Tonelin'ny Fanantenana: Fomba iray nivoahana velona nandritra ny fahirano nahazo an'i Sarajevo

Tranon'ny fianakaviana Kolar tao Sarajevo, toerana niantombohan'ny Tonelin'ny Fanantenana. Saripika an'i Alem Bajramović, fampiasàna nahazoana alàlana.

Ity lahatsoratra nosoratan'i Kristina Gadže ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny Balkan Diskurs, tetikasa iray an'ny  Post-Conflict Research Center (PCRC). Dika iray nokiraina no naverin'ny Global Voices noho ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.

Ny Fahirano nahazo an'i Sarajevo (1992–1996) no fahirano lava indrindra nanjo renivohitra iray tao anatin'ny tantaran'ny vaninandro maoderina. Ireo daroka baomba isanandro sy tifitra ataona mpitily miafina, nikendrena ireo mponina sivily, no tena zavadoza sy nahatsiravina, vao mainka nohamafisin'ny fanakanana ireo fiara mpitondra fanampiana atao noho ny maha-olona sy ny fahasarotan'ny fifandraisana amin'ireo faritra sisa tao Bôsnia sy Herzegovina ary izao tontolo izao. Tanaty ezaka iray mba hivoahana velona sy hifandraisana amin'ny tontolo ivelany, nandavaka tonelina tao an-tokotanin'ny fianakaviana Kolar ireo mponina tao Sarajevo. Niainga avy ao amin'ny toerana fonenana tao Dobrinja (D) nankany amin'ny an'ny Butmir (B), fantatra araka izany tamin'ny anarana hoe “D-B Tunnel”, na Tonelin'ny Fanantenana.

Ny Tonelin'ny Fanantenana dia teo ambany fifehezan'ny Tafiky ny Repoblikan'i Bôsnia sy Herzegovina (ARBiH) ary nampiasaina ho fitsinjarana sakafo, sigara ary fitaovam-piadiana hiarovan-tena. Izy io no nampifandray ny tanànan'i Sarajevo, izay tapaka tanteraka ny fifandraisany tamin'ny Tafiky ny Repoblika Srpska (VRS), tamin'ireo faritàny teo ambany fifehezan'ny Bôsniaka tany amin'ny lafy ilan'ny Seranam-piaramanidin'i Sarajevo,  faritra iray teo ambany fanarahamason'ny Firenena Mikambana. Nandalo tao ambanin'ny làlana fandehanan'ny fiaramanidina ilay tonelina.

Ny Aprily 1993 no nanomboka ny fanamboarana ilay tonelina. Araka ny lazain'ilay mpitahiry ny tantara Edis Kolar, zanakalahin'i Bajro Kolar, efa fantatr'izy ireo nialoha fa hisy tonelina ho atao ao anatin'ny tokotanin-dry zareo, saingy tsy noresahana imasombahoaka izany.

Ny ao anatin'ilay Tonelin'ny Fanantenana. Saripika an'i Alem Bajramović, fampiasàna nahazoana alàlana

Na dia nandray fiadiana tany ambava-ady aza ry zareo, Edis Kolar sy ny rainy dia nandeha matetika nijery ny tranon'izy ireo. Tsaroan'i  Edis fa indray mandeha izay, feno olona teo anoloan'ny tranony, isan'ireny ilay injeniera, Nedžad Branković, ilay lehibe tompomarika tamin'ny fanoavana ilay tonelina, ireo mpahay maritrano avy amin'ny Zenica, sy Bakir Izetbegović, (zanaka lahin'ny filohan'i Bôsnia sy Herzegôvina tamin'izany fotoana izany Alija Izetbegović, izay nitàna ny toeran'ny talen'ny Invontoeran'ny Fanarenana tao Sarajevo, ary taty aoriana dia lasa mpanao pôlitika ihany koa).

“Tadidiko tsara mihitsy izay nolazain'i Bakir: ‘Ilainay hanaovan-javatra ny trano sy ny tokotany.’ Fantatray fa nisy tonelina noforonina, saingy tsiambaratelo tsara afina izany. Fantatry ny raiko izay nilainy, araka izany dia hoy fotsiny izy, ‘Izay ahy dia anareo ihany koa,’” hoy Edis mahatsiaro. Tohizany tamin'ny fanazavàna fa ny rainy dia niasa tao anatin'ireo ekipa nandavaka ilay tonelina ary nanampy tamin'ny fividianana ireo fitaovana.

Volana roa taorian'izay fitsidihana izay, nolazain'i Edis fa nanomboka nandavaka tamin'ny tànany ny olona, nifandimby. Tsy dia nisy loatra ny daroka baomba, kanefa, rehefa fantatry ny tafiky ny Repoblikan'i Srpska (VRS) ny momba ilay fandavahana tonelina, nanao fanafihana roa nahery vaika ry zareo tamin'ny 17 sy 18 Martsa 1993. “Nopotehan-dry zareo daholo ny zavatra rehetra. Saingy nahomby ry zareo,” hoy i Edis, satria nitohy ny asa fanorenana na teo aza ny fahavoazana.

Lazain'i Edis fa ho an'ireo olompirenena tao Sarajevo dia nanana lanja lehibe tokoa ilay tonelina, ary, raha tsy voaorina izy iny, dia asa angamba izay mety ho nitranga. Notsipihany ihany koa ,fa ilay tonelina dia tsy naorina ho làlana hivoahana an'i Sarajevo, fa ho toy ny fotodrafitrasa sy làlan'ny famatsiana.

