- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miatrika fahasahiranana ny fanadihadiana momba ny ‘ady amin'ny zava-mahadomelina’ rehefa mandà ny hiditra ao amin'ny ICC indray i Filipina

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, marcos-watch
Memorial for Tokhang victims [1]

Hetsika fahatsiarovana mitaky ny rariny ho an'ireo maty sasantsasany tamin'ny fanatanterahana ny fanentanana iadiana amin'ny zava-mahadomelina mampiady hevitra ataon'ny governemanta. Sary [1] avy amin'ny pejy Facebook an'ny Rise Up for Life and for Rights.

Nilaza tamin'ny haino vaky jery ny filoha Ferdinand Marcos fa rehefa avy nifampidinika tamin'ny ekipany misahana ny lalàna, tsy hiditra [2] ao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena (ICC) indray i Filipina .

Niala tao amin'ny ICC i Filipina tamin'ny Marsa 2018 nandritra ny fitondran'i Rodrigo Duterte, izay voampanga ho nanao heloka bevava goavana tamin'ny olombelona nandritra ny “a [3]dy amin'ny zava-mahadomelina [3]” nihoson-drà, fantatra any an-toerana amin'ny hoe Tokhang. Nanankery nanomboka tamin'ny volana Marsa 2019 ny fialàna. Nifarana tamin'ny 30 Jona 2022 ny fe-potoam-piasan'i Duterte.

Nitarika vonoan'olona an'arivony sy fisamborana olona ahiahiana ho mpampiasa, mpivarotra rongony ary mpitarika andian-jiolahy ny Tokhang. Tsy misy antontanisa ofisialy ny isan'ny maty nandritra ny Tokhang, fa nilaza ny fikarohana fa eo amin'ny [4] olona 6.000 ka hatramin'ny 30.000 farafahakeliny no maty. Nilaza ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa nikendry mangingina ireo vondrom-piarahamonina mahantra an-tanàn-dehibe [5] ny Tokhang, izay nitarika fisamborana fahatany (tondromolotra) sy famonoana olona tsy ara-pitsarana. Nilaza ny polisy fa voatery nitifitra ireo olona voarohirohy tamin'ny rongony ny mpitandro filaminana ho fiarovan-tena. Niaro ny polisy i Duterte ary niampanga ireo mpitsikera ny Tokhang ho mampiroborobo tetika manohitra ny governemanta.

Nametraka fitoriana [6] ny governemantan'i Duterte tao amin'ny ICC ny fianakavian'ireo niharam-boina tao Tokhang. Ho setrin'izany, nanatontosa famerenana [7] ny ICC ary nanao ity fanambarana voalohany ity [8]tamin'ny taona 2021:

[T]he Chamber concludes that there is a reasonable basis for the [p]rosecutor to proceed with an investigation, in the sense that the crime against humanity of murder appears to have been committed, and that potential case(s) arising from such investigation appear to fall within the Court’s jurisdiction.

Nanatsoaka hevitra ny Antenimieran-doholona fa misy antony mitombina matoa ny mpampanoa lalàna miroso amin'ny fanadihadiana, amin'ny heviny fa toa nisy heloka bevava natao tamin'ny olombelona tamin'ny famonoana olona, ​​ary toa tafiditra ao anatin'ny fahefan'ny Fitsarana ny raharaha mety hitranga avy amin'izany fanadihadiana izany.

Nilaza i Marcos, izay manana ny zanakavavin'i Duterte ho filoha lefitra, fa tsy ilaina ny fanadihadian'ny ICC [9]satria efa mandinika ny fitondran'ny polisy nampihatra ny Tokhang ny sampan-draharaham-panjakana:

We’re saying that there is already an investigation going on here and it’s continuing, so why would there be one like that [in the ICC]?

Milaza izahay fa efa misy ny fanadihadiana mandeha eto ary mitohy izany, ka nahoana no hasiana iray toy izany [ao amin'ny ICC]?

Nilaza ny loholona sasany fa manamafy ny fiandrianam-pirenena [10] sy ny politika ivelany mahaleotena ny fanapahan-kevitr'i Marcos. Namerina ny hevitra [11] momba ny fitsabahan'ny ICC amin'ny raharahan-tokantranon'i Filipina ny sekreteran'ny fitsarana Jesus Crispin “Boying” Remulla:

[Our justice system] is not perfect but it’s functioning, we are not a banana republic so why should they want to go to the country? Unless the agenda is political, and we don’t want political agenda by people other than us. We do our politics, not foreigners.

