Bangladesh, mandray latsaky ny 2 USD isanandro, velona amin'ny fomba ahoana ?

Tea is the most popular drink in Bangladesh. Depicting the plights of the low wages of the tea-estate workers, young artist Tufan Chakma has raised the question of whether people are drinking workers' blood. Image from Facebook. Used with permission.

Ny dite no zavapisotro malaza indrindra ao Bangladesh. Amin'ny fanehoana ny fahasahiranana iainan'ireo mpiasan'ny dite izay mandray ny karama tena ambany indrindra, manontany ilay artista tanora, Tufan Chakma, sao mba misotro ny ràn'ireo mpiasan'ny dite ny olona. Saripika avy amin'ny Facebook. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Taorian'ny fitokonana efa ho roatokom-bolana nataon'ireo mpiasan'ny dite, nakarina avy amin'ny BDT 120 (USD 1.26) ary lasa BDT 170 (USD 1.80) ny karama isanandro raisin'ireo mpiasa mpitango ny dite ao Bangladesh. Izy ireo no isan'ireo mpiasa  mandray ny karama tena ambany indrindra ao amin'ny firenena eo amin'ny sehatry ny indostria nolovaina avy amin'ireo Britanika mpitarika sy mpanjanaka, ary dia mbola mijanona ho iray amin'ireo tena anjorom-bala indrindra sy ho vondrom-piarahamonina tena araraotina indrindra ao Bangladesh. Na niditra tamin'ny fanaovana fitokonana aza ry zareo hitakiana karama farany ambany indrindra isanandro ho BDT 300 (USD 3.16), nifampiraharaha tamin'ny tompon'ny saha fambolena dite ny Praiminisitra Sheikh Hasina ary nametra ny karama vaovao, tamin'ny 27 Aogositra, nitondra fisondrotana manodidina ny 25 isanjato teo ho eo.

Nanamafy ny Fikambanan'ireo Tompona Saha Fambolena Dite fa ireo toerana fambolena dia manome toeram-ponenana, tombontsoa amin'ny fisotroan-dronono sy fiahiana ara-pahasalamana, ary hatramin'ny fanohanana ara-tsakafo isan-kerinandro,  no sady manamora ny fampidirana ny zanak'ireo mpiasa hianatra amin'ny ambaratonga voalohany, izay rehefa atambatra dia mahatafakatra ny karaman-dry zareo ho ambonin'ny BDT 400 (USD 4.2) talohan'ilay fanondrotana. Nanandra-peo nanohana ny fitakian'ireo mpiasan'ny dite ireo fikambanana isankarazany mpiaro zo sy ny firaisamonina sivily ao amin'ny firenena.

Na nanohitra aza ireo sendikàn'ny mpiasan'ny dite nitaky ny hanondrotana ny karama isanandro ho BDT 300 (USD 3.16), dia toa faly ihany ry zareo tamin'ilay fanondrotana ho BDT 170 (USD 1.80). Hita ao amin'ny media sôsialy ireo lahatsary misy an-dry zareo miravoravo. Na izany aza, marobe ny olona no nametraka fanontaniana hoe: Fomba ahoana no hahatafavoaka velona an'ireo mpiasan'ny dite amina karama varimasaka, nefa ny fidangan'ny vidim-piainana nanosika ny vidin-javatra ho tsy takatry ny fahefa-mividin-dry zareo?

Namaly izany fanontaniana izany ilay mpiasan'ny dite, Seema  Mahali, ho an'ny BBC Bangla.

না হয় বাগানের জমিতে থাকি, কিন্তু ঘরের মেরামতের খরচ আমাদের। কাপড় কিনতে হয়, বাচ্চাদের পড়ালেখা করাতে হয়, চাল, ডাল সবজি কিনতে হয়। এই ১২০ টাকায় কি এতো কিছু হয়?

Afaka miteny ry zareo hoe mipetraka amin'ny trano natolotry ny toerana fambolena dite izahay, saingy ny sandan'ny fikarakaràna ilay trano dia izahay no mandoa azy. Mbola mila mividy fitafiana izahay, tsy maintsy manome fanabeazana ho an'ireo zanakay— vary, legioma sy voamaina tsy maintsy vidiana. Ampy ve io BDT 120 [USD 1.26] ?

