- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitra Unfreedom Monitor: Torkia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary natolotr'i Ameya Nagarajan

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor [1] dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i Torkia amin'ny aterineto ity. Vakio ato [2] ny tatitra feno.

Tany am-piandohan'ny aterineto, sarotra ny naminavina ny fomba ahafahan'ny fitondrana tsirefesimandidy mifehy ny “loharanom-baovao matanjaka [3]. Saingy, betsaka ny ohatra ahitana fanaraha-maso sy sivana rehefa tsy mitsahatra mihena ny fahalalahana amin'ny aterineto manerantany [4] nandritra ny iraika ambin'ny folo taona nifanesy. Tamin'ny taona 2011 i Ronald Deibert sy Rafal Rohozinski [5] nanoritsoritra famelabelarana lava ny fomba nahatonga ny fitondrana tsirefesimandidy ho mailaka tamin'ny famerana ny fidiran'ireo mpisera amin’izy ireny, sy miantehitra amin'ny teknolojia sy ny teknika araka ny lalàna sy ivelan'ny lalàna. Mba hanaovana izany, fariparitan'ny mpanoratra ireo teknika ireo ho fomban'ny harana (taranaka) manaraka hanaraha-maso amin’ny fidirana amin'ny torohay (fampahalalam-baovao). Hita amin'ny andiam-panarahamaso voalohany ny teknika “fiarovana”, toy ny fanapariahana sivana sy ny sivana mivantana.

Ahitana teknikan’ny fepetra ara-pitsarana izay misy fampiasana lalàna hanesorana votoaty, na hampiharana fanakatonana ara-teknika tranonkala ny andiam-panaraha-maso faharoa. Ahitana teknika “manafintohina” ny fanaraha-maso amin’ny andiany fahatelo sady farany, toy ny fanentanana fanoheran-torohay tohanan'ny fanjakana, ny fampiasana fanaraha-maso, ary ny fitrandrahana angondrakitra. “Fomba tena be pitsony sy marolafy amin'ny fanatsarana ny fifehezan'ny fanjakana ny tontolon'ny aterineto nasionaly sy ny fananganana fahaiza-manao amin'ny sehatry ny torohay ifaninanana amin'ireo mety ho mpifanandrina sy mpifaninana” ny sokajy fahatelo.

Araka ny asehon'ny topimaso momba ny firenena ao Torkia etsy ambany, azo atao ny manjohy ireo teknika telo karazana ampiasaina ao Torkia mba hanakonana ny fahalalahan'ny aterineto. Rehefa nampidirin'i Torkia ilay Lalàna lah. 5651 malaza ratsy, antsoina hoe volavolan-dalàna mifehy ny aterineto, tamin'ny taona 2007, nanomboka nampihatra ny fanaraha-maso andiany voalohany sy faharoa ny fanjakana. Na izany aza, nanomboka nipoitra ny fepetra henjana kokoa taorian'ny korontana nanerana ny firenena tamin'ny taona 2013 (hetsi-panoherana tao Gezi) sy ny zava-maharikoriko mikendry ireo mpikambana manan-danja ao amin'ny antokon'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana, ary ny fanonganam-panjakana tsy nahomby tamin'ny taona 2016. Taorian'ny fihetsiketsehana tao Gezi sy ny zava-maharikoriko,  nanjary tonga saina [6]tamin’ny anjara toeran'ny sehatry ny tambajotra sosialy amin'ny fandraisana anjara ara-politika sy ny fanetsehana olom-pirenena, ary amin'ny fananganana sy fanitarana ny firaisankina an-jotra/sy ivelan-jotra ny governemanta AKP. ”Ho amin'izany tanjona izany, niharihary kokoa ireo famantarana sy porofon'ny fampiharana ny fanaraha-maso andiany fahatelo , nanondro ny hamehana amin’ny “sivana an-jotra voatsinjara sy voazarazara an-tambajotra.”

Vokatr'izany, nampanginina tamin'ny alàlan'ny fitambaran'ireto endrika sivana nentim-paharazana ireto ny fiarahamonim-pirenena sy ny vahoaka amin'ny ankapobeny izay manakiana ny fanjakana toy ny fisamborana, fanagadrana, fandrahonana, ary ny fanitsiana lalàna manan-danja nampiarahana tamin'ny famoretana amin'ny aterineto amin'ny fampiasana fanapahan-kevitra manjavozavo ara-pitantanana sy ara-pitsarana avo lenta izay manakana, mandràra ary mitazona votoaty anjotra.

Vakio ato [2] ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox [7] Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).

Trohy ny endrika PDF amin'ny tatitra ho an'i Torkia. [2]