Sosokevitra hamerenana vonjimaika ireo Nosy Virjiny Britanika amin'i UK: mety ho raharaham-bilany, mifanena amin'ny famanàn-drano ve?

Sainam-pirenena Britanika mihofahofa eo ambonin'ny sainan'ireo Nosy Virjiny Britanika ao amin'ny Peter Island, BVI. Sary an'i Joe Shlabotnik eo amin'ny Flickr, CC BY 2.0 .

Hatramin'ny nisamborana ny praiminisitry ny Nosy Virjiny Britanika (BVI) Andrew Fahie tao Florida, sy ny lehiben'ny seranan-tsambo, Oleanvine Maynard, nandritra ny hetsika fidirana an-tsokosoko tamin'ny 28 Aprily, dia nifantoka tamin'ireo fiampangana fanondranana an-tsokosoko zava-mahadomelina sy ny famotsiam-bola ny adihevitra tao amin'ny faritra teny amin'ireo media sosialy, ary ny fahasahian‘izy ireo sy ny famadihana ny firenena nataon'izy ireo. Nosamborina ihany koa i Kadeem, zanaka lahin'i Maynard, nisy nifandraisany tamin'ireo fiampangana.)

Herinandro latsaka kely taty aoriana anefa, nitodika tamina  fangatahana manokana iray ny adihevitra, voarakitra tao anaty Vaomiera misahana ny fanadihadiana namintina tsy ela akory momba ny faharatsian'ny fitantanana nataon'ny Praiminisitra sy ny fitantanan-draharahany : ny mba hiverenan'ny fitantanana ny faritany any ampitan-dranomasina mivantana amin'ny Fanjakana Mitambatra (UK), mandritra ny roa taona farafaha-keliny.

Ny 2 May, nisy ny fihetsiketsehana manohitra ilay tolokevitra :

#AminIzaoOraIzao: misy ny fihetsiketseham-bahoaka amin'izao fotoana izao eo ivelan'nyTranon'ny Governemanta, Road Town, manohitra ny fitondrana mivantana ataon'ny Britanika amin'ny BVI ; tonga taorian'ny tatitra fanadihadiana nanosoka hevitra fa ny BVI dia tokony ho ambany fitantanana mivantana vonjimaika avy any Londona (1) (📸VINO)

Na izany aza, ny BVI – indrindra raha ireo fisamborana no jerena – dia tsy manan-kolazaina betsaka mikasika izany. Ny fifandraisana ara-politika eo amin'ireo faritany ampitan-dranomasina sy Grande-Bretagne dia voarafitra mba hametrahana ireo nosy ho eo ambany fitondran'ny Mpanjakavavy Elizabeth II, fahefana faratampony iankinan'ireo Nosy, miaraka amin'ny governora ankehitriny, John Rankin, misolo tena azy. Araka izany, an'i Londona ny fanapahan-kevitra farany ary tsy maintsy manaraka izany ireo olom-pirenen'ny BVI.

Na dia nandray ny fanampiana avy amin'ny Fanjakana Mitambatra  aza ny sasany – amin'ny lafiny iray – dia zava-misy iray tsy mampahazo aina ny mpampiasa Twitter, Jermaine Lake izany:

Na nisy aza kolikoly goavana teo amin'ny governemanta na tsy nisy governemanta mivantana avy any amin'ny Fanjakana Mitambatra, dia tsy fanafody izany hanitsiana ireo olana ireo. Avelao ny vahoaka no hamaha ireny olana ireny amin'ny alalan'ny fifidianana sy ny tsindry.

Nahian'ireo sasany ihany koa ny hahatafiditra amin'ireo tolo-kevitra ny fampiatoana amin'ny ampahany ny lalàm-panorenan'ireo BVI sy ny hoe niverina ho toy ny tamin'ny fanjanahantany ity hetsika :

Sora-baventy mivaky hoe: “teraka ho afaka aho”, “tsy misy fampiatoana lalàm-panorenana”, “tsy misy fitondrana Britanika, tsy misy fiverenana amin'ny fatotra”, “Ekena ny fanampiana – Lavina kosa ny fifehezana”.