Na misanda mihoatra ny BDT 120 (USD 1.26) aza ny dite iray kaopy any amin'ireo toerana malaza fisotroana dite ao an-drenivohitra, zara raha mahazo vola ireo mpiasan'ny dite ka tsy afaka akory hividy akoho na anana eny an-tsena. Ny sasany aza dia miroso mihitsy amin'ny fanaovana nahandro misy ravin-dite izay efa singa iray mahazatra ao anatin'ny sakafo isanandron-dry zareo. Raha milaza an'izany, nanoratra ilay mpanoratra, Kasafaddauza Noman, hoe :

এই অঞ্চলে চায়ের চেয়ে রোমাঞ্চকর জিনিস আর কী আছে? আমাদের প্রেম, আড্ডা, গল্প, গান, বিপ্লব, বিদ্রোহ কোনো কিছুই চা ছাড়া হয় না। বিজ্ঞাপন মারফত আমরা জানতে পারি কাপ শেষ হলেও রেশ রয়ে যায়, এক কাপ চায়ে তাজা হয়ে যাওয়া যায় নিমেষেই, এমনকি চায়ে চুমুক দিয়ে আমরা বদলে দিতে পারি পরিস্থিতি, প্রতিবাদ করতে পারি যেকোনো অন্যায়ের, পেয়ে যেতে পারি যুগান্তকারী আইডিয়া। কিন্তু বিজ্ঞাপনে চা শ্রমিকরা সারাজীবন ব্যাকগ্রাউন্ড প্রপস। দুটি পাতা একটি কুড়ি তোলার সুন্দর দৃশ্যটি আমাদের কাছে আরও সুন্দর হয়ে ওঠে দারুণ সিনেমাটোগ্রাফিতে। আর আজকাল তো নগরীর অভিজাত চায়ের দোকানে এক কাপ চা বিক্রি হয় ১২০টাকায়। সে চায়েরও হয় ফুড রিভিউ। অথচ শ্রমিকদের ১২০টাকার অসুন্দর জীবনের দৃশ্য সিনেমাটোগ্রাফিতেও আসে না, খবরেও খুব একটা পাওয়া যায় না। কারণ তারা চা পাতা ভর্তা খেয়েই কাটিয়ে দিচ্ছে বেহেশতি এই জীবন!

Inona no mety hampanonofy kokoa mihoatra noho ny firesahana momba ny dite ao amin'io faritra io? Matetika ny dite no voalaza ho toy ny fanonona any anatin'ny fitiavantsika, ny fifampiresahana, ny hira ary ny revôlisiôna. Amin'ny alàlan'ny dokambarotra, azontsika fantarina fa na avy misotro dite iray kaopy aza isika dia mbola mijanona mangetaheta hatrany; afaka ny ho velombelon'aina avy hatrany miaraka amina dite iray kaopy. Eo am-pisotroana dite iray kaopy aza dia afaka manova ny toedraharaha rehetra, afaka manohitra ny tsy rariny sy manana hevitra revôlisiônera. Nefa haingon-tsehatra tena izy fotsiny ireo mpiasan'ny dite any anatin'ireny doka ireny. Noho ny fahaizana milalao ny teknikan'ny sarimihetsika dia vao mainka lasa mahafinaritra kokoa ny fahitàna ireo fiotazana dite efa mahafinaritra rahateo. Ankehitriny, raha kely indrindra dia BDT 120 [USD 1.26] no tsy maintsy aloan'ny olona iray any amina toerana iray malaza fisotroana dite, ary na ireo mpitsikera sakafo aza dia mandrakotra azy ireny. Fa tsy misy lahatsary mampiseho ny tolona isanandron'ireo mpiasa miaraka amin'ilay karama manify dia manify BDT 120 [USD 1.26] raisiny isanandro, na tsy resahana izy ireny any anatin'ireo media mahazatra natao ho an'ny daholobe. Satria ao anatin'io paradisan'ny fihinanana ravin-dite io ry zareo no miaina!

