Undertones: Tsy tapitra ny hetsika fanoherana ady ao Rosia, hoy ireo Rosiana mpikaroka

Hoy ilay soratra hoe : “Tsy maintsy SAKANANTSIKA!” Sary : Tahiry/fampiasàna nahazoana alalana

Ity tafatafa ity dia ampahany amin'ny Undertones, gazetimbaovaon'ny Civic Media Observatory an'ny Global Voices. Fantaro bebe kokoa ny mikasika ny asa ataonay, ary ny fomba fiasanay sy ny angon-drakitray azon'ny daholobe raisina. Misorata anarana hahazo ny Undertones.

Mitety aterineto ireo mpikaroka ao amin'ny Civic Media Observatory mikaroka ireo singa avy amin'ny media azon'izy ireo asongadina, raketina sy hadihadiana. Fomba iray manentana ny firaketana ireo fitantarana ankapobeny momba izay lazain'ny olona io. Na izany aza, efa ho enim-bolana aty aorian'ny fananiham-bohitra nataon'ny Rosiana tao Okraina dia toa sahala amin'ny lany andro ny tontolon'ny media Rosiana. Miverimberina ireo singa sy ireo fitantarana, toy ny ao anaty kalesy. Raha navitribitrika feno aina fahiny, dia nangingiana ireo feo manohitra ady.

Raha hiresaka mikasika io tranga io, ny iray amin'ireo mpanadihadinay, izay Rosiana, dia nanaiky hiresaka tamin'i Melissa Vida mikasika ny zavatra hitany farany tao anatin'ny sehatry ny hetsik'izy ireo manohitra ny ady, na ety anaty aterineto izany, na ivelan'ny aterineto. Ho fiarovana azy ireo, notazoninay ny tsy fanononana ny anaran'ireo mpikaroka ary natontanay lavalava sy mazava kokoa ny tafatafa natao.

Melissa Vida (MV): Toy ny ahoana izao ny endriky ny hetsika fanoherana ady ankehitriny ?

Mpikaroka (R): Eny, voalohany indrindra aloha tsy misy ny hetsika. Tsy hilaza aho fa misy ny hetsika sahala amin'ny hetsika revolisionera ao Okraina any Maïdan. Misy ireo hetsika notsinjaraina mipoitra etsy sy eroa, anatiny sy ivelan'i Rosia. Indraindray, mifandray izy ireny, fa ny tena matetika dia tsy izay. Tsy misy ezaka betsaka atao mba hampivondronana ireny hetsika ireny satria tsy vita ny hampivondrona azy. Na any amponja ireo mpitarika, na any an-tsesitany, taorian'ny fananiham-bohitra dia nopotehan'ny Fanjakana avokoa ny hetsika rehetra talohan'ny ady.

Ohatra, misy ny fanoheram-behivavy an'ilay ady, fikambanam-behivavy mitsinjara fahefana ary mihetsika amin'ny fomba tsy miankina. Nanao fampisehoana ireo mpanakanto [toy ilay mpamokatra sarimihetsika Yekaterina Selenkina], tahaka ny nitondràny saribakoly iray mihoson-drà mba hampahatsiahivana ny olona ny ady tao amin'ny metro-n'i Maosko. Misy ihany koa ireo hafa manao fampirantiana ara-kolontsaina mba hanehoana ireo matin'ny daroka baomba. Avy eo, misy ireo fisantaran'andraikitra tsy misy ifandraisany, tahaka ireo hetsika ady anaty akata nataon'ireo nandrava ny lalamby izay mamatsy fitaovam-piadiana ho an'i Okraina. Na izany aza, marobe ireo olona no mihetsika an-tsokosoko.

MV: Toy ny ahoana izao ireo fitantarana fanoherana ady aty anaty habaka an-tserasera amin'izao androntsika izao ?

R: Misy vitsivitsy ireo fitantarana vaovao mivoaka hitan'ny vahoaka an-tserasera. Misy ireo fitantarana efa taloha be, tahaka ireo manambara fa “ratsy ny ady” sy mizara tantara mampihoron-koditra. Mbola misongadina ihany oa ireo fitantarana mitsikera ny anjara asan'ny Tandrefana ao anatin'ny ady. Ireo olo-malaza nivahiny tao Rosia dia manohy ny tsy firaharahiana tanteraka ny ady  sy mamoaka sary fitsangatsanganana sy fety. Tsy dia afaka maka fitantarana vaovao betsaka loatra izahay.

Angamba vitsy ireo vaovao satria fahavaratra izao, saingy ny ankabeazan'ny olona dia [misento]. Anisany ao anatin'io harerahan'ny rehetra io aho. Tsy afaka mandray betsaka an'izany ny sain'olombelona ka hoe mijanona tsy hihozongozona sy tsy ho voatohina ara-pihetseham-po. Heveriko fa izany no mitranga amin'ireo olona mihorohoro sy rikoriko ; Valaka tanteraka izy ireo.

Fanampin'izay, tsy dia maneho hevitra loatra ny olona ao Rosia satria, eny, any amponja na miatrika raharaham-pitsarana ny sasantsasany amin'izy ireo, noho izany, mazava be fa tsy afaka mamokatra zavatra ry zareo. Na eo aza ny zava-misy hoe maro amin'ireo voasambotra no manoratra fanambarana fanoherana ady any anatin'ireo peta-drindrina mandritra ny fotoana mbola naha-teny amin'ny Tribonaly azy, na dia voaheloka hifonja an-taona maro aza izy ireo.

