dia ara-tsaina — manangana sarin-java-misy solony ho an'ny tsirairay.

Raha fintinina, antony telo no mamaritra ny fanodinkodinam-baovao ankehitriny any amin'ireo firenena voamarika. Voalohany, misy ny fampivoarana tsy tapaka ny fahaiza-manao ara-teknika amin'ny fampahalalam-baovao diso mba handresena ireo fepetra noraisin'ny sehatry ny teknolojia ary hahatonga ny fampahalalam-baovao diso mba ho hita ho azo itokisana kokoa, indrindra amin'ny fampiasana FaVO (AI: Faharanitan-tsaina Voatr'Olombelona). Faharoa, lasa sarotra kokoa ny paikady sy fitantarana amin'ny fampahalalam-baovao diso, satria ampiasaina amin'ny fiantraikany ara-tsaina maty paika ny fitantarana sy ny tetipanorona, toy ny famoronana tsy fahatokisana, famoronana fisalasalana, sns. Ampiasaina mitovy amin'ny aloha-propangandy sy amin'ny propagandy mihitsy izy ireo. Ny lafiny fahatelo dia mitoetra ao amin’ny natioran’ny olombelona, kamo hisaina, mirona mitroka votoaty mampihetsi-po kokoa, sns

Mizara roa lehibe ny adihevitra mahazatra izay mijery ny hoavin'ny fiatrehana ny fampahalalam-baovao diso. Milaza ny voalohany fa ny fanohanana ny fiarahamonina amin'ny alàlan'ny fampianarana mitohy hahaiza-mamaky ny fampitam-baovao sy ny fanatsarana amin'ny ankapobeny ny kalitaon'ny tontolon’ny fampitam-baovao no fitaovana tsara indrindra hiadiana amin'ny fanomezam-baovao iniana disoina. Savaranonando amin'izany ny fandrisihana ny asa fanaovan-gazety avo lenta sy ny fanohanana ny fiarahamonim-pirenena. Adihevitra iray hafa indray ny fampitomboana ny kalitaon'ny votoaty mivezivezy any amin'ny sehatra, anisan'izany ny tambajotra sosialy. Ankoatra ny firotsahana hatrany amin'ny fandrindrana votoaty, soso-kevitra iray hafa ny fanaovana laharam-pahamehana ny votoaty marina sy ambony kalitao. Efa nataon'ny orinasa, anisan'izany ny Google ny sasany amin'ireo hetsika ireo.

Na izany aza, araka ny asehon'ireo tranga nomena, mety ho sarotra tanterahina ny fanafoanana ny fampahalalam-baovao politika iniana disoina any amin'ireo firenena tsirefesimandidy izay mbola ahitana ny fifehezan'ny fanjakana ny sehatry ny fampahalalam-baovao. Na dia eo aza ireo sehatra maro mampiasa ny tambajotra sosialy manerantany, izay azo fehezina araka ny fenitra manokana, dia firenena maro no manakana ny sehatra efa misy, mametra ny fidirana amin'ny alalan’ny lalàna, na mampitombo ny sehatra anatiny hafa. Lasa fitaovana amin'ny fampivoarana ny tsirefesimandidy nomerika ny fomba fanao amin’ny fandisoam-baovao amin'ny alàlan'ny fampiasana fomba nomerika hampidirana politika ny fitantarana tian'ny fanjakana aroso. Lasa fitaova-pamoretana fahalalahana miteny ny resaka fandisoam-baovao, mandritra izany, satria mampiasa ny lalànan'ny vaovao faikany ny fanjakana hampanginana ny mpanohitra ao amin'ny firenena. Na izany aza, mety hanome hery ireo mpamorona votoaty sy ireo mpikatroka nomerika any amin'ireo firenena ireo ny fivoaran'ny teknolojia blockchain ahafahana manamarina ny zava-misy am-pahaleovantena sy mampandrisika hanangana votoaty voamarina.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).     Vakio ato ny tatitra feno.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.