Marobe ireo tetikasa goavambe no amperiny amin'izao fotoana izao ao amin'ny firenena, mba hanohy ny fivelarany ara-toekarena. Raha miresaka momba izany, Tasmia Afrin Mou nanoratra tao amin'ny Facebook hoe:

এত উন্নয়নকালে এই পোস্টার দেখতে হয় কেনো? ১৭০ টাকা রোজে মাসে ৩০ দিন কাজ করলেও চা শ্রমিক মাসে আয় করবেন ৫১০০ টাকা। কোনো আমিষ না, কোনো নিরামিষ না, কেবল ভাত আর রুটি হয় এই টাকায়?

Fa maninona moa isika no tsy maintsy mijery io afisy io  [vakin'ilay afisy: “Mila vary sy mofo mba ho isan'ny ao anaty sakafonay izahay —  BDT 300 no tianay ho karama isanandro”] mandritra ity ampaham-potoana fivoaran'ny firenena ity? Handray BDT 5100 [USD 54] isambolana ireo mpiasan'ny dite raha io taham-pisondrotana BDT 170 [USD 1.80] isanandro io no heverina. Tsy hena sy anana akory, afaka ny hividy vary sy mofo amin'io vola io ve ny ankohonana [mandritra ny volana iray]!

Malinichara Tea Garden in Sylhet. Image via Wikipedia by Shahnoor Habib Munmun. CC BY 3.0.

Malinichara, Zaridainan'ny Dite ao Sylhet. Sary avy ao amin'ny Wikipedia, an'i Shahnoor Habib Munmun. CC BY 3.0.

Ny indostrian'ny dite ao Bangladesh

Nandritra ny fitondran'ireo Britanika mpanjanatany no nanombohan'ny fambolena dite tao Bangladesh. Tamin'ny 1840, tao amin'ny tanàna an-tseranana ao Chittagong no nisy ny sahan-dite voalohany. Na izany aza, tamin'ny 1857, tao amin'ny faritr'i Sylhet  no nanomboka ny fambolena dite nitodika tamin'ny tsena. Amin'izao fotoana izao, misy sahan-dite  mihoatra ny 167 ao amin'ny firenena. Ao amin'ny faritra Sylhet, Habiganj ary  Moulvibazar no misy ny ankamaroan'ireo indostria. Misy eo amin'ny 140.000 eo ireo mpiasan'ny dite any amin'ireny sahan-dite rehetra ireny, ary ny betsaka amin'izay ireny dia efa andian-taranaka maro no nifandimby tao anatin'io asa io.

Nandritra ireo taona 1860s sy 1870s, nahasarika orinasa vahiny marobe ny fahombiazana ara-barotra azon'ireo toerana fambolena dite tany amin'ny faritr'i Assam sy Sylhet. Vokany, nanomboka niroborobo ireo sahan-dite tany amin'ireny faritra ireny. Niaraka tonga tamin'izay ny fitadiavana mpiasa maromaro kokoa. Ao anaty lahatsoratra voka-pikarohana iray tamin'ny 2014, nitondra lohateny hoe “Tantaran'ireo Sahan-Dite sy ireo Mpiasan'ny Dite ao Bangladesh,” Riad Mahmud sy Alida Binte Saqi mamoaka fa ny fifindramonina ataon'ireo mpiasan'ny dite dia mitovitovy amin'ny fivarotana andevo. Tsy teratany avy ao Sylhet ireo mpiasa voalohany tamin'ny dite. Avy amin'ireo faritra samihafa ao India ry zareo — ny ankamaroany dia avy amin'ireo faritra tena nianjadian'ny hanoanana. Fampiasàna zavatra diso no nitondràna azy ireny namonjy ireo toerana fambolena dite, ary nantsoin'ireo mponina tao an-toerana hoe “coolies.” Toy ny fomba fitondra andevo no nifandraisan'ireo mponina tao an-toerana, ny tompon'ny toerana fambolena dite ary ireo mpiasam-panjakana tamin'izy ireny.

Na efa tao anatin'ny taonjato faha-21 aza, tsy niova nanakory ny zavatra iainan'ireo mpiasan'ny dite. Niverina daholo ho eny alohan'ny sehatra indray tao anatin'ireo hetsipanoherana vao haingana nataony ny resaka vola raisin-dry zareo, ny fari-piainany, ary hatramin'ny tsy fitoviana atrehan-dry zareo .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.