Tsy lavorary [ny rafi-pitsaràntsika] saingy miasa izy, tsy repoblika akondro isika ka nahoana izy ireo no te ho any amin'ny firenena? Raha tsy hoe tetika ara-politika izany, ary tsy mila tetika politika avy amin'ny olon-kafa ankoatra antsika isika. Isika no manao ny politikantsika fa tsy ny vahiny.

Nolavin'i Duterte ihany koa ny hohazonina ho manana tamberin'andraikitra amin'ny fitsarana vahiny. Nanizingizina izy fa raha voaheloka, dia any amin'ny fonjan'i Filipina ao amin'ny Tanànan'i Muntinlupa ihany no azo gadraina.

“Filipiana aho. Ka raha henjehina aho, dia mpampanoa lalàna Filipiana no hanao izany. Raha hotsaraina aho, dia ho mpitsara Filipiana no mitsara. Ary raha higadra aho, dia tokony ho any Muntinlupa,” hoy izy. | @NCorralesINQ /PDI

Nandrisika an'i Marcos hieritreritra tsara [14] amin'ny fanapahan-keviny ny Loholona teo aloha Leila de Lima. Nampiany ihany koa fa na dia taorian'ny fisintahan'ny firenena ara-pomba ofisialy tao amin'ny ICC aza, mitazona ny fahefana amin'ny raharaha mifandraika amin'ny heloka bevava nitranga talohan'ny 2019 ny sampam-pitsarana. Midika izany fa afaka mijery ireo raharaha mifandraika amin'ny Tokhang nitranga nandritra ny tapany voalohany tamin'ny fitondran'i Duterte ny ICC.

Tamin'ny fanambarana an-gazety, nanamarika ny fiantraikan'ny fanapahan-kevitr'i Marcos ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Karapatan [15]:

Marcos Jr. has indicated where his administration stands on issues pertaining to the respect for civil and political rights, particularly its callousness on the plight of the drug war victims and their families and their calls for accountability. He has effectively denied them justice.

Nanondro ny toerana ijoroan'ny fitantanany amin'ireo olana mifandraika amin'ny fanajana ny zo sivily sy politika, indrindra fa ny tsy firaharahiana ny fahorian'ireo niharam-boina tamin'ny ady amin'ny zava-mahadomelina sy ny fianakaviany ary ny antson'izy ireo ho tompon'andraikitra i Marcos Jr. Nolaviny tanteraka ny rariny ho azy ireo.

Nandà ny tohan-kevitry ny governemanta Marcos i Kristina Conti, mpanolotsaina momba ny lalàna ho an'ny vondrona mpilatsaka an-tsitrapo manome fanampiana ara-pitsarana ho an'ireo sisa velona sy ny fianakavian'ireo niharam-boinan'ny Tokhang.

Fahadisoana mahatsiravina, ary mety ho hita fa kajikajy diso vidiana lafo ny tsy hiverenana ao amin'ny ICC. Diso ny hevitr'i Marcos – tsy misy ny fanadihadiana marina ao Filipina momba ny politikan'ny governemanta na ny fomba fiasa izay nitarika heloka bevava tamin'ny olombelona.

Nampitandrina izy fa hiteraka fanoherana midadasika kokoa [18] ny fitohizan'ny tsy rariny:

When the people feel that the government cannot or will not protect them and their interests, and that the powerful can get away with anything, even murder, beyond alienation and disappointment, it is Marcos who should very well know how the people can turn their backs against and topple those in power.

Rehefa mahatsapa ny vahoaka fa tsy afaka na tsy hiaro azy ireo sy ny tombontsoany ny governemanta, ary afaka mitsoaka ireo matanjaka na inona na inona, eny fa na dia ny famonoana olona aza, mihoatra noho ny fanavakavahana sy ny fahadisoam-panantenana, dia i Marcos no tokony hahafantatra tsara fa vitan'ny vahoaka ny manohitra sy manongana ireo eo amin’ny fitondrana.

Nomen'ny mpampanoa lalàna ao amin'ny ICC hatramin'ny 8 septambra ny ankolafy voakasika rehetra, anisan'izany ny governemanta Filipiana, mba handefa fijery sy fanehoan-kevitra [19] momba ny fanapahan-kevitra hanohizana ny fanadihadiana momba ireo raharaha mifandraika amin'ny Tokhang.