- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiakaran'ny ranomasina manosika ny vehivavy any Bangladesh hihinana pilina (fanafody) manakana fadimbolana

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, Green Voices
 People living in the southern coastal region of the Sundarbans in Bangladesh suffer from a water shortage in the dry season as a result of increasing salinity in the groundwater, and of the river Satkhira, caused by rising sea levels. Image via Flickr by International monetary fund. CC BY NC-ND 2.0 [1]

Mijaly noho ny tsy fahampian-drano ny olona monina any amin'ny faritra amorontsiraka atsimon'i Sundarbans ao Bangladesh amin'ny vanim-potoana maina noho ny fitomboan'ny sira ao anaty rano ambanin'ny tany sy amin'ny renirano Satkhira vokatry ny fiakaran'ny ranomasina. Sary avy amin'ny Flickr avy amin'ny International Monetary Fund [1]. CC BY NC-ND 2.0 [2].

Namoaka lahatsoratra [3] tamin'ny volana Jolay 2022 ny seha-pikajiana tsy mitady tombontsoa any Etazonia, Mongabay, izay manambara fa mandefa rano masira mankany anaty tany sy loharanon-dranomamy any amin'ny tanànan'i Satkhira akaikin'ny Sundarbans sy ny Helodranon'i Bengal ny fiakaran'ny haavon-dranomasina, ka mametra ny fahazoana ranomamy any amin'ireo faritra ireo. Voka-dratsy manafintohina [4] ny vehivavy sy ny tovovavy eny an-toerana ny hoe rano masira maloto no hanadiovana ny voro-damba ampiasainy rehefa tonga fadim-bolana, izay miteraka loto sy aretina ho azy ireo. Vokany, mihinana pilina fanabeazana aizana ny vehivavy sy ny tovovavy amin’ireo faritra ireo, izay matetika angalarina any amin’ny vehivavy manambady, mba hampitsaharana ny fadim-bolana.

Ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina sy ny fahazoana rano madio

Iray amin'ireo firenena marefo indrindra amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro [5] i Bangladesh, vinany iva mifanongoa amin'ny renirano, ary tena iharan'ny fiakaran'ny haavon-dranomasina maneran-tany. Misedra [6] fiakaran'ny ranomasina mahatratra fito ka hatramin'ny valo mm isan-taona ny firenena, ka olona an-tapitrisany no atahorana [7] hifindra toerana noho ny tondra-drano. Naminavina [8] ny Sehatra Iraisam-pirenen'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovan'ny toetr'andro fa raha mitohy amin'ny onjany amin'izao fotoana izao ny hafanan'ny tany, dia eo amin'ny 17 isanjaton'ny olona ao Bangladesh no mila mifindra toerana mandritra ny folo taona manaraka.

Rafiqul Montu, mpanao gazety momba ny tontolo iainana, manome fampahatsiahivana ny loza atrehan'i Bangladesh:

Iray amin'ireo firenena folo eto amin'izao tontolo izao tandindonin-doza noho ny fiakaran'ny haavon-dranomasina i Bangladesh. Tandindonin-doza akaiky dia akaiky ny morontsirak'i Bangladesh.

Nisy fiantraikany tamin'ny tahirin-dranomamy mafy tany amin'ny faritra morontsiraka atsimoandrefan'i Bangladesh ny fidiran'ny sira [11] avy amin'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fiompiana makamba tsy ampy fiheverana [12]. Sahirana amin'ny fahazoana rano madio hosotroina ny vehivavy sy ny tovovavy ao amin'io faritra io, vao maika ampian'ny rano rehefa mitsingerina ny fadim-bolan'izy ireo [13].

Fadimbolana sy fanilikilihana ara-tsosialy mifandraika amin'izany ao Bangladesh

Manao kajikajy ny Banky Iraisampirenena fa vehivavy sy tovovavy 500 tapitrisa [14] no mijaly noho ny fadim-bolana maneran-tany — tsy mahatakatra ny vidin'ny vokatra fidiovana amin'ny fadimbolana izy ireo — izay tsy vitan'ny hoe mampidi-doza [15] ny fahasalamana ara-pananahan'ny tovovavy sy ny vehivavy fa misy fiantraikany amin'ny fitaizana sy ny fivelomany ihany koa.

Tsy misy ny angon-drakitra azo antoka [16]momba ny fanjifàna salaka fadim-bolana vidiana ao Bangladesh. Na dia betsaka aza ny fampiasana azy eo amin'ireo vehivavy miasa ao an-drenivohitra, [16] maherin'ny 80 isanjaton'ny vehivavy [17] any amin'ny faritra ambanivohitra sasany kosa no mampiasa akanjo tonta fa tsy salaka vidiana — izay fomba fanao efa hatry ny ela. Na dia mihamitombo aza ny salaka fidiovana ara-barotra (vidiana) any ambanivohitra, tsy mahavidy izany [18] ny ankamaroan'ny vehivavy. Nahita ity fanadihadiana tamin'ny taona 2018 [13], “Ny Fiantraikan'ny Fiovan'ny toetr'andro amin'ny Loharanon-drano sy ny Fahasalaman'ny Olombelona,” ity fa manasa ny salaka lamba fadim-bolana amin'ny ranomasira ny vehivavy sy ny tovovavy any amin'ny faritra morontsiraka atsimon'i Bangladesh mba hampiasaina indray.

Misy ny fanilikilihana ara-tsosialy [19]mifandraika amin'ny fadimbolana ao Bangladesh, ary misy ny tsy fahampian'ny fanabeazana [20] momba ny fahadiovana amin'ny fadimbolana eo amin'ny tovovavy — maro no mihevitra azy io ho aretina, ary ny ankamaroany dia tonga fotoana miafina. Goavana ny fahafaham-baraka ho an'ny vehivavy manadio salaka lamban'ny fadimbolana eo anoloan'ny lehilahy, ary zara raha mividy izany eny amin'ny fivarotana mahazatra ireo izay mahavidy salaka ara-barotra.

Tonga fotoana voalohany ao Bangladesh: ‘Betsaka ny fiainan'ny tovovavy no simba noho ny fikarakarana #fadim-bolana [21] tsy ara-pahasalamana’. Bilaogy mandray vahiny avy amin'ny mpikatroka momba ny fahasalamam-bahoaka Sumit Banik

Milaza ny tatitry ny Mongabay [3] fa misy ireo ankizivavy mihinana pilina fanabeazana aizana mba hampitsahatra tanteraka ny tsingerin'ny fadim-bolan'izy ireo, ka tsy voatery manasa ny salaka lambany amin'ny rano masira maloto intsony izy ireo. Hitan'izy ireo ny zokiny voan’ny aretin-koditra sy ny aretin'ny taovam-pananahana noho ny tsy fahazoana rano madio. Na izany aza, mety hisy fiatraikany maharitra amin'ny fahasalaman'izy ireo ny fihinanana pilina fanabeazana aizana, ka hampitombo ny mety hisian'ny rà mivaingana sy ny homamiadan'ny nono [29].

Mampiseho ny Fanadihadiana Fototra momba ny Fahadiovana Nasionaly ao Bangladesh (2014) [30]fa tsy mankany an-tsekoly mandritra ny telo andro eo ho eo ny 40 isanjaton'ny mpianatra vehivavy satria tonga fotoana izy ireo. Tsy mora hita eny an-tsekoly na eny amin’ny toerana be olona ny salaka fidiovana satria nampianarina mba hiafinafina momba ny fadimbolany ny vehivavy. Nametraka fanentanana ho tompon'andraikitra ara-tsosialy [31]ao Satkhira ny orinasa iray ao an-toerana, izay ahitana fametrahana tobin-dranomamy ho an'ny vehivavy sy ny tovovavy ary ny fanofanana [32]azy ireo momba ny fahadiovana rehefa fadimbolana. Nanomboka nanao hetsika [33] ihany koa ireo ONG-FTMF sasany ao an-toerana mba hamokatra vokatra mora vidy momba ny fidiovana  amin'ny fadimbolana. Na izany aza, tsy ampy ho an'ny firenena manana vehivavy 83 tapitrisa mahery [34] ireo vahaolana ireo.

Ny fikambanana mpanao asa soa iraisam-pirenena United Purpose nisioka momba ny fandraisana andraikitra eo an-toerana amin'ny famokarana salaka fidiovana mora vidy:

Ao #Bangladesh [36], nisy vondrom-behivavy iray nanangana ny Shopno Mini Garments & Napkin Sanitaire Production Center ao amin'ny Cox's Bazar.

Mamokatra akanjo sy salaka fadimbolana eny amin'ny foibe izy ireo ary manome antoka ny vehivavy sy ny tovovavy ao amin'ny vondrom-piarahamonina mba hahazo salaka fadim-bolana amin'ny vidiny mirary

Olona maro ao amin'ny fiarahamonina mpandala ny nentin-drazana ao Bangladesh no tsy misokatra hiresaka [41] amin'ny fomba fanao amin'ny fahadiovana ara-pahasalamana azo antoka amin'ny fadim-bolana. Tamin'ny taona 2015, nanome baiko ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena fa ny sekoly tsirairay ao Bangladesh dia tokony hanana trano fivoahana iray farafahakeliny isaky ny mpianatra 50, tanjona izay mbola tsy tratra [42]. Tsy maintsy atrehina ireo sakana rehetra ireo mba hisian'ny fampahafantarana faobe [43] momba ny fitantanana ny fahadiovana amin'ny fadimbolana ao Bangladesh. Na izany aza, fandrahonana ivelany ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fiakaran'ny ranomasina ka tsy vitan'i Bangladesh irery ny manome vahaolana amin'izany.