Tranombakoka iray ho vavolombelona

Manazava i Edis fa taorian'ny nahavitan-dry zareo ireo hady sy ireo làlana fifandraisana, lasa vavolombelon'ny fiainana andavanandron'ireo mponina tao Sarajevo ilay tonelina, izay tany ny sasany no nanao ny fampakarambady.

Iray tamin'ireny ny naman'i Edis, Elvir Spahić, izay 18 taona tamin'izay ary niaraka tamin'i Edis teny ambava-ady tao amin'ny faritr'i Treskavica. “Izy [Spahić] dia nanana sipa avy ao Hrasnica  ary nananihany azy momba izay tovovavy izay hatrany izahay. Saingy indray maraina, nilaza i Spahić fa hampaka-bady. Nihomehy izahay, nefa noraisinay ny basy ary nanapoaka basy nanao tifi-danitra vitsivitsy izahay, ary tafitra namakivaky ilay tonelina hatrany Sarajevo ireny,” hoy Edis nahatsiaro.

Araka ny filazan'i Edis, tsy nampiasaina ny tonelina nandritra ny volana farany tamin'ny ady satria dibo-drano. Niverina tany an-tranony i Edis sy ny rainy mba hanadio ary nahita zavatra maro nilaozan'ny tompony, kalesy sy saripika. “ Noraofinay daholo ary napetrakay any anaty lakaly, izay babangoana tamin'izany, ary dia toy izay no fomba niforonan’ilay tranombakoka,” hoy Edis.

Na dia miaraka miasa amina sekoly vitsivitsy aza ry zareo, tsy matetika no misy mpianatra avy amin'ireo sekoly ao Herzegôvina tonga mitsidika ilay Tonelin'ny Fanantenana, na avy amin'ireo andrim-panjakana ao amin'ny Repoblikan'i Srpska. Saripika an'i Alem Bajramović, fampiasàna nahazoana alàlana.

Nahazo aingampanahy avy amin'ny eritreriny hitahiry izay sisa tavela, nikaroka ireo rakitry ny ela avy amin'io vanimpotoana io i Edis mba hovidiana, manerana an'i Bôsnia sy Herzegôvina. Na amin'izao andro izao aza, azo atolotra ho an'ilay tranombakoka izay rakitry ny ela any amin'ireo olompirenena raha toa ka heverin-dry zareo fa misy ifandraisany amin'ilay tonelina namboarina nandritra ny nanaovana fahirano an'i Sarajevo. Lazain'i Edis fa, na marobe aza ireo fikambanana mpanao fanampiana noho ny maha-olona tonga saika hanampy tamin'ny fanorenana indray ny tranon-dry zareo taorian'ilay ady, tsy sitraky ny rainy ny hanavaozana azy indray. Sitrany raha tahirizina tsy miova amin'izay endriny nahitàna azy teo ilay izy.

Votoaty azo raisina avy ao amin'ilay tranombakoka

Bajro sy Edis Kolar no nitantana ilay tranombakoka hatramin'ny 2012 , fotoana nandraisan'ny Sarajevo Canton Memorial Fund ny fitantanana azy. Tamin'ny Aprily 2022, vitan-dry zareo ny fanorenana indray ilay tonelina mirefy 130 metatra, izay tsy maintsy naverina naorina hatramin'ny voalohany noho izy mandalo ao ambanin'ny seranam-piaramanidin'i Sarajevo. Tamin'ny 1988, naverina naorina ny toerana fisosàn'ny fiaramanidina, ary ireo fantsona dia nofenoina simenitra manontolo manaraka ny lavany .

“Taona telo na efatra lasa izay, nanapaka hevitra izahay hibahana ilay fantsona ary tsy handalo ao ambanin'ny seranam-piaramanidina, fa ataonay lavitra araka izay tratra nefa tsy miala amin'ny taninay. Araka izany, nisy takelaka sy lalamby nampidirina avy amin'ilay fantsona vita simenitra,” hoy Edis, sady nanazava hoe ilay tetikasa ara-potokevitra dia noforonin'ilay mpahay maritrano, Selina Tanović, ary nisy fanaovana antso iraisampirenena nalefa mba ho fanohanana ny famitàna azy.

Isantaona ilay tranombakoky ny Tonelin'ny Fanantenana dia mikarakara atrikasa ho an'ireo ankizy jamba na manana fahasarotana ara-pahitàna. Saripika an'i Alem Bajramović, fampiasàna nahazoana alàlana

Eo amin'ny 170.000 isantaona no mpitsidika tonga ao amin'ilay tranombakoky ny tonelina. Namboarina ny votoatiny mba ho azon'ireo jamba sy sembana ara-pahitàna atao ny misitraka azy, ary hatramin'ireo manana fahasembanana amin'ny fivelarana ara-batana. “Isantaona izahay dia mikarakara atrikasa ho an'ny ankizy jamba sy ny manana olana ara-pahitàna, arahana mpanabe iray sy ny mpiandraikitra ato aminay. Nampian-dry zareo izahay hanonta ilay torolàlana ho amin'ny soratra Braille,” hoy Edis.

Tonga avy any amin'ny faritra, avy any Bôsia sy Herzegôvina, ary manerana izao tontolo izao, ireo mpitsidika mba hijery ilay tonelina sy ilay tranombakoka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.