Am-pitiavana avy amin'ny #BVI ho an'ny #UK @10DowningStreet pic.twitter.com/JQJJX1WkGI

Ireo hafa nanombatombana ny mety ho antony itadiavan'ny Firenena Mitambatra haka ny fifehezana :

Ny mpanjakavavy sy ireo namany mpanao kolikoly, manafina ny volany any amin'ireo BVI ireo olom-bitsy mpanambola !!! Tokony hifoha ny olona ! Izay miafina any amin'ireo paradisan-ketra any ivelany fotsiny no mampanahy azy ireo !

Tena hita ho kisendrasendra hoe voasambotra ny filoha an'i BVI, ary tsy ampy herinandro, milaza ny Fanjakana Mitambatra fa handray mivantana ny fahefana, anisan'ny fanomezana Jôbily Platinum ho an'ny Mpanjakavavy ve izany mba hahafahan'ny RF hilaza fa mbola manana zanatany izy, manan-jo amin'ny fizakantenany sy amin'ny demokrasia ny 🧐#BVI

Nitsikera i Liam Scott (tena narahana esoeso tsara) hoe :

Nosy Virjiny Britanika
Manontany tena ny olona hoe inono no azon'ny Britanika ampianarina ny BVI
Angamba ny fomba handaingana amin'ny mpifidy
Angamba ny fomba hanaovana tsinontsinona ny marina
Angamba ny fomba hanafenana ny kolikoly
Angamba ny fomba handaingana amin'ny Parlemanta
Angamba ny fomba hanaovana tsinontsinona ireo fifanarahana efa vita sonia

Nandritra izany fotoana izany, nanandra-peo ny tsy fanekeny ilay tolokevitra ihany koa ny Organisation of Eastern Caribbean States (OECS), nanamafy fa tsy ekeny ny Britanika hametraka ny  fifehezana mivantana ireo BVI, tamin'ny famaritana fa tokony ho porofo mivaingana ny tantara mavesatry ny fanjanahantany teo amin'ny faritra hoe “tsy nanome velively ny vokatra nandrasana taminy ” ny fepetra tahaka izany. Notsipihiny ihany koa fa tsy voatery hidika ho fanamelohana ny fisamborana. Mety higadra mandrapahafaty i Fahie, raha fantatra fa tompon'antoka.

Avy amin'ny fomba fijerin'ny UK, tsy niafina tamin'ireo mpampiasa media sosialy ny mizàna tsindrian'ila :

Milaza betsaka momba ny tsy fisian'ny  fahatongavan-tsaina tanteraky ny Britanika io, hoe ny famerenana mandinika indray dia mety hitaky ny fampiatoana ny lalàm-panorenana sy fampidirana fitondrana anaty hamehana momba ny faharatsian'ny fitantanana… any an-kafa. Misy afaka hanome fitaratra an'i Westminster ve, azafady. #BVI

Na iza na iza gaga tamin'ireo zava-nitranga tao amin'ireo Nosy virjiny Britanika dia samy tsy nisy niraharaha. Ivon'ireo asan-jiolahy ny #BVI hatramin'ny taona 1970. Tsy te-hiantoka ny fikojakojana azy ny FCO ka namoronany sata-na paradisan-ketra mba ho ny volan'ireo jiolahy ireo no handoavana izany.

Mbola ho hita eo raha toa ny tribonaly Amerikana hilaza an'i Fahie sy ny mpiara-meloka taminy ho tompon'antoka tamin'ny fanamoràna io “vola-na heloka bevava” io, saingy efa nangataka ny fanafahana azy noho ny antony “tsy maty manota diplômatika” ilay Praiminisitra afa-baraka. Hatreto, tsy nisy mihitsy fanamafisana hahafantarana raha toa ka neken'ny Lehiben'ny Fitsarana ilay fangatahana “ny tsy maty manota”, nefa afaka andro vitsivitsy i Fahie dia tokony hiakatra fitsarana mikasika ny fandoavana onitra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.