Matahotra be ihany koa ireo olona ao Rosia ny haneho hevitra mikasika ny ady satria vitsy kokoa ny feo noho ny teo aloha. Betsaka kokoa izany no ambana mety haha-voasambotra na hidirana am-ponja.

MV: Inona avy ireo voka-dratsy atrehin'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny ady ?

R: Misy ireo mahazo lamandy, ny  hafa indray tonga dia alefa mivantana any amponja, somary atao kianjoanjo izany. Saingy tsy mikasika fotsiny ny fan,ehoana hevitra io. Nisy mpampianatra filôzôfia iray voasazy vao haingana handoa lamandy mitovy amin'ny karamany iray volana noho ny fametrahany “emoji mampalahelo” teo amin'ny lahatsoratra iray manohitra ady. Tena tranga maneho ny zava-miseho io. Misy vondrona mpikatroka mpomba ny governemanta manara-maso ny “tsikitsiky” sy ny “tiako” ary mitatitra izany amin'ireo manampahefana.

Tamin'ny tranga iray hafa, nisy mpanabe iray nanandrana nanala ny litera “Z” teo amin'ny rindrina. Nalazan'ireo mpianany sy ireo ray amandrenin'ny mpianatra tany amin'ny polisy izy ary dia voasazy nandoa lamandy ilay ramatoa. Mety hanasazian'ireo fianakvianao anao, na ireo mpiara-miasa aminao ny firesahanao fanoherana ady.

Tsy mpikatroka avokoa ny ankamaroan'ireo olona marobe nofonjaina ; Ny sasany tale mpitantana ara-barotra ary ny hafa tompona orinasa. Tena atao kianjoanjo mihitsy. Heveriko fa azo antoka kokoa ny maha-olo-malaza rehefa hiresaka manohitra ady, satria mety hahazo fanohanana izy ireny. Fa matetika dia ireo tena zara raha manana fiarovana no tena kendrena ; tsy dia mahasarika loatra ny fampitam-baovao ny manjo azy ireo.

MV: Azo atao ve ny mahafantatra hoe inona avy ireo hetsika fanoherana ady mbola amperiny?

R: Ankoatry ny asam-bahoaka ataon'ireo mpanao ady anaty akata sy ireo vehivavy mpikatroka, na ireo fanambarana fanoherana ady ataon'ny olona manoloana ny tribonaly, dia sarotra ny hahalala izay vita rehetra, satria toy ny efa maty ny asa fanaovan-gazety, na dia mbola betsaka aza ny zava-mitranga, na eo aza ny zava-misy. Sarotra ny mahatakatra ny fidadasik'ireo hetsika fanoherana ny ady. Tsy mba misy olona mandrakotra izany, satria maha-voasazy ny fandrakofana izany.

Na izany aza, mbola misy ny vaovao vitsivitsy etsy sy eroa. Misy ireo fisantaran'andraikitra sasantsasany manandrana manangona ny lisitr'ireo hetsiky ny mpikatroka. Ary misy ireo hetsika sy fikomiana madinidinika, sahala amin'ny fanesorana ny teny “Z” amin'ireo rindrina sy ireo biraom-panjakana na fametahana ireo filazàna fanoherana ady amin'ny endrika graffiti (fafin-tsoratra). Mbola mitohy izany. Ohatra, nisy tononkalo iray nilaza fa voarara avokoa ny zavatra rehetra ao Rosia ary manohitra ny ady ilay izy, ary andro iray no nandokoana izany. Mbola misy ireo hetsika, tsy tany maty akory io.

MV: Inona avy ny fanantenàna sy ny andrasana ankehitriny ?

R: [Misento]. Tsy misy manana fanantenana na vinavina, manao izay hahavelona ny olona ary misoroka. Ataon'izy ireo izay azony atao. Mifantoka amin'ny tena zava-misy ny tsirairay. Tsy afaka manakana ny ady amin'ny hetsika fanoherana ady izahay, ankoatran'ireo mpanao ady anaty akata izay manimba lalamby angamba. Efa zava-dehibe tsapan'ny olona ho tsy maintsy ataony izany satria tsy manohana ny ady izy ireo. Raha ny hevitro, ataony izany ho adidy ara-moraly. Mety manantena ho afaka hanova zavatra ny olona sasany, saingy tsy resahana ampahibemaso izany.

Maro ny olona ao Rosia no manohana ny ady. Manao ezaka maro ny fanoherana ady ataon'ireo vehivavy amin'ny fiezahana manokatra ny mason'ireo olona mpandàla ady mikasika ny zava-mitranga. Ny hanova tsikelikely ny toetsain'ny rehetra ao anatin'i Rosia no fanantenan'izy ireo.

 

*Manarama mpikaroka miisa 15 ny Civic Media Observatory amin'izao fotoana izao izay manadihady ny tontolo manodidina ny haino aman-jery any amina firenena fito. Ireo mpikaroka ireo dia nofidiana noho ny fahalalany ny fiteny, ny kolontsaina ary matihanina amin'ny fahalalàna ny toe-javatra misy ny fireneny sy ireo hafatra an-tsoratra any  anatin'ny fitantaràna*

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.