- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manao fihetsiketsehana manohitra ny fanamelohana ho faty ao Myanmar ireo mpikatroka Nepaley

Sokajy: Azia Atsimo, Myanmar (Birmania), Nepal, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

 

Image by Suman Nepali via Nepali Times. Used with permission. [1]

Mivaky hoe ny sora-baventy: ‘Manameloka ny fanantonana (fanamelohana ho faty) an'ireo mpanao fanentanana demokratika ao Myanmar [izahay]’. Sary avy amin'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alalana.

Tao amin'ny Nepali Times [1]no namoahana ity lahatsoratra ity voalohany. Navoaka indray eto amin'ny Global Voices ny lahatsoratra somary nasiam-panovana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Tamin'ny 26 Jolay, nidina an-dalamben'i Kathmandu ireo Nepaley mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona hanohitra ny fanamelohan’ny fitondrana miaramila ao Myanmar ho faty [2] an'i Phyo Zeya Thaw, Kyaw Min Yu (Ko Jimmy), Hla Myo Aung, ary Aung Thura Zaw.

Voampanga ho nanao ‘hetsika fampihorohoroana’ ireo mpikatroka mitolona ho an’ny demaokrasia miisa efatra, anisan'izany ilay mpanao lalàna teo aloha Thaw ary voaheloka [3] ho faty tamin'ny fitsarana tsy nahazo natrehina. Nahazoana tsikera betsaka [4]avy amin’ireo mpiaro ny zon'olombelona io fanapahan-kevitra io, sy avy amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena maro, anisan'izany ny Filankevitry ny Fiarovana ao amin’ny Firenena Mikambana.

Ao Nepal, nanameloka tanteraka ny fampijaliana feno habibiana ataon'ny governemanta miaramila amin'ireo mpitolon’ny fahalalahana noho ny ezaka ataon’izy ireo amin'ny famerenana ny fahalalahana sy ny demaokrasia ny Fikambanana Nasionaly ho an’ny Zon’Olombelona sy ny Rariny Ara-tsosialy (Human Rights Alliance) [5].

“Manitsakitsaka tanteraka ny soatoavina fototra sy ny fitsipiky ny demaokrasia ao amin'ny firenena ity zavatra mahatsiravina ataon'ny governemanta miaramila ity,” hoy ny fanambaran'ny Fikambanana Miaro ny Zon'Olombelona [6], ​​izay nilaza ihany koa fa mandika ny fanamelohana ho faty ho toy ny fanitsakitsahana mibaribary ny zon'ny vahoaka amin'ny fiainana, fahalalahana ary ny filaminana izany.

Nanameloka ny fanamelohana ho faty feno habibiana sy barbariana  atao amin’ireo mpikatroka mpomba ny demaokrasia [7] noho izany ny Fikambanana Miaro ny Zon’Olombelona, miantso izany ho tranga fanapotehana mahatsiravina sy tsy azo leferina.

Nanamafy ireo mpiaro ny zon'olombelona fa firenena mpikambana ao amin'ny Firenena Mikambana i Myanmar ary tsy maintsy manaja sy mankatoa [8] ny soatoavina sy fitsipika demaokratika fototra, ny lalàna iraisampirenena momba ny maha-olona ary ny fitsipiky ny zon'olombelona.

“Takianay tanteraka fa tsy maintsy hatsahatra avy hatrany ny karazana fampijaliana, fakàna an-keriny, famerana ny fivoriana sy ny fihetsiketsehana, ny fampitahorana ary ny fanasaziana amin'ny fomba feno habibiana mba hiantohana ny famerenana amin'ny laoniny ny zo demaokratika, ary hatolotra ny vahoakan'i Myanmar izany”, hoy ny Fikambanana Miaro ny Zon'olombelona tao amin'ny taratasy [9] nosoniavin'ny lehibeny, Min Bahadur Shahi, izay mpikambana [10] tao amin'ny Vaomiera misahana ny Drafitra Nasionaly teo aloha.

Image by Suman Nepali via Nepali Times. Used with permission. [1]

Sary avy amin'i Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alalana.

Nandrisika [9] misimisy kokoa ny fianakaviambe iraisampirenena ny fikambanana, anisan'izany ny fiarahamonim-pirenena sy ny fikambanana isam-paritra toy ny Association of Southeast Asian Nations (ASEAN), Bay of Bengal Initiative for Multi-Sectoral Technical and Economic Cooperation (BIMSTEC) ary ny South Asian Association for Regional Cooperation (SAARC), mba handray andraikitra avy hatrany hiarovana sy hampiroboroboana ny hetsika demaokratika, ary tsy misy fahafoizan’aina na faharatrana intsony ho an’ny mpikatroka mpomba ny demokrasia sy vahoaka masi-mandidy, ary koa mba hiaro sy hanery bebe kokoa hamerenana amin’ny laoniny ny demaokrasia.

Nahitana famoretana mahery vaika [11] natao tamin'ireo mpanohana ny demokrasia tao Myanmar taorian’ny fanonganam-panjakana [12] nataon’ny miaramila tamin'ny 1 Febroary 2021, izay notarihin'i Min Aung Hlaing, komandin'ny tafika mitam-piadiana ao amin'ny firenena. Nanomboka teo, olona miisa 2.000 mahery no maty novonoina [13] ary efa ho 15.000 no voasambotra, anisan'izany i Aung San Suu Kyi sy ireo olona ambony hafa ao amin'ny governemanta.

Hetsi-panoherana am-pilaminana sy tsy misy herisetra no nataon’ireo [14] mpanao fihetsiketsehana tamin'ny ankapobeny, izay nandraisan'ireo mpitarika miaramila fepetra samihafa, anisan'izany sy fanapahana ny aterineto [15] sy ny fampitam-baovao ary ny fanaparitahana vaovao diso [16].

Hoy ny fanambaran'ny Human Rights Alliance namarana hoe: “Takianay ny tsy maintsy hanokana-monina ireo miaramila mpanongam-panjakana sy hanapahana ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka aminy eo amin'ny sehatra maneran-tany mba hamerenana amin’ny laoniny sy hanohanana ny hetsika demaokratika, sy ny fanentanana ao Myanmar.”

Ny herinandron'ny [1-7 aogositra] lasa teo,  nanao fihetsiketsehana [17] tao Kathmandu ihany koa ny Fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ao Nepal [18] (HURON) nanameloka ny fanamelohana ho faty azy efa-dahy. Nanao hetsika fanoherana ny tsimatimanota ao Nepal ihany koa ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ao an-toerana, sy ny volavolan-dalàna iray ao amin'ny Parlemanta izay mamela ireo voampangan'ny heloka bevava mahatsiravina nandritra ny ady Maoista tamin'ny 1996-2006 tany Nepal ho tsy azo kitikitihina.