- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpitsikera an'i Marcos-Duterte nosamborina noho ny fanalam-baraka anjotra ao Filipina

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava, marcos-watch
Walden Bello [1]

Walden Bello nikabary nandritra ny hetsiky ny fetin'ny mpiasa 1 Mey 2022. Loharano [1]: pejy Facebook an'i Walden Bello

Nosamborina [2] tamin'ny 8 Aogositra lasa teo ny solombavambahoakan'i Filipina teo aloha sady kandidà ho filoha lefitra Walden Bello rehefa voampanga ho nanao fanalam-baraka anjotra. Nametraka solofonja (fahafahana vonjimaika) izy ny ampitson'iny ary navotsotra [3] avy eo.

Mpampianatra sosiolojia i Bello sady mpikatroka menavazana efa nogadraina noho ny fanoherana ny Lalàna Miaramilan'ny governemantan'i Ferdinand Marcos Sr. tamin'ny taompolo 1970. Efa tao amin'ny Antenimieram-pirenena amin'ny maha-mpanao lalànan'ny Akbayan Partylist azy izy tamin'ny 2009–2015. Nirotsaka ho filoha lefitra izy tamin'ny fifidianana 2022 teo ambany fitarihan'ny kandidà ho filoham-pirenena Leody de Guzman. Nanao fampiroboroboana tetikasa sosialista [4] amin'ny alàlan'ny fanomezana vahana ny mpiasa eo amin'ny fiarahamonina ny antokon-dry zareo.

Nandritra ny fanentanam-pifidianana tamin'ity taona ity izy nanakiana ny firotsahan'ny zanakalahin [5]‘i Ferdinand Marcos Jr., mpanao jadona tao amin'ny firenena. Nitabataba [6] ny mpifaninana aminy tamin'ny fifidianana, Sara Duterte, ihany koa izy noho ny fandavany tsy handray anjara amin'ny adihevitra tohanan'ny media. Sara dia zanakavavin'ny filoha Filipina teo aloha Rodrigo Duterte. Voafidy sy nambara ho filoha sy filoha lefitra i Marcos Jr. sy Sara Duterte tamin'ny Mey 2022.

Taorian'ny fifidianana, nampitandrina momba ny “firaisankinan'ny ratsy” [7] (axe du mal) asehon'ny fiarahan'i Marcos sy Duterte lalana i Bello:

…the task for the coming period is not only to preserve our democratic rights from their being eroded under the rule of the Marcos-Duterte axis of evil. It is also to expand the mass base for a democratic socialist future for our country.

…Ny andraikitra rahatrizay dia tsy ny fiarovana ny zontsika ara-demaokratika ihany mba tsy ho potiky ny fanjakazakan'ny firaisankinan'ny ratsy Marcos-Duterte. Atao ihany koa izay anitarana ny fototra eny amin'ny daholobe hijoroan'ny hoavy sosialista demaokratika ho an'ny firenentsika.

Jefry Tupas, tompon'andraikitry ny fampahalalam-baovao taloha teo ambany fitarihan'i Duterte, no nitory azy ho nanala baraka an-jotra, raha nanatrika fety amoron-dranomasina izay notafihan'ny polisy misahana ireo mpivaro-drongony [8] tamin'ny Novambra 2021. Voatonona tao amin'ny fitoriana [9] ny ranty Facebook nozarain'i Bello izay voalaza fa nanala baraka an'i Tupas tamin'ny fanontaniana an'i Duterte momba ny lazaina ho anjara asany amin'ny fiarovana ireo mpisera sy mpivarotra rongony.

Nolazain'i Bello fa misy ambadika politika [10] ny fiampangana fanalam-baraka an-jotra.

Was Tupas instructed by Sara Duterte to take away attention from her refusal to participate in the vice presidential debate? This strategy has one goal in mind: harassment.

Nomen'i Sara Duterte toromarika ve i Tupas mba hanaisotra ny fifantohana tamin'ny nandavany tsy handray anjara amin'ny adihevitry ny filoha lefitra? Manana tanjona iray ao an-tsaina ity paikady ity : ny hanorisorenana.

Nanao fanangonan-tsonia [11] ny ekipan'i Bello mba hanesorana ny fiampangana [11], saingy tsy nanaiky ny mpitsara. Taorian’izay dia nivoaka ny didy fampisamborana azy ary notazonin’ny polisy izy. Manana hafatra ho an'ny ekipan'i Duterte i Bello:

Nosamborina ny alatsinainy tolakandro noho ny fiampangan'ny ekipan'i Sarah Duterte ho nanala baraka anjotra. Diso hevitra ireo olona ireo raha mihevitra fa afaka mampangina ahy sy manakana ny fahalalahako miteny.

Nolavin'ny filoha lefitra Duterte ny filazana fa manana andraikitra [13] amin'ny fametrahana fitoriana fanalam-baraka an-jotra izy:

Instead of deflecting blame, playing the victim of an imaginary case of political persecution, and dragging me into his legal woes, I suggest that Mr. Bello be reminded of the fact that a civilized and democratic society does not respect hubris. The right to freedom of speech and expression does not protect anyone from defiling the name and reputation of others.

Raha tokony hiala tsiny, mametraka ny tenany ho niharan'ny fanenjehana ara-politika an'eritreritra, ary hitarika ahy ho ao anatin'ny fahasahiranana ara-pitsarana, dia manoro hevitra an'Andriamatoa Bello aho ho fampahatsiahivana fa tsy manaja ny fihoaram-pefy ny fiaraha-monina sivilizasiona sy demaokratika . Ny zo amin’ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra dia tsy miaro na iza na iza amin’ny fandotoana ny anarana sy ny hajan’ny hafa.

Ho setrin'izany dia nilaza i Bello fa nitsoaka olana [14] ny filoha lefitra:

This is not the behavior of a democratic personality but of one who has little respect for freedom of speech and knows only the art of intimidation. Flowery rhetoric will not disguise Sara Duterte's assault on a fundamental democratic right. She should act in a manner that befits a vice president and cease disgracing herself and her office by her futile defense of an indefensible act.

Tsy toy izany ny fitondran-tenan’ny olona demaokratika fa fanaon'izay tsy dia miraharaha ny fahalalahana miteny sady tsy mahalala afa-tsy ny fandrahonana. Tsy hanafina ny fanafihan'i Sara Duterte amin'ny zo fototra demaokratika ny kabary voaravaka voninkazo. Tokony hanao fihetsika mifanaraka amin'ny filoha lefitra azy izy ary hampitsahatra ny fanalam-baraka ny tenany sy ny biraony amin'ny fiarovan-tenany tsy misy dikany amin'ny hetsika tsy azo arovana.

Niteraka fanamelohana teo an-toerana sy maneran-tany [15] ny fisamborana sy fitazonana an'i Bello. Anisan'ireo naneho fanohanana an'i Bello [16] ny senatera Risa Hontiveros:

Walden is a leading public intellectual and a steadfast campaigner for justice and human rights. Critical voices like his are essential to any democracy.

Now more than ever, we need more people like him, whose genuine commitment to freedom and democracy is beyond question.

Manam-pahaizana malaza fantatry ny daholobe i Walden ary mpanentana tsy tapaka ho an'ny rariny sy ny zon'olombelona. Tena ilaina amin'ny demaokrasia rehetra ny feo mitsikera toa azy.

Ankehitriny mihoatra noho ny hatramin'izay, mila olona maro toa azy isika, izay tsy azo iadian-kevitra ny tena fanoloran-tenany amin'ny fahalalahana sy ny demaokrasia.

Nilaza ny Loholona teo aloha Leila De Lima fa fotoana izao hanalana ny fanalam-baraka tsy ho heloka bevava:

Ny fisamborana an'i Prof. @WaldenBello tamin'ny fiampangana fanalam-baraka anjotra no mampiseho ny fomba ihoaram-pahefana amin'ny fananana ny vaikan'ny lalàna.

Taloha sy ankehitriny, nomeko fanajana ambony indrindra ny Prof. Walden, ilay goavam-be ara-tsaina. Miara-mijoro aminy aho, tsy misy fisalasalana, amin'izao fahoriana mahazo azy izao. Tsy hampangina azy mihitsy izany.

Nosamborina i Bello ary natosi-bohontanana [19] amin'ny firongatry ny fanafihana mpanao gazety mitsikera ny vondrona fampitam-baovao. Nosakanan [20]‘ny governemanta ny tranonkalan'ny vondrona haino vaky jery maro toa ny Bulatlat sy Pinoy Weekly noho ny filazana fa manohana ny fampihorohoroana. Ankoatra izany, nohamafisin'ny Fitsarana Ambony ny fanamelohana fanalam-baraka anjotra [21] an'i Maria Ressa ilay nahazo loka Nobel, ary mety hitarika amin'ny fanakatonana [22] azy ny didim-panjakana manafoana ny taratasim-pijoroan'ny orinasam-baovao Rappler.

Taorian'ny famotsorana azy, nisaotra an'ireo naneho firaisankina nandritra ny fihazonana azy i Bello:

Mankasitraka indrindra ireo rehetra nihetsika nanohitra ny fandrahonana lehibe mihatra amin'ny fahalalaham-pitenenana noho ny fiampangan'ny vondron'ny VP Sara Duterte ahy ho nanala baraka an-jotra. Fampisehoana mahatalanjona tokoa ny firaisan-kina ho fiarovana ny soatoavina iombonana! Amin’ny firaisankina tahaka izao, ahoana no mety haharesy antsika?