- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nampiasain'ny polisy Indiana ny sioka taloha hisamborana mpanao gazety Miozolomana fantatra ho nampiharihary vaovao tsy marina

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

 

[1]

Fangon'ny sehatra/ vavahadim-baovao an-tserasera Indiana vitsivitsy. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube nataon'i Global Boundary [1]. Azo ampiasaina.

Tamin'ny 27 Jona, nosamborin'ny polisy Indiana ilay mpanao gazety indiana sady mpiara-manorina ny tranokalam-panamarinam-baovao AltNews [2], Mohammed Zubair, noho ny sioka nalefany tamin'ny taona 2018. Voampanga ho nanevateva ny finoana ara-pivavahana Haindò tao amin'ny Twitter i Zubair tamin’ny alalan’ilay kaonty tsy hita intsony ankehitriny [3] @balajikijaiin. Araka ny filazan'ny polisy [4], nanasongadina ny sarin'ny hotely misy ny sora-baventy hoe “Honeymoon Hotel” nolokoina ho “Hanuman Hotel” ny sioka. [5]Andriamanitry ny herim-po, fanoloran-tena, tanjaka ary fahendrena haindoa hajaina fatratra i Hanuman, ary mpiara-dia masina amin'andriamanitra Rama [6].

Notanana tany amin’ny polisy nandritra ny efatra andro [7] i Zubair raha nikasa ny hiditra amin’ireo fitaovana elektronikany ny manampahefana, anisan'izany ny solosaina enti-tanana sy ny findainy, ho anaovana fanadihadiana. Nosamborina araka ny andininy faha-153A sy 295A amin’ny Fehezandalàna famaizana Indiana [8] izy, izay lalàna miresaka fampiroboroboana fifandrafiana, sy ny fanaovana fikasan-dratsy niniana natao hanafintohina ny zava-tsaropady ara-pivavahana. Tamin'ny 2 Jolay, nolavina tamin'ny fomba ofisialy ny fanafahana azy vonjimaika ary nalefa tany am-ponja mandritra ny 14 andro [9] izy.

Tany am-piandohan'ny volana Jona, nanakiana an'i Nupur Sharma, mpitondratenin'ny antokon’ny fitondrana Bharatiya Janata Party (BJP) i Zubair, izay ny Praiminisitra Narendra Modi no mpitarika azy. Nanao fanehoan-kevitra manaratsy momba ny Mpaminany Islamo Mohammed [10] i Sharma, izay niteraka fifanolanana ara-diplaomatika teo amin'i India sy ireo Firenena miisa 15 ahitana miozolomana maro an'isa [11]. Nantsoina hoe “mankahala Islamo” ny fanehoan-kevitr'i Sharma, izay niafara tamin'ny fampiatoana azy tao amin'ny antoko.

Hamaky bebe kokoa: With spokesperson's suspension, BJP supporters in India are losing faith in the party [10]

Nanasongadina ilay mpanao gazety Rana Ayyub fa nisy fanentanana anjotra maharitra [12] mba hisamborana an'i Zubair:

Mitantara ny fanentanana an-tserasera hanagadrana an'i Mohammed Zubair

Ny fisamborana ny mpiara-manorina ny Alt News noho ny sioka tamin’ny taona 2018 miresaka momba ny sarimihetsika fanoharana no faratampon'ny fanentanana maharitra nanenjehana azy. Tatitra tsara dia tsara nataon'ny @newslaundry [16] https://t.co/ywwZzbIbYY [14]

Matetika i Zubair no misioka ireo lahatsary manasongadina ny firongatry ny ekstremisma Haindò any India sy ny fanakonana ny zon'ny mponina Miozolomana matanjaka miisa 200 tapitrisa ao amin'ny firenena.

Nanana anjara toerana lehibe tamin'ny fahazoana fanamelohana iraisampirenena ny ezaka nataon'i Zubair mba hanasongadinana ny fitomboan'ny fanehoan-kevitra mankahala Islamo [17] ataon'ireo vondrona elatra havanana ao India.

Hamaky bebe kokoa: Undertones: How India’s far-right spreads Islamophobia [18]

Nanomboka tamin'ny fisamborana ireo mpikatroka ka hatramin'ny fanamelohana sy fanagadrana mpiantsehatra noho ny fanehoan-kevitra ara-politika, voampanga ny governemantan’ny elatra havanana ao India [19] tamin’ny fampiasana lalànan’ny vanimpotoan’ny fanjanahantany mba hanakanana ny fanakianan'ny fiarahamonim-pirenena.

Laharana faha-150 i India tamin'ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety Manerantany 2022 [20], navoakan'ny mpanara-maso ny asa fanaovan-gazety Reporters Sans Frontières (RSF), ka niteraka ahiahy amin'ny fiarovana ny mpanao gazety sy ny andraikitry ny fampitam-baovao amin'ny maha andry fahefatra lehibe indrindra eran-tany amin'ny demaokrasia.

Fanamelohana miely patrana

Nandritra izany fotoana izany, nanameloka ny fisamborana an'i Zubair ireo mpikatroka, mpanao politika ary mpanao gazety, nitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro.

Namoaka izao fanambarana manaraka izao ny Orina Mpanasoa DIGIPUB News India, fiaraha-miasan'ny fikambanana media nomerika:

Manameloka amin'ny fomba hentitra ny fisamborana an'i Mohammed Zubair, mpiara-manorina ny Alt News, ny Digipub. pic.twitter.com/POYEaGIdAI [21]

Steven Butler, mpandrindra ny fandaharan'asan'ny Komitin'ny Fiarovana ny Mpanao Gazety (CPJ) any Azia, nanampy hoe [23]:

The arrest of journalist Mohammad Zubair marks another low for press freedom in India, where the government has created a hostile and unsafe environment for members of the press reporting on sectarian issues. Authorities must immediately and unconditionally release Zubair, and allow him to pursue his journalistic work without further interference.

Manamarika ny fihemoran'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao India indray ny fisamborana ny mpanao gazety Mohammad Zubair, izay namoronan'ny governemanta tontolo feno fankahalana sy tsy azo antoka ho an'ireo mpikambana ao amin'ny gazety mitatitra ireo olana ara-pivavahana. Tsy maintsy mamoaka an'i Zubair avy hatrany sy tsy misy fepetra ny manampahefana, ary mamela azy hanohy ny asa fanaovan-gazety tsy misy fanelingelenana intsony.

Nisioka i Rahul Gandhi, mpitarika ny mpanohitra Kaongresy Nasionaly Indiana (INC) hoe:

Fandrahonana ho azy ireo ny olona rehetra mampibaribary fankahalana, tsy fifandeferana ary lainga avy amin’ny BJP.

Vao mainka hiteraka (feo) an’arivony ny fisamborana feon'ny fahamarinana iray.

Mandresy HATRANY ny fahamarinana manoloana ny jadona. #DaroMat [24] pic.twitter.com/hIUuxfvq6s [25]

Tsy i Zubair ihany anefa no mpikatroka voalohany voasambotra tato ho ato. Tamin'ny 25 Jona, roa andro talohan'ny nisamborana azy, nalain’ny manampahefana polisy tao Gujarat tao an-trano fonenany ao Mumbai renivohitra ara-toekarena ao India ilay mpikatroka [27] Teesta Setalvad. Malaza amin'ny fikatrohana tamin’ ny korontana tao Gujarat 2002 [28] izay nahafatesana olona maherin'ny 1.000 tamin'ny fifandonana teo amin’ny vondrom-piarahamonina, Miozolomana ny ankamaroany i Setalvad.

Nanameloka ny fisamborana azy ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Forum Asia:

Manameloka ny fisamboran’ny ATS Gujarat ilay mpiaro ny zon'olombelona @TeestaSetalvad [30] ny @forum_asia [29]. Tsy vao sambany no nisy fikasana hisambotra azy. Miara-mIjoro amin'i Teesta izahay ary miantso ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro. #FreeTeestaSetalvad [31] https://t.co/93kQjWENSx [32]

Araka ny tatitra, nikasa ihany koa ny governemanta Indiana hanakana ny siokan’ny Vondrona Kiadim-pitenenana Freedom House miorina any Etazonia [34], ny an’ilay mpanao gazety Rana Ayyub, ny an’ny manampahefana ao amin'ny governemanta Pakistan, ary ny an’ireo vondrona politika mpanohitra toa ny Antoko Aam Aadmi sy ny INC. Nozarain'ny Lumen Database ity tatitra ity.

Nanoratra [35] tao amin'ny matoan-dahatsoratra iray tao amin'ny NDTV.com ilay mpaneho hevitra politika Sagarika Ghose:

Using police power to slam activists and dissenters in jail does not ensure ‘law and order,’ it actually destroys it. Politicians need to realize the value of rights activists like Teesta Setalvad. These activists appeal for justice and compassion from the system through lawful democratic means. As such they bring India's democracy a significant amount of legitimacy and credibility, both at home and in the eyes of the world.

Tsy miantoka ny ‘lalàna sy ny filaminana’ ny fampiasana ny fahefan'ny polisy hanamelohana ireo mpikatroka sy mpanohitra any am-ponja, fa tena manimba izany aza. Mila mahatsapa ny hasarobidin'ny zon’ny mpikatroka toa ny an'i Teesta Setalvad ny mpanao politika. Mitaky ny rariny sy ny fangorahana avy amin'ny rafitra amin'ny alalan'ny fanao demokratika araka ny lalàna ireo mpikatroka ireo. Tahaka izany no itondran-dry zareo ny demokrasian'India hanan-drariny sy azo itokisana, na ao an-toerana izany na eo imason'izao tontolo izao.

Na izany aza, tamin'ny andro nisamborana an'i Zubair, nanatrika ny Vovonambe G7 [36] ny praiminisitra Narendra Modi ary nanome toky fa hiaro ny fotokevitry ny fahalalaham-pitenenana, ny adihevitra misokatra ho an'ny daholobe ary ny fahalalahana maneho hevitra.

Niantso ny tranga ho “teatiran'ny hevi-dravina” ny matoandahatsoratra iray tao amin'ny The Hindu [37]:

It is unfortunate that the Government wants to be seen as protective of free speech and democratic values abroad, but does not mind the odium that the hounding of or crackdown on activists and journalists invites. Instead of perpetuating this travesty of justice, the Government should see reason, drop the spiteful case, and release him.

Mampalahelo fa ny governemanta dia te ho hita any ivelany ho mpiaro ny fahalalaham-pitenenana sy ny soatoavina demaokratika, saingy tsy miraharaha ny henatra izay ateraky ny fanenjehana na ny famoretana ireo mpikatroka sy mpanao gazety. Tsy tokony hanohy izany fisandohana ny rariny izany ny governemanta fa tokony hahay hihevitra, hanajanona ny raharaha feno fankahalana, ary hamotsotra azy.

Namintina ny zava-misy amin'izao toe-draharaha izao [38] ilay mpanao gazety Umang Poddar:

Zubair’s lawyers […] argued that a journalist’s digital devices hold a lot of sensitive information and should not be confiscated. However, in India, journalists do not enjoy higher freedom of expression or privacy as compared to other citizens. Nor do they get protection from disclosing their sources.

While Section 15(2) [39] of the Press Council of India Act, 1978 says that no journalist can be compelled to disclose their sources, this protection applies only to proceedings before the council.

 

Nanamafy ireo mpisolovavan'i Zubair […] fa mitahiry vaovao saro-pady maro ny fitaovana nomerika ampiasain'ny mpanao gazety ka tsy tokony hogiazana. Na izany aza, ao India, tsy misitraka fahalalahana maneho hevitra na fitanan-tsiambaratelo feno kokoa ny mpanao gazety raha oharina amin'ny olom-pirenena hafa. Tsy mahazo fiarovana koa izy ireo mba tsy hamoaka ny loharanom-baovaony.

Raha milaza ny fizarana faha-15(2) [39] ao amin'ny Lalànan'ny Filankevitry ny Gazety ao India, taona 1978 fa tsy misy mpanao gazety azo terena hamoaka ny loharanom-baovaony, eo anatrehan'ny filankevitra ihany io fiarovana io no mihatra amin'ny fotoam-pitsarana.

Tamin'ny 2 Jolay 2022, nisy fanadihadiana nataon'ny vavahadin-gazety The Wire namoaka [40] ny fisian'ny tambajotran'ny [41] kaonty Twitter miisa 757 izay nampiasaina hanafihana ny AltNews. “contact@vikashahir.in” no famerenana ny mailaka ID ho an'ny kaonty Twitter tsy mitonona anarana izay nahatonga ny FIR tany am-boalohany. Mifandray amin'ny Vikash Ahir [42], filohan'ny fanjakana Haindoa Yuva Vahini (HYV) sady mpiara-mitarika fivoriana ao amin'ny Bharatiya Janata Yuva Morcha (BJYM) ao Gujerat ny imailaka famerenana amin'ny laoniny “contact@vikashahir.in” ikirakirana ny Twitter (@balajikijaiin) izay niavian'ny fitoriana